FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 16
  • Mitory Isan-trano ve ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho Voavonjy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitory Isan-trano ve ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho Voavonjy?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Hazòny Hamirapiratra Hatrany ny ‘Fanantenanao Famonjena’!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Inona no Atao hoe Famonjena?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Romanina 6:23: “Fahafatesana no Tambin’ny Ota; ary Fiainana Mandrakizay no Fanomezam-pahasoavana avy Amin’Andriamanitra”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Nahoana no Tena Sarobidy Ilay Fanomezana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 16

Mitory Isan-trano ve ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho Voavonjy?

Mitory isan-trano matetika izahay Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mieritreritra anefa izahay hoe tsy maintsy ho voavonjy satria manao an’izany. (Efesianina 2:8) Nahoana?

Aoka hatao hoe misy lehilahy tsara fanahy iray, mampanantena fanomezana lafo vidy ho an’izay tonga any amin’ny toerana iray, amin’ny fotoana omeny. Raha tena mino an’izany fampanantenany izany ianao, dia azo antoka fa hanaraka ny teniny. Tsy maintsy mba hilazanao koa ny namanao sy ny havanao, amin’izay ry zareo mahazo an’ilay fanomezana koa. Tsy noho ny nanarahanao ny tenin’ilay lehilahy anefa akory no mahatonga anao hahazo an’ilay fanomezana, fa noho izy tsara fanahy.

Toy izany koa fa mampanantena Andriamanitra hoe hiaina mandrakizay izay mankatò azy. (Romanina 6:23) Mino izany izahay ka miezaka miresaka an’izany amin’ny olon-kafa. Tianay hiaina mandrakizay koa mantsy izy ireny. Tsy mieritreritra anefa izahay hoe tsy maintsy ho voavonjy satria mitory. (Romanina 1:17; 3:28) Tsy mendrika ny hahazo an’izany fitahiana avy amin’Andriamanitra izany mantsy isika olombelona, na inona na inona ataontsika. “Tsy noho ny nanaovantsika izay mahitsy” no antony hamonjeny antsika, fa “noho ny famindram-pony.”—Titosy 3:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara