MIANARA AVY AMIN’I JESOSY
Hilamina ny Tany Manontolo
Samy te hanana fiainana milamina daholo ny olona. Efa an’arivony taona ny mpitondra fanjakana no nitady vahaolana mba handaminana ny korontana. Mahomby ihany izy ireny indraindray, nefa tsy maharitra izany satria miverina indray ny ady rehefa mandeha ny fotoana. Mba hilamina ihany ve ny tany indray andro any? Ie. Amin’ny fomba ahoana anefa? Andao hojerentsika ny zavatra nampianarin’i Jesosy sy ny hataony amin’ny hoavy.
Ny hataon’i Jesosy
Resahin’ny Baiboly hoe inona no hataon’i Jesosy tsy ho ela mba hisian’ny filaminana maneran-tany.
“Ny anaran’i [Jesosy] hatao hoe ... Andrianan’ny Fiadanana. Hitombo foana ny fahefany, ka tsy hifarana mihitsy izany.” (Isaia 9:6, 7) Hampisy filaminana maneran-tany sy maharitra mandrakizay i Jesosy satria izy no Mpitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.
“Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy ... ary izay rehetra tsy mba misy manampy.” (Salamo 72:12-14) Hampiasa ny fahefany i Jesosy mba hanjakan’ny rariny sy hanafoanana ny ady, ny herisetra ary ny fijaliana.
“Tsy hifamely amin’ny sabatra intsony ireo firenena, sady tsy hianatra ady intsony.” (Isaia 2:4) Rehefa hitondra i Jesosy dia hianatra hihavana amin’ny hafa ny olona fa tsy hoe hianatra ady.
Tianao ho fantatra ve hoe ahoana no hanaovan’i Jesosy an’izany? Ary inona no tokony hataonao raha te hiaina an’izany ianao? Jereo ilay video hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?
Ny zavatra nampianarin’i Jesosy
Mbola manampy olona an-tapitrisany hihavana tsara ny zavatra nampianarin’i Jesosy hatramin’izao. Nampianatra torolalana manampy antsika mba hampisy fihavanana i Jesosy tamin’ilay Toriteny malaza teo An-tendrombohitra. Ireto misy ohatra vitsivitsy.
“Sambatra ny mpampihavana.” (Matio 5:9) Tsy hoe nampirisika ny mpanara-dia azy mba tsy hiady fotsiny i Jesosy, fa tiany mihitsy raha hoe mpampihavana ry zareo.
“Mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao. Miverena avy eo, dia atolory ilay fanomezanao.” (Matio 5:23, 24) Nilaza tamin’ny olona nihaino azy i Jesosy hoe tokony halamina haingana ny tsy fifanarahana. Hita tamin’ny teniny fa zava-dehibe ny hoe mihavana tsara amin’ny hafa raha te hifandray tsara amin’Andriamanitra isika.
“Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina.” (Matio 7:1) Nampitandrina antsika i Jesosy mba tsy hitsaratsara ny hafa na hanantena hoe hanao zavatra iray ry zareo nefa isika aza tsy manao an’ilay izy akory. Mety hampiady mantsy izany. Nampianatra ny mpanara-dia azy izy hoe aleo ‘mamela’ ny fahadisoan’ny hafa foana, toy izay hoe manakiana an-dry zareo.—Lioka 6:37.
Be dia be ny olona mampihatra ny zavatra nampianarin’i Jesosy. Na dia feno herisetra sy fisaratsarahana aza any amin-dry zareo, dia hainy hoe ahoana no handaminana olana nefa tony foana. Lasa mahay mamela heloka koa ry zareo sady be fitiavana foana na dia ratsy fanahy aza ny hafa.
Nanampy olona maro hilamin-tsaina ny zavatra nampianarin’i Jesosy. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Milamin-tsaina na eo aza ny Ady.”