FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 134
  • Tsy Vahaolana ny Herisetra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Vahaolana ny Herisetra
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny zavatra noteneniny
  • Ny zavatra nataon’i Jesosy sy mbola hataony
  • Inona no Dikan’ilay hoe ‘Tiavo ny Fahavalonareo’?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Hilamina ny Tany Manontolo
    Foto-kevitra Hafa
  • Inona no Tian’i Jesosy Holazaina Amin’ilay hoe ‘Izay Tianareo Hataon’ny Olona Aminareo dia mba Ataovy Aminy Koa’?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Manaova Soa Hatrany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 134
I Jesosy mampianatra olona isan-karazany. Misy lehilahy, misy vehivavy, dia misy ankizy.

MIANARA AVY AMIN’I JESOSY

Tsy Vahaolana ny Herisetra

Mihabetsaka foana ny olona mieritreritra hoe ny herisetra no vahaolana rehefa misy olana mipoitra na misy olona tsy mifankahazo. Mifanohitra tanteraka amin’ny zavatra nampianarin’i Jesosy Kristy sy ny nataony anefa izany toe-tsaina izany. Eritrereto, ohatra, ireto zavatra noteneniny sy nataony ireto.

Ny zavatra noteneniny

Nampianarin’i Jesosy tamin’ilay Toriteny malaza teo An-tendrombohitra hoe rehefa misy olona tsy mifanaraka, dia tsy vahaolana ny hoe tezitra, masiaka ary mahery setra. Ireto misy ohatra vitsivitsy.

  • “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo ... dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12; Lioka 6:31) Mampirisika antsika io torohevitra ioa hoe izay zavatra tiantsika hataon’ny olona amintsika no tokony hataontsika aminy. Tsy misy olona te hiharan’ny herisetra anefa. Tsy tokony hiezaka koa àry ve isika mba hanaja ny olona sy ho tsara fanahy aminy, na dia rehefa tsy mifanaraka aminy aza isika?

  • “Na iza na iza manisy tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atodiho any aminy koa ny takolakao ilany.” (Matio 5:38, 39; Lioka 6:29) Tsy te hiteny akory i Jesosy hoe tokony hangataka amin’ny hafa isika mba hanisy ratsy antsika. Tiany hahitsy kosa ilay hevi-diso mety ho nampianarin’ny mpitondra fivavahana tamin’izany: Ilay hoe azo atao ny mamaly faty. Nampianatra ny mpanara-dia azy izy teo hoe tsy tokony hamaly faty ry zareo rehefa misy mampahatezitra azy, fa tokony halemy fanahy foana.b

  • “Tiavo foana ny fahavalonareo.” (Matio 5:43, 44; Lioka 6:27) Nampianarin’i Jesosy hoe tokony ho tsara fanahy amin’izay olona mankahala na manao tsy rariny amintsika isika. Tsy midika izany hoe tokony hankasitraka ny zavatra tsy mety ataon’ilay olona isika.c Raha tsara fanahy aminy anefa isika dia mety hihatony izy, ary mety ho lasa tsara fanahy amintsika mihitsy.

Ny zavatra nataon’i Jesosy sy mbola hataony

Nampianarin’i Jesosy hoe tsy vahaolana ny herisetra, ary nampihariny tamin’ny fiainany mihitsy izany fa tsy hoe noteneniny fotsiny. Nahery setra, ohatra, ny iray tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ilay alina nisamborana azy, satria te hiaro an’i Jesosy izy. Izao anefa no notenenin’i Jesosy taminy: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” (Matio 26:52) Nasehon’i Jesosy hoe tiany ny fahavalony, dia navelany ny heloky ny olona nampijaly azy sady nivavaka ho an-dry zareo mihitsy izy!​—Lioka 23:33, 34; 1 Petera 2:23.

Mampanantena ny Baiboly fa tsy ho ela dia hofoanan’i Jesosy, ilay Andrianan’ny Fiadanana, ny herisetra rehetra. (Isaia 9:6, 7) Raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’io hoavy mahafinaritra be io ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hampifarana ny Ady?.”

a Raha te hahazo fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona no Tian’i Jesosy Holazaina Amin’ilay hoe ‘Izay Tianareo Hataon’ny Olona Aminareo, dia mba Ataovy Aminy Koa’?”

b Raha te hahazo fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona no Dikan’ilay hoe ‘Maso ho Solon’ny Maso’?”

c Raha te hahazo fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona no Dikan’ilay hoe ‘Tiavo ny Fahavalonareo’?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara