FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 131
  • Ahoana no Anampiana ny Jamba?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Anampiana ny Jamba?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no fahitan’Andriamanitra ny olona jamba?
  • Inona no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana an-dry zareo?
  • Inona avy ny fitaovana fianarana Baiboly avoakanay?
  • Ampio ny Jamba mba Hahalala An’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • Teboka Mivohitra Manova Olona
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Hitory Amin’ny Jamba
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Afaka Mankafy Fiainana na Jamba Aza
    Mifohaza!—2015
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 131
Lehilahy iray jamba mipetraka eo amin’ny seza hazo eny an-jaridaina. Mihaino raki-peo ao amin’ny “JW Library” izy.

Ahoana no Anampiana ny Jamba?

Milaza ny manam-pahaizana fa 43 tapitrisa eo ho eo ny olona jamba maneran-tany, ary 295 tapitrisa eo ho eo ny olona tsy mahita tsara.a Mampalahelo fa betsaka amin-dry zareo no atao tsinontsinona na iharan’ny tsy rariny mihitsy aza.

Ahoana no fahitan’Andriamanitra ny olona jamba? Inona no lazain’ny Baiboly momba an-dry zareo? Ary inona no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana an-dry zareo?

Ahoana no fahitan’Andriamanitra ny olona jamba?

Asehon’ny Baiboly hoe tena miahy ny olona jamba i Jehovah.b Tiany raha tsy avakavahana ry zareo sady mandray soa avy amin’ny fampianarany. Mampanantena an-dry zareo koa izy hoe mbola ho tsara be ny fiainany amin’ny hoavy.

Andinin-teny: “Voaozona izay mahatonga ny jamba ho diso lalana.”​—Deoteronomia 27:18.

Dikany: Niaro ny jamba mba tsy hampijalina ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny vahoakany taloha.

Andinin-teny: “Tsy mijery tavan’olona Andriamanitra.”​—Asan’ny Apostoly 10:34.

Dikany: Tian’Andriamanitra ny olona jamba, hoatran’ny itiavany ny olona mahita ihany.

Andinin-teny: “Nampahiratra jamba be dia be” i Jesosy.​—Lioka 7:21.

Dikany: Nataon’i Jesosy lasa nahita ny jamba sasany tamin’izy teto an-tany. Tiany haseho mantsy hoe hahavita hoatr’izany koa ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny hoavy.

Andinin-teny: “Hatao lasa mahita ny mason’ny jamba.”​—Isaia 35:5.

Dikany: Mampanantena i Jehovah hoe kely sisa dia hahita ny jamba, rehefa hitondra eto an-tany ny Fanjakany.

Inona no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana an-dry zareo?

Mitory amin’ireny olona jamba ireny izahay Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, dia resahinay amin-dry zareo ny fampanantenan’Andriamanitra. Ahoana no anaovanay an’izany?

  • Mamoaka Baiboly sy boky fianarana Baiboly ary video be dia be izahay, dia ataonay amin’ny soratra braille ilay izy, na soratra lehibe, na raki-peo, na amin’ny endrika hafa mety amin’ny jamba sy ny olona tsy mahita tsara.

  • Miara-mivory izahay isan-kerinandro ary afaka tonga amin’ilay izy ny olona rehetra, anisan’izany ny jamba.

  • Asainay hianatra Baiboly miaraka amin’ny mpampianatra iray ny olona tsirairay.c

Maimaim-poana daholo izany rehetra izany. Fa maninona? Nilaza mantsy i Jesosy hoe: “Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.”​—Matio 10:8.

Tena miahy ny olona jamba ny Vavolombelon’i Jehovah. Ataonay namana sy ampianay daholo izay olona te hanompo an’Andriamanitra miaraka aminay. Mariho ange ny tantaran’ireto Vavolombelon’i Jehovah jamba ireto e!

Talita Alnashi: Avy any Soeda izy, ary vao teraka izy dia efa tsy nahita tsara. Ho hitanao ato hoe ahoana no nataon’ny ray aman-dreniny mba hampianarana azy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ho hitanao ato koa hoe nanampy azy sy ny fianakaviany ny namany sady nampiseho fitiavana tamin-dry zareo.

James Ryan: Avy any Etazonia izy, ary vao teraka izy dia efa marenina. Lasa jamba koa anefa izy tatỳ aoriana. Ho hitanao ato hoe nahoana izy no falifaly sy afa-po amin’ny fiainana.

Cynthia Pablo.

Cynthia Pablo: Avy any Philippines i Cynthia. Sady jamba izy no marenina. Tena nanampy azy ny mpiara-mivavaka aminy nandritra ny valanaretina COVID-19. Ahoana no nataon-dry zareo? Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ampian’ny Fiangonana Misy Azy ny Anabavy Iray Jamba sy Marenina, Amin’izao Valanaretina Izao.”

Inona avy ny fitaovana fianarana Baiboly avoakanay?

Lehilahy iray jamba mampiasa fitaovana manokana ho an’ny jamba.

Boky amin’ny soratra braille. Mamoaka Baiboly amin’ny fiteny maromaro amin’ny soratra braille izahay. Ny sasany Baiboly manontolo, dia ny sasany indray ampahany. (Misy lisitry ny fiteny amoahanay an’ilay izy ao amin’ilay efajoro hoe “Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Amin’ny Soratra Braille.”) Betsaka amin’ny boky ara-baiboly avoakanay koa no misy amin’ny soratra braille. Namoaka an’ilay bokikely hoe Mianara Mamaky Soratra Braille koa izahay. Natao hampianarana ny olona jamba mba hahay hamaky soratra braille izy io, ary olona iray mahita no hampianatra azy.

  • Raha te hahazo boky amin’ny soratra braille ianao, dia miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah na fenoy ilay hoe “Hangataka Hotsidihina.”

  • Afaka miditra ao amin’ny jw.org ianao, dia maka rakitra elektronika azo vakina amin’ny fitaovana manokana ho an’ny jamba.d

Boky amin’ny soratra lehibe sy boky amin’ny endrika elektronika azo halehibeazina. Betsaka amin’ny boky avoakanay no misy amin’ny soratra lehibe, dia afaka mahazo amin’izany ny olona tsy mahita tsara. Azo halehibeazina koa ny pejy ao amin’ny tranonkalanay jw.org, ary tsy miova ny endrik’ilay pejy na dia halehibeazina aza ilay izy. Ankoatra an’izay, dia azonao ovaovana koa ny halehiben’ny soratra rehefa mamaky boky ao amin’ny programa JW Library ianao.

  • Raha te hahazo boky amin’ny soratra lehibe ianao, dia miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah na fenoy ilay hoe “Hangataka Hotsidihina.”

  • Afaka miditra ao amin’ny jw.org ianao, dia maka boky amin’ny soratra lehibe.

Raki-peo. Mamoaka raki-peon’ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny 200 mahery izahay. Betsaka amin’ny boky ara-baiboly avoakanay koa no ataonay raki-peo. Matetika no misy fanazavana an’izay sary ao amin’ilay boky amin’ireny raki-peo ireny.

  • Afaka miditra ao amin’ny jw.org sy ao amin’ny JW Library ianao, dia mihaino na maka raki-peo ao.

  • Afaka miditra ao amin’ny jw.org ianao, dia maka rakitra elektronika ho an’ny programa mpamaky efijery na mpamaky boky.e

Kisary mampiseho olona miteny.

Video misy feo manazava sary.f Mamoaka video ara-baiboly misy feo manazava sary ny Vavolombelon’i Jehovah, ary misy amin’ny fiteny 100 mahery ilay izy amin’izao. Manampy ny olona hahazo sy hampihatra ny torohevitra ao amin’ny Baiboly ireny video ireny.

Raha tianao ho hita hoe hoatran’ny ahoana ilay video misy feo manazava sary, dia jereo ireto:

  • Tianao ve Raha Sambatra ny Tokantranonao?

  • Manova Olona ny Fahamarinana

  • Kisarisary

Fivoriana sy fivoriambe. Miara-mivory ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany isan-kerinandro mba hianatra Baiboly sy hanompo an’Andriamanitra. Manao fivoriambe maromaro koa izahay isan-taona mba hianarana Baiboly. Rehefa mampiseho video izahay amin’ireny fotoana ireny, dia efa misy raki-peo nomanina manokana ho an’ny jamba sy ny tsy mahita tsara. Manazava an’izay sary mipoitra eo amin’ilay video io raki-peo io. Misy olona jamba sady marenina koa manatrika ny fivorianay sy ny fivoriambenay, dia miezaka mandika teny ho an-dry zareo izahay. Raisinay tsara daholo izay tonga eo, ary tsy manavakavaka an’iza na iza izahay.

  • Mitadiava toerana ivorian’ny fiangonana.

  • Jereo hoe hoatran’ny ahoana ny fivoriambe ataonay isan-taona.

  • Tongava manatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, izay fivoriana miavaka indrindra ho anay ao anatin’ny taona.

José Luis Ayala: Mipetraka any Meksika izy. Vao teraka izy dia efa marenina ary lasa jamba tamin’izy 29 taona. Ho hitanao ato hoe tena zava-dehibe aminy ny fivorianay sy hoe ahoana no nanampiana azy mba ho lasa mpampianatra Baiboly mahay.

Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Amin’ny Soratra Braille

Tsotra sy mora azo io Baiboly io, ary efa nivoaka tamin’ny soratra braille tamin’ireto fiteny ireto tamin’ny 1 Mey 2025:

Alemà

Anglisy

Chichewa

Espaniola

Frantsay

Géorgien

Grika

Holandey

Hongroà

Iokrenianina

Italianina

Japoney

Koreanina

Portogey (Brezila)

Rosianina

a Ilay hoe “tsy mahita tsara” dia ilazana an’izay olona marary maso ary tsy mety sitrana ilay izy, ka misy vokany amin’ny fiainany andavanandro. Ilazana ny jamba sy ny tsy mahita tsara ilay hoe “jamba” ato amin’ity lahatsoratra ity.

b Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”

c Afaka mangataka ny hotsidihina ianao, dia haseho anao hoe hoatran’ny ahoana izany mianatra Baiboly maimaim-poana izany.

d Fitaovana elektronika azo entina mandehandeha izy io. Avadik’ilay izy ho soratra braille izay soratra tian’ilay jamba hovakina, na misy feo ao anatiny ao mamaky an’ilay izy, na sady mamoaka soratra braille ilay fitaovana no mamaky. Afaka mitsapa an’ilay soratra mivohitra amin’ilay fitaovana ilay jamba dia mamaky, na mihaino an’ilay vakiteny. Tsy voatery mitahiry boky be dia be amin’ny soratra braille ny jamba rehefa manana an’io fitaovana io.

e Ny atao hoe programa mpamaky efijery na mpamaky boky dia fitaovana manokana mamaky ny soratra eo amin’ny efijery na mamaky boky iray manontolo. Ilay ordinatera no mamaky an’ilay izy, na koa efa natao raki-peo ilay boky dia ilay programa avy eo no mandefa an’ilay izy. Rehefa mampiasa an’ireo programa ireo ianao, dia azonao dinganina na iverenana ny fizarana sasany ao amin’ilay boky, arakaraka izay tianao hohenoina.

f Manazava an’izay zava-mitranga eo amin’ilay video ny feo manazava sary.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara