FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Jolay p. 31
  • Alamino Haingana Ilay Olana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Alamino Haingana Ilay Olana!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Mitovitovy Aminy
  • Fa Maninona Aho no Nataony An’izany?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Nahoana Aho no Tsy Mahazona Namana?
    Mifohaza!—1996
  • Aoka isika hamboly ny kanto indrindra amin’ny fisakaizana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • ‘Antsoiko hoe Namana Ianareo’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Jolay p. 31
Anabavy iray miala tsiny amin’ny anabavy iray hafa any an-tranony.

Alamino Haingana Ilay Olana!

NISY rahalahy na anabavy nanao zavatra tena nankarary ny fonao ve ka lasa simba ny fifandraisanareo? Mila manao zavatra haingana ianao raha tianao ho mpinamana foana ianareo. Tokony ho tsara koa anefa ny antony anaovanao an’izany.a

Eritrereto hoe misy taolana tapaka. Tsy maintsy tsaboina haingana ilay izy raha tiana ho sitrana. Raha tsy izany mantsy dia harary eny foana ilay izy. Fa ny tena ratsy aza, dia mety hivilana ilay izy ka tsy ho sitrana intsony.

Tokony halamina haingana ny olana eo amin’ny samy Kristianina, hoatran’ilay taolana tapaka teo ihany. Raha tsy izany mantsy dia mety halahelo na ho tezitra eny foana isika. Mety ho vao mainka ho tezitra aza isika ka tsy hinamana amin’ilay olona intsony. Nilaza i Jesosy hoe: “Mifandamìna haingana.” (Mat. 5:25) Mandehana àry miresaka amin’ilay namanao. Tsy tokony hiolakolaka ianao rehefa miresaka an’ilay olana, nefa tokony ho tsara fanahy. Nahoana no mety ho sarotra ny hanao an’izany? Ireto misy antony roa.

Voalohany, mety tsy te handamina an’ilay olana ianao satria tsy te hiresaka an’ilay izy.b Diniho i Eodia sy Syntyke. Tsy nahavita nandamina ny olana teo amin-dry zareo angamba ireo anabavy ireo. Toa tsy nety voalamina mihitsy ilay olana matoa na ny apostoly Paoly tany Roma aza naheno an’ilay izy. Nampirisihiny izy mirahavavy mba hiezaka hiray saina. (Fil. 4:2) Lasa mpinamana be indray ry zareo raha nanetry tena, nifampiresaka tsara, ary tena nifamela.

Faharoa, mety hieritreritra ianao hoe ilay anankiray no tokony hiala tsiny satria izy no diso. Inona anefa no zava-dehibe? Ny hamantatra ve hoe iza no marina dia iza no diso? Sa ilay ianareo lasa mpinamana be indray? Rehefa misy olona tapa-taolana entina any amin’ny dokotera, dia ny hitsabo an’ilay olona no ifantohany fa tsy ny handany andro hamantatra hoe inona no nahatapaka an’ilay taolana. Rehefa miresaka amin’ilay namanao ianao dia aza mifantoka amin’ny hoe iza no diso. Tadidio hoe sarobidy ny fifandraisanareo, dia izay hampilamina an’ilay olana no ifantohy.

Ataovy tanjona àry ny hiresaka amin’ilay rahalahinao na anabavinao androany mba hamitram-pihavanana aminy. “Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efes. 4:26) “Hihavana” foana ianareo raha miezaka mamaha haingana an’izay olana misy eo aminareo.​—Efes. 4:1-3.

a Tokony halaminareo mitokana ny olana madinidinika sady tokony ho vonona hifamela heloka ianareo. (Mat. 5:23, 24) Mety hila ny fanampian’ny anti-panahy anefa ianareo raha olana lehibe ilay izy. (Mat. 18:17) Na izany aza dia tokony hanaraka an’ireo dingana resahina ao amin’ny Matio 18:15, 16 ianareo vao manatona anti-panahy.

b Raha nanao zavatra nampalahelo anao ny mpiara-manompo iray, nefa tsy nanimba ny fifandraisanareo ilay olana, dia hadinoy fotsiny ilay izy.​—Ohab. 26:20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara