MBA ANDRAMO IZAO
Manomàna Valin-teny Mampahery
Manana tombontsoa be isika any am-pivoriana. Afaka mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy mantsy isika rehefa manome valin-teny. (Heb. 10:24, 25) Ahoana anefa no hanomanana valin-teny mampahery?
Mivavaha amin’i Jehovah. Angataho izy mba hanampy anao hanome valin-teny manome voninahitra azy sady mampahery ny hafa.—Sal. 35:18.
Miezaha mba tsy hamaky fotsiny an’izay voasoratra. Ho hitan’ny hafa hoe manam-pinoana ianao rehefa manome valin-teny amin’ny fomba fiteninao. Handray soa ry zareo amin’izay.
Ataovy fohy ny valin-teninao. Ny valin-teny tsotra sy fohy matetika no tena mampahery. Tsy vitan’izay fa maro kokoa no ho afaka handray anjara.—Ohab. 10:19.
Zavatra tsara resahina. Tsy mety raha amin’ny valin-teny isika no manome torohevitra na mitsikera mpiara-manompo.
Mbola afaka mampahery ny hafa foana ianao na dia tsy voatondro aza. Henoy tsara ny valin-teniny, dia isaory izy.—Ohab. 10:21.