TANTARAM-PIAINANA
Navelako Hamolavola Ahy i Jehovah
TSY hadinoko mihitsy ilay andro voalohany niasako tao amin’ny fanakambanam-boky tao amin’ny Betelan’i Brooklyn, any Etazonia. Vao tonga aho dia gina tsy nahateny. Nitabataba be mantsy ireo milina fanakambanam-boky sady nihodina tsy an-kijanona. Feno vovoka avy amin’ny taratasy teny rehetra teny. Ny fofona menaka amin’izany tsy lazaina intsony.
Ireo rahalahy sy anabavy tanora niasa tao anefa no tena nahavariana ahy. Hoatran’ny hoe nankaleo be ny asany satria niverimberina foana. Tsy nisy nahamarika koa ilay izy. Faly foana anefa ry zareo sady afa-po. Lasa azoko ny atao hoe manetry tena rehefa manompo an’Andriamanitra.
Novolavolain’i Jehovah aho nandritra ny taona maro mba ho lasa mpanompony tsara kokoa. Fa aleo aloha hotantaraiko ny fomba nahitako ny fahamarinana. Bodista aho tamin’izany.
MBOLA KELY DIA NITADY AN’ANDRIAMANITRA
Teraka tany Chicago any Etazonia aho, dia tany koa no nihalehibe. Manana zandry telo aho. Japoney i Dada sy Neny, fa nifindra tany Chicago satria nino hoe ho tsara kokoa ny fiainany raha mipetraka any Etazonia ry zareo. Tiany hahazo ny fampianarana tsara indrindra koa ny zanany, sady tiany ho tafita amin’ny fiainana.
Bodista nafana fo i Dada sy Neny. Nisy tempolin’ny Bodista tao an-tanànan-dry mamanay tamin’izy mbola kely. Moanina bodista ny dadany sy ny anadahiny roa. Hitako tamin’izaho mbola kely hoe zava-dehibe tamin’ny fianakaviako ny fivavahana bodista. Rehefa avy nianatra aho, dia nandoro emboka manitra sy nametraka vary sy rano teo anoloan’i Bouddha. Nankany amin’ny tempoly bodista izahay isak’alahady, dia nihira teo anoloan’i Bouddha. Ngeza kokoa noho ilay tao an-trano ilay sarivongana tany sady nohosorana ranom-bolamena.
Nisy fotoana aho nijoro teo anoloan’ilay sampy tao aminay tamin’izaho fito taona. Lasa saina aho hoe: ‘Mba hanao ahoana ny fiainako rehefa maty aho?’ Nampianarina ahy tao amin’ny fivavahanay fa mbola ho velona any ho any ny fanahiko rehefa maty aho. Tsy ho velona intsony aho izany indray andro any. Marina hoe ho lasa fanahy aho, fa tsy ho afaka hankafy fiainana hoatran’ny olombelona intsony. Nalahelo be aho nieritreritra an’izany dia nahatsiaro ho tsy afa-nanoatra.
Lasa hitako tamin’izaho 15 taona teo ho eo hoe tsy nisy dikany ny fombafomban’ny Bodista. Tsapako hoe nisy banga ny fiainako. (Mat. 5:3) Nino aho fa tsy maintsy misy Andriamanitra iray tena mahery any ho any, dia te hahafantatra azy aho. Nieritreritra aho hoe mety hanampy ahy ny Baiboly, dia nividy Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques efa tonta aho. Taiza, hoy ianareo, no nividianako an’ilay izy? Tao amin’ny fetin’ny Bodista!
Miaraka amin’i Wilson Bashou, ilay nampianatra ahy ny fahamarinana
Nihaona tamin’ny Rahalahy Wilson Bashou aho tamin’izaho 17 taona. Nitondra ny alikako nandehandeha aho tamin’izay dia nanatona ahy izy. Nanontany izy hoe: “Fantatrao ve ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra antsika amin’ny hoavy?” Lasa niresaka hevi-dalina tao amin’ny Baiboly izahay. Namaky ny Apokalypsy 17:1 i Wilson avy eo, dia nanontany hoe: “Fantatrao ve hoe inona ilay ‘rano maro’ ipetrahan’ilay mpivaro-tena voalaza eo?” Tsy haiko ny valiny. Nasehony ahy àry ny andininy faha-15. Voalaza eo fa olona no tiana holazaina amin’ilay hoe rano. Gaga be aho! Andinin-teny ao amin’ny Baiboly ihany no ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanazavana andininy hafa. Nomen’i Wilson an’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay aho tamin’izay. Tena nanova ny fiainako io boky mangamanga kely io.
Nivory voalohany tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho folo andro taorian’izay. Tsy hadinoko mihitsy ny fomba nandraisana ahy tany. Nivory foana aho nanomboka teo. Taorian’iny i Wilson no nanomboka nampianatra Baiboly ahy. Tiako be ny zavatra nianarako, dia nisy fotoana izahay nianatra nandritra ny adiny valo. Nanahy be i Dada sy Neny. Tsy tiany maizina ilay izaho nianatra Baiboly. Arakaraka ny nianarako anefa no vao mainka naharesy lahatra ahy hoe ity no fahamarinana. Natao batisa aho tamin’ny 1983.
NIALA TENY AMIN’NY ONIVERSITE DIA NANAO MPISAVA LALANA
Nianatra ho dokotera tao amin’ny oniversite iray malaza aho tamin’izaho natao batisa. Nahafoy zavatra betsaka i Dada sy Neny mba hahafahako manao an’io fianarana io. Te hanompo manontolo andro anefa aho, satria te hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah.
Norahonan’i Dada aho hoe: “Tsy mahazo mipetraka ato intsony ialahy raha vao miala eny amin’ny oniversite!” Nalahelo aho tamin’izay sady niady saina. Tiako i Dada sy Neny, dia tsy te handiso fanantenana an-dry zareo aho. Matetika aho no nankeny an-tokotanim-pianarana tamin’ny andro alina, dia nijery ny lanitra feno kintana sady nivavaka hoe: “Jehovah ô, mba ampio aho handray fanapahan-kevitra tsara!” Noroahin’i Dada aho rehefa tapa-kevitra hoe tsy hianatra intsony. Notantaraiko an’i Wilson tamin’ny telefaonina izay nitranga, dia nasainy hiara-mipetraka aminy aho. Nandray bisy àry aho dia nankany an-tranony. Kitapo iray fotsiny no nitondrako ny entako rehetra. Tony be mihitsy aho tamin’izay. Izany no nandresy lahatra ahy hoe nety ny fanapahan-kevitro.
Hoatran’ny vorona tafavoaka avy ao anaty tranony aho! Afaka nanompo malalaka amin’izay mantsy aho. Lasa mpisava lalana aho tamin’ny 1984.
Nampianatra ahy toetra tsara be dia be i Jehovah nandritra an’ireo taona nanaovako mpisava lalana. Anisan’izany ny fikirizana. Saika tsy hanompo aho indray tolakandro izay. Kivy mantsy aho fa tsy nahita namana. Nandeha ihany anefa aho. Nitory tao amin’ilay trano farany aho rehefa afaka adiny roa. Reraka be aho tamin’izay sady nahatsiaro ho nanirery. Hoatran’ny ho avy koa ny orana. Lasa saina aho hoe: ‘Hody àry ve aho?’ Rehefa niakatra tao amin’ny rihana faharoa aho, dia nihaona tamin’ny tovolahy iray avy any Philippines. Hoy aho tany an-tsaiko tany: “Marina mafy ity raha ho liana!” Diso hevitra anefa aho. Nianatra Baiboly izy ary lasa Vavolombelona.
NANOMPO TAO AMIN’NY BETELAN’I BROOKLYN
Nasaina hanompo tao amin’ny Betelan’i Brooklyn aho tamin’ny 1985, rehefa avy niara-nipetraka tamin’i Wilson nandritra ny roa taona. Tao amin’ny fanakambanam-boky aho no niasa, araka ilay noresahiko terỳ aloha. Nanao fahadisoana aho indray andro izay, rehefa nanao pirinty lohateny tamin’ny fonom-boky. Fonom-boky an-jatony no tsy maintsy nariana. Nasaina nanao tatitra tany amin’ny mpiandraikitra ny asa aho. Noteneniko teo daholo izay nahatonga an’ilay izy. Nisy zavatra tsy nataoko anefa. Tsara fanahy ilay mpiandraikitra niteny hoe: “Tsara foana, Rahalahy, ny miala tsiny.” Nianarako fa zava-dehibe foana ny miaiky fahadisoana, dia miteny hoe: “Azafady.”
Mitondra mpitsidika tao amin’ny fanakambanam-boky, tany Brooklyn
Nianatra ny atao hoe manompo ny hafa aho, rehefa nandinika an’ireo zokiolona tsy nivadika tao amin’ny Betela. Niray latabatra taminay ny Rahalahy Milton Henschel indray antoandro izay. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy tamin’izany. Feno hipoka ny efitrano fisakafoana tamin’io, dia sahirana be ny mpizara sakafo. Ningonongonona teo am-pitoerana izaho sy ny rahalahy tanora hafa hoe: “Ela be koa ilay sakafo.” Tsy niteny ny Rahalahy Henschel fa tonga dia nitsangana, dia nanampy an-dry zareo. Tsy hadinoko mihitsy iny! Hita hoe nanetry tena izy nanompo ny hafa. Hoatr’izany mihitsy no nataon’i Jesosy rehefa nanompo an’ireo apostoly.—Jaona 13:3-5.
“TOKONY HIANATRA TENY JAPONEY IANAO!”
Miaraka amin’i Michiko Oda sy ny vadiny
Nankatỳ Japon aho tamin’ny 1987, dia gaga nahita hoe nafana fo sy nanetry tena ny mpitory teto. Te hitory niaraka tamin-dry zareo aho nefa tsy nahay niteny japoney. Nijery tsara ahy ilay anabavy Betelita atao hoe Michiko Oda dia niteny hoe: “Tokony hianatra teny japoney ianao!” Izay tokoa no nataoko. Tsy nampoiziko hoe hanova ny fiainako iny teniny iny.
Nifindra tao amin’ny fiangonana iray miteny japoney tany New York aho, volana vitsivitsy taorian’izay. Nitombo ny zavatra azoko natao rehefa nianatra teny japoney aho. Sambany aho tamin’ny 1989 no nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ny teny japoney. Tany Los Angeles ilay izy no natao. Nandray anjara tamin’ny tantara an-tsehatra ilay anabavy mpisava lalana atao hoe Miwako Onami. Tonga dia babony ny foko.
Nivady izahay tamin’ny 1992, dia niara-nanompo tao amin’ny Betelan’i Brooklyn. Tena tia miahy ny hafa i Miwako. Nanampy ahy ho tsara fanahy kokoa amin’ny hafa ny ohatra nomeny. Eo foana izy hampionona sy hanampy ahy ho falifaly. Tena fanomezana avy amin’i Jehovah izy.
Tamin’ny mariazinay
BETELAN’I JAPON SY NY ETỲ AMIN’NY SAHA
Narary be ny ray aman-drenin’i Miwako tatỳ aoriana. Nipetraka teto Japon ry zareo. Navela hifindra tatỳ amin’ny sampan’i Japon àry izahay mivady, mba ho afaka hikarakara an-dry zareo. Tamin’ny 1999 izahay no nifindra.
Nandray anay tsara ny Betelita teto Japon ka tsy ela izahay dia tamana. Nisy vokany tamiko ny toetra tsaran’ireo rahalahy sy anabavy teto. Malala-tanana be, ohatra, ry zareo sady tena tia mandray vahiny. Tsy manao kitoatoa ry zareo rehefa miasa, sady mifantoka tsara. Mahay miara-miasa koa ry zareo. Zava-dehibe amin’ny kolontsaina japoney mantsy ilay hoe miara-miasa sy miray hina, fa tsy manao zavatra samirery. Ny modelin-dry zareo no nandrisika ahy hanetry tena rehefa miara-miasa amin’ny hafa. Lasa tsapako koa hoe anisan’ny manatanteraka ny fikasan’i Jehovah ny anjara biriky kely mba entiko.
Nisy zavatra tsy azoko mihitsy anefa indraindray. Tsy mitovy amin’ny tany Etazonia ny kolontsain-dry zareo, dia hafa mihitsy ny fanaovany zavatra sasany. Nila nianatra nanam-paharetana aho, fa tsy tonga dia ho tezitra. Afaka nanova ny toe-tsaiko aho, tatỳ aoriana, dia lasa tsapako hoe azon’i Jehovah tahina ny fanapahan-kevitra rehetra raha mbola mifanaraka amin’ny tari-dalan’ny fandaminany. Ny fitahian’i Jehovah no tena mampahomby an’izay atao.
Matetika aho no mahita hoe mitovy ny fomba namolavolan’i Jehovah an’i Mosesy mpaminany sy ny fomba namolavolany ahy tao amin’ny Betela. Nampian’i Jehovah hahay handefitra i Mosesy nandritra an’ireo 40 taona niandrasany ondry. Nanao fianarana ambony hoatran’i Mosesy aho, dia lasa nanambony tena sy niantehitra tamin’ny tenako. Ny Betela kosa nampianatra ahy hanetry tena sy hiantehitra amin’i Jehovah. Naneho faharetana i Jehovah namolavola an’i Mosesy, dia izany koa no nataony tamiko nandritra an’izay taona maro izay.
Miasa ao amin’ny sampan’i Japon
Nandritra ny 24 taona teo ho eo izahay mivady no nikarakara ny ray aman-drenin’i Miwako mandra-pahafatin-dry zareo. Imbetsaka izahay no nila niantso tamin’ny telefaonina, nitaintaina, ary nivezivezy tany amin’ny hopitaly. Niharatsy foana ny fahasalaman’i Masako, renin’i Miwako, ka nisy fotoana izy zara raha afaka nitsangana. Tsy mora taminy ny nandeha nivory sy nanompo. Nampiasa seza misy kodiarana izy, nandritra an’ireo herinandro vitsivitsy farany niainany. Tsy lefy mihitsy anefa ny fitiavany an’i Jehovah. Miramirana erỳ izy isaky ny miresaka ny fahamarinana. Tena modely ho ahy izy teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nianarako avy aminy koa hoe afaka ny ho faly sy afa-po foana ianao n’inona n’inona mitranga eo amin’ny fiainanao.
Mitory eto Okinawa miaraka amin’i Miwako
Niova be ny fiainanay tamin’ny 2024. Voatendry ho etỳ amin’ny saha izahay rehefa avy nanompo tao amin’ny Betela nandritra ny 30 taona mahery. Mpisava lalana manokana eto amin’ny Nosy Okinawa izao izahay, ka afaka mitory amin’ny fianakaviana mipetraka eny akaikin’ny toby miaramila. Mora kokoa taminay ny niatrika an’ilay fiovana noho ireo fampiofanana azonay tao amin’ny Betela. Miezaka mandamina tsara ny fotoananay izahay. Mifantoka amin’ny fanompoanay koa izahay sady miasa mafy, amin’izay tsy verivery fotsiny ny fotoananay. Notahin’i Jehovah izahay dia nahazo fampianarana Baiboly. Hoatran’ny fianakavianay mihitsy ry zareo. Vao mainka tsapanay fa tena zava-dehibe ilay hoe tia olona. Misaotra an’i Jehovah izahay roa isan’andro noho izy nanome anay an’ity fanendrena tsara be ity.
TE HOVOLAVOLAIN’I JEHOVAH FOANA AHO
Mbola tsy manompo an’i Jehovah ny fianakaviako na dia tsy manohitra intsony aza. Nanome toky anefa i Jesosy hoe izay nahafoy ny fianakaviany mba ho lasa mpianany dia hahazo avo 100 heny amin’izao, izany hoe hahazo fianakaviana ara-panahy. (Mar. 10:29, 30) Izany mihitsy no tsapako. Manana fianakaviana be dia be tia sy mikarakara ahy mantsy aho eran-tany. Nandray ahy ho hoatran’ny fianakaviany mihitsy ry zareo nandritra an’izay taona maro izay.
Mbola atỳ amiko ilay boky Fahamarinana nomen’i Wilson ahy. Isaky ny mijery an’ilay izy aho, dia tadidiko hoe nataon’i Jehovah izay hahitako azy. (1 Tan. 28:9) Avelako hamolavola ahy foana i Jehovah. Hiezaka koa aho hanampy ny hafa hianatra an’ilay fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.