FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Jona p. 32
  • Harato Tamin’ny Andron’ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Harato Tamin’ny Andron’ny Baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka Isika Hanompo Amin’ny Maha-mpanarato Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ho Lasa Mpanarato Olona ny Mpianatra Efatra
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Harato
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Nantsoina ny mpianatra efatra
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Jona p. 32

ZAVA-NISY FAHINY

Harato Tamin’ny Andron’ny Baiboly

Mpanarato ny sasany tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy. (Mar. 1:16-20) Nampiasa harato ry zareo rehefa nanarato teo amin’ny Ranomasin’i Galilia.

Tady na kofehy rongony no nanamboarana harato. Arakaraka ny haben’ny trondro tiana ho azo ny haben’ireo makarakara eo amin’ilay harato. Nasiana firaka na vato ny harato kely mba ho mora milentika. Nasiana zavatra mavesatra kosa ny fanambanin’ny harato tarihina, ary nasiana hazo na bosoa mitsingevana teo amin’ny tampony.

Lafo ny harato tamin’izany. Nety ho nanimba azy ireny ny vato tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina. Nety ho rovitra koa ny harato rehefa tena be dia be ny trondro azo. (Lioka 5:6) Milaza ny Baiboly fa “nanamboatra ny simba tamin’ny haratony” i Jakoba sy Jaona. (Mat. 4:21) Nampiasa fanjaitra sy kofehy rongony angamba ry zareo tamin’izany. Nety ho nanamboatra ny simba tamin’ny haratony ny mpanarato isaky ny avy nanarato. Nilaza koa i Lioka hoe “nanasa ny haratony” ireo mpanarato, mba hanesorana ny fotaka teo amin’ilay izy. (Lioka 5:2) Nahahy izy ireny rehefa avy nosasana, amin’izay mba tsy lo.​—Ezek. 47:10.

Nasain’i Jesosy ho lasa “mpanarato olona” ireo lehilahy zatra nampiasa harato ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara