OLONA AO AMIN’NY BAIBOLY
Obadia—Miezaha Hatahotra An’Andriamanitra
Niandraikitra ny ankohonan’i Ahaba Mpanjaka i Obadia. Ratsy fanahy io Ahaba io satria navelany nanjaka teo amin’ny Israely ny fanompoana an’i Bala. I Obadia indray “efa hatramin’ny mbola kely” no natahotra an’i Jehovah. (1 Mpanj. 18:1-13) Rehefa nasain’i Jezebela vadin’ny mpanjaka novonoina daholo àry ny mpaminanin’i Jehovah, dia fantatr’i Obadia hoe nila nanao zavatra izy ary nitaky herim-po izany. Efa tena nampidi-doza ny nanafina mpaminany iray, mainka moa fa 100! I Obadia anefa sady nanafina mpaminany 100 no nanome sakafo an-dry zareo nandritra ny mosary. Tsy maintsy hoe sarotra be izao ny nanao an’izany sady niafina an’ireo mpaminany sandoka an-jatony, izay nanompo ny mpanjaka sy ny vadiny.—1 Mpanj. 18:19.
Inona no ianarantsika avy amin’io lehilahy natahotra an’Andriamanitra io? Na dia natahotra an’i Ahaba aza i Obadia, dia Andriamanitra no natahorany kokoa. Izany no nahatonga azy ho be herim-po ka hanao vivery ny ainy mba hiarovana ny rahalahiny. Mila miezaka ny hatahotra an’Andriamanitra koa isika raha voarara ny fivavahana marina ao amin’ny tany misy antsika. Izany tahotra izany no hahatonga antsika ho be herim-po ka hanohana an’ireo rahalahy sy anabavintsika miatrika fitsapana.