Fanontanian’ny Mpamaky
Rahoviana ireo firenena no hiteny hoe “fandriampahalemana sy filaminana”?
Nisy fanazavana nahaliana tao amin’ny “Fanontanian’ny Mpamaky” tao amin’ny Tilikambo Fiambenana vao haingana.a Voalaza tao fa tsy ho ela dia hataon’i Jehovah ao am-pon’ny “tandroka folo”, na ny fitondram-panjakana rehetra, “ny heviny.” Tsy inona io hevitra io fa ilay hoe homen’ireo fitondram-panjakana ireo an’ilay “bibidia mena midorehitra” ny herin-dry zareo sy ny fahefany. Ny Firenena Mikambana io bibidia io, ary antsoina koa hoe “sarin’ilay bibidia.” (Apok. 13:14, 15; 17:3, 16, 17) Handrava ny fivavahan-diso maneran-tany avy eo “ny tandroka folo” sy ilay bibidia vao nahazo fahefana. Rahoviana anefa ireo firenena no hilaza hoe “fandriampahalemana sy filaminana”?b Alohan’ny handravana ny fivavahan-diso ve sa aorian’izay?—1 Tes. 5:3.
Tsy fantatsika hoe rahoviana marina ilay filazana hoe “fandriampahalemana sy filaminana.” Raha haintsika daholo mantsy ny tsipiriany momba an’izany, dia tsy mila miambina intsony isika. Naverimberin’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy anefa hoe mila ‘miambina foana’ ry zareo. (Mat. 24:42; 25:13; 26:41) Andao hodinihintsika ilay faminaniana noresahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Tesalonianina.
Izao no nosoratan’i Paoly: “Rehefa miteny izy ireo hoe: ‘Fandriampahalemana sy filaminana!’, dia ho tratran’ny fandringanana tampoka izy ireo.” (1 Tes. 5:2, 3) Hoatr’izao matetika no nanazavan’ny bokintsika an’ireo teny ireo: Aloha kelin’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe no hisy an’ilay filazana hoe “fandriampahalemana sy filaminana.” Nilaza koa isika fa io fanambarana io no ho famantarana farany fa hanomboka ny fahoriana lehibe. Ny fahoriana lehibe kosa hanomboka amin’ny fandringanana an’i Babylona Lehibe, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra eran-tany.
Rehefa nofakafakaina tsara indray anefa io andinin-teny io dia hoatran’ny misy fomba hafa azo anazavana azy. Mety ho aorian’ny fandravana ny fivavahan-diso no hisy an’ilay filazana hoe “fandriampahalemana sy filaminana.” Nahoana? Ireto misy antony vitsivitsy:
Inona no ifandraisan’ny fivavahan-diso amin’ny adin’ireo firenena? Manazava ny Baiboly hoe: ‘Tao amin’io tanàna io [izany hoe ilay “mpivaro-tena lehibe”, na Babylona Lehibe] no nahitana ny ran’izay rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.’ (Apok. 17:1, 5; 18:24) Nanohana ny adin’ireo firenena ilay mpivaro-tena lehibe hatramin’izay, ary izy matetika no ao ambadiky ny fampihorohoroana. Mampisy ady sy herisetra àry no tena ataony fa tsy mampisy fandriampahalemana sy filaminana. Mipetraka àry ny fanontaniana hoe: Rehefa avy mandringana an’i Babylona Lehibe ve ireo firenena vao hiteny hoe “fandriampahalemana sy filaminana”? Mety hitombina izany nefa tsy tena azontsika antoka.
Inona no hitranga aorian’ilay filazana hoe “fandriampahalemana sy filaminana”? Hoy i Paoly: “Dia ho tratran’ny fandringanana tampoka izy ireo.” (1 Tes. 5:3) Hoy ny fanazavana iray momba an’io andininy io: “Hita amin’ilay tenin’i Paoly eo hoe tsy hisy fotoana, na zara raha hisy fotoana, eo anelanelan’ilay filazana hoe ‘fandriampahalemana sy filaminana’ sy ny fandringanana an’izay manao an’izany filazana izany. Ho tampoka ilay izy sady tsy ho azo hialana.” Raha aorian’ny fandravana ny fivavahan-diso ny fitondram-panjakana eran-tany no hanao an’ilay filazana hoe “fandriampahalemana sy filaminana”, dia hanaraka an’izay avy hatrany ny fandringanana an-dry zareo. Tsy hampoizin-dry zareo mihitsy izany.
Inona no ho vokatr’izany amin’ny vahoakan’i Jehovah? Hoy i Paoly: “Tsy ao amin’ny haizina ... ianareo, ry rahalahy, ka hoe ho tampoka aminareo izany andro izany, hoatran’ny mpangalatra tsy nanampo ny ho tratran’ny maraina.” (1 Tes. 5:4) Eritrereto izao: Raha aorian’ny fandravana ny fivavahan-diso no misy an’ilay filazana hoe “fandriampahalemana sy filaminana”, dia ho fantatry ny vahoakan’i Jehovah hoe efa mananontanona ny fandringanana an’ireo firenena. Ho tampoka amin’ireo firenena kosa izany, hoatran’ny fiavian’ny mpangalatra.
Inona àry no azo antoka hoe hitranga? Tsy ho ela dia handringana ny fivavahan-diso “ny tandroka folo” sy ilay bibidia manana fahefana lehibe. Izany no ho fanombohan’ny fahoriana lehibe. Fantatsika koa fa hisy fotoana hilazan’ireo firenena hoe “fandriampahalemana sy filaminana.” Rahoviana izany? Nandinika fotoana roa azo eritreretina isika tato. Voalohany, hanao an’io fanambarana io ireo firenena alohan’ny handravana ny fivavahan-diso. Faharoa, hanao an’io fanambarana io ny fitondram-panjakana rehefa avy mandrava tanteraka ny fivavahan-diso. Ho hitantsika eo ihany izay hitranga. Matetika mantsy no eo am-pahatanterahany, na aorian’izay, vao azontsika tsara ny faminanian’ny Baiboly.—Ampitahao amin’ny Jaona 12:16.
Mandra-pahatongan’izay anefa, ny tena zava-dehibe dia ilay isika tsy mivadika amin’Andriamanitra fa tsy ny fotoana hilazan’ireo firenena hoe “fandriampahalemana sy filaminana.” Tsy maintsy ‘miambina foana’ isika ‘sady misaina tsara foana’, amin’izay ho vonona tsara na inona na inona mitranga.—1 Tes. 5:6.
a Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Novambra 2025.
b Mety tsy ho fanambarana iray fotsiny io, fa fanambarana maromaro misesisesy, rehefa jerena ny teny nampiasain’ny apostoly Paoly.