FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Febroary p. 20-25
  • Vonona Hiatrika ny Olana Aorian’ny Batisa ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vonona Hiatrika ny Olana Aorian’ny Batisa ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MISY RAHALAHY NA ANABAVY MANAFINTOHINA ANAO
  • LASA MANEMBONA NY ZAVATRA NAFOINAO IANAO
  • TSY MANOMPO AN’I JEHOVAH INTSONY NY OLONA SASANY
  • “Manasitrana An’ireo Torotoro Fo” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Ekeo hoe Voafetra ny Zavatra Fantatrao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Tadidio hoe “Andriamanitra Velona” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Mahasoa Antsika ny Mifandray Akaiky!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Febroary p. 20-25

27 APRILY–3 MEY 2026

HIRA 99 Vavolombelona Maro

Vonona Hiatrika ny Olana Aorian’ny Batisa ve Ianao?

“Avelao hanaraka foana ny lalanao ny diako.”​—SAL. 17:5.

HEVITRA HODINIHINA

Mety hiatrika olana ny Kristianina aorian’ny batisany. Inona no azony atao mba ho vonona ho amin’izany izy?

1-2. Inona no fiomanana azonao atao mba hiatrehana ny olana mety hipoitra aorian’ny batisa? Hazavao amin’ny ohatra.

EFA ampoizintsika hoe hiatrika olana isika raha mbola eto amin’ny tontolon’i Satana. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza tamin’ny mpanara-dia azy hoe: “Tsy maintsy misy ny vato mahatafintohina.” (Mat. 18:7) Mila miomana hiatrika olana àry isika, anisan’izany ny olana amin’ny mpiara-manompo.

2 Diniho ity ohatra ity: Ampirisihina foana ny vahoakan’i Jehovah mba hiomana ho amin’ny loza. Ahoana no hanaovana an’izany? Fantarintsika aloha hoe inona avy ny loza mety hitranga ao amin’ny faritra misy antsika. Tena ilaina izany, indrindra raha vao nifindra tao isika. Rehefa fantatsika izany, dia jerentsika hoe ahoana no hiatrehana azy ireny. (Ohab. 21:5) Azontsika fantarina mialoha koa hoe inona avy ny olana mety hatrehintsika aorian’ny batisa, dia inona avy no azontsika atao dieny izao mba ho vonona amin’izany isika. Tsy dia hisy vokany amintsika ireny olana ireny amin’izay, sady tsy hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (Sal. 17:5) Handinika olana telo àry isika, dia hojerentsika hoe inona ny fiomanana azontsika atao.a

MISY RAHALAHY NA ANABAVY MANAFINTOHINA ANAO

3. Inona ny olana mety hatrehintsika eo anivon’ny fiangonana?

3 Tadidinao ve izay tsapanao tamin’ianao nivory voalohany, dia nahita hoe mifankatia be ny vahoakan’i Jehovah? Resy lahatra ianao tamin’izay hoe nahita ny fahamarinana. (Jaona 13:35; Kol. 3:12) Izany no tsapan’i Blanca.b Nisy zavatra tsy nampoiziny anefa taorian’ny batisany. Hoy izy: “Nisy rahavavy iray izay nasiaka be tamiko. Tsy vitan’izay fa nanaratsiratsy mpiara-manompo koa izy. Tsy nampoiziko mihitsy izany. Raha ny zavatra nianarako tsinona dia hoe tia fihavanana sy be fitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah.” Efa miezaka be aloha ireo rahalahy sy anabavinao mba hanatsara ny toetrany e! Tsy lavorary koa anefa ry zareo. (Efes. 4:23, 24; 1 Jaona 1:8) Mety hiteny na hanao zavatra hankarary ny fonao àry ny iray amin-dry zareo indraindray. (Jak. 3:8) Mampalahelo fa nahatonga ny Kristianina sasany hiala tamin’i Jehovah izany.

4. Inona no azonao atao dieny izao mba ho vonona ianao rehefa misy rahalahy na anabavy manafintohina anao? (Efesianina 4:32)

4 Inona no azonao atao dieny izao, mba ho vonona ianao rehefa misy mpiara-manompo mankarary ny fonao na manafintohina anao? Miezaha mba ho zatra hampihatra an’ilay torohevitra ao amin’ny Efesianina 4:32. (Vakio) Tsy dia hiady aman’olona ianao raha miezaka ho tsara fanahy sy hangoraka foana. Ataovy tanjona ny hamela tanteraka an-dry zareo rehefa manao fahadisoana izy. Inona no hanampy anao? Saintsaino hoe impiry moa ianao no nangataka famelan-keloka tamin’i Jehovah, nefa namela tanteraka anao foana izy. (Mat. 6:12) Rehefa hitanao hoe efa imbetsaka i Jehovah no namela anao, dia ho mora kokoa aminao ny hamela ny hafa.

5. Inona ny torolalan’ny Baiboly afaka manampy antsika rehefa misy olona manafintohina antsika? (Ohabolana 19:11) (Jereo koa ny sary.)

5 Vakio ny Ohabolana 19:11. Milaza ny Baiboly hoe mahatsindry fo ny olona lalin-tsainac rehefa misy mampahatezitra azy. Nanampy an’i Rima io torolalana io. Vao haingana io anabavy io no vita batisa. Hoy izy: “Rehefa misy anadahy na rahavavy manao zavatra mankarary ny foko na manafintohina ahy, dia mitadidy ny Ohabolana 19:11 aho aloha. Eritreretiko ny zavatra niainany, dia saintsainiko hoe inona no nety ho nahatonga an-dry zareo hanao an’iny. Miezaka manompo miaraka amin-dry zareo koa aho, dia lasa fantatro kokoa ry zareo.” Hevitra tsara izany. Miezaha àry hahafantatra tsara an’ireo rahalahy sy anabavinao dieny izao. Rehefa hainao tsara hoe hoatroatran’ny ahoana ry zareo, dia ho mora kokoa aminao ny hamela azy raha manao zavatra mankarary ny fonao izy any aoriana any.

Sary: 1. Rahalahy roa manao asa fikojakojana eo an-tokotanin’ny Efitrano Fanjakana. Tafintohina tamin’ny zavatra nolazain’ilay anankiray ny rahalahy iray. 2. Faly izy roa lahy atỳ aoriana miara-mitory isan-trano.

Raha manana olana amin’ny rahalahy na anabavy iray ao amin’ny fiangonana ianao, dia miezaha hanompo miaraka aminy (Fehintsoratra 5)


6. Inona no hanampy antsika hifandray tsara amin’ny hafa eo anivon’ny fiangonana?

6 Inona no azonao atao mba hifandraisana tsara amin’ny mpiara-manompo? Rehefa miezaka hahafantatra an’ireo rahalahy sy anabavinao ianao, dia mifantoha amin’ny toetra tsarany. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 10:12; Rom. 12:10; Fil. 2:2, 3) Nanampy be an’i Mark izany. Vao haingana izy no natao batisa. Lasa hitany ny fahalemen’ireo rahalahy sy anabavy rehefa nanomboka nifanerasera kokoa tamin-dry zareo izy. Inona anefa no nanampy an’i Mark tsy ho tafintohina? Hoy izy: “Lasa tsapako hoe tena kely ny fahadisoan’ireo rahalahy sy anabavy, raha oharina amin’ny zavatra ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Hitako hoe tsy tokony hifantoka be amin’ny fahalemen’ny mpiara-manompo aho. Naleoko àry nifantoka tamin’ny toetra tsarany.” Raha manao hoatr’izany koa ianao, dia hifandray tsara amin’ny olona ao amin’ny fiangonana.

LASA MANEMBONA NY ZAVATRA NAFOINAO IANAO

7. Inona no mety hahatonga antsika hanembonembona an’izay efa nafointsika?

7 Tsaroanao ve tamin’ianao vao nianatra ny fahamarinana? Azo inoana hoe maivamaivana erỳ ianao fa tafala tamin’ny tontolo ratsin’i Satana. Mety ho nieritreritra ianao hoe: ‘Izaho indray dia tsy hiverina any intsony!’ Rehefa tratran’ny fitsapana anefa ianao, dia mety hahatsiarotsiaro na hanembona mihitsy an’ireo zavatra sasany nafoinao. (Ampitahao amin’ny Nomery 11:4-6.) Nisy rahalahy, ohatra, tsara asa be nefa nialany ilay izy satria tena nitaky fotoana. Nisy indray narian’ny namany akaiky rehefa nanomboka nianatra Baiboly. Ny hafa kosa nahavita nandresy fahazaran-dratsy nandoto ny vatany nefa tena tiany. Mampalahelo raha misy Kristianina miala amin’i Jehovah, satria miverina amin’ny zavatra efa nialany taloha. Inona no azonao atao dieny izao, mba tsy hiverina amin’izay zavatra efa nafoinao ianao na inona na inona mitranga?

8. Inona no ianarantsika avy amin’i Abrahama sy Saraha?

8 Miresaka tantaran’olona tsy nivadika maromaro ny Baiboly. Afaka nanembona ny zavatra nafoiny izy ireny. Nankatò an’i Jehovah, ohatra, i Abrahama sy Saraha dia niala tao amin’ilay tanàna voaro mafy atao hoe Ora mba hipetraka an-tranolay. (Heb. 11:8, 9) Mazava ho azy hoe mety ho nahatsiarotsiaro an’ilay fiainana nampiadana tany Ora izy mivady indraindray. “Raha nieritreritra foana”, na nanembona foana, ny lasa anefa ry zareo dia nety ho nalaim-panahy hiverina tamin’izany fiainana nampiadana izany. Naleon’izy mivady anefa nifantoka tamin’ny hoavy.​—Heb. 11:15, 16.

9. Ahoana no fahitan’ny apostoly Paoly an’ireo zavatra nafoiny? (Filipianina 3:7, 8, 13)

9 Nanao fanovana be ny apostoly Paoly mba hanompoana an’i Jehovah. Ilay mpampianatra Lalàna fanta-daza atao hoe Gamaliela no nampianatra azy, tamin’izy mbola tsy kristianina. (Asa. 22:3) Afaka nanana toerana ambony tao amin’ny Fivavahana Jiosy àry izy. (Gal. 1:13, 14) Nafoiny daholo anefa izany rehefa nanaiky ny vaovao tsara izy. Nisosasosa foana ve ny fiainany taorian’izay? Tsy izany mihitsy. Nokapohina izy, nogadraina, ary nankahalain’ny mpiray firenena taminy. (2 Kor. 11:23-26) Ahoana raha ireny fitsapana ireny ihany no nifantohany, na koa nampitaha ny fiainany teo aloha tamin’ny fiainany tamin’izany izy? Mety ho nieritreritra izy hoe aleo ihany ny taloha. Tsy izany anefa no nataony. Nosaintsaininy foana hoe tombontsoa be ny manompo an’i Kristy Jesosy sy ilay hahazo valisoa tsara be amin’ny hoavy. Resy lahatra i Paoly hoe be lavitra noho ny sorona nataony izany fitahiana izany.​—Vakio ny Filipianina 3:7, 8, 13.

10. Inona no tokony hosaintsainintsika foana? (Marka 10:29, 30) (Jereo koa ny sary.)

10 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Nahafoy zavatra koa angamba ianao mba hahatonga anao ho lasa kristianina. Ahoana raha manomboka mahatsiarotsiaro an’ireny ianao? Iezaho tadidina koa hoe nahoana ianao no nahafoy an’ireny. (Mpito. 7:10) Ampitahao amin’ny fitahiana azonao amin’izao ny zavatra nafoinao. Lasa mifandray akaiky amin’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao ianao. (Ohab. 3:32) Lasa manana rahalahy sy anabavy be fitiavana be dia be koa ianao. (Vakio ny Marka 10:29, 30.) Ankoatra izay, dia manana hoavy tsara be ianao. (Isaia 65:21-23) Tsy dia hahatsiarotsiaro an’izay nafoinao ianao raha saintsaininao foana ny fitahiana azonao noho ianao manompo an’i Jehovah.

Aza manembonembona an’ireo zavatra nafoinao, fa ankafizo ny fanompoana sarobidy omen’Andriamanitra anao (Fehintsoratra 10)e


11. Inona no ianaranao avy amin’izay nataon’i Rosemary?

11 Natao batisa ny Ranabavy Rosemary tamin’izy 50 taona teo ho eo. Inona no nanampy azy tsy hiverina tamin’ny zavatra efa nafoiny. Hoy izy: “Nahatsiarotsiaro ny Krismasy aho tamin’ny voalohany, satria fotoana mamy niarahako tamin’ny fianakaviako izy io. Tiako tamin’izany ny nanao fanomezana ho an’ireo olona akaikin’ny foko, sy ny nahita ny ankizy nanodidina ny hazo noely sady falifaly nanokatra ny fanomezana azony.” Inona no nataon’i Rosemary? Hoy izy: “Nosoloako zavatra hafa ny Krismasy. Manokana andro iray aho isan-taona mba hanasako ny fianakaviako. Omeko fanomezana ry zareo sady hazavaiko aminy hoe maninona aho no tia an-dry zareo.” Nanana olana hafa koa i Rosemary. Hoy izy: “Nilaozan’ny namako aho rehefa nianatra ny fahamarinana. Nisy fotoana aho nanembonembona an-dry zareo sady nahatsiaro ho manirery.”d Inona no nanampy azy? Nanompo niaraka tamin’ny anabavy samihafa izy. Hoy i Rosemary: “Lasa nahazo namana vaovao aho. Tiako ry zareo sady sarobidy amiko.” Inona no azonao ianarana avy aminy? Nisy zavatra nankafizinao koa ve talohan’ny nianaranao ny fahamarinana, ka lasa manembonembona an’ilay izy ianao? Maninona raha soloana zavatra mahasoa izany? (Fil. 4:8, 9) Tadidio koa hoe be lavitra noho izay afoinao foana no omen’i Jehovah anao.

TSY MANOMPO AN’I JEHOVAH INTSONY NY OLONA SASANY

12. Inona amin’ny olana eo anivon’ny fiangonana no mety ho tena mafy amintsika?

12 Maivamaivana erỳ angamba ianao rehefa lasa Vavolombelona, satria niala tamin’ilay tontolo ratsy ary lasa anisan’ny vahoaka iray madio fitondran-tena sy mampianatra ny fahamarinana. (Isaia 65:14) Mety haheno anefa ianao indraindray hoe misy olona manao ratsy eo anivon’ny fiangonana. Misy aza esorina tsy ho anisan’ny fiangonana intsony. (1 Kor. 5:13) Nisy vokany tamin’ny Ranabavy Samar ny zavatra hoatr’izany. Hoy izy: “Vao vita batisa kelikely aho, dia nisy anti-panahy iray nanao fahotana lehibe, ka nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana intsony. Saika tafintohina aho tamin’izay, satria tsy nampoiziko mihitsy hoe anti-panahy ve dia hahavita hanota amin’i Jehovah sy ny fiangonana.” Mazava ho azy fa mila matoky foana isika hoe tia an’i Jehovah ireo rahalahy sy anabavintsika sady tsy te hivadika aminy. (1 Kor. 13:4, 7) Mampalahelo anefa fa misy olona esorina tsy ho anisan’ny fiangonana foana isan-taona. Tena mafy aza rehefa hoe olona akaiky anao na tena hajainao no mifidy hiala amin’i Jehovah.

13. Inona no azontsika atao dieny izao mba tsy hivadika mihitsy isika, raha sanatria misy olona akaiky antsika miala amin’i Jehovah?

13 Inona no azonao atao dieny izao, mba tsy hivadika mihitsy ianao na dia miala amin’i Jehovah aza ny olona akaiky anao? Hatsarao foana ny fifandraisanao amin’i Jehovah. (Jak. 4:8) Aza avela hisy vokany amin’ny fifandraisanao aminy ny zavatra ataon’ny hafa. Na dia manao zavatra ara-panahy miaraka amin’ny fianakavianao sy ny fiangonana aza, ohatra, ianao dia mila manana ny fandaharanao manokana mba hamakiana Baiboly sy hivavahana.​—Sal. 1:2; 62:8.

14. Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’ny apostoly Petera? (Jaona 6:66-68)

14 Azontsika ianarana koa izay nataon’ny apostoly Petera rehefa nisy mpianatra be dia be tsy nanara-dia an’i Jesosy intsony. Tsy nahazo an’izay nolazain’i Jesosy koa angamba izy tamin’izay. Mariho anefa izay notenenin’i Petera, araka ny Jaona 6:66-68. (Vakio.) Tsy nifantoka tamin’izay nataon’ny hafa izy, fa nifantoka tamin’ny tenin’ny fahamarinana nampianarin’i Jesosy. Tsy tafintohina àry izy. Tadidio koa hoe tsy miova mihitsy ny fahamarinana sarobidy nampianarin’ny fandaminana anao, na inona na inona ataon’ny hafa. Aza miala amin’izany fahamarinana izany mihitsy. Izao no nolazain’i Samar, ilay voaresaka terỳ aloha: “Tadidiko foana hoe ny fisian’ny olona iray manao ratsy akory tsy midika hoe mpanao ratsy daholo ny fiangonana manontolo, na hoe mampianatra zavatra diso ny fandaminana. I Jehovah koa tsy mankasitraka ny zava-dratsy ataon’ny olona, na inona izany na inona.”

15. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Emily?

15 Diniho izay nahazo an’i Emily. Vao vita batisa herinandro izy, dia nandao an-dry zareo ny mamany sady nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana intsony. Izao no nolazain’i Emily: “Tsy nampoiziko mihitsy izany. Iny no fitsapana mafy indrindra tamiko. Malahelo be an’ny mamanay aho.” Inona no nanampy azy? Hoy izy: “Soa fa tsy irery aho. Teo foana i Dada. Nanohana ahy koa ny olon-kafa tao amin’ny fiangonana, izay hoatran’ny fianakaviako mihitsy. Miatrika olana daholo isika tsirairay. Tena zava-dehibe àry ny hoe mifandray akaiky sy mifampahery foana.” (1 Pet. 5:9) Dieny izao ianao dia efa mila miezaka mifandray tsara amin’ireo rahalahy sy anabavy, fa tsy hiandry hoe rehefa misy fitsapana vao hanao an’izany. Ho eo foana ry zareo amin’izay, na inona na inona mitranga.

16. Inona no tokony hotadidintsika? (Jereo koa ny sary.)

16 Tadidio koa hoe izay tian’i Jehovah no faiziny. (Heb. 12:6) Tiany hiverina aminy daholo izay nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana. (2 Pet. 3:9) Raha nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana àry ny olona iray akaiky anao, dia matokia hoe hanao izay azony atao ny anti-panahy mba hanampiana azy hiverina amin’i Jehovah indray.​—2 Tim. 2:24, 25.

Anti-panahy roa mitsidika lehilahy iray nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana. Mampiseho aminy hevitra mampahery iray ao amin’ny bokikely “Miverena Amin’i Jehovah” ny anti-panahy iray. Misy Baiboly mivelatra eny an-tanan’ilay iray.

Raha nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana ny olona akaiky anao, dia tadidio hoe vonona hanampy azy hiverina amin’i Jehovah indray ny anti-panahy (Fehintsoratra 16)f


17. Inona no azontsika antoka?

17 Nandinika ny sasany amin’ireo olana mety hipoitra aorian’ny batisa isika tato. Marina aloha hoe mety hampahatahotra ny sasany amin’izy ireny, kanefa tsy misy tokony hampanahy anao. Betsaka no azonao atao mba hiomanana ho amin’izany. Aza hadinoina mihitsy koa hoe eo foana i Jehovah. Ny fanampiany mantsy no tsara indrindra. Efa nanampy anao izy, ary te hanampy anao mandrakizay! (1 Pet. 5:10) Homeny hery foana ianao sady hampiany mba hahavita hiaritra fitsapana. Raha manaiky hampian’i Jehovah foana ianao, dia tsy ho tafasaraka aminy mihitsy n’inon-kidona n’inon-kihatra!​—Sal. 119:165; Rom. 8:38, 39.

AHOANA NO HIOMANANA AMIN’IRETO OLANA METY HITRANGA IRETO?

  • Misy rahalahy na anabavy manafintohina anao

  • Lasa manembona ny zavatra nafoinao ianao

  • Misy olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana intsony

HIRA 154 Tia Anao Foana

a Na dia natao ho an’ireo Vavolombelona vita batisa vao haingana aza ity lahatsoratra ity, dia afaka mandray soa avy amin’izy ity koa isika rehetra.

b Novana ireo anarana.

c Mahay mamantatra ny zavatra tsy miseho etỳ ivelany ny olona lalin-tsaina. Izany no manampy azy hamantatra hoe maninona ny olona iray no miteny na manao zavatra iray.

d Isika rehetra, fa tsy izay mampianatra azy ihany, no tokony hanampy an’ireo mpianatra Baiboly sy izay vao vita batisa hahatsapa hoe tiana izy ireo eo anivon’ny fiangonana. Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Martsa 2021 ilay lahatsoratra hoe “Andao Hifarimbona Hanampy ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa!”, feh. 15, 16.

e FANAZAVANA SARY: Eny amin’ny fanompoana ny anabavy iray, dia mahita ekipa mpanao baolina milalao. Lasa mahatsiaro ny taloha izy, tamin’izy mbola mpanao baolina. Mitory amin’ny vehivavy iray anisan’ireo mpilalao baolina izy avy eo. Iray ekipa taminy angamba io vehivavy io taloha.

f FANAZAVANA SARY: Anti-panahy roa mitsidika lehilahy iray nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana, ary mampirisika azy hiverina amin’i Jehovah indray.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara