FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/13 p. 1
  • Omano Tsara ny Fampidiran-dresakao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Omano Tsara ny Fampidiran-dresakao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampidiran-dresaka Mandaitra
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Omano ny Fampidiran-dresaka
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Fampidiran-dresaka mandaitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
km 12/13 p. 1

Omano Tsara ny Fampidiran-dresakao

1. Nahoana no tena ilaina ny mahay mampidi-dresaka?

1 Mahate hihinana ny sakafo iray raha tsara ny fomba androsoana azy. Toy izany koa fa haniry hiresaka momba ny Baiboly ny olona raha mahaliana ny fampidiran-dresakao. Tsy voatery hitovy ny halavan’ny fampidiran-dresaka ataon’ny mpitory mahay ary mety hiovaova koa ny zavatra horesahiny. Toy ny sakafo matsiro ihany anefa ny fampidiran-dresaka ka mila eritreretina sy omanina mialoha. (Ohab. 15:28) Ahoana no hahatonga ny fampidiran-dresaka hahaliana?

2. Inona no tokony hataonao raha tianao hahaliana ny fampidiran-dresakao?

2 Mifidiana foto-kevitra mahaliana: Hofaranan’ny olona ny resaka raha vao tsy mahaliana ilay fampidiran-dresaka. Eritrereto mialoha àry izay foto-kevitra mahaliana ny olona: Momba ny fitondram-panjakana mahomby ve sa ny hahasambatra ny fianakaviana sa ny tsy hisian’ny heloka bevava intsony? Tia milaza ny heviny ny olona ka manomàna fanontaniana mampisaintsaina mba hahafantarana ny heviny. Afaka mampiasa an’ireo fomba fitory modely ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, ohatra, ianao ary azonao amboarina kely fotsiny izany mba hifanaraka amin’ny faritaninareo. Azonareo atao fanazaran-tena mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana koa ny fampidiran-dresaka sasany.

3. Ahoana no azo ampifanarahana ny fampidiran-dresaka amin’ny kolontsaina eo an-toerana?

3 Ampifanaraho amin’ny kolontsainy ilay izy: Any amin’ny tany sasany, dia tian’ny olona hilaza ny anton-diany avy hatrany ny mpitory. Any amin’ny tany hafa kosa, dia tsy mahalala fomba ny vahiny raha tonga dia milaza ny anton-diany fa tsy manontany ny fahasalaman’ny tompon-trano akory aloha na tsy milaza ny mombamomba ny tenany. Afaka miresaka momba ny Baiboly koa ny mpitory any an-toeran-kafa noho ny fivavahan’ny olona any. (Asa. 2:14-17) Raha manompo any amin’ny tany tsy Kristianina anefa ianao na tsy mpivavaka mihitsy ny ankamaroan’ny olona, dia mety ho tsara kokoa raha amin’ny fiverenana mitsidika ianao vao miresaka momba ny Baiboly.—Asa. 17:22-31.

4. Inona avy no tokony hoeritreretintsika mifandray amin’izay holazaina voalohany amin’ny fampidiran-dresaka?

4 Diniho tsara izay holazainao voalohany: Omano tsara izay holazainao voalohany. Aleo mitady fehezanteny fohy sy tsotra. Tena zava-dehibe koa ny fomba hilazanao an’ilay izy. Aoka ianao hafana fo sy ho sariaka ary tena hiahy ny olona itorianao. Raha manaraka an’ireo soso-kevitra ireo ianao, dia hampilendalenda ny olona ny fampidiran-dresakao ka hahatonga azy ireo hazoto hisakafo eo amin’ny “latabatr’i Jehovah.”—1 Kor. 10:21.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara