Fialam-boly Tena Mahasoa
1 Mitory sy manatanteraka ny andraikitra nankinin’i Jehovah amintsika isika, nefa tsy maka ny fotoanantsika rehetra izany. Nasehon’i Jesosy, ilay Tompontsika, fa azo atao ny maka aina sy miala voly. Hoy izy tamin’ny mpianany, rehefa avy nitory tontolo andro: “‘Andao hitokana any amin’ny toerana mangina, dia mialà sasatra kely.’ Fa maro ny olona nivezivezy ka tsy nanam-potoana hihinanan-kanina akory izy ireo.”—Mar. 6:31.
2 Nazoto nitory momba an’ilay Fanjakana ny Kristianina voalohany, nefa niala voly tsindraindray koa ary tena afa-po. Azo antoka fa nifampitsidika izy ireo ary niara-nisakafo. Betsaka koa ny karazana fialam-boly nety, ka azo inoana fa nanao an’izany ireo mpianatra ireo na ny zanak’izy ireo. Milaza ny Baiboly fa nitendry zavamaneno ny tovolahy sy ny olon-kafa fahiny. (1 Sam. 16:18; 1 Mpanj. 1:40; Fitom. 5:14; ampitahao amin’ny Lioka 15:25.) Nilalao sy nandihy koa ny ankizy. (Mat. 11:16, 17) Nahay nandanjalanja foana anefa ny Kristianina tamin’izany, fa tsy baranahiny toy ny olona tsy Kristianina. Tsy ny fialam-boly no tena nisongadina tamin’ny fiainany, fa ny “fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra” izay tena nahafaly azy ireo.—1 Tim. 4:8.
3 Ahoana no ataon’ny fianakaviana sasany? Miara-miala voly koa ny fianakaviana kristianina ankehitriny. Faly erỳ izy ireo mana-namana miara-manao zavatra, indrindra rehefa mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Miara-manao zavatra hafa koa anefa izy ireo, ohatra hoe miala voly. Tena betsaka ve anefa ny fialam-boly azo atao? Niresaka momba ny kilalao maro mahafinaritra ny lehilahy iray, izay nahavita nitaiza tsara ny zanany maromaro. Hoy izy avy eo: “Ny fialam-boly mampihetsiketsika ny ankizy sy mampiasa ny sainy no hitako hoe tena tsara.”
4 Nanan-janaka tanora efatra ny lehilahy kristianina iray ary tsy nisy toerana fialana voly tany amin-dry zareo. Nanontaniana izy raha mba sahirana nitady fialam-boly ho azy mianakavy. Hoy izy: “Tsy sarotra mihitsy ny mitady fialam-boly hatao. Ny sarotra fotsiny dia ny mitady fotoana hanaovana azy sy ny mahay mankafy an’izay azo atao. Zavatra tsotra no hitako tena mahafinaritra, ohatra hoe manao kilalao, manao baolina, mianika tendrombohitra, milalao bisikileta, ary manasa olona. Hitanay hoe afaka miala voly tsara izahay rehefa manararaotra ny zava-misy, fa tsy voatery handany vola be handehanana any amin’ny toerana fialam-boly na hividianana fitaovana filalaovana.”
5 Hoy ihany io lehilahy io: “Mifandray amin’ny fanompoana ny ankamaroan’ny fialam-bolinay. Matetika izahay no mitondra sakafo rehefa mitory any ambanivohitra ka manao fitsangantsanganana kely amin’ny antoandro. Imbetsaka koa izahay no mankany anaty ala na eny an-tsaha rehefa avy manompo mandritra ny andro.”
6 Hoy koa ny lehilahy iray manan-janaka efatra: “Tsy ilay karazana fialam-boly no tena tian’ny ankizy sy mahafinaritra azy fa ny fiarahana.” Hoy koa ny Kristianina iray: “Ny tena nahafinaritra tamin’ilay izy dia hoe izahay mianakavy no niaraka niala voly.”
7 Izay tokony hataon’ny ray aman-dreny: Tena tokony ho fantatry ny ray aman-dreny àry hoe mila manao zavatra tsara handaniana fotoana ny zanany rehefa tsy misy atao. Hoy ny anabavy iray, izay manambady tsy Vavolombelona: “Tokony hataonao mahatamana ny fiarahanareo ao an-trano amin’izay tsy te hiala ao ny ankizy. Ary raha miala ao kely aza izy ireo dia te hiverina hody.” Nisy mpivady koa nahavita nitaiza tsara ny zanany, ary nanontaniana hoe inona no nataon’izy ireo tamin’izany. Hoy izy ireo: “Ataonay mahafinaritra kokoa noho ny miaraka amin’ny namany ny miaraka aminay ao an-trano.”
8 Inona no azo atao mba ‘hahafinaritra kokoa’ ny ankizy ny ao an-trano? Tokony hijery izay ilain’ny zanany ny ray aman-dreny, ary hahay hitady hevitra. Mora tenenina izany fa sarotra atao. Hoy ny lehilahy iray: “Fito ny zanakay ka sahirana izahay vao mahavita mamelona azy ireo. Tsy dia miala voly àry izahay na dia efa manokana fotoana hanaovana an’izany aza.” Matetika aza, dia ny ray na ny reny irery no tsy maintsy mikarakara an’izany rehetra izany.
9 Ekena aloha fa sarotra ny hoe reraky ny asa tontolo andro, nefa mbola hieritreritra ny fialam-boly hiarahana amin’ny ankizy ihany rehefa mody. Deraina mihitsy ny ray aman-dreny mahavita ny andraikitra asain’ny Baiboly ataony, nefa mbola mahavita miara-miala voly amin’ny zanany ihany. Sarotra izany nefa nahavita an’izany ny anabavy iray. Efa vita batisa daholo ny zanany fito. Hoy izy: “Tsy misy dikany aminao ny ezaka sy ny asa mafy nataonao satria faly loatra ianao.”
10 Misy vokany amin’ny ankizy ve izany? Diniho ity ohatra ity. Nitaiza irery ny zanany telo vavy ny lehilahy iray. Lasa Kristianina mazoto daholo izy telo mirahavavy. Hoy ny iray amin’izy ireo tatỳ aoriana: “Niara-nanao zavatra foana izahay. Nandehandeha nihodinkodina ny tanàna fotsiny izahay indraindray rehefa tsisy atao. Rehefa avy ny orana ka tsy nisy nalehanay, dia hozy i Dada hoe: ‘Andao isika handehandeha eny amin’ny orana.’ Dia lasa fotsiny izahay mivoaka ny trano sy mandeha an-tongotra eny amin’ny orana. Tsy hoe misy alehanay fa nahafinaritra be fotsiny ilay niaraka tamin’i Dada. Nanokana fotoana niarahana taminay izy.”
11 Marina fa tsy ny rehetra no hihevitra hoe fialam-boly ny mandehandeha eny amin’ny orana. Tsy ilay zavatra atao loatra anefa no tena zava-dehibe, fa ilay hoe miara-manao zavatra ny mpianakavy ka mba miala kely amin’ny mahazatra. Izany no tena mamelombelona.
12 “Fianakaviana” ara-panahy: Toy ny fianakaviana koa ny fiangonana ary lasa anisan’io fianakaviana io ny olona iray rehefa lasa Kristianina. Ara-dalàna àry raha miara-manao zavatra mahafinaritra izy ireo.
13 Mamelombelona ny fiarahana toy izany sady mampifankatia ny fiangonana. Rehefa nanontaniana ny ankizivavy kristianina iray hoe inona no fiarahana nahafinaritra azy indrindra, dia tsy nisalasala izy namaly hoe: “Niaraka tamin’ny fianakaviana vitsivitsy tao amin’ny fiangonana izahay, indray mandeha, ka teo ny ankizy sy ny ray aman-dreniny. Rehefa avy nihinana sakafo tsotsotra izahay rehetra dia nipetraka sy niresadresaka. Nisy ranadahy iray avy eo nanontany ny sasany taminay hoe ahoana no nahatongavanay tao amin’ny fahamarinana. Nasainy nitantara zavatra teny amin’ny fanompoana koa izahay. Nitantara ny fomba nahatongavany ho Kristianina sy ny fisedrana natrehiny koa ny hafa avy eo. Nampahery anay rehetra ireny fitantarana ireny. Tsy hadinoko mihitsy iny.”
14 Tena hahafinaritra ny fialam-boly toy izany raha samy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ny rehetra, ary mandrisika ny hafa hanao zavatra tsara ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana na olona matotra hafa manatrika eo. Tsy tokony hohadinointsika mihitsy hoe ny mitory momba ny anaran’i Jehovah sy ny Fanjakany no tanjontsika voalohany. Tokony hanome voninahitra an’ilay Raintsika Masina foana ny fitondran-tenantsika, na dia rehefa miara-miala voly amin’ny Kristianina hafa aza isika.
15 Mahasoa kely ihany ny fialam-boly: Mba miala kely amin’ny mahazatra isika rehefa miala voly, ary mahafinaritra izany. Velombelona indray isika ka vonona hanao ny asantsika andavanandro. Tsy ny fialam-boly anefa no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Nahay nandanjalanja tamin’izany ny anabavy tanora iray izay mpisava lalana. Hoy izy: “Tsy ny fialam-boly no tena zava-dehibe tao an-trano fa ny fanompoana. Niala voly kely anefa izahay rehefa nanam-potoana. Nitsidika ny mpiara-mivory aminay, ohatra, izahay.
16 “Imbetsaka aho no mahita tanora mankany amin’ny toerana fialana voly samihafa ary mieritreritra hoe mba te hanao an’izany koa aho. Nahasoa ahy anefa ny tsy niala voly lava.” Mety ho faty ara-panahy tokoa isika raha ny fialam-boly no avelantsika hibahan-toerana eo amin’ny fiainana, ary mety hankarary antsika mihitsy aza izany. Mampitandrina antsika ny Ohabolana 21:17 hoe: “Hahantra izay tia fahafinaretana, ary tsy hanan-karena izay tia divay sy menaka.”
17 Fanao taloha ny misotro divay sy mandraraka menaka na zava-manitra eny amin’ny loha sy akanjo, rehefa nisy fety na fiarahana. (Ohab. 27:9; Amosa 6:6) Nitondra fahavoazana ho an’ny tenany anefa ny olona tia namonjy an’ireny fety ireny, satria tsy vitany ny zavatra sasany tokony ho nataony. Hita avy amin’ny zava-nitranga tamin’ny olona maro fa matetika no lasa baranahiny ny fety rehefa atao tsy tapaka na dia natao hialana voly fotsiny aza tamin’ny voalohany.
18 Tsy maintsy tadidintsika fa tsy ho afaka handany fotoana be amin’ny fialam-boly mihitsy isika, satria “andro farany” izao ary asaina mitory haingana momba ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Mazava ho azy fa tsy ho afaka hanao ny zavatra rehetra lazain’ity tontolo ity hoe “fialam-boly” koa ny Kristianina. Mila mahay mandanjalanja amin’ny resaka fialam-boly isika. Mila manana ny fomba fihevitr’i Jehovah foana àry isika ary manampy ny zanatsika hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah koa.
19 Enga anie ny Kristianina rehetra ka hahay handanjalanja amin’ny resaka fialam-boly. Enga anie isika hifantoka amin’izay zavatra tena mahafaly sy mahafa-po na dia miala voly tsindraindray koa aza. Ary enga anie isika ka tena ho sambatra rehefa manaraka ny fomba fiaina kristianina sy mazoto mitory momba an’ilay Fanjakana. Io Fanjakana io mantsy no hanampy ny olombelona rehetra hahay handanjalanja sy ho afa-po amin’ny fiainana, ka hahazo voninahitra mandrakizay i Jehovah Andriamanitsika.