Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 22 Jolay
HERINANDRON’NY 22 JOLAY
Hira 22 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 12 § 8-13 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Asan’ny Apostoly 22-25 (10 min.)
No. 1: Asan’ny Apostoly 22:17-30 (4 min. na latsaka)
No. 2: Ahoana no Ampisehoantsika fa Tsy Anisan’izao Tontolo Izao Isika, na dia eto Amin’izao Tontolo Izao Aza?—Jaona 17:15, 16 (5 min.)
No. 3: Ho Afaka Hiakatra any An-danitra ve ny Vatana Nofo Aman-dra?—rs p. 276 § 1-2 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Vonona Hiatrika ny Taom-pianarana Manaraka ve Ianao? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hilaza ny olana mety hatrehin’ny tanora kristianina any am-pianarana. Hazavao hoe ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampiasana ny Fanondroana, ireo boky Manontany ny Tanora, ny tranonkalantsika, ary ny fitaovana hafa mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, mba hampiomanana ny zanany hiatrika ny olana mandritra ny taom-pianarana. (1 Pet. 3:15) Mifidiana foto-kevitra iray na roa, ary miresaha torohevitra azo ampiharina momba izany avy ao amin’ny bokintsika. Asao ny mpanatrika hitantara ny fomba nahafahany nitory tany am-pianarana.
20 min: “Fialam-boly Tena Mahasoa.” Lahateny misy fiaraha-midinika. Asio fampisehoana rehefa eo amin’ny fehintsoratra faha-8: Mpianakavy miresadresaka eo am-pamaranana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Manontany ny vady aman-janany ilay ray hoe inona no fialam-boly tian’izy ireo iarahana manao. Afaka miteny, ohatra, izy ireo hoe hanasa olon-kafa ao am-pivoriana mba hiara-milalao karatra, na daomy, na fanorona, na échec. Afaka manonona zavatra fanao eny an-kalamanjana koa izy ireo, ohatra hoe milalao bisikileta, na baolina kitra, na baskety, na volley.
Hira 95 sy Vavaka