Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Okt.
“Eken’ny manam-pahaizana fa zava-dehibe ny andraikitry ny ray. Araka ny hevitrao, inona no atao hoe ray mahay mitaiza? [Avelao izy hamaly.] Nantitranterin’i Jesosy fa nanampy azy ny ohatra tsara nomen’ny Rainy. [Vakio ny Jaona 5:19.] Miresaka zavatra enina tena ilain’ny ankizy avy amin’ny rainy, ity lahatsoratra ity.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 18.
Mifohaza! Okt.
“Tsy mitovy hevitra ny olona samy hafa fivavahana, rehefa anontaniana hoe hoatra an’iza marina Andriamanitra. Inona anefa no nolazain’ilay Zanak’Andriamanitra? Mariho ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 4:24. [Vakio.] Valian’ny Baiboly ilay fanontaniana hoe: ‘Toy inona marina Andriamanitra?’ Miresaka momba izany ireto pejy ireto.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 24 sy 25.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Nov.
“Maro no sahiran-tsaina amin’ny hoe Andriamanitra fitiavana ve dia hampijaly olona mandrakizay. Ahoana ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Asehon’ny Baiboly fa sady tsy tia mampijaly Andriamanitra no tsy mpamaly faty. [Vakio ny Ezekiela 18:23.] Ho tianao angamba ny fanazavana araka ny Soratra Masina ato amin’ity gazety ity.”
Mifohaza! Nov.
“Maro no mihevitra fa mahomby ianao raha manana laza na harena na fahefana. Inona no atao hoe fahombiazana, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Inona no hanampy antsika hahita fahombiazana? Mariho izay lazain’ny Baiboly. [Vakio ny Salamo 1:1-3.] Miresaka fomba enina hahitana fahombiazana ity lahatsoratra ity.” Asehoy ny lahatsoratra eo amin’ny pejy 6.