FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/08 p. 3
  • ‘Araho Tsara ny Dian’i Kristy’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Araho Tsara ny Dian’i Kristy’
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • “Izany no Nanirahana Ahy”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
  • Fanompoana mandaitra mba hanaovana mpianatra misimisy kokoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • ‘Tanterahinao Tsara’ ve ny Fanompoanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • “Andao Hanara-dia Ahy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 4/08 p. 3

‘Araho Tsara ny Dian’i Kristy’

1. Ahoana no hahatonga antsika ho mpitory mahay?

1 Tsy nianatra tamin’ny sekolin’ny raby i Jesosy, nefa izy no Mpitory nahay indrindra hatramin’izay. Soa ihany fa voarakitra an-tsoratra ny fanompoany, mba hahasoa antsika. Tsy maintsy ‘manaraka tsara ny diany’ isika, mba ho lasa mpitory mahay koa.—1 Petera 2:21.

2. Ahoana no hanehoantsika fitiavana toa an’i Kristy?

2 Manehoa fitiavana: Tia sy niahy ny olona i Jesosy, ka nitory tamin’izy ireo. (Marka 6:30-34) Olona maro eny amin’ny faritanintsika no ‘mijaly’, ka tena mila ny fahamarinana. (Rom. 8:22) Eritrereto ny fahoriana mahazo azy ireo, ary tadidio fa tian’i Jehovah izy. Handrisika anao hitory hatrany izany. (2 Pet. 3:9) Ho vonona kokoa hihaino antsika ny olona, raha hitany fa tena te hanampy azy isika.

3. Taiza avy i Jesosy no nitory?

3 Mitoria foana: Nitory ny vaovao tsara foana i Jesosy, isaky ny afaka nanao izany. (Matio 4:23; 9:9; Jaona 4:7-10) Tokony ho vonona hiresaka momba ny fahamarinana koa isika isan’andro. Misy, ohatra, mitondra Baiboly sy gazety na taratasy mivalona, mba ho afaka hitory any am-piasana, any am-pianarana, rehefa miantsena na mandeha bisy, sy ny sisa.

4. Inona no tena tokony hasongadintsika rehefa mitory? Hazavao.

4 Asongadino ilay Fanjakana: Ilay Fanjakana no tena noresahin’i Jesosy rehefa nitory izy. (Lioka 4:43) Tokony hampiantsika koa ny olona mba hahita fa zava-dehibe io Fanjakana io, na dia mety tsy ho izany aza no horesahintsika voalohany. Mety hiresaka ny zava-dratsy misy ankehitriny isika, satria izany no manaporofo hoe andro farany izao. “Ny vaovao tsara momba ny zava-tsoa” anefa no tena tokony horesahintsika.—Rom. 10:15.

5. Inona no tsy maintsy ataontsika, mba handaitra ny fitoriantsika?

5 Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra: Nampiasa ny Soratra Masina foana i Jesosy, nandritra ny fanompoany. Tsy nampianatra izay tiany fotsiny izy. (Jaona 7:16, 18) Namaky ny Tenin’Andriamanitra izy, ka nampiasa izany mba hanoherana an’i Satana. (Matio 4:1-4) Tsy maintsy mamaky Baiboly isan’andro sy mampihatra izay vakintsika koa isika, raha te hahay hampianatra. (Rom. 2:21) Rehefa mamaly ny fanontanian’ny olona isika dia tokony hifanaraka amin’ny Baiboly ny valin-tenintsika, ary hamaky andinin-teny mihitsy isika raha azo atao. Tiantsika ho hitan’ny olona mantsy fa ny hevitr’Andriamanitra no torintsika, fa tsy ny antsika manokana.

6. Inona no nataon’i Jesosy mba hanohinana ny fon’ny olona?

6 Miezaha hanohina ny fon’ny olona: “Mbola tsy nisy olona niteny tahaka izany mihitsy.” (Jaona 7:46) Izany no navalin’ireo mpiambina, rehefa nanontanian’ny mpisorona sy Fariseo izy ireo hoe nahoana no tsy nosamboriny i Jesosy. Tsy nampita fahalalana fotsiny mantsy i Jesosy, fa nanohina ny fon’ireo nampianariny koa. (Lioka 24:32) Nampiasa fanoharana momba ny zavatra fahita andavanandro izy, ka nazava sy nahaliana ny fampianarany. (Matio 13:34) Tsy nanazava zavatra betsaka loatra tamin’ny mpihaino azy izy. (Jaona 16:12) Nanome voninahitra an’i Jehovah izy, fa tsy nisarika ny sain’ny olona ho amin’ny tenany. Hahay hampianatra toa an’i Jesosy àry isika, raha ‘mitandrina tsara foana ny fampianarantsika.’—1 Tim. 4:16.

7. Nahoana i Jesosy no tsy kivy fa nitory foana?

7 Aza kivy raha misy tsy miraika na manohitra: Maro no tsy nihaino an’i Jesosy, na dia nanao fahagagana aza izy. (Lioka 10:13) Na ny havany aza dia nilaza fa “voa ny sainy.” (Marka 3:21) Tsy kivy anefa i Jesosy. Nitory foana izy satria fantany fa hanafaka ny olona ny fahamarinana notoriny. (Jaona 8:32) Tsy kivy koa isika fa tapa-kevitra ny hitory foana, sady manampy antsika i Jehovah.—2 Kor. 4:1.

8, 9. Ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy, izay nahafoy tena noho ny vaovao tsara?

8 Aoka ianao hahafoy tena: Naleon’i Jesosy nanana fiainana tsotra, mba hanaovana ny fanompoana. (Matio 8:20) Tsy nitandro hasasarana mihitsy izy, ary nitory mandra-paharivan’ny andro aza indraindray. (Marka 6:35, 36) Fantany fa fohy ihany ny fotoana nananany, mba hamitana an’ilay asa. “Efa kely [koa] sisa ny fotoana tavela” hitoriantsika. Mila mahafoy fotoana sy hery ary fananana àry isika, toa an’i Jesosy.—1 Kor. 7:29-31.

9 Lasa mpitory nahay ireo Kristianina voalohany, satria nianatra tamin’i Jesosy. (Asa. 4:13) Hahavita hanatanteraka tsara ny fanompoantsika koa isika, raha manahaka an’ilay Mpitory nahay indrindra.—2 Tim. 4:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara