Fampandrenesana
◼ Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha hametraka ny boky Ampianarina, rehefa mitsidika an’ireo olona liana, anisan’izany ireo nanatrika ny Fahatsiarovana na fivoriana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana. Ataovy tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly amin’io boky io. Jona: Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina.
◼ Tokony hataon’ny mpitan-tsoratra ampy tsara ny tahirin-taratasy Fangatahana Hanao ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana Maharitra (S-205) sy ny Fangatahana Hanao ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana Mpanampy (S-205b). Azo hafarana amin’ny alalan’ny Taratasy Fanafarana Boky (S-14) ireo. Ataovy ampy ho an’ny herintaona, fara fahakeliny, ny tahirinareo. Hamarino raha feno tsara ny fangatahana hanao mpisava lalana maharitra, alohan’ny handefasana azy atỳ amin’ny biraon’ny sampana.
◼ Tena ilain’ny biraon’ny sampana ny adiresy sy ny nomeraon-telefaonina faran’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha sy ny mpitan-tsoratra rehetra. Raha misy fiovana, dia tokony hofenoin’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana sy hasiany sonia ary halefany haingana atỳ amin’ny biraon’ny sampana, ny taratasy Fiovana Adiresin’ny Mpiandraikitra Mpitantan-draharaha/Mpitan-tsoratra (S-29).
◼ Hikatona ny Betela ny asabotsy 10 Mey 2008, noho ny fanadiovana fanao isan-taona. Tsy hisy fitsidihana na fakana boky sy gazety amin’io andro io.
◼ Boky vaovao misy:
Andao Hanara-dia Ahy (soratra lehibe) malagasy
◼ DVD vaovao misy:
Manontany ny Tanora—Ahoana no Hahazoako Tena Namana? anglisy, malagasy, ary fiteny hafa (kasety video navadika ho DVD)