Ny fivoriamben’ny distrika “Tafaray noho ilay Fanjakana”
“TAFARAY NOHO ILAY FANJAKANA.” Foto-kevitra mahafinaritra tokoa izany, mety tanteraka ho an’ireo fivoriamben’ny distrika 1983. Mbola tsy nahitana fisaratsarahana toy izao mihitsy tokoa maneran-tany. Ireo fandaminana ara-pivavahana, katolika sy protestanta, dia ahitana fifandonana sy fifandirana ao anatiny be ida be. Mifandrotidrotika koa etsy ankilany ireo antoko ara-politika. Tsy mbola nanjaka toy ny amin’izao fotoana izao mihitsy ny fisafotofotoana eo amin’ny raharaha sy ny varotra. Mbola tsy simban’ny fisarahana toy ny ankehitriny mihitsy ny faritry ny fianakaviana: Mifanditra ny mpivady, misara-toerana sy misara-panambadiana mihamatetika kokoa ihany. Efa hita teo amin’ny tantara ve ny hantsana mampisaraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka izay mikiky an’izao tontolo izao ankehitriny, ka mihamifanalavitra kely kokoa hatrany ny ray aman-dreny sy ny zanaka?
Ny fandaminana hita mason’i Jehovah, ny fitambaran’ireo Vavolombelony kristiana, dia mifanohitra amin’ny fomba manaitra amin’izao tontolo izao misaratsaraka. Na dia miely patrana any amin’ny tany sy nosy 205 tokoa aza ireny kristiana ireny izay miisa mihoatra ny 2 400 000, dia tafaray. Eny, ny firaisan-tsainy dia mihoatra ny fefy ara-pirenena, ara-piteny, ara-pirazanana, ara-pahaizana sy ara-toe-karena. Avy aiza àry izany? Avy amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah. — Zefania 3:9.
Izany no toe-piainana tsy maintsy nanjaka teo amin’ireo tena mpianatr’i Kristy. Moa ve ao amin’ny I Korintiana 1:10 tokoa i Paoly tsy nananatra ny kristiana tany Korinto mba ‘hiray teny izy rehetra ka tsy hisy fisarahana teo aminy, fa mba ho tafakambana tsara izy ireo hiray saina sy hevitra’? Toy izany koa ao amin’ny Filipiana 3:15, 16, fa notoroany hevitra ireo kristiana matotra mba hanana toe-tsaina toy izany daholo. Etsy andaniny koa, noho Jesosy nanambara fa ny kristiana marina dia ho fantatra amin’ny fifankatiavan’izy ireo, moa ve tsy azo nantenaina ny hahafantarana ny mpianany koa amin’ny firaisan-tsaina izay hanjaka eo amin’ny laharan’izy ireo? Izany tokoa, manamora ny fisian’ny firaisan-tsaina ny fitiavana. — Jaona 13:34, 35.
Tsara ny manamarika fa izany firaisan-tsaina izany dia nambara toy izao ao amin’ny Isaia 52:8: “Injany ny feon’ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian’i Jehovah ho any Ziona [ny hampodian’i Jehovah an’i Ziona, MN].” Asehon’ny zava-misy anefa fa nanomboka ‘nampodina’ toy izany Ziona tamin’ny 1919.
Tsy isalasalana fa tsy zavatra mora akory ny mitana izany firaisan-tsaina izany. Raha toy izany no izy, ny mahatonga izany voalohany indrindra dia noho ny Devoly tezitra mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny, nefa koa noho ny firodanan’ny hevitra ara-pivavahana sy araka ny olombelona rehetra mampiavaka ny androntsika (Apokalypsy 12:9, 12). Ny sakafo ara-panahy haroso amin’ity taona ity amin’ireo fivoriamben’ny distrika dia tsy isalasalana mihitsy fa hanamafy ny fahavononan’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra hanamaivana ny fahalemena, ny tsy fahatanterahana sy ny tsy fahalavorarian’olombelona mba hanohana araka izay farany azo atao ny anarana sy ny asan’i Jehovah. Io fandaharana tsara dia tsara io, izay hanomboka ny alakamisy tolakandro sy haharitra hatramin’ny alahady tolakandro, dia tena ho amin’ny ilàna azy indrindra sy hampandroso. Tsy isalasalana mihitsy fa ny mpanatrika rehetra dia hiala ao amin’io fivoriambe io tapa-kevitra tsy hisy toy izany hidera an’i Jehovah sady hiray saina hatrany amin’ireo rahalahiny ka ho ampy fitaovana kokoa mba hahavita izany.