FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/4 p. 4-7
  • Tontolo Iray Tsara Kokoa — Efa Antomotra!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tontolo Iray Tsara Kokoa — Efa Antomotra!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Embona paradisa” — Nahoana?
  • Fitadiavana paradisa — Tantaran-kevitra iray
  • Vohitry ny nofy — Toerana tonga lafatra ve?
  • Ny Kristiana sy ny tontolo iray tsara kokoa
  • Nofinofy Fotsiny ve ny Paradisa An-tany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • “Any Amin’ny Paradisa Mihaona E!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Aiza no Misy ny Paradisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Paradisa
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/4 p. 4-7

Tontolo Iray Tsara Kokoa — Efa Antomotra!

HOY ny The Encyclopedia of Religion: “Ny embona paradisa dia anisan’ireo embona mahery izay toa mitamberina tsy an-kijanona ao an-tsain’ny olombelona. Mety ho ilay mahery indrindra sy maharitra indrindra amin’ny embona rehetra izy io. Miharihary eo amin’ny ambaratongam-piainana ara-pivavahana rehetra ny faniriana paradisa iray.”

Toa samy manana ilay faniriana hiaina ao amin’ny tontolo iray tsara kokoa ireo kolontsaina rehetra, toy ny hoe malahelo zavatra tonga lafatra iray tany am-boalohany tany, izay tsy eo intsony. Toa milaza izy io fa nety ho nisy ny paradisa iray tany am-boalohany, kanefa taiza? Mety hilaza ny mpandinika ny fiasan’ny sain’olombelona iray fa mampiharihary ny faniriana hahazo indray ilay tsy fananana ahiahy tao an-kibon’ny reny efa nafoy io faniriana mafy io. Kanefa dia tsy mampiaiky ireo manam-pahaizana manokana izay mianatra ny tantaran’ny fivavahana izany fanazavana izany.

“Embona paradisa” — Nahoana?

Natao hahatonga ny fahasahiranana sy ny fahafohezan’ny fiainan’olombelona ho mora zakaina kokoa fotsiny ve ny fisian’ny embona toy izany, araka ny soso-kevitry ny sasany? Sa misy fanazavana hafa?

Nahoana ny taranak’olombelona no manembon-dava tontolo iray tsara kokoa? Manome fanazavana izay sady mazava no tsotra ny Baiboly, dia izao: Avy tany amin’ny tontolo iray tsara kokoa ny taranak’olombelona! Tena nisy tokoa ny paradisa iray tany am-boalohany. Ny tenin’Andriamanitra dia milazalaza azy io ho “saha” tao amin’ny faritany voafaritra tsara tany Moyen-Orient, izay notahina tamin’ny fanomezana azy “ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana”. Nankinin’Andriamanitra tamin’ilay mpivady olombelona voalohany ny fikarakarana azy io. (Genesisy 2:7-15). Toerana tonga lafatra izay nahafahan’ny olombelona ho sambatra marina tokoa izy io.

Nahoana no tsy naharitra izany toe-piainana paradisa izany? Noho ny fikomian’ny zavaboary ara-panahy iray, voalohany indrindra, ary ny an’ilay mpivady olombelona, avy eo. (Genesisy 2:16, 17; 3:1-6, 17-19). Araka izany, dia verin’ny olona, tsy ny Paradisa ihany, fa ny fahatanterahana sy ny fahasalamana ary ny fiainana tsy manam-petra koa. Tsy nanatsara velively ny fiainan’ny olona ny toe-piainana nanomboka hita hatraiza hatraiza. Mifanohitra amin’izany aza, fa niharatsy tsikelikely ka tonga amin’izao tarehin-javatra ankehitriny izao, izay ratsy lavitra tsy nisy toy izany, ny fiainana. — Mpitoriteny 3:18-20; Romana 5:12; 2 Timoty 3:1-5, 13.

Fitadiavana paradisa — Tantaran-kevitra iray

Manana tantara lava be ny “embona paradisa”, araka ny mety ho azo alaina sary an-tsaina. Nahatadidy fotoana iray izay nanjakan’ny firindrana teo amin’izao rehetra izao ny Sumériens: “Tsy nisy tahotra na horohoro, ary tsy nanana mpifaninana taminy ny olona. (...) Tamin’ny fiteny iray dia nanolotra fiderana ho an’i Enlil, izao rehetra izao manontolo, ny vahoaka nifanaraka tanteraka”, hoy ny fampahatsiarovan’ny poezia mezopotamianina tranainy iray. Nisy sasany, toy ny Egyptiana fahiny, nanantena ho tonga tao amin’ny tontolo iray tsara kokoa, taorian’ny nahafatesany. Ninoany fa tonga tany amin’izay nantsoina hoe sahan’ny Aaru ny fanahy (âme) tsy mety maty. Tany am-boalohany anefa, fara faharatsiny, dia tsy nisokatra afa-tsy ho an’ny antokon’olona ambony ihany io fanantenana io; tsy afaka nanonofy ny ho tonga tany amin’ny tontolo iray ampoky ny fahasambarana tanteraka ny mahantra.

Ao amin’ny faritra ara-pivavahana iray hafa, ireo Hindoa dia miandry, hatramin’ny taonjato maro, fe-potoana (yuga) tsara kokoa ho an’izao tontolo izao. Araka ny fampianarana hindoa, dia misy yugas efatra miverimberina ao amin’ny tsingerina mitohy hatrany, ary miaina ao amin’ilay ratsy indrindra isika ankehitriny. Mampalahelo fa, araka ny filazan’ny olona sasany, io Kali Yuga (fe-potoan’ny haizina) io, miaraka amin’ireo fijaliana sy faharatsiana rehetra entiny, dia haharitra 432 000 taona mihitsy. Miandry ny Krita Yuga, ny fe-potoam-panambinana anefa ireo Hindoa mahatoky.

Etsy an-danin’izany, ny Grika sy ny Romana dia nanonofy ny ho tonga tany amin’ireo Nosin’ny Vintana Tsara araka ny angano, izay tany amin’ny Oseana Atlantika. Ary mpanoratra maro, toa an-dry Hésiode sy Virgile ary Ovide no niresaka ny amin’ny fe-potoam-panambinana mahatalanjona iray tany am-boalohany, ary nanantena fa ho tafaorina indray izy io indray andro any. Tany amin’ny faran’ny taonjato voalohany al.f.i. tany ho any, dia nanambara mialoha ny fiavian’ny aetas aurea (fe-potoam-panambinana), izay sady vaovao no maharitra, efa antomotra, i Virgile, poety latina. Tao anatin’ireo taonjato nanaraka, “dia tsy latsaka ny enina ambin’ny folo ny emperora romana nihambo fa nanorina indray ny Fe-potoam-panambinana”, hoy ny The Encyclopedia of Religion. Kanefa dia fampielezan-kevitra ara-politika fotsiny izany, araka ny fantatsika tsara amin’izao fotoana izao.

Nisy Celtes maro nitady ny ho tonga tany amin’izay noheveriny ho tany mamirapiratra tao amin’ny nosy (na vondro-nosy) iray tany andafin’ny ranomasina. Ninoan’izy ireo fa niaina tamim-pahasambarana tanteraka ny olona tany. Araka ny angano iray, dia nanohy ny fahavelomany tao amin’ilay nosy mahagaga atao hoe Avalon ny Mpanjaka Arthur, na dia naratra mafy ka maty aza izy.

Tamin’ny andro fahiny sy tamin’ny Moyen-Age, dia nihevitra ny maro fa mbola nisy saham-pahafinaretana ara-bakiteny iray, dia ny saha Edena, tany ho any, “tany an-tampon’ny tendrombohitra iray tsy azo naleha, na tany ampitan’ny oseana iray tsy azo nitana”, hoy ny fanazavan’i Jean Delumeau, mpanoratra tantara. Na dia nino paradisa iray tany an-danitra aza i Dante, poety italianina, dia nihevitra izy fa mbola nisy paradisa an-tany iray tany an-tampon’ny tendrombohitry ny Afo Fandiovany, tany ampita lavitra ny tanànan’i Jerosalema. Ninoan’ny sasany fa tokony ho hita tany Azia, tany Mezopotamia na tany Himalaya izy io. Ary nisy maro ireo anganon’ny Moyen-Age niresaka ny amin’ny paradisan’i Edena. Ninoan’ny maro fa tao akaikin’izany paradisa izany dia nisy fanjakana mahagaga iray notapahin’ny Mompera Jaona, mpivavaka. Noho ny fanjakan’ny Mompera Jaona akaikin’ilay paradisa an-tany, dia noheverina fa lava sady feno fahasambarana ny fiainana tao, ary loharanon’ny fahatondrahana sy harena tsy nety ritra. Ny hafa, izay nitadidy tao an-tsaina ireo angano grika tranainy, dia mbola nihevitra fa tokony ho hita tany amin’ny Atlantika ireo nosy paradisa. Ireo sarintany tamin’ny Moyen-Age dia nampiseho fa tena nahazo antoka ny amin’ny fisian’ny saha Edena ny olona, ary nanondro mihitsy aza izay noheverina ho toerana nisy azy io.

Tamin’ny taonjato faha-15 sy faha-16, dia teo am-pikarohana tontolo iray izay sady vaovao no tranainy, ireo tantsambo namakivaky ny Atlantika. Nihevitra izy ireo fa, tany andafin’ilay oseana, izy ireo dia hahita, tsy India fotsiny, fa ny saha Edena koa. I Christophe Colomb, ohatra, dia nitady an’i Edena tany an-tendrombohitr’ireo faritra misy toe-tany antoniny sy faritra mafana sady be orana tany Amerika Atsimo sy Afovoany. Ireo mpizaha tany eoropeanina tonga tany Brezila dia nahazo antoka fa tsy maintsy tany ilay paradisa very, noho ny toe-tany antoniny sy ny sakafo ary ny zavamaniry tondraka tany. Tsy ela anefa dia voatery nanaiky ny zava-misy nampalahelo izy ireo.

Vohitry ny nofy — Toerana tonga lafatra ve?

Toy izay hiezaka hahita ny toerana misy ilay tontolo tonga lafatra any amin’ny tapany lavitra be sasany amin’ny tany, ny hafa dia nanandrana naminavina azy io. Araka izany, tamin’ny 1516, i Thomas More, Anglisy manam-pahaizana momba ny fiteny sy ny haisoratra, dia nilazalaza ny nosin’i Utopia toerana mahagaga iray, mandry feizay ary anjakan’ny fandeferana, tena samy hafa amin’ilay tontolo nikororosy fantany. Ny hafa koa nanandrana naminavina tontolo tsara kokoa, tontolo tsy hisian’ny fiangarana fa hanaovana ny marina: tsy iza izany fa i Platon sy ny Repoblikany tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i.; i Tommaso Campanella, frera italianina sy ny Tanànany Masoandro, voalamina fatratra, tamin’ny 1602; taona vitsy monja tatỳ aoriana, i Francis Bacon, filozofa anglisy, tamin’ny fitantarana “ilay toe-piainana nahafinaritra sady niroborobon’ ” i New Atlantis izay azy. Nandritra ireo taonjato, dia nilazalaza ny amina Vohitry ny Nofy am-polompolony maro ireo mpihevitra samihafa (na mpivavaka izy ireny na tsia). Vitsy tamin’izy ireny anefa, raha nisy aza, no ninoana.

Nisy aza ireo nanandrana nanorina ny Utopia-ny mihitsy. Ohatra, tamin’ny 1824 i Robert Owen, anglisy mpanan-karena iray, dia nanapa-kevitra ny hifindra tany Indiana, Etazonia, mba hanatanteraka ny Vohitry ny Nofiny tao amin’ilay tanàna kely nomeny anarana hoe New Harmony (Firindrana Vaovao). Nino mafy izy fa ao amin’ny toe-piainana marina ny olona dia hihatsara, koa nampiasainy saiky ny fananany manontolo, teo am-piezahany hanorina izay noeritreretiny ho tontolo vaovao hahitana fahatsaran-toetra. Nampiharihary anefa ny vokatra azo fa tsy ampy hamokarana olona vaovao ireo toe-piainana vaovao.

Manizingizina, saiky ireo firehan-kevitra ara-politika rehetra, fa tokony haminavina ny tontolo araka ny fahalalany sy ny heviny manokana ny amin’izay lazaina hoe marina ny olona mba hisian’ilay paradisa nonofinofisina ho eto an-tany. Nifanohitra tamin’izany anefa, fa niteraka ady sy revolisiona ireo fanandramana hanatanteraka faniriana mafy toy izany: ohatra, ny Revolisiona Frantsay tamin’ny 1789 sy ny Revolisiona Bolsevika tamin’ny 1917. Tsy nitondra toe-piainana paradisa ireny ezaka ireny fa mazàna no nitarika ho amin’ny fanaintainana sy fijaliana nitombo.

Faniriana mafy, vinavina, Vohitry ny Nofy sy fanandramana hanatanteraka azy ireo, dia tsy inona izany fa fahadisoam-panantenana nitohitohy. Amin’izao fotoana izao, dia misy miresaka momba ny “nofy nirodana” sy ny “faran’ny fe-potoan’ny hevi-dravina”, ary manasa antsika hianatra “hiaina tsy misy hevi-dravina”. Misy ve izany fanantenana hahita tontolo iray tsara kokoa izany, sa voatokana hijanona ho nofy fotsiny izy io?

Ny Kristiana sy ny tontolo iray tsara kokoa

Tsy nofy velively ny tontolo iray tsara kokoa — fanantenana iray azo antoka izy io! Fantatr’i Jesosy Kristy, ilay Mpanorina ny Kristianisma, fa tsy ilay tsara indrindra amin’ny tontolo mety hisy itỳ tontolo ankehitriny itỳ. Nampianariny fa holovan’ny malemy fanahy ny tany ary koa fa hatao eto ny sitrapon’Andriamanitra. (Matio 5:5; 6:9, 10). Fantany ary fantatr’ireo mpianany fa itỳ tontolo itỳ dia fehezin’i Satana Devoly, fahavalon’Andriamanitra, ary izany no antony lehibe mahatonga ireo loza maro be mamely ny taranak’olombelona. (Jaona 12:31; 2 Korintiana 4:4; 1 Jaona 5:19; Apokalypsy 12:12). Ireo Jiosy nahatoky dia niandry ny fotoana hanafahan’Andriamanitra, indray mandeha tsy miverina, ny tany amin’ny ady, fanaintainana sy aretina mba hametrahana ireo tia fiadanana sy rariny honina ao. Toy izany koa fa ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia niandry tamim-pahatokiana ny hisoloan’ny fandehan-javatra vaovao, dia “ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao”, an’itỳ tontolo ankehitriny itỳ. — 2 Petera 3:13; Salamo 37:11; 46:8, 9; Isaia 25:8; 33:24; 45:18; Apokalypsy 21:1.

Rehefa nihantona teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy Kristy, dia namerina ilay fampanantenana tontolo iray tsara kokoa tamin’ny mpanao ratsy iray izay naneho finoana sasany azy. “Hoy [i Jesosy] taminy: ‘Lazaiko aminao marina tokoa anio, hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.’ ” (Lioka 23:40-43, NW ). Ahoana no nahazoan’io mpanao ratsy io ny hevitr’ireo teny ireo? Te hilaza ve i Jesosy fa ‘hiaraka aminy’ any an-danitra tamin’io andro io ihany ilay mpanao ratsy, araka ny toa lazain’ny fandikana ny Baiboly sasany, katolika sy protestanta, tsy mivantana? Tsia, tsy izany no tian’i Jesosy hambara, satria taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty i Jesosy dia nilaza tamin’i Maria Magdalena fa “tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray” Izy. (Jaona 20:11-18). Na dia nampianarin’i Jesosy nandritra ny telo taona sy tapany talohan’ny Pentekosta 33 am.f.i. aza ireo apostoliny, dia tsy nanandrandra paradisa an-danitra izy ireo. (Asan’ny Apostoly 1:6-11). Ny fahatakaran-javatra nananan’ny ankamaroan’ny Jiosy niaina tamin’izay fotoana izay no fahatakaran-javatra nananan’ilay mpanao ratsy koa, dia izao izany: Nampanantena tontolo iray tsara kokoa ho tonga ao amin’ny paradisa an-tany i Jesosy. Nanaiky toy izao ny manam-pahaizana manokana alemanina iray: “Tsy hita tsotra izao ao amin’ny Testamenta Taloha ny fampianarana ny amin’ny valisoa aorian’ny fahafatesana.”

Ny hoe hisy paradisa iray eto amin’ny tanintsika dia hamarinin’ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Rehefa nampahery ireo mpiray finoana taminy mba ‘tsy hanao tsirambina ilay famonjena lehibe izay natomboka nolazaina tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy’ i Paoly, dia nilaza marimarina fa i Jehovah Andriamanitra dia nanome fahefana an’i Jesosy amin’ny “tany onenana [Grika: oi·kou·meʹne] ho avy”. (Hebreo 2:3, 5, NW ). Ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, ny teny hoe oi·kou·meʹne dia manondro foana ny tanintsika onenan’ny olombelona, fa tsy tontolo iray any an-danitra. (Ampitahao amin’ny Matio 24:14, NW; Lioka 2:1, NW; 21:26, NW; Asan’ny Apostoly 17:31, NW.) Ny Fanjakan’Andriamanitra tapahin’i Kristy Jesosy àry dia hampihatra fahefana amin’ny tany onenana. Ho tena toerana tonga lafatra hiainana marina tokoa izy io!

Na dia any an-danitra aza ilay Fanjakana dia hisalovana kosa amin’ny raharahan’ny tany izy. Inona no ho vokany? Tsy ho mby ao an-tsaina intsony ireo kilema sy habibiana sy fahantrana ary fahafatesana. Na dia ny fahadisoam-panantenana sy ny tsy fahafaham-po aza dia tsy hisy intsony. (Apokalypsy 21:3-5). ‘Hanokatra ny tanany Andriamanitra ka hahavoky soa ny zava-miaina rehetra’, hoy ny Baiboly. (Salamo 145:16). Ireo zava-manahirana toy ny tsy fananana asa sy ny fandotoana dia hahitana ala olana azo ampiharina sy maharitra. (Isaia 65:21-23; Apokalypsy 11:18). Ambonin’ny zava-drehetra anefa, noho ny fitahian’Andriamanitra, dia handresy ny fahamarinana sy ny rariny ary ny fiadanana — toetra tsara izay saika efa nanjavona tanteraka! — Salamo 85:7-13; Galatiana 5:22, 23.

Nofy, Vohitry ny Nofy, ve izany rehetra izany? Tsia, izao fotoan-tsarotra indrindra amin’ny fotoana rehetra izay iainantsika izao dia mampiharihary fa ao amin’ny “andro farany” ho an’itỳ tontolo itỳ isika ary noho izany dia akaiky ilay tontolo vaovao. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Ho tianao ve ny hiaina ao? Ianaro ny fomba hetezan’izany amin’ny fianarana ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Akaiky ny tontolo iray tsara kokoa, tsara lavitra noho izay efa nofisintsika. Tsy Vohitry ny Nofy izy io — zavatra tena hisy izy io!

[Sary, pejy 7]

Tontolo iray tsara kokoa — ho zavatra hisy tsy ho ela

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara