Tontolo Iray Tsara Kokoa — Nofy Fotsiny Ve?
RAHA mpanaraka ny Mazdaisma araka izay notorin’i Zoroastre, ilay mpaminany iranianina, ianao, dia ho niandry ilay andro hiverenan’ny tany amin’ny hatsaran-tarehiny tany am-boalohany. Raha niaina tany Gresy fahizay ianao, dia angamba ho nanonofy ny fahatongavana tany amin’ireo Nosin’ny Vintana Tsara tena fanaperana ianao, na ny fahitana ny fiverenan’ny Fe-potoam-panambinana lazalazain’i Hésiode, poety tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i. Mbola mety ho eo am-pikarohana ilay Tany Tsy Misy Faharatsiana izao ny Indiana Guaraní iray any Amerika Atsimo. Ianao izay miaina amin’izao fotoana misy antsika izao angamba, dia manantena fa hihatsara izao tontolo izao noho ny firehan-kevitra ara-politika sasany na ho vokatry ny fahalalana ekolojika maoderina.
Fe-potoam-panambinana, Nosin’ny Vintana Tsara, Tany Tsy Misy Faharatsiana — ireo dia samy anisan’ireo anarana maro be ampiasaina mba hilazalazana izany faniriana mafy izany ihany sy ny fanantenana tontolo iray tsara kokoa.
Itỳ tontolo itỳ, ny tontolontsika, dia azo antoka fa tsy toerana iray tonga lafatra. Ny heloka bevava feno fahasiahana mitombo hatrany, ny ady ifamonoan’ny mpirahalahy ary feno herisetra mbola tsy nisy toy izany, ny fandringanana antokon’olona, ny tsy firaikana manoloana ny fahorian’ny hafa sy ny fahantrany ary ny hanoanany, ny tsy fananana asa sy ny tsy fisian’ny fiombonan-kevitra, ny zava-manahirana ekolojika sy ny aretina tsy ahitam-panafana izay mamely olona an-tapitrisany maro — toa tsy mety tapitra ny lisitr’ireo loza misy ankehitriny. Rehefa nieritreritra ny amin’ireo ady nifamelezana tato ho ato ny mpanao gazety italianina iray dia hoy izy: ‘Ny fanontaniana mipoitra ho azy dia hoe: Moa ve tsy ny fankahalana no fihetseham-po mahery indrindra amin’izao androntsika izao?’ Rehefa dinihinao ny tarehin-javatra, heverinao ve fa araka ny zavatra tena misy ny hiezahana hanatratra zavatra hafa, zavatra tsara kokoa? Sa ny fiezahana hanatratra zavatra toy izany dia faniriana mafy Vohitry ny Nofy iray fotsiny, nofy tsy ho tanteraka na oviana na oviana? Miaina ao amin’ilay tsara indrindra amin’ireo tontolo rehetra mety hisy ve isika?
Tsy zava-manahiran-tsaina vaovao akory ireo. Hatramin’ny taonjato maro ny olona dia manonofy tontolo iray hanjakan’ny firindrana, fahamarinana, fanambinana sy fitiavana. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nisy filozofa maromaro nanambara tamin’ny an-tsipiriany ny heviny ny amin’ireo Fanjakana tonga lafatra sy ireo tontolo tsara kokoa. Mampalahelo anefa fa tsy hain’izy ireo mihitsy ny nanazava ny fomba hampiasana amim-pahombiazana ireny hevitra ireny.
Afaka mampianatra zavatra antsika ve io lisitra efa hatramin’ny taonjato maro momba ireo nofy sy Vohitry ny Nofy ary fiezahan’olombelona hanorina fiaraha-monina tsara kokoa io?
[Sary, pejy 3]
Itỳ ve ilay tsara indrindra amin’ireo tontolo rehetra mety hisy?