FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/4 p. 16-21
  • Ilay Andro Tokony Hotsarovana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Andro Tokony Hotsarovana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny 14 Nisana!
  • Fitafiana fanetren-tena sy fitiavana
  • ‘Ny lalana sy fahamarinana ary fiainana’
  • Fiaretana fanenjehana
  • Fampidirana fanekena vaovao iray
  • “Ho fahatsiarovana Ahy”
  • “Any amin’ny fanjakan’ny Raiko”
  • Vavaka iray faran’izay nafana
  • Ny 14 Nisana — andro fahatsiarovana iray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Tafaray ao amin’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Manaova Zavatra Mifanaraka Amin’ny Vavak’i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Anisan’ireo Tian’Andriamanitra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/4 p. 16-21

Ilay Andro Tokony Hotsarovana

“Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” — JAONA 16:33.

1, 2. Andro iray inona teo amin’ny tantara no misongadina indrindra amin’ny andro hafa rehetra, ary nahoana?

MANAN-JAVATRA maro holazaina momba ny fandriampahalemana izao tontolo izao ankehitriny. Tamin’ny faran’ny Ady Lehibe faharoa, ny fandriampahalemana dia nampifandraisina tamin’ny Andro “V-E” sy tamin’ny Andro “V-J”.a Isan-taona, ny krismasy dia mahatonga ny olona hieritreritra ny amin’ny ‘fiadanana etỳ ambonin’ny tany’. (Lioka 2:14). Misy anefa andro iray izay misongadina indrindra amin’ny hafa rehetra eo amin’ny tantaran’ny olombelona iray manontolo. Izany dia ilay andro nitenenan’i Jesosy Kristy ireo teny voatonona etsy ambony. Tamin’ireo andro roa tapitrisa mahery nisian’ny olombelona teto an-tany, dia io ilay andro iray izay nanova tanteraka ny fiainan’olombelona ho fanasoavana azy mandrakizay.

2 Io andro lehibe io dia ny 14 Nisana teo amin’ny fanisanandro jiosy. Tamin’ny taona 33 am.fan.ir., ny 14 Nisana dia nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro ny 1 Aprily. Aoka hodinihintsika ireo zava-nitranga tamin’io andro manan-tantara io.

Ny 14 Nisana!

3. Ahoana no nampiasan’i Jesosy ireo ora farany ireo?

3 Raha nilatsaka ny haizina, dia azo inoana fa namirapiratra ny volam-penomanana kanto iray ho fampahatsiarovana fa mamaritra ny andro sy ny fizaran-taona i Jehovah. (Asan’ny apostoly 1:7). Ary inona no nitranga tao amin’ilay efitrano ambony rihana izay nivorian’i Jesosy sy ireo apostoliny 12 mba hankalazana ny Paska fanaon’ny Jiosy isan-taona? Raha teo am-piomanana ‘hiala amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Rainy i Jesosy, dia tia ny Azy hatramin’ny farany’ izy. (Jaona 13:1). Ahoana no nanaovany izany? Tamin’ny teny naloaky ny vavany sy tamin’ny ohatra, i Jesosy dia nanohy nandentika tsikelikely tao amin’ireo mpianany, toetra tsara izay hanampy azy ireo handresy izao tontolo izao.

Fitafiana fanetren-tena sy fitiavana

4. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy tamin’ireo mpianany toetra tsara fototra iray? b) Ahoana no ahafantarantsika fa nianatra ny naha-zava-dehibe ny fanetren-tena i Petera?

4 Mbola tsy maintsy nanary fetrana fialonana feno fanirian-daza sy fieboeboana sasany ireo apostoly. Koa nisikina lamba famaohana i Jesosy ary nanomboka nanasa ny tongotr’izy ireo. Izany akory tsy fampisehoana fanetren-tena sandoka, toy ilay fanaon’ny papa ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana isan-taona any Roma. Tsia dia tsia tokoa! Ny tena fanetren-tena dia fahafoizan-tena avy amin’ny ‘toe-tsaina manetry tena izay mihevitra ny hafa ho ambony noho ny tena’. (Filipiana 2:2-5, MN). Tamin’ny voalohany, dia tsy takatr’i Petera ilay hevitra ka tsy nety namela an’i Jesosy hanasa ny tongony izy. Rehefa avy nomena fanitsiana izy, dia nangataka an’i Jesosy mba hanasa ny tenany iray manontolo. (Jaona 13:1-10). Na dia izany aza, dia tsy maintsy ho nahatakatra ilay lesona i Petera. Taona maro tatỳ aoriana izy dia hitantsika eo am-panomezana torohevitra ny hafa amin’ny fomba mety. (1 Petera 3:8, 9; 5:5). Zava-dehibe toy inona moa, ho antsika rehetra amin’izao andro izao, ny manompo an’i Kristy amim-panetren-tena! — Jereo koa Ohabolana 22:4; Matio 23:8-12.

5. Didy inona nomen’i Jesosy no nampiseho ny naha-zava-dehibe ny toetra fototra fanampiny iray?

5 Tsy nandray soa avy tamin’ny torohevitr’i Jesosy ny iray tamin’ireo apostoly 12. I Jodasy Isikariota izany. Raha nitohy ny sakafon’ny Paska, dia nangorohoro ny fanahin’i Jesosy, ka nanondro an’i Jodasy ho ilay mpamadika azy izy ary nandefa azy nivoaka. Taorian’izay i Jesosy vao nilaza tamin’ireo mpianany nahatoky 11 hoe: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35). Didy vaovao marina tokoa izy io, nohazavaina tamin’ny alalan’ny ohatra tsy manan-tsahala navelan’ny tenan’i Jesosy! Raha nanatona ny ora hahafatesany ho sorona, dia nampiseho fitiavana niavaka i Jesosy. Nampiasa ny minitra sarobidy tsirairay izy mba hampianarana sy hampaherezana ireo mpianatra ireo. Tatỳ aoriana, dia nohantitranteriny ny ma­ha-zava-dehibe ny fitiavana tamin’ny filazana hoe: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany”. — Jaona 15:12, 13.

‘Ny lalana sy fahamarinana ary fiainana’

6. Zava-kendrena inona no natolotr’i Jesosy an’ireo mpianany akaiky?

6 Nilaza tamin’ireo 11 nahatoky i Jesosy hoe: “Aza malahelo ny fonareo; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho”. (Jaona 14:1, 2). Tokony ho any amin’ny “fanjakan’ny lanitra” izany fitoerana izany. Nambaran’i Jesosy tamin’io antokon’ny mpianany akaiky nahatoky io ny fomba mety hanatratrarany ny zava-kendreny. Hoy izy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako”. [(Jaona 14:6).] Izany koa dia mihatra amin’ireo anisan’ny taranak’olombelona izay hahazo fiainana mandrakizay eto an-tany. — Apokalypsy 7:9, 10; 21:1-4.

7-9. Nahoana i Jesosy no nilazalaza ny tenany ho ny “làlana, sy fahamarinana, ary fiainana”?

7 I Jesosy no “làlana”. Ny hany fomba tokana hanatonana an’Andriamanitra amin’ny vavaka dia amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanome toky ireo mpianany fa ny Ray dia hanome azy ireo izay rehetra angatahiny amin’ny anaran’i Jesosy. (Jaona 15:16). Ireo vavaka avantana any amin’ny sary masina na “olo-masina” ara-pivavahana, na ireo izay fenoina amin’ny “Arahaba ry Maria” sy amin’ny famerimberenan-teny lavareny — tsy misy amin’ireny henoin’ny Ray na ekeny. (Matio 6:5-8). Ankoatra izany, dia izao no vakintsika ao amin’ny Asan’ny apostoly 4:12 mikasika an’i Jesosy: “Fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena”.

8 I Jesosy no “fahamarinana”. Izao no nambaran’ny apostoly Jaona momba azy: “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana”. (Jaona 1:14). Tonga fahamarinana ho an’ireo faminaniana an-jatony maro ao amin’ny Soratra Hebreo i Jesosy tamin’ny fanatanterahany izany. (2 Korintiana 1:20; Apokalypsy 19:10). Nampahafantatra fahamarinana izy rehefa niresaka tamin’ireo mpianany sy ny vahoaka izay nihaino azy, sy rehefa niady hevitra tamin’ireo mpitondra fivavahana mpihatsaravelatsihy, ary rehefa namela ohatra velona.

9 I Jesosy no “fiainana”. Tamin’ny naha-Zanak’Andriamanitra azy, dia hoy i Jesosy: “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy”. (Jaona 3:36). Ny fanehoana finoana ny soron’i Jesosy dia mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay — fiainana tsy hahitam-pahafatesana any an-danitra, ho an’ny kristiana voahosotra amin’ny “ondry vitsy”, ary fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa, ho an’ny olona betsaka amin’ny “ondry hafa”. — Lioka 12:32; 23:43, MN; Jaona 10:16.

Fiaretana fanenjehana

10. Nahoana isika no mila ‘mandresy izao tontolo izao’, ary fampaherezana inona no nomen’i Jesosy mikasika izany?

10 Ireo maniry ny hiaina ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’i Jehovah dia tsy maintsy manohitra tontolo iray izay “mipetraka eo amin’ilay ratsy”, dia i Satana Devoly. (1 Jaona 5:19). Mampahery tokoa àry ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 15:17-19! Izao no nambarany: “Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo. Raha halan’izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo”. Nankahalaina ireo kristiana marina hatramin’izao taona 1992 izao, ary endrey ny hafaliantsika noho ireo ohatra tsara dia tsara navelan’ireo izay manohy mifahatra mafy, sy mitady amim-panetren-tena tanjaka eo ambanin’ny tanana maherin’Andriamanitra! (1 Petera 5:6-10). Afaka miaritra fitsapana isika rehetra amin’ny fanehoana finoana an’i Jesosy izay namarana ny dinidinika nataony tamin’ireto teny manafana ny fo ireto: “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao”. — Jaona 16:33.

Fampidirana fanekena vaovao iray

11. Naminany inona mikasika ny fanekena vaovao iray i Jeremia?

11 Nandritra io takariva io, rehefa nifarana ny fankalazana ny Paska, dia niresaka ny amin’ny fanekena vaovao iray i Jesosy. Efa nambaran’ny mpaminany Jeremia mialoha izany, taonjato maro mialoha, tamin’ny filazana hoe: “Indro, avy ny andro, hoy i Jehovah, izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda (...) Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. (...) Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany”. (Jeremia 31:31-34). Tamin’ny 14 Nisana taona 33 am.fan.ir. dia tsy maintsy natao ilay sorona izay nampanan-kery io fanekena vaovao io!

12. Ahoana no nanorenan’i Jesosy ny fanekena vaovao, ary inona no notanterahin’izany?

12 Nilaza tamin’ireo 11 nahatoky i Jesosy fa naniry fatratra ny hihinana io Paska io niaraka tamin’izy ireo izy. Avy eo, dia naka mofo izy, nisaotra, namaky izany, ary nanome izany ho azy ireo tamin’ny filazana hoe: “Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo [hatrany, MN] ho fahatsiarovana Ahy”. Tamin’izany fomba izany ihany, dia nampandalo kapoaka nisy divay mena teo amin’izy ireo izy tamin’ny filazana hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo”. (Lioka 22:15, 19, 20). Natao nanan-kery ilay fanekena vaovao tamin’ny “ra soan’i” Jesosy, izay nisy vidiny kokoa noho ny ram-biby nafafy mba hampanan-kery ny faneken’ny Lalàna! (1 Petera 1:19; Hebreo 9:13, 14). Mahazo famelan-keloka tanteraka ireo izay voaray ao anatin’ilay fanekena vaovao. Noho izany, dia mety hahafeno fepetra izy ireo ho anisan’ny 144 000 izay hahazo lova mandrakizay amin’ny maha-Isiraely ara-panahy azy. — Galatiana 6:16; Hebreo 9:15-18; 13:20; Apokalypsy 14:1.

“Ho fahatsiarovana Ahy”

13. a) Tokony hieritreritra ny amin’inona isika amin’ny fotoan’ny Fahatsiarovana? b) Iza ihany no tokony handray anjara amin’ireo marika ary nahoana?

13 Mifanitsy amin’ny 17 Aprily 1992 ny faha-1 960 taonan’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Raha eo am-panatonana io daty io, dia tsara ny ieritreretantsika ny amin’izay rehetra notanterahin’ny sorona tanteraka nataon’i Jesosy. Io fandaharana io dia manandratra ny fahendren’i Jehovah sy ny fitiavany lalina ny olombelona. Ny fahatokiana tsy nisy tomika nasehon’i Jesosy na dia tonga hatramin’ny fahafatesana nahafadiranovana mafy aza izy, dia nanamarina an’i Jehovah tamin’ilay fihantsiana feno fanarabiana nataon’i Satana hoe: misy tsininy ny olombelona noforoniny ary ho lavo ireo rehefa mandalo fitsapana. (Joba 1:8-11; Ohabolana 27:11). Tamin’ny rany natao sorona, dia nanelanelana teo amin’ilay fanekena vaovao i Jesosy, fitaovana nampiasain’i Jehovah mba hifantenana “taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka voatokana ho fananana manokana”. Raha mbola eto an-tany izy ireo dia “manambara ny hatsaran’ilay” Andriamaniny, dia i Jehovah, izay ‘niantso azy ireo avy tao amin’ny haizina ho amin’ny fahazavany mahagaga’. (1 Petera 2:9, MN; ampitahao amin’ny Eksodosy 19:5, 6.) Amin’ny fomba mety, dia izy ireo ihany no mandray anjara amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana isan-taona.

14. Ahoana no andraisan’ireo mpandinika an-tapitrisany maro soa be dia be?

14 Tamin’ny Fahatsiarovana tamin’ny taon-dasa, dia nisy 10 650 158 nanatrika maneran-tany. Teo amin’izy ireo anefa, dia 8 850 monja — latsaky ny ampahafolon’ny 1 isan-jato — no nandray anjara tamin’ireo marika. Mitondra soa inona ho an’ireo mpitazana an-tapitrisany maro àry io fankalazana io? Soa lehibe tokoa! Na dia tsy mandray anjara aza izy ireo, dia mandray soa ara-panahy betsaka izy ireo amin’io fiarahana ao amin’ny firahalahiana lehibe dia lehibe maneran-tany io, rehefa mandre ireo zavatra mahatalanjona rehetra izay tanterahin’i Jehovah amin’ny alalan’ny soron’ilay Zanany.

15. Amin’ny ahoana ny olon-kafa ankoatra ny voahosotra no mandray soa avy amin’ny soron’i Jesosy?

15 Ambonin’izany, dia nampahafantatra antsika toy izao ilay apostoly ao amin’ny 1 Jaona 2:1, 2: “Manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay marina; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” Eny, ny soron’i Jesosy, na dia nitondra soa voalohany indrindra ho an’ny kilasin’i Jaona voaray ao anatin’ny fanekena vaovao aza, dia nanolotra famelan-keloka koa ho “an’izao tontolo izao”. Izy io dia “avotra” ho an’ny fahotan’ny hafa rehetra eo amin’izao tontolo izaon’ny olombelona izay maneho finoana ny ra nalatsak’i Jesosy. Manokatra ho azy ireo fahatsinjovan-javatra mahafaly izany, dia fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa. — Matio 20:28.

“Any amin’ny fanjakan’ny Raiko”

16. a) Miharihary fa miara-mandray anjara amin’inona izao i Jesosy sy ireo mpiara-mandova aminy? b) Inona no takina amin’ny voahosotra sy ny olona betsaka amin’izao fotoana izao?

16 Rehefa nanohy nampahery ireo apostoliny i Jesosy, dia notondroiny ilay andro izay hisotroany amin’ny fomba ara-panoharana ny vokatry ny voaloboka indray miaraka amin’ny mpianany any amin’ny Fanjakan’ny Rainy. (Matio 26:29). Nilaza tamin’izy ireo izy hoe: “Hianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko; koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy, mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fanjakako hianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo”. (Lioka 22:28-30). Koa satria i Jesosy nandray ny fahefana tao amin’ilay Fanjakana tany an-danitra tamin’ny 1914, dia afaka manatsoaka hevitra isika fa ny ankamaroan’ireo mpiara-manjaka aminy izay nangonina nandritra ireo taonjato, dia efa natsangana tamin’ny maty mba “hipetraka ambony seza fiandrianana” miaraka aminy. (1 Tesaloniana 4:15, 16). Manatona haingana dia haingana ny andro handefasan’ireo anjely ‘ny rivotra efatry’ ny “fahoriana lehibe”! Amin’izay dia ho efa vita ny fanasiana tombo-kase ny 144 000 amin’ny Isiraely ara-panahy sy ny fanangonana ny olona betsaka an-tapitrisany maro. Ireo rehetra ireo dia tsy maintsy mitoetra ho tsy mivadika, toy ny nataon’i Jesosy, mba hahazoana ny lokan’ny fiainana mandrakizay. — Apokalypsy 2:10; 7:1-4, 9.

17 sy ny faritra voafefy. a) Raha tokony hailika ny voahosotra iray noho ny fivadihana, iza moa no mety hasolo azy ara-drariny? b) Nandefa fahazavana mahaliana inona mikasika ny fanorenana sy ny fitaran’ny fandaminana teokratika eto an-tany tatỳ aoriana, ireo lahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1938?

17 Ahoana raha tsy mihazona ny tsy fivadihany ny sasany amin’ireo voahosotra? Amin’izao ora farany izao, dia tsy isalasalana fa ho vitsy ny isan’ny olona tsy mahatoky toy izany. Araka ny fandrindran-kevitra, dia hisy ny fanoloana, tsy ho avy amin’ireo vita batisa vao haingana anefa, fa ho avy amin’ireo niara-niaritra tamin’i Jesosy tao amin’ny fitsapana nahazo azy nandritra ny taona maro nanaovana fanompoana tamim-pahatokiana. Ilay famirapiratan’ny hazavana ara-panahy nitselatra avy tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ireo taona 1920 sy 1930 dia milaza fa ny fanangonana ny sisa voahosotra dia azo lazaina hoe vita nandritra io vanim-potoana io. Ireo izay ‘nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ nanomboka hatreo dia nanana fanantenana mahafaly hafa iray. Amin’ny alalan’i Kristy, ny fanahin’i Jehovah dia mitarika azy ireo ho amin’ny “loharanon’ny ranon’aina” eo amin’ny tany tonga paradisa. — Apokalypsy 7:10, 14, 17.

Vavaka iray faran’izay nafana

18. Lesona mahery inona no ianarantsika avy amin’ilay vavaka nataon’i Jesosy ao amin’ny Jaona toko faha-17?

18 Nofaranan’i Jesosy ilay fivorian’ny Fahatsiarovana niarahany tamin’ireo mpianany tamin’ny fanolorana ilay vavaka nafana voarakitra ao amin’ny Jaona 17:1-26. Nivavaka aloha izy ny mba hanomezan’ny Ray voninahitra azy eo am-pihazonany ny tsy fivadihany hatramin’ny farany. Amin’izany fomba izany dia hankalazaina koa i Jehovah, ny anarany hohamasinina — ho afaka amin’ny fanalam-baraka rehetra. Satria, tsy azo lavina fa ilay lehilahy tanteraka atao hoe Jesosy dia tena nanaporofo fa ny olombelona, zavaboarin’Andriamanitra dia afaka ny tsy hanan-tsiny, na dia eo ambanin’ny fitsapana faran’izay mafy aza. (Deoteronomia 32:4, 5; Hebreo 4:15). Ankoatra izany, ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona dia nanokatra fahafahana lehibe ho an’ny taranak’i Adama. Hoy i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao”. Zava-dehibe toy inona moa ny fahazoana fahalalana marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany, ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay nanome ny ainy ho fanamarinana an’i Jehovah sy ho famonjena ny taranak’olombelona! (Jaona 1:29; 1 Petera 2:22-25). Moa ve mankasitraka io sorona faran’izay mampiseho fitiavana io ianao ka tonga hatramin’ny fanoloranao ny tenanao manontolo ho an’i Jehovah sy ho an’ny fanompoany sarobidy?

19. Ahoana no ahafahan’ny sisa voahosotra sy ny olona betsaka hanana firaisan-kina sarobidy?

19 Ankoatra izany, dia nivavaka i Jesosy mba hiarovan’ny Rainy masina ireo mpianany noho izy ireo niseho ho tsy anisan’izao tontolo izao, sy nifikitra tamin’ny Teniny ho fahamarinana, ary nitana firaisana sarobidy tamin’ny Ray sy ny Zanaka. Moa ve io vavaka io tsy voavaly tamin’ny fomba mahatalanjona mandraka androany noho ny sisa voahosotra sy ny olona betsaka manompo miaraka, tafaray amin’ny fehim-pitiavana, sady mialanalana hatrany eo amin’izao tontolo izao sy ny herisetrany ary ny faharatsiany? Endrey ny hasarobidin’ny teny famaranana nataon’i Jesosy tamin’i Jehovah Rainy! “Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany”, hoy i Jesosy, “mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy”. — Jaona 17:14, 16, 26.

20. Nahoana ny 14 Nisana no azo antoka fa ilay andro tokony hotsarovana?

20 Rehefa nivoaka ho any amin’ny zaridainan’ny Getsemane i Jesosy dia mbola afaka niaraka vetivety sy tamin’ny fomba nampandroso tamin’ireo mpianany ihany izy. Namely azy avy teo ireo fahavalony! Tsy ampy ny teny ilazalazana ny fangirifirian’i Jesosy ara-batana, ny alahelony mafy noho ny fanalam-baraka natototra an’i Jehovah, sy ny oha-pahatokiana nasehony nandritra izany rehetra izany. Niaritra hatramin’ny farany i Jesosy, nandritra ny alina manontolo sy nandritra ny ankamaroan’ny ora nisian’ny hazavana tamin’iny andro iny. Nasehony mazava tsara fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakany. Ary tamin’ny fara fofonainy, dia niantso mafy izy nanao hoe: “Vita”! (Jaona 18:36, 37; 19:30). Feno ny fandreseny an’izao tontolo izao. Azo antoka fa ny 14 Nisana taona 33 am.fan.ir. no ilay andro tokony hotsarovana!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Andro “V-E”: andro fandresena tany Eorôpa. Andro “V-J”: andro nandresena an’i Japana.

Ahoana no Havalinao?

◻ Inona no nampianarin’i Jesosy mikasika ny fanetren-tena sy ny fitiavana?

◻ Ahoana no nahatongavan’i Jesosy ho ny “làlana sy fahamarinana ary fiainana”?

◻ Inona no zava-kendren’ny fanekena vaovao?

◻ Firaisan-kina sy fitiavana inona no iarahan’ny sisa voahosotra sy ny olona betsaka manana?

[Efajoro, pejy 20]

Ny Fahendren’ilay Solomona Lehibe

Ireo lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Fandaminana” ao amin’ireo nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 sy 15 Jona 1938, dia nametraka fototra ho an’ny fandaharana teokratika arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah mandraka androany. Izy ireo dia namarana tamin’ny fomba lehibe ny vanim-potoana niavaka iray nisian’ny fanitsiana ara-pampianarana sy ara-pandaminana izay nanomboka tamin’ny 1919. (Isaia 60:17). Rehefa nampitaha io vanim-potoana naharitra 20 taona io tamin’ilay 20 taona nanorenan’i Solomona ny tempoly sy ny tranon’ny mpanjaka tao Jerosalema Ny Tilikambo Fiambenana, dia nilaza hoe: “Asehon’ny Soratra masina fa, taorian’ny fandaharam-panorenan’i Solomona naharitra roapolo taona (...), dia nandray anjara tamin’ny fandaharam-panorenana tao amin’ilay firenena manontolo izy. (1 Mpanjaka 9:10, 17-23; 2 Tantara 8:1-10). Tonga avy eo ny mpanjakavavin’i Sheba ‘avy tany amin’ny faran’ny tany mba hihaino ny fahendren’i Solomona’. (Matio 12:42; 1 Mpanjaka 10:1-10; 2 Tantara 9:1-9, 12). Izany dia mahatonga ilay fanontaniana hoe: Hoavy tsy ho ela inona no miandry ny vahoakan’i Jehovah eto an-tany? Amim-patokiana tanteraka dia hiandry isika, ary hahita.” Tsy diso toerana akory izany fatokiana izany. Teo ambanin’ny fandaminana teokratika, ny fandaharam-panorenana ara-panahy lehibe dia lehibe iray maneran-tany dia nahangona maherin’ny efatra tapitrisa amin’ireo olona betsaka. Sahala amin’ny mpanjakavavin’i Sheba, izy ireo dia avy tany amin’ny faran’ny tany mba hihaino ny fahendren’i Jesosy Kristy, ilay Solomona Lehibe — fahendrena izay ampitaina amin’izy ireo amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sady malina” — Matio 24:45-47, MN.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara