FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/6 p. 3-4
  • Fieken-keloka — Zavatra tsy mety ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fieken-keloka — Zavatra tsy mety ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fombafomba fotsiny ve?
  • Konfesy
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Fieken-keloka ny fomba ankasitrahan’ny olona sa ny an’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Tsy Maintsy Miaiky ny Heloka Nataonao ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mifanaraka tsara amin’Andriamanitra ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/6 p. 3-4

Fieken-keloka — Zavatra tsy mety ve?

“NY KONFESY dia fanadiovana ara-panahy, fomba iray hanombohana indray, fomba iray hikosehana ny zavatra vita. Tiako ny mandeha mikonfesy, miresaka amin’ny pretra ny fahotako, mahazo ny famelan-kelony ary ny haravoana manaraka izany.” Izany no lazain’ny katolika mafana fo iray. — Tsofy rano aho, Raiko, fa nanota (anglisy).

Araka ny voalazan’ny Firaketana Katolika Vaovao (anglisy), dia “ny pretra irery ihany no nomen’i Kristy na nanankinany ny fahefana hamehy na hamaha, hamela na tsy hamela” fahotana. Milaza io boky io ihany fa ny fanaovana konfesy tsy tapaka dia midika ho “famerenana ny fahamasinan’ny fiainana voaheloka noho ny fahotana lehibe ary (...) fanadiovana ny fieritreretan’ny olona iray”. Kanefa ny toe-piainana ara-pitondrantena any amin’ny tany maro be dia mampiseho fa tsy mahatonga ireo olona maro be manao azy io “hiala amin’izay ratsy ka hanao izay tsara” ny fanaovana konfesy. (Salamo 34:14, MN). Zavatra tsy mety àry ve izy io?

Fombafomba fotsiny ve?

Mety hanomboka amin’ny maha-fombafomba tsotra fotsiny ny konfesy. Any Irlande, dia atao alohan’ny Komonio voalohany indrindra ny konfesy voalohany. Ary misy tokony hahagaga ve raha toa ny ankizivavy kely iray fito taona ka nihevitra kokoa ny amin’ny akanjo-mpanambady kely mahafatifaty hanaovany fa tsy ny ‘famerenana ny fahamasinan’ny fiainana voaheloka noho ny fahotana lehibe’?

“Ny zavatra nahamaimay ahy indrindra dia ny akanjo, ankoatra ny fahazoana vola avy amin’ireo havana”, hoy ny fieken’i Ramona, izay natao komonio voalohany fony izy fito taona. “Teo amin’ireo ankizivavy rehetra fantatro”, hoy izy manohy ny teniny, “dia tsy nisy izay fahatsapana ara-panahy akory. Tsy nisy taminay mba nieritreritra an’Andriamanitra akory aza tamin’io fotoana io”.

Raha ny marina, ny fanerena ny ankizy madinika hikonfesy tsy tapaka dia mety hitarika ho amin’ny fanaovana tsianjery be fotsiny. “Tsy nanao afa-tsy ny nanonona izay teny efa fampiasako hatrany hatrany aho”, hoy i Michael, izay nanomboka nanao konfesy fony izy fito taona.

Ireo filazan-kevitra nataon’ny katolika vitsivitsy resahina ao amin’ilay boky hoe Tsofy rano aho, Raiko, fa nanota (anglisy) dia mampiseho fa tsy dia misy vidiny ara-panahy firy ho azy ireo ny fanaovana konfesy, na dia rehefa tonga olon-dehibe aza izy. “Mampianatra anao handainga ny konfesy, satria misy zavatra sasany izay tsy vitanao akory ny miresaka azy amin’ny pretra”, hoy ny fieken’ny olona iray. Mety hisy hanararaotra ny tsy fisian’ny fifanarahana eo amin’ny fomba fiasan’ireo pretra mba hahazoana famaizana faran’izay kely indrindra. Nitady mpampikonfesy “tsara” ny sasany mba hahazoana ny torohevitra niriny ho re. “Rehefa avy nigadra teo amin’ny telo volana aho, dia nahita ilay mpampikonfesy ahy. Mihaona aminy isam-bolana aho, mifanatrika aminy ao amin’ny trano fisainana, ary lozabe izy”, hoy ny vehivavy tanora iray. “Raha fetsy ianao tamin’izany, dia nahita pretra iray narenina sy tsy niteny anglisy afa-tsy ny hoe ‘manaova Arahaba ry Maria intelo’ ”, hoy ny katolika hafa iray.

Miharihary àry fa misy tsy mety ny fieken-keloka araka ny anaovan’ny olona sasany azy. Lazain’ny Baiboly anefa fa misy ilàna ny hiekena heloka, satria hoy izy hoe: “Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.” — Ohabolana 28:13, Baiboly Katolika.

Midika ve izany fa tokony hiaiky ny fahotana rehetra nataony ny kristiana iray? Raha izany no izy, amin’iza? Hamakafaka ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara