Ahoana no maha-zava-dehibe ireo toetoetra ivelany?
“Nanjary nahakivy ahy ny toetoetrako ivelany,” izany no nosoratan’ny tanora iray avy any Beave Falls, Pennsylvania, any Etazonia. “Mahatsiaro ho ratsy tarehy sy tsy manintona aho.” Manazava ilay tovovavy hoe: “Zara raha nihinan-kanina aho nandritra ny andro vitsivitsy, ary dia nihena teo amin’ny iray kilao teo, nefa dia noana aoka izany aho noho ny tsy fihinanako sakafo ka nambosibosika aho ny andro nanaraka ary dia niverina tamin’ny lanjako teo aloha indray aho.“
Tatỳ aoriana, tao amin’ny fivoriambe kristiana, dia nilaza io tovovavy io hoe: “Nijery fitaratra aho ary nilaza tamin’ny namana iray hoe: ‘Mahatsiravina aoka izany ny mijery ahy!’
“Nanontany ahy io namana tena tia io raha toa aho efa namaky ilay fizarana hoe ‘Jereo ny toetoetrao ivelany’ ao amin’ilay boky hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques. Nilaza taminy aho hoe tsia. Hoy izy tamiko ‘Mila ny mody any an-trano indry anio alina ary mamaky azy io’. Ary dia izany tokoa no nataoko.
“Nahatsiaro ho ohatra ny namaky ny tantaram-piainako aho. Avy eo aho dia tonga tamin’ny fanontaniana izay nahatonga ahy hieritreritra hoe: ‘Iza no nampandroso ny hevitra hoe mila toetoetra ivelany manokana ianao raha ta halaza, hahomby, na ho sambatra?’”
Ny valin’ilay fanontaniana, hoy io tanora io, dia nahatonga fiovana lehibe teo amin’ny fiainany. Namarana ny teniny izy hoe: “Avy amin’ny fanoloran-kevitra mahasoa tao amin’ilay boky Les jeunes s’interrogent, no nahitako fa nilaina ny nanitsy izay zavatra noheveriko ho lehibe indrindra.”
Iharam-panerena maro ireo tanora amin’izao andro izao. Mila fanampiana mba hahatoherana izany amim-pahombiazana izy ireo. Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques dia manolotra io fanampiana io. Azonao atao ny mahazo an’io boky feno sary manintona io amin’ny famenoana sy fandefasana amin’ny paositra ny tapakila eto ambany.
Maniry ny hahazo ilay boky mifono baoritra 320 pejy hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques aho. (Raha monina any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2.)