‘Aoka isika hitady teny mahafinaritra, teny mahitsy’
“MPITORITENY nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin’ny fahamarinana.” (Mpitoriteny 12:10). Afaka ny ho sarobidy toy inona moa ny ‘teny mahafinaritra sy mahitsy’ miorina amin’ny Soratra masina azo tamin’ny tsindrimandry! Oharina amin’ny “poma volamena ao anaty vilia volafotsy” izy ireo, voafantina tsara sy mendri-kaja amin’ny toe-javatra rehetra ary tsy azo vidim-bola amin’ny tarehin-javatra mampahory. — Ohabolana 25:11.
Amin’izao androntsika izao ilay Mpitoriteny Lehibe, Jesosy Kristy, dia nanome harena ara-panahy betsaka lavitra noho izay nananan’ny vahoakan’Andriamanitra teo ambany fanapahan’ireo mpanjaka isiraelita fahiny. (Matio 12:42). Nandritra ny zato taona mahery, dia nisy teny nahafinaritra sy nahitsy nahafaoka ny lafim-piainana rehetra naseho tao anatin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower ary naely be dia be tamin’ny fiteny maro. Afaka nanangona, noho izany, tahirim-boky iray misy boky fakàn-teny azo itokiana mifantoka amin’ny Baiboly ao an-tokantranony ihany ny fianakaviana maro sy ny olona maro. Ambonin’izany, dia manana tahirim-boky tsara dia tsara azo ampiasaina ao amin’ny Efitrano Fanjakanany ny ankamaroan’ny kongregasion’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Na dia izany aza, dia mbola mitaky fikarohana ihany ny fitadiavana ny teny mahafinaritra sy mahitsy ilaina amin’ny tarehin-javatra manokana iray. Noho ny fahafantarany izany, hatrany amin’ny fotoana voalohan’ny tantarany, ny Fikambanana Watch Tower dia namoaka indeksa (lisitra araka ny abidy milaza izay ao anatin’ny boky) maro ho an’ireo zavatra vitany an-tsoratra. — Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-28 sy faha-29.
Tetikasa vaovao iray
Nanokatra toko vaovao iray teo amin’ny tantaran’ny Indeks’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower ny taona 1985. Nakambana sy nampifanarahina ao anatin’ny boky iray monja mahafaoka ireo taona eo anelanelan’ny 1930 sy 1985 ny Indeksa sivy teo aloha, asa izay ho nitaky ny fiezahan’ny olona iray mandritra ny 14 taona. Ny vokatsoa azo avy amin’ny Indeksa toy izany ao anatin’ny boky iray monja nefa mahafaoka taona maro dia nitarika, tamin’ny 1986, ho amin’ny tetikasa vaovao iray, dia ny famoahana Indeksa hatambatra tsikelikely nanomboka tamin’io taona io. Isan-taona, mandritra ny efa-taona misesy amin’ny ankapobeny, dia hisy bokikely misy Indeksa hatambatra tsikelikely hahafaoka izay nivoaka tao anatin’ny herintaona, roa taona, telo taona ary avy eo dia efa-taona. Isaky ny dimy taona dia hisy fitambarana Indeksa mifono baoritra izay hanakambana ireo Indeksa rehetra nanomboka tamin’ny 1986, toy ny 1986-90, 1986-95 ary toy izany hatrany hatrany. Araka izany, dia tsy ilaina ny mizaha Indeksa mihoatra ny telo: ny Indeksa 1930-1985, ilay fitambarana Indeksa farany indrindra ary ilay bokikely farany indrindra.
Indeksa nomanina ho anao manokana
Ny fizarana voalohany ao amin’ny Indeksa tsirairay dia indeksa araka ny fotokevitra. Eo am-panomanana ny indeksa araka ny fotokevitra iray, dia misy fanontaniana roa tadidina ao an-tsaina: 1) Fanazavana inona no tokony hampidirina ao amin’ilay indeksa? 2) Aiza no mety hahitan’ny olona iray io fanazavana io?
Amin’ny maha-mpamaky anao, dia tsy hahaliana anao akory ny hahita izay fanazavana madinika rehetra momba ny fotokevitra iray. Koa satria mazàna ianao mitady fanazavana lehibe iray na tena azo ampiasaina, dia izany no fidina hatao ao anatin’ny indeksa. Kanefa tsy voatery ho feno izany fanazavana izany. Mety handefa anao ho any amin’ny fehezanteny iray monja ny lohateny iray ao anatin’ny Indeksa, toy ny fanambarana ny tetikasa arahin’ny Fikambanana momba ny raharaha iray, ohatra. Na koa, mety hahafaoka lahatsoratra iray manontolo, eny zavatra vita an-tsoratra iray manontolo mihitsy aza, izany. Amin’ny ankapobeny anefa, dia mitarika anao ho any amin’ny fehintsoratra maromaro misy ny fanazavana ilaina ilay lohateny.
Ny fanontaniana ny amin’ny toerana tokony hisehoan’ireo fakàn-teny ao amin’ilay Indeksa koa dia zava-dehibe tahaka izany ihany, satria tsy mitovy ny fomba fieritreritry ny mpamaky rehetra ary hijery eo ambanin’ny lohateny samy hafa izy ireo. Ohatra, misy fanazavana momba ny Tilikambon’i Babela eo ambanin’ny hoe TILIKAMBON’I BABELA. Kanefa ny mpamaky sasany dia hijery eo ambanin’ny hoe BABYLONA, ARKEÔLÔJIA na FITENY, arakaraka ny lafin’ilay fotokevitra mahaliana azy. Noho izany, dia atao ny fiezahana mba hamerenana ireo fakàn-teny eo ambanin’ireo lohateny samihafa mifanaraka amin’ny fotokevitra iray, amin’ny fitadidiana ao an-tsaina fa samy hafa taona sy fiaviana ireo mpamaky ary manan-java-kendrena samy hafa.
Amin’ny ahoana no ahafahan’ny Indeksa hanampy anao
Toy ny sarintany iray, dia tsy hanampy anao ny Indeksa raha tsy ampiasainao. Inona no tokony hampoizinao ho hita ao amin’ny indeksa araka ny fotokevitra na ao amin’ny fizarana misy ny indeksa araka ny andinin-teny manaraka azy?
Ireo fakàn-teny ao amin’ny fizarana misy ny indeksa araka ny andinin-teny dia mitondra any amin’ny lahatsoratra manazava ireo andinin-teny mandeha mitokana. Mety hahita fanazavana momba ny tarehin-javatra nanononana ireo teny ao amin’ilay andininy ianao, ny antony nanoratana azy, izay nampiharana azy na koa ny hevitr’ireo teny na fitambaran-teny mitokana. Azo raisina ho ohatra ny amin’izany ilay fangatahana ao amin’ilay vavaka fakan-tahaka nomen’i Jesosy manao hoe: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”. (Matio 6:13). Nahoana no nolazaina tamin’izany fomba izany izy io? Hanampy anao hahita ny valiny ny indeksa araka ny andinin-teny.
Ny indeksa araka ny fotokevitra, araka ny asehon’ny anarany ihany, dia indeksa mandeha araka ny fotokevitra voalohany indrindra fa tsy araka ny teny na fitambaran-teny. Rehefa nanandrana nitady lahatsoratra iray tamin’ny fampiasana ny lohateniny ny mpamaky sasany, dia nahita fa sarotra ny nitady izay nisy azy io. Mety hiseho io zava-manahirana io rehefa tsy misy teny na iray aza ao amin’ilay lohateny afaka mampahafantatra marina ilay fotokevitra. Azo raisina ho ohatra ny amin’izany ilay lahatsoratra hoe “Hatraiza izany hoe be loatra izany?”, izay namelabelatra ny amin’ny vokatry ny alkôla. Raha tsaroanao ny votoatin-kevitr’ilay lahatsoratra, dia ho azonao atao ny mankany amin’ny hoe ZAVA-PISOTRO MAHAMAMO na FISOTROANA ao amin’ilay Indeksa, dia ho hitanao ao ny fakàn-teny ho amin’ilay lahatsoratra.
Afaka ny hanampy anao manokana hahita fanazavana momba ireo zava-manahirana mety hatrehinao ny Indeksa. Ohatra, raha ray na reny ianao, moa ve ianao indraindray mahatsiaro tena ho kivy noho ny tsy fisian’ny vokany eo amin’ny ezaka ataonao mba hifehezana sy hitarihan-dalana ny zanakao? Eo ambanin’ny hoe ANKIZY ianao dia hahita fakàn-teny ho amin’ny fanazavana maro izay hanome anao fahaiza-mahatakatra ny eritreritr’izy ireo, ny fihetseham-pony ary izay ilainy. Kanefa, eo ambanin’ny lohateny hoe FITAIZANA ANKIZY, ianao dia hahita fakàn-teny ho amin’ny fampianarana sy ny famaizana amin’ny lafiny rehetra.
Ny Fikambanana Watch Tower indraindray dia maharay taratasy mangataka fanampiana mba handaminana zava-manahirana ara-panambadiana na fanontaniana ny amin’ny maha-mety ny fanao sasany eo amin’ny firaisan’ny mpivady na tsia. Na dia mety ho afaka hamaly izany aza ny Fikambanana, ny torohevitra mahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa sy azo ampiharina mitovy amin’izay homeny dia ho hita amin’ny fankanesana any amin’ny lohateny hoe FANAMBADIANA sy ireo lohateny kely eo ambaniny hoe “zava-manahirana”, “ny maha-lahy sy ny maha-vavy” na koa “firaisan’ny lahy sy ny vavy”, ary amin’ny fizahana ireo fakàn-teny omena ao.
Misy taratasy maro voaray koa avy amin’ireo mijaly noho ny fahaketrahana na ny fahoriana ara-tsaina. Ny fanomezan-toky sy ny fanampiana homena anao an-taratasy dia mety ho hitanao haingana kokoa ao amin’ny tahirim-bokinao na ny an’ny Efitrano Fanjakana iray eo an-toerana raha mijery ireo lohateny hoe FAHAKETRAHANA na ARETIN-TSAINA ao amin’ny Indeksa ianao. Misy fakàn-teny ho amin’ny lahatsoratra manazava ny fomba handresena ireo aretin-tsaina, ny fitsaboana misy ary fanandraman-javatra mampihetsi-po hitan’ireo efa voan’ny fahaketrahana ao.
Tanora ve ianao? Mety hanam-panahiana momba ny fanambadiana ianao, ny fiainam-pianakaviana, ny sekoly, ny fifandraisanao amin’ny ray aman-dreninao sy ny toy izany. Ilay lohateny lehibe hoe TANORA dia manome fakàn-teny eo ambanin’ireo lohateny kely rehetra ireo sy ny maro hafa koa. Ambonin’izany, ny lohateny toy ny hoe FIFANDRAISANA, SEKOLY, ASA ATAO ANTOM-PIAINANA sy FIFANERASERANA HO AMIN’NY FANAMBADIANA dia manolotra fakàn-teny maro dia maro. Raha ny amin’ny fanaovana entimody ho an’ny sekoly, dia afaka mitarika anao ho any amin’ny fanazavana tsara dia tsara momba ny natiora, ny siansa, ny zavatra mahadomelina, ny toekarena ary fotokevitra hafa maro ny Indeksa.
Vokatsoa ho an’ny olona samy hafa taona
Nanoratra toy izao ny ramatoa iray 81 taona: “Ireo boky sy gazety dia loharanom-panazavana sy hery ara-panahy toy ny lavaka fihadiana volamena — ary ny Indeksa dia mihady ilay volamena hankatỳ ivelany.” Nilaza toy izao ny reny iray manan-janaka valo taona sy sivy taona: “Manontany tena aho izao hoe ahoana no nataoko teo aloha fony tsy mbola nisy azy io. Nitarika ahy ho any amin’ny valim-panontaniana maro nataoko tamin’ny tenako efa ela be izy io ary nanamora aoka izany ny fanaovana fikarohana mandritra ny fanomanana ireo fivorian’ny kongregasiona. (...) Tiako koa ny milaza aminareo fa io boky io dia nanampy aoka izany teo amin’ny fianaram-pianakavianay. (...) Rehefa manome azy roa vavy safidy ny amin’izay tian’izy ireo hatao ny vadiko, matetika izy ireo dia maniry ny hanao fikarohana amin’ny alalan’io Indeksa io. Mahafinaritra azy ireo ny mifidy fotokevitra iray mahaliana azy, toy ny biby tiany indrindra na tany samy hafa, ary afaka mijery ilay fanazavana tsy mila fanampiana firy izy ireo. Izany koa dia nampianatra azy ireo hahita fa fahafinaretana ny fianarana Baiboly.”
Ny fikarohana teny mahafinaritra sy tenim-pahamarinana mahitsy dia mitondra valisoa tsy azo vidim-bola. Ny ezaka nataon’ilay Mpitoriteny dia nanome vokatsoa betsaka lavitra noho izay nokendreny tany am-boalohany, satria nanome fampaherezana sy torolalana ho an’ny mpanompon’i Jehovah hatramin’izao andro izao ireny teny ireny. Ny ezaka ataontsika mifandray amin’izany koa dia mitondra ny fitahian’i Jehovah, ary vokatra izay mety haharitra mandrakizay. — Ohabolana 3:13-18, 21-26.
[Efajoro/Sary, pejy 28, 29]
Ireo indeksa voalohany
Tamin’ny 1902, dia nisy fanontana manokana ny Baibolin’i Holman misy fampitahana (anglisy) natao ho an’ny Fikambanana Watch Tower, ary feno fanampiana nomanin’ny Fikambanana izy io. Ny fanampiny tany amin’ny faran’ilay boky dia nisy indeksa araka ny fotokevitra sy araka ny andinin-teny ho an’ilay fitohitohizam-boky hoe L’Aurore du Millénium (fantatra tatỳ aoriana tamin’ny anarana hoe Etudes des Ecritures), bokikely lehibe roa ary Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) ho an’ny taona 1879-1901.
Ireo Baiboly beriana nanomboka tamin’ny 1907 dia nanome indeksa nitovy tamin’izany. Nalain’ireo indeksa feno ho an’ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana rehetra ny toeran’izy ireo tamin’ny 1922. Ireo indeksa ireo dia niseho tao amin’ny farany tamin’ireo fitambaran’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) fito natonta indray (1879-1919). Hatramin’izao, dia ireto farany ireto no fomba lehibe indrindra hahitana fanazavana naseho tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower voalohany.
Nandritra ireo 40 taona nanaraka, anefa, ny fikarohana natao tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoaka taorian’ny 1919 dia tsy maintsy natao tamin’ny fampiasana indeksa hita, tsy tamin’ny toerana iray ihany, fa tao amin’ny faran’ireo boky sy tao amin’ny gazety nomerao farany isan-taona. Kanefa tamin’ny 1959, ny Fikambanana dia nanaiky hanao asa lehibe iray tamin’ny fanomezana indeksa araka ny fotokevitra sy araka ny andinin-teny ao anatin’ny boky iray ihany ho an’ireo zavatra vitany an-tsoratra tamin’ny teny anglisy. Nisy antokona mpiara-miasa novorina voaforona mpiasa tao amin’ny birao foibe, misionera nahazo diplaoma avy tamin’ny Sekoly ara-baibolin’i Gileada alamin’ny Watchtower ary mpiandraikitra mpitety faritany avy tao amin’ny tanànan’i New York koa aza. Rehefa avy nanao fiezahana tamim-pitandremana mafy nandritra ny herintaona sy tapany ireo mpiasa 18 nanolo-tena ho amin’izany ireo, dia navoaka ny Indeks’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower (anglisy) voalohany, nisy fizarana ho an’ireo fotokevitra novelabelarina sy ho an’ireo andinin-teny nohazavaina, nahafaoka 31 taona teo anelanelan’ny 1930 sy 1960. Izany dia navoaka voalohany teo anatrehan’ny mpanatrika ravoravo ireo Fivoriambe “Mpanompo tafaray” tamin’ny 1961.
Nanomboka tamin’izay, dia navoaka isan-taona ny Indeks’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower amin’ny teny anglisy, ary isaky ny dimy taona ny fitambarana Indeksa hatambatra tsikelikely mifono baoritra.