FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/3 p. 25
  • “Zohy fieren’ny jiolahy” maoderina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Zohy fieren’ny jiolahy” maoderina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/3 p. 25

“Zohy fieren’ny jiolahy” maoderina

TAO amin’ny gazetiboky hoe Natural History, ny mpampianatra siansa momba ny olombelona sy ny tantarany atao hoe Colin Turnbull dia nitantara ny fanandraman-javatra hitany tamin’ny naha-mpizaha tany azy tany Jerosalema. Nilaza izy fa ilay “toe-tsain’ny Krismasy” izay nanomboka namboleny dia “nanjavona haingana” rehefa nahamarika ireo fivarotana tao amin’ilay tanàna “feno fakofakon’entana namidy tamin’ny vidiny avo dia avo ka nampihomehy an’ireo mpividy entana ho an’ny Krismasy (mpizaha tany) izay toa tratran’ny ny fanerena hividy.”

Nilaza toy izao ny amin’ny “toe-tsain’ny Krismasy” nahazo azy i Turnbull: “[Izy io dia] nisinda ihany koa tao amin’ilay toerana noheveriko fa mety hamoha [azy] — ny Fasana Masina (le tombeau du Saint Sépulcre).” (Hita etsy ambony ny ao anatiny.) Tao, dia nahakivy azy ny fitondrantenan’ireo mpizaha tany tahaka azy “izay toa nampiseho tsy fanajana izay masina tsy niafina akory” satria “nanosika sy nandronjina tamin’ny fomba tsy kristiana mihitsy izy ireo, nampiasa ny sorony sy ny kihony mba hahafahana hiditra teo amin’ny fidirana tery ho ao amin’ilay fasana mihitsy. Indraindray dia nisy fifamelezana kely nipoaka, narahina fanompana sy fihetsehana tsy nisy naha-masina azy.”

Tsy “namerina rivo-piainam-pahamasinana ho amin’ny laoniny” ny klerjy niandraikitra teo, hoy i Turnbull, fa “vao mainka nampisinda izay nety ho fahatsapana fa masina tamin’ny fanarahan’ny tenany fihetsika tia ady.” Niresaka izy ny amin’ny “olona iray nanao akanjo ivelany lava volon-takatra sy saron-doha nila handrakotra ny tavany, nitovitovy tamin’i Raspoutine”, izay “nanosika tamim-panjakazakana ireo mpizaha tany tsotra hiala avy teo amin’ny fidiran’ilay fasana isaky ny nisy antokona mpizaha tany nandoa vola nisinisy kokoa sy nitondra labozia (antsoina hoe mpitsidika toerana masina) niseho notarihina “Raspoutine” hafa iray.” Ny vokany, hoy ilay mpampianatra, dia “fifankahalana teo amin’ireo tsy nitondra labozia sy teo amin’ireo nitondra labozia, ary koa teo amin’ireo anisan’ny klerjy samihafa, satria toa nisy fitohitohizana antokom-pivavahana tsy nisy farany nifaninana hahazo fotoana sy toerana.”

Ilay naman’ny Profesora Turnbull niaraka taminy dia tany amin’ny “metatra vitsivitsy avy teo, tany aorian’ilay fasana, nandady tamin’ny tany, niafina tao anatin’ny lavaka iray tao amin’ny rindrina ny antsasaky ny vatany.” Nitantara toy izao i Turnbull: “Raha teo am-pijerena azy aho, dia nivoaka ny tanany havanana ary nitsapatsapa an-jamba nitady vola tao am-paosiny, fa ny tanany ilany kosa nijanona tao anatiny, nitsotra toy ny nisy nitana. Raha vantany vao namindra ilay vola tao anatin’ilay lavaka anefa izy, dia nafahana ny tanany havia ary nitsangana ilay namako. (...) Tao amin’ny tanany havia nisy lakroa hazo bitika dia bitika, mandon’ilay antsoina hoe rano masina teo amin’ny faritra namafazan’ilay moanina nanana zo hanao izany ary nandohalika niafina tao anatin’ilay zohy kely niandry izay ho babony.”

Nahamarika fihetsika nitovy tamin’izany teo amin’ireo olona nanana fahefana tao amin’ny tempoly i Jesosy Kristy, ary nilaza tamin’izy ireo fa namadika azy io ho “zohy fieren’ny jiolahy” izy ireo. (Lioka 19:45, 46). Mazava ho azy fa amin’izao androntsika izao dia tsy voafetra velively ho any Jerosalema ny ‘zohy fieren’ny jiolahy’ toy izany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara