Ny fahafatesan’i Jesosy — Midika inona ho anao izany?
“NA dia atambatra daholo aza izay tafika rehetra nety ho nanao matso, izay sambo rehetra nety ho namboarina, izay parlemanta rehetra nety ho natsangana, ary izay mpanjaka rehetra nety ho nanapaka, dia tsy ho nanan-kery teo amin’ny fiainan’ny olona teto an-tany toy ny nataon’io olon-tokana io izy ireo.” Toy izany no nilazan’i James A. Francis mpanoratra ny amin’i Jesosy Kristy.
Mahita an’i Jesosy amin’ny fomba isan-karazany ny olona, nefa ny Baiboly dia manondro azy ho Zanak’Andriamanitra, lehilahy nanana fitiavana feno fahafoizan-tena. Nanonona ny fomba nanehoany indrindra izany fitiavana izany i Jesosy rehefa nilaza ny amin’ny tenany hoe: “Fa tahaka izany, ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” — Matio 20:28.
Inona no hevitr’io avotra io? Nahoana no nilaina izany? Iza no navotana? Midika inona ho anao tokoa moa ny fahafatesan’i Jesosy?
Inona no atao hoe avotra?
Zavatra manafaka no atao hoe avotra. Ny hoe manavotra olona iray dia ny manafaka azy avy amin’ny fahababoana na avy amin’ny fanasaziana amin’ny fandoavana vidiny. Amin’ny heviny ara-panahy ny hoe “manavotra” dia mitondra ho amin’ny fanafahana avy amin’ny fahotana sy ny sazy aterak’izany. Izany no antony nahafatesan’i Jesosy. Izao no nosoratan’i Paoly apostoly kristiana: “Fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” — Romana 6:23.
Ampifandraisin’ny Soratra masina amin’ny fandoavana avotra ny fividianana indray zavatra efa namidy. Izao no azo vakina ao amin’ny Salamo 49:6-9: “Dia izay matoky ny hareny sy mirehareha amin’ny haben’ny fananany? Tsy misy mahavotra [mahavidy indray, MN ] ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony (fa sarotra avotra [izay aloa mba hividianana izay efa lafo, MN ] ny ainy, ka tsy azo atao mandrakizay), mba ho velona mandrakizay izy ka tsy ho latsaka ao amin’ny lavaka.” Fividianana indray nataon’Andriamanitra fa tsy nataon’olombelona tsy tanteraka na iza na iza ny avotra.
Nahoana no ilaina ny avotra?
Ilaina ny avotra satria nanota ny raintsika olombelona voalohany. Tamin’izay dia veriny ny fiainana tanteraka tsy nanam-pahataperana, voaheloka ara-drariny ho faty izy, ary maty tamin’ny farany (Genesisy 2:15-17; 3:1-7, 17-19; 5:5). Amin’ny maha-taranany antsika dia nandova ota sy fahafatesana isika. “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romana 5:12). Eny, ‘ao amin’i Adama no ahafatesan’ny olona rehetra’. (1 Korintiana 15:22.) Niteny ara-drariny toy izao àry i Davida mpanao salamo: “Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.” — Salamo 51:5.
Tena ilaina ny fanavotana amin’ny fanamelohana noho ny ota sy amin’ny fahafatesana raha misy amin’ny taranaka mpanota avy amin’i Adama ta-hahazo fahavelomana mandrakizay. Koa satria tsy afaka manome izany avotra izany ny olombelona tsy tanteraka, dia nanao izany tamim-pitiavana i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Inona anefa no novidina tamin’ilay avotra? Fony nanota i Adama, dia nariany ny fiainan’olombelona tanteraka mandrakizay niaraka tamin’ny zo sy ny fahatsinjovan-javatra rehetra nifamatotra tamin’izany. Zavatra mitovy amin’izany àry no novidina indray tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy.
Mahatonga fetezan’inona ny avotra?
Nampiharina tanteraka ny rariny rehefa nahazo ny olombelona ny fahafatesana, sazin’ny ota. Fanaovan-javatra avy amin’ny famindrampo sy ny hatsaram-panahin’Andriamanitra àry ny avotra. Natolotra ho amin’ny fahafatesana ny fiainan’olombelona tanteraka nananan’i Jesosy, niaraka tamin’ny zo sy ny fahatsinjovan-javatra rehetra nifamatotra tamin’izany, satria tsy natsangana tamin’ny naha-olona nofo aman-dra akory izy fa tamin’ny naha-zavaboary ara-panahy tsy mety maty (1 Korintiana 15:50; 1 Petera 3:18). Nitana hatrany ny heriny manavotra àry ny soron’ny ain’olombelona tanteraka nananan’i Jesosy Kristy.
Tamin’ny naha-olombelona tsy nanana ota azy, i Jesosy dia nitana toerana nitovy tamin’izay notanan’i Adama, lehilahy tanteraka, tany am-boalohany. Tamin’ny fankatoavany an’Andriamanitra hatramin’ny fahafatesana, dia natao ho Mpisoronabe i Jesosy, ary nentiny tany an-danitra ny vidin’ny soron’ny ain’olombelona tanteraka nananany (Hebreo 9:24-26). Noho ny naneken’Andriamanitra io vidim-panavotana io, dia afaka nanavotra ireo mpino taranak’i Adama tamin’ny ota sy ny fahafatesana i Jesosy tamin’ny fampiharana taminy ny vidin’ny sorona nataony (1 Korintiana 6:20; 7:23; 1 Jaona 2:1, 2). Tamin’izany i Jesosy no “tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy”. (Hebreo 5:8, 9.) Izany no mahatonga azy ireo hitana ny toeran’olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Zanany.
Iza no navotana?
Iza àry no mandray soa avy amin’ny avotra? Olombelona izay maneho finoana an’io fandaharana io ary miditra ao amin’ny fifanarahana amin’Andriamanitra. Amin’ny fanompoany azy amim-pahatokiana no mety hahafaka azy ireo amin’ny fahotana sy ny fahafatesana sazy avy aminy, ary hahazoany fiainana mandrakizay. — Jaona 17:3.
Afaka nifidy ny hankatò na tsia an’Andriamanitra ny lehilahy voalohany. Nifidy ny tsy fankatoavana izy. ‘Tsy voafitaka i Adama’ fa maty tamin’ny naha-mpanota an-tsitrapo azy (1 Timoty 2:14). Ahoana anefa ny amin’ny taranak’i Adama? Afaka mifidy ny hanompo an’Andriamanitra araka izay farany azony atao amin’ny maha-tsy tanteraka azy izy na tsy hankatò ny Mpamorona azy. — Josoa 24:15.
Tonga mba “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” i Jesosy. (Marka 10:45.) Fa iza moa ireo “maro” ireo? Miharihary fa tsy anisan’izany i Adama satria lehilahy tanteraka izay nifidy tamim-piniavana ny tsy hankatò an’Andriamanitra izy ary maty tamin’ny naha-mpanota an-tsitrapo tsy nibebaka. Fa ahoana kosa ny amin’ny fianakaviany maro, miisa an’arivo tapitrisany maro? Avy amin’ny vidiny mifanitsy amin’izany no anafoanan’i Jesosy ny fanamelohana nolovana mitambesatra eo amin’ny taranak’i Adama (jereo 1 Timoty 2:5, 6). Ampiharin’i Jesosy amin’ireo “maro” mpino ny vidin’ny sorom-panavotana nomeny.
Anisan’ireo mpino navotana ny Jiosy sy ny Jentilisa na olona avy amin’ireo firenena. Hoy i Paoly: “Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray.” (Romana 5:18). Tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana no ‘nanavotan’i Kristy ny Jiosy tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voahozona hamonjy azy Izy; fa voasoratra hoe: “Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo.” ’ (Galatiana 3:13; Deoteronomia 21:23). Nanisy firesahana ny amin’ireo Jentilisa ny Romana 4:11 rehefa nilaza fa fony tsy mbola voafora i Abrahama razamben’ny Jiosy, dia tonga “rain’ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza”. Mandray soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy àry ny mpino jiosy sy jentilisa.
Ny fitondrantena arahin’ny tsirairay no mamaritra raha handray soa amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy izy na tsia. Toy ny tamin’i Adama, dia tsy terena handray soa avy amin’ny vidin’ny avotra sy ny fiainana mandrakizay akory ireo mpanao ratsy an-tsitrapo. Araka ny nambaran’i Kristy dia hoe: “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.” (Jaona 3:36). Mahatonga ny fananganana ny maty izay ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra ho azo atao koa ny avotra (Jaona 5:28, 29). Raha miseho ho mankatò sy mankasitraka izy ireo, ny fampiharana aminy ny soa avy amin’ny avotra dia hidika fiainana mandrakizay ho azy ireo. Fa ho an’ireo velona amin’izao “andro farany” izao kosa, dia manana fahafahana ny hahazo fiainana mandrakizay izy, tsy mila mandalo fahafatesana. — 2 Timoty 3:1-5; Matio 24:3-14, 21, 34; Jaona 11:25, 26.
Antony ankasitrahana
Tokony hanana fankasitrahana lalina ny avotra izay rehetra maniry handray soa avy amin’izany. Ary mety tokoa ny fankasitrahana toy izany! Raha ny marina, moa ve tsy nitaky fitiavana lehibe avy amin’Andriamanitra sy Kristy ny avotra?
Naneho fitiavana lehibe i Jehovah Andriamanitra rehefa nanome ny avotra tamin’ny alalan’ny fahafatesan’ny Zanany. Hoy i Jesosy: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao [ny olombelona]: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.” (Jaona 3:16, 17). Moa ve ianao tsy tokony hankasitraka an’io fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra io?
Eritrereto ny halalin’ny fitiavan’i Jehovah tamin’ny nanomezana ny avotra. Efa nisy talohan’ny nanirahana azy hiaina sy ho faty teto an-tany tamin’ny naha-olombelona tanteraka ny Zanak’Andriamanitra. Izy no “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao”, ka tamin’ny alalany no “nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita”. (Kolosiana 1:13-16.) Tian’i Jehovah aoka izany io Zanany io! Nefa dia tsy nianina tamin’ny fanirahana fotsiny ny iray tamin’ireo anjely marina an-tapitrisany maro ho etỳ an-tany izy. Lehibe aoka izany ny fitiavany ny olombelona ka nirahiny ny Zanany lahimatoa.
Hevero koa ny fitiavana lalina nasehon’i Jesosy mifandray amin’ny avotra. Tamin’ny naha-zavaboary ara-panahy tany an-danitra azy, dia “mpità-marika” teo anilan’Andriamanitra izy. Marina fa ‘naharavoravo azy ny zanak’olombelona’. (Ohabolana 8:22-31.) Tsy mora taminy anefa ny nandao ny lanitra, tao anatin’ny toe-piainana tonga lafatra niaraka tamin’ny Rainy sy anjely marina tsy omby alinalina. Avy teny amin’ny toerany nisy tombontsoa tany an-danitra, ilay Zanak’Andriamanitra dia afaka nahita ny toe-piainana ratsy teto an-tany mbamin’ny fanimban’ny ota sy ny fahafatesana teo amin’ny olombelona. Fantany koa fa hitaky ny hahafatesany ny fanomezana avotra. Kanefa dia ‘naka ny endriky ny mpanompo sy tonga nanam-pitoviana tamin’ny olona izy; ary (...) nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana’. Noho ny tsy fivadihany, dia natsangana ho amin’ny fiainana be voninahitra any an-danitra i Jesosy (Filipiana 2:5-11). Endrey izany fitiavana nasehony tamin’ny fanomezana ny avotra! Moa ve ianao mankasitraka izay nataon’i Jesosy?
Inona no hataonao?
Indray andro, ilay eveka anglisy atao hoe Richard avy any Chichester (1198-1253) dia nivavaka mba hahatonga ny lehilahy sy vehivavy rehetra “hahafantatra an’i Jesosy Kristy amin’ny fomba mazava kokoa, ho tia azy bebe kokoa, ary hanara-dia azy akaiky kokoa.” Azo antoka fa manome antony tsara hahafantarana sy hitiavana azy ary hanarahana ny diany ny sorom-panavotan’i Jesosy.
Raha tsy nisy ny avotra, dia maty tsy nanana fanantenana tamin’ny naha-mpanota isika, satria “ny ota no fanindronan’ny fahafatesana”. (1 Korintiana 15:56.) Inona àry no tokony hataonao mba ho voavonjy amin’ny fahafatesana izay ho tonga noho ianao voatsindron’ny ota? Ilainao ny mahafantatra izay nomanin’Andriamanitra ho famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Avy eo dia tokony hahariharinao fa maneho finoana ny avotra ianao. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanehoana fankasitrahana lalina izany sy amin’ny fanoloranao tena ho an’Andriamanitra ary amin’ny firesahanao amin’ny hafa ny amin’io fandaharana ho amin’ny famonjena io.
Ny fanaovana izany no mety hahatonga anao ho anisan’ny “olona betsaka” izay “avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry”, dia i Jesosy Kristy (Apokalypsy 7:9, 14). Ny fanantenany dia fiainana mandrakizay eo amin’ny paradisa an-tany (Lioka 23:43). Eny, ary afaka ny ho anisan’izany vahoaka sesehena sambatra izany ianao raha tena sarobidy aminao tokoa ny fahafatesan’i Jesosy.
[Sary, pejy 4]
Nitana toerana mitovy amin’ny an’i Adama tanteraka tany am-boalohany i Jesosy tsy nanana ota.
[Sary, pejy 6]
Ankasitrahanao ve ny tena hevitry ny fahafatesan’i Jesosy?