Mifoaza! — Ankasitrahana hatraiza hatraiza
Mivoaka amin’ny fiteny 55 ny Mifoaza!, ary 11930000 amin’ny antsalany no isan’ny gazety atonta isaky ny nomerao. Mahita fahafinaretana sady mandray soa avy aminy ny mpamaky maneran-tany araka ny asehon’ny taratasy fankasitrahana alefany. Naharay izao fangatahana manaraka izao ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Thaïlande:
“Mandray tsy tapaka ny gazety Mifoaza! [amin’ny fiteny “thai”] ny sekolinay, ary nomarihinay fa niresaka ny amin’ny ‘ray aman-dreny’ ny nomerao tamin’ny 8 septambra 1988, lahatsoratra izay tokony hovakin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra rehetra. Noho izany dia ho tianay ny handefasanareo atỳ aminay, gazety eo amin’ny 250 ka hatramin’ny 400 amin’io nomerao io raha misy, mba hozaraina amin’ny fivorian’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra manaraka izao.”
Nanoratra toy izao ny vehivavy iray any Roanoke any Virginie, Etazonia: “Batista mafana fo ny tenako (...), nefa nalaiko ny iray tamin’ireo gazetinareo Mifoaza! izay hitako tao amin’ny trano fanasan-damba eto amin’ny faritanàna ka nazava aoka izany ny saiko. Nahafinaritra ahy ny namaky azy. Indro alefako miaraka ny [taratasim-bola 5 dôlara], mba hahazoako famandrihana herintaona amin’ny Awake!”
Fantatray fa handray soa sy hahita fahafinaretana amin’ireo lahatsoratra mahavariana ao amin’ny Mifoaza! koa ny tenanao.