Lesona azo tsoahina avy ao amin’ny Soratra masina: Obadia 1-21
Fampitandremana avy amin’Andriamanitra mahakasika anao
“IZAY mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony [anakandriamasoko, MN ] (Zakaria 2:12). Ireo teny mandrahona ireo dia mahaforona hafatra fampitandremana ho an’ny tsirairay: voamarik’i Jehovah ny fomba fitondran’ireo firenena ny vahoakany. Inona anefa no mitranga amin’ny firenena iray rehefa tsy miraharaha izany fampitandreman’Andriamanitra izany izy ka mitondra fahavoazana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra? Mamaly an’io fanontaniana io Obadia, ilay boky kely indrindra ao amin’ny Soratra hebreo.
Tsy maintsy ho tonga ny loza hamelezana an’i Edoma
Tsy misy afaka miala amin’ny fitsaran’i Jehovah. Ny faminanian’i Obadia, notononina tany amin’ny taona 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana, dia manambara ny fandroahana ny Edomita avy amin’ny taniny, na dia mitoetra eny amin’ny toerana avo “eny amin’ny kintana” aza izy ka toa tsy manana ahiahy. Tsy nisy antsipiriany momba ny fiainan’i Obadia nomena antsika. Na izany aza dia manao zavatra mifanaraka amin’ny hevitry ny anarany hoe “mpanompon’i Jehovah” io mpanoratra ny Baiboly io. Ahoana izany? Amin’ny fanambarana fitsarana tsy tanty. Amin’ny fotoana hianjerany dia horobain’ireo namany vita fanekena aminy tanteraka Edoma. Tsy ho tafita velona amin’izany akory ny olon-kendriny sy ny maheriny. — Verses 1-9
Mahatonga loza amin’ireo manjary meloka noho ny herisetra nataony tamin’ny vahoakany i Jehovah. Nahoana no tsy maintsy hiharan’ny loza ny Edomita? Satria imbetsaka izy ireo no naneho herisetra tamin’ny zanak’i Jakoba, rahalahiny. Noho izy taranak’i Esao, ny Edomita dia havan’ny Isiraelita. Voampanga ho nandroba azy anefa izy ary nifaly tamin-kalozana noho ny fianjeran’i Jerosalema ka tonga hatramin’ny fanolorana ny sisa velona tamin’ny fahavalo noho ny haratsiam-panahy. Tamin’ny nanaovany izany no nanaovan’i Edoma sonia ny fanamelohana azy. — Verses 10-16.
Tafarina ny tranon’i Jakoba
Azo antoka avokoa ny fampanantenan’i Jehovah. Tamin’ny andron’i Obadia, Jehovah dia niantoka fa ho tonga fananan’ny Vahoakany indray, tsy ny taniny ihany, fa ny an’ny firenena hafa manodidina koa. Tsy ho voasaratsaraka intsony Isiraely. Ny taranak’i Jakoba (ny foko roa an’i Joda) sy ny taranak’i Josefa (ireo foko folo any Avaratra) dia ho tafaray indray ary handevona an’i Edoma toy ny fandevon’ny afo ny mololo. Ho azon’izy ireo miaraka ny tanin’io firenena io. Mamarana amin’ny teny mampahery i Obadia amin’ny filazana fa ny Isiraelita tafaverina amin’ny taniny dia hanompo ny Andriamaniny amim-piraisankina ary ho tonga vahoakany. An’i Jehovah tokoa mantsy ny fiandrianana. — Verses 17-21.
Lesona ho amin’ny androntsika: Misetra fahasahiranana ny tena rehefa tsy miraharaha fampitandremana. Noho izany, amin’izao androntsika izao, ny hafatra maherin’i Obadia ho an’i Edoma dia tokony hanakoako ao an-tsofin’ireo fahavalon’Andriamanitra: ho fongotra mandrakizay ireo izay miady amin’i Jehovah sy ny vahoakany.
Fianarana azo tsoahina avy ao amin’ny Soratra masina: Jona 1:1 hatramin’ny 4:11
Inona no atao mba handosirana ny loza sy hahazoana famindram-po? Amin’ny fanehoana fiheverana ny fianarana ahariharin’ny bokin’i Jona, fitantarana tena marina zava-nitranga efa maherin’ny 2 800 taona lasa izay. Nosoratan’i Jona, mpaminany galiliana tany amin’ny taona 844 talohan’ny fanisan-taona iraisana izy io ary mirakitra fianarana ara-panahy maro be.
Nandositra i Jona
Tokony hatoky isika fa Jehovah dia hanohana antsika amin’ny fanompoana. Nanandrana nanafa-tena tamin’ny asa nanirahan’Andriamanitra azy i Jona fa tsy niantehitra tamin’ny fanohanan’i Jehovah. Marina fa tsy mora akory ny asa nanirahana azy. Tokony hampandre amin-kasahiana ny tanànan’i Ninive feno faharatsiana izy, fa Andriamanitra dia hahatonga loza aminy. Nandeha tany amin’ny lalana mifanohitra amin’izany anefa i Jona, niondrana ho any Tarsisy, Espaina amin’izao fotoana izao. Teny an-dalana dia nisy tafio-drivotra. Nihanahery aoka izany ilay izy hany ka toa ho very ny sambo sy ny mpiantsambo. Niaiky ny fahadisoany i Jona, natsipin’ireo tantsambo tany ivelan’ny sambo izy, ary dia nitony ny ranomasina. Tamin’izay dia nisy hazandrano lehibe nitelina ilay mpaminany. — 1:1-17.
Mahazo matoky ireo mpanompon’Andriamanitra fa hotanterahiny ny vavaka ataon’izy ireo. Tao an-kibon’ny hazandrano, dia niantso vonjy tamin’i Jehovah i Jona. Tao amin’ny vavaka nataony ho azy, dia nisaotra an’Andriamanitra izy noho ny namonjeny azy tsy ho faty an-drano ary nampanantena izy fa hanefa ny voadiny. Tamin’ny farany dia naloan’ilay hazandrano ho eo amin’ny tany maina i Jona. — 2:1-10.
Nankany Ninive i Jona
Aoka isika tsy handositra na oviana na oviana ny asa ampandraiketin’i Jehovah antsika. Toa nandray izany fianarana izany ilay mpaminany ka tsy nitaredretra intsony. Indro izy mitory ao amin’ilay “tanàna lehibe”. Nampanakoako fampitandremana tsotra nefa misy heviny i Jona: “Rehefa afaka efa-polo andro dia horavana Ninive.” Niova tamin’ny fomba mahatalanjona ny toe-javatra, nibebaka ireo Ninivita ary afaka tamin’ny loza.
Tsy azon’ny olombelona ferana ny famindram-pon’Andriamanitra. Tezitra i Jona noho ny nitsimbinana an’i Ninive. Tamin’ny fampiasana zavamaniry iray anefa, Jehovah dia nampahafantatra azy fa tapa-kevitra ny haneho famindram-po araka izay tiany izy. — 4:1-11.
Fianarana ho amin’ny androntsika: Hanalavitra ny loza isika raha mihaino ny faminanian’Andriamanitra. Aoka isika hanahaka an’ireo Ninivita. Aoka isika hihaino amim-panetren-tena an’i Jesosy, mpaminany lehibe noho i Jona. — Lioka 11:32.
[Efajoro, pejy 30]
FANDINIHANA ANDININY VITSIVITSY AVY AO AMIN’NY BAIBOLY
○ Obadia Verse 7 — Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny fitenenana hoe ‘mihinana ny hanina’ miaraka amin’ny olona iray, raha ny marina, dia midika hoe manana fifandraisam-panekena amin’ny sakaiza iray. Ny tena mahatsikaiky anefa dia “ny olona rehetra izay vita fanekena” taminy ihany no handrava ny firenen’i Edoma, dia ny Babyloniana izany. Marina fa tamin’ny andron’i Nebokadnezara dia nanolotra tapany tamin’ny babo avy tany Joda taorian’ny ny nandravana an’i Jerosalema ho an’ny Edomita izy ireo. Tatỳ aoriana anefa, Nabonida, mpanjaka babyloniana, dia namarana tanteraka ny fanirian-daza fatratra ara-barotra nananan’i Edoma.
○ Verse 10 — Voaheloka “ho fongotra mandrakizay” i Edoma noho ny fankahalany mivaivay sy ny tsy fahampiam-pitiavana voa-janahary tsy mifaditrovana nasehony tamin’ny “taranak’i Joda” rahalahiny (andininy faha-12). Hofoanana io firenena io amin’ny heviny hoe tsy hisy intsony etỳ an-tany, amin’ny toerana voafaritra iray, Fanjakana edomita voaforon’ny fitondrana iray misy vahoaka. Ankehitriny dia tsy misy firenena azo tondroina ho taranaky ny Edomita; Edoma dia “ho toy ny tsy ary”. — Andininy faha-16.
[Efajoro, pejy 31]
FANDINIHANA ANDININY VITSIVITSY AVY AO AMIN’NY BAIBOLY
○ Jonah 1:17 — Ny “cachalot” (karazana trozona) dia manan-doha sy tenda ampy halehibiazana mba hitelemana olona iray. Na dia vitsy aza ny trozona ao amin’ny ranomasina Mediterane, fahiny dia nisy sambo mpihaza trozona nijanona kely tao Jopa. Raha ny amin’ny antsantsa fotsy lehibe kosa, izy io dia malaza amin’ny fanarahana ireo sambo ao amin’ny Mediterane sy amin’ny fandrapahana izay rehetra atsipy ivelan’ny sambo. Izy io koa dia afaka mitelina olona iray manontolo. Raha ny amin’ny nanjo an’i Jona anefa, Andriamanitra dia nampiasa “hazandrano lehibe” iray, mety ho zavaboary tsy mbola hitan’ny siansa.
○ 2:1, 2 — Marina tokoa fa tsy toerana tsara azon’i Jona amoronana tononkalo akory “tao an-kibon’ilay hazandrano”. Tatỳ aoriana anefa dia notantarainy ny toe-javatra niainany tamin’izay. Niakatra avy tao amin’ny lalina indrindra amin’ny fony àry ny teny sasany izay nindraminy tao amin’ny Salamo ka nifanitsy tamin’ny fihetseham-pony. — Ampitahao Jona 2:3 amin’ny Salamo 120:1 sy Sl 130:1; Jona 2:6 amin’ny Salamo 69:1.
○ 3:3 — Tsy misy fanaovana laza masaka raha ny amin’ny velaran’ny tanànan’i Ninive. Araka ny fahitana azy, na dia mirefy ho 13 kilaometatra monja aza ny manodidina ny mandany, ny anaran’io tanàna io dia nanondro koa ireo faritany nanodidina azy izay angamba nitatra hatrany amin’ny 42 kilaometatra ny fahalavirany.
○ 3:10 — Ny teny hebreo nadika hoe “nanenina” dia manana ny heviny hoe “miova hevitra raha ny amin’ny asa natao tamin’ny lasa (na efa noraiketina)”. Araka izany, Jehovah dia mety ‘hanenina’ na hiova hevitra amin’ny fitsimbinana olombelona mpanota izay mibebaka amim-pahatsorana.