FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/7 p. 4-5
  • Aharihary ilay vehivavy janga lehibe

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aharihary ilay vehivavy janga lehibe
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Babylona: fandaminana tia ady
  • Babylona Lehibe — Ny fandravana azy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Babylona Lehibe — Ny fianjerany sy ny fitsarana azy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Rava Ilay Tanàna Lehibe
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Iza moa i Babylona Lehibe?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/7 p. 4-5

Aharihary ilay vehivavy janga lehibe

NY FANDEHAN-JAVATRA ankehitriny tapahin’i Satana, ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”, dia voaforon’ny tapany telo lehibe: ny fanapahana ara-politika, ny fahefana sy ny herin’ny varotra lehibe ary ny fivavahana. Nandritra ny an’arivony taona maro dia saika ny fototry ny endri-panapahana rehetra ireo tapany telo ireo. Iza amin’ireo hery telo ireo no asehon’ilay “renin’ny mpijangajanga”? — 2 Korintiana 4:3, 4; Apokalypsy 12:9; 17:5.

Araka ny fahitan’i Jaona izay dinihintsika eto, ireo mpitondra, “ny mpanjakan’ny tany” dia nazoto nankany amin’ny fandrian’ny fijangajangany (Apokalypsy 18:3). (Ireo pejy manaraka dia hampiseho izany amin’ny ohatra ara-tantara.) Tsy mety hanondro ny tapany ara-politikan’ny fandehan-javatra maneran-tany àry Babylona Lehibe.

Inona no ambara ny amin’ny varotra lehibe izay manana anjara lehibe tokoa eo amin’ny fitambaran’olona ankehitriny? Tsy isalasalana fa mampihatra fitaomana mahery eo amin’ny firenena maro izy; raha ny marina dia izy no manapaka ny amin’ny haren’ny anankiray na ny fahantran’ny hafa. Mety ho izy ve no asehon’i Babylona Lehibe? Nanambara famantarana iray tena lehibe tamin’i Jaona, izay manome antsika ny valiny, ny anjely iray. Nilaza fisehoan-javatra iray manaitra izy: tsy nankasitrahana intsony Babylona! Namoy ny sakaiza ratsiny izay nankahala azy tampoka, izy. Ankoatra ny “mpanjakan’ny tany”, iza moa no anisan’ireo mpifampiraharaha aminy tsy tapaka? Manambara ilay anjely hoe: “Fa tamin’ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan’ny firenena rehetra, ary ny mpandranto [mpivaro-mandeha, MN] amin’ny tany tonga mpanan-karena noho ny hafatratry ny nitiavan’io ny zava-mahafinaritra ny tena.” Eny, nahazo tombony be ireo mpandranto eran’izao tontolo izao tamin’ny nifaneraserany taminy, tamin’ny nifanaovany varotra niaraka taminy sy tamin’ny namporisihany ny ‘fitiavany zava-mahafinaritra ny tena’. Noho izany dia tsy mety hampiseho ny varotra lehibe iraisam-pirenena izy io. — Apokalypsy 18:3.

Amin’ny fanesorana tsikelikely tahaka izany, dia ialana izay mety ho fampitoviana ilay vehivavy janga amin’ny fanapahana ara-politika sy amin’ny fahefana sy ny fitaoman’ny varotra lehibe. Inona sisa no mijanona? Ny tapany izay ampiharana izao fiampangana izao: “Fa ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.” Io tapany io, nahery fahiny, nefa eo am-pikororosoana ankehitriny, dia nanan-kery lalina foana teo amin’ny fiheverana sy ny asan’ireo firenena hatramin’ny andron’i Babylona fahiny. Izy izany àry ilay “manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany”, dia ny fivavahan-diso! — Apokalypsy 17:18; 18:23.

Eny, na dia mety hanafintohina an’ireo mpino tso-po aza izany, Babylona Lehibe, renin’ny mpijangajanga, dia mampiseho ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso izay tapahin’i Satana. Izy dia mampiseho ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao izay, tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa, dia nifanaraka tamin’ny fahefana ara-politika sy ara-barotra nandritra ny fotoana rehetra nisian-ny tantara.

Babylona: fandaminana tia ady

Mifanaraka amin’ny fahitana ara-paminaniana, Babylona Lehibe dia ilay vehivavy janga lehibe izay nanosika ireo firenena sy vahoaka ary fokom-pirenena hiditra amin’ny ady sy kroazada ary valifaty misy fandatsahan-dra, ka nitsodrano ireny tamin’ny fanononana teny majika na tamin’ny rano voahasina sy vavaka na lahateny mafana manetsika ny fitiavan-tanindrazanaa. — Apokalypsy 18:24.

Ny klerjiny, indrindra fa ireo pretra miasa ao amin’ny tafika, dia nanaiky hiara-hiasa tamin’ireo mpitondra mba hitarika ny vahoaka ho amin’ny famonoana nandritra ireo ady lehibe roa sy ady lehibe hafa. Namono katolika ny katolika ary tsy nampaninona protestanta ny namono protestanta, ka izany dia namoizana ain’olombelona teo amin’ny 50 ka hatramin’ny 60 tapitrisa nandritra ireo ady lehibe roa fotsiny.

Amin’izao taonjato faha-20, taonjaton’ny fahazavana, izao, ny lova navelan’ny fivavahana dia manohy miteraka fankahalana sy fahafatesana, tsy ao amin’ireo faritra tapahin’ny fivavahana lazaina fa kristiana izay ahitana ny katolika sy protestanta mifanandrina ihany, fa ao amin’izao tontolo izao tsy kristiana koa: miozilimana mifanohitra amin’ny jiosy, hindoa mamely miozilimana, bodista miady amin’ny hindoa, sikhs miady amin’ny hindoa, sns.

Ambonin’izany, ny fivavahana dia nitady hampihatra fitaomana mahery foana teo amin’ny “mpanjakan’ny tany”, ka nanandrana nitarika ny fiainany na nanendry ny mpandimby azy ireny. Aoka hasehontsika fohifohy amin’ny alalan’ny ohatra vitsivitsy izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny kroazada “masina” (1096-1270), ny ady naharitra Telopolo Taona tany Eoropa (1618-1648), ireo ady lehibe roa ary ny famonoana hindoa sy miozilimana efa ho 200 000 tamin’ny nizarana an’i India (1948), dia nahameloka ny fivavahana.

[Sary, pejy 4]

Iza amin’ireo telo ireo — ny politika, ny varotra lehibe sa ny fivavahana — no asehon’i Babylona Lehibe?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara