Ilay vehivavy janga sy ny “mpanjakan’ny tany”
NY TANTARAN’NY fivavahana lazaina fa kristiana dia feno ohatra ny amin’ny fitsabahany tamin’ny raharaha ara-politika sy ireo ady natao hahazoam-pahefana notarihiny. Indreto misy ohatra vitsivitsy. Charlemagne (742-814) dia mpanjaka iray izay nahatakatra fa nahazoana tombony ny nifanaraka tamin’ny fivavahana sy nahazo ny fanohanan’ny klerjin’ny Eglizy katolika.
Ny Firaketana Vaovao britanika dia manazava fa nohosoran’ny papa ho mpanjaka izy sy ny rainy ary ny rahalahiny, ka tamin’izany fomba izany no nanorenana tarana-mpanjaka vaovao rehefa “nailika” ny teo aloha. Hoy ny nanampiny: “Tamin’izany koa no nanamafisana ny fifanekena ara-politika teo amin’ny Francs [ny vahoakan’i Charlemagne] sy ny papa hanoherana ny Lombards. (...) Charles [izay tonga Charlemagne] dia niaiky aloha be mihitsy ny fifandraisana akaiky misy eo amin’ny fahefana momba izao fiainana izao sy ny Eglisy.”
Tamin’ny 800, ny papa Léon III “tapa-kevitra ny hanosotra an’i Charles ho emperoran’ny” Empira romana tany Andrefana, dia nanolotra satroboninahitra azy nandritra ny lamesa iray nankalazaina tamin’ny andro Noely, tao Saint-Pierre tany Roma.
Vehivavy janga iray fatra-pitia harena
Ny vehivavy janga iray anefa dia mitaky karama. Karama inona no noraisin’i Roma, solontenan’i Babylona, avy tamin’i Charlemagne? “Naverin’i Charles (...) indray tao amin’ny bazilikan’i Masindahy Piera tany Roma ny fampanantenan-drainy hamindra ho eo ambany fanapahan’ny papa, faritra lehibe maro tany Italia.” Mbola manampy io boky io ihany hoe: “Tamin’ny fihetseham-pony ara-pivavahana niankina tamin’ny fiheverana ara-politika, ny empira dia nanjary nahaforona niaraka tamin’ny Eglizy firaisana iray ara-dalàna sy ara-panahy.”
Izay niseho tamin’ny kardinaly Wolsey tany Angletera (1475-1530), dia ohatra hafa iray koa ny amin’ny fitaomana mahery nampiharin’ny fivavahana tamin’ny raharaha ara-politika teo aloha. Ny Firaketana britanika dia mampiseho azy ho toy ny “kardinaly sy olom-panjakana izay nanapaka teo amin’ny fitondran’ny mpanjakan’i Angletera, Henri VIII. (...) Tamin’ny desambra 1515, dia tonga ‘lord-chancelier’ tany Angletera i Wolsey. (...) Nampiasa ny fahefana lehibe nananany ivelan’ny fivavahana sy tamin’ny naha-mpitondra fivavahana azy izy mba hanangonana harena izay ny an’ny mpanjaka ihany no nihoatra ny azy”. Raha raisina ny teny ara-panoharana ampiasain’ny Apokalypsy, ny fijangajangan’ny mpitia renty dia mitaky karama mihoa-pampana.
Ohatra hafa iray malaza ny amin’ny herin’ny fivavahana teo amin’ny raharaham-panjakana, dia ny an’ny kardinaly sady duc de Richelieu (1585-1642), izay nampihatra fahefana lehibe tany Frantsa ary, araka ny anamarihan’ny Firaketana britanika azy, nanangona harena “mihoa-pampana, na dia oharina amin’ny fitsipika tamin’izany fotoana izany aza”.
Nandimby azy ny kardinaly hafa iray, Jules Mazarin (1602-1661); izy no praiministra tany Frantsa teo ambany fitondran’ny mpanjaka Louis XIV. Na dia tsy voatokana ho pretra mihitsy aza izy, dia notendren’ny papa Urbain VIII ho kardinaly tamin’ny 1641. Izy koa dia tia harena fatratra. Manambara ilay firaketana hoe: “Ireo fahavalon’i Mazarin dia nanome tsiny azy noho ny fitiavany harena fatratra. Nampitomboiny ny anjara raharahany sy ny tombony azo tamin’ny naha-mpitondra fivavahana ary matetika izy no nampifangaro ny vola niditra ho an’ny mpanjaka tamin’ny azy.”
Amin’izao androntsika izao dia manohy manangona harena ny fivavahan-diso sady mitady hitaona mandrakariva, ary raha azo atao aza dia hampiasa ireo mpitondra ara-politika. Ny Opus Dei (ny asan’Andriamanitra amin’ny teny latina), fandaminana katolika miafina dia ohatra iray manaitra ny amin’izany. Mahazo ny fankasitrahan’ny papa izy ankehitriny, ary araka ny filazan’ilay mpanoratra atao hoe Lawrence Lader, dia “tafiditra tanteraka amin’ny fanoherana ny kaominisma sy ny asa politikan’ny hery an-kavanana” izy. Ny politikany dia ny fampiofanana izay notsongaina tamin’ny tanora katolika any amin’ny sekoliny na ny oniversiteny, avy eo dia ny mametraka azy ireny amin’ny toerana fototra mba hitaomany na hampiasany ireo fitondram-panjakana sy ny fitantanam-bola ary ny fampitam-baovao. Nanana ny fotoana nampahalaza azy izy tany Espaina teo ambany fahefan’ilay mpitondra tsy refesi-mandidy katolika fasista atao hoe Franco rehefa, tamin’ny fotoana sasany, nifandray tamin’io fandaminana mpifantina ny tsara indrindra io, dia ny Opus Dei, ny 10 tamin’ireo mpikambana 19 amin’ny kabinetraa.
Any Etazonia, ireo mpitory teny ao amin’ny televiziona dia fantatra noho ny hareny izay aderaderany sy ny fomba fiainany feno renty. Ny mpikambana sasany ao amin’ny klerjy protestanta dia nidina tamim-pireharehana teo amin’ny kianja ara-politika mba handray anjara amin’ny fihazakazahana ho filoham-pirenena. Tsy misy isalasalana fa na dia mihasimba aza ilay vehivavy janga antitra, amin’ny fomba iray na hafa, dia mbola mifaly amin’ny laza sy ny renty ary ny fahefana ihany izy ary manandrana mandidy mandrakariva. — Apokalypsy 17:4.
Inona anefa no holazaina ny amin’ny anaran’ilay vehivavy janga, Babylona Lehibe? Amin’ny ahoana izany no manampy antsika hahazo antoka ny amin’ny maha-izy an’io vehivavy ara-panoharana voalaza ao amin’ny Apokalypsy io?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila fanazavana fanampiny ny amin’ny Opus Dei sy ny fandraisan-ny Eglizy anjara amin’ny politika ianao, dia jereo ny boky Ny vola mahamay sy ny politikan’ny fitrosana (anglisy) nosoratan’i R. Naylor ary Ny politika sy ny fahefana ary ny Eglizy (anglisy) nosoratan’i L. Lader.
[Sary, pejy 6]
Nampiasa ny toerany ny kardinaly Wolsey sy de Richelieu ary Mazarin mba hanangonana harena be.
[Sary nahazoan-dalana]
Sary: Culver Pictures