Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Famantarana mialoha
Tamin’ny desambra farany teo, ny horohorontany iray nahatratra ny hamafy 6,9 teo amin’ny mari-drefin’i Richter, dia nitondra fandravana lehibe tany Armenia sovietika. Io horohorontany io, “ny anankiray tamin’ireo lehibe indrindra teo amin’ny tantara sovietika” dia nahafaty olona teo amin’ny 25 000 sy nahatonga olona 500 000 tsy hanan-kialofana. Rava ny androantokon’ny tanàna faharoa any Armenia, Leninakan, izay misy mponina 290 000, ary nikosoka tanteraka tamin’ny sarin-tany an’i Spitak, tanàna maro kelikely kokoa izany. Ireo andiana mpamonjy avy tamin’ny vazan-tany efatra dia nanala avy tao ambanin’ny korotan-javatra, fara fahakeliny olona tsy maty 5 400. Araka ny filazan’ny manam-pahefana sovietika dia toa nahatratra 13 000 ny isan’ireo naratra.
Na dia manana fahalalana sasany ny amin’ny antony jeolojika fototra mahatonga ny ankamaroan’ny horohorontany aza ny mpahay siansa, dia tsy afaka milaza mialoha amin’ny fomba hentitra kosa ny amin’ny fotoana hisehoan’ireny loza ireny. Kanefa tsy manaitra ny mpianatra ny Baiboly mazoto ny fiaviana matetiky ny horohorontany mandrava amin’izao taonjato faha-20 izao, satria mahafantatra ny “famantarana” nambaran’i Jesosy izy, famantarana izay tokony hanamarika ny ‘fanatrehany’ tsy hita maso sy ny ‘fifaranan’ny fandehan-javatra’. Inona no anton’izany? Satria, na dia tsy nanazava ny antony mahatonga ny horohorontany aza i Jesosy, dia nanambara kosa fa izy ireny dia anisan’io “famantarana” voaforon’ny fisehoan-javatra maro loha io, fa “hisy (...) horohorontany amin’ny tany samy hafa”. — Matio 24:3, 7.
“Fitondram-panjakana iray maneran-tany”
Araka ny filazan’i Kenneth Hare, jeografy malaza sady manam-pahaizana ny amin’ny fandinihana ireo fiovana miseho eo amin’ny toetr’andro, ny hany fomba iadiana amin’ny vokatry ny fitanana ao anaty hafanana sy ny loza hafa ekolojika mety hipoitra, dia ny fanorenana fitondram-panjakana iray hitarika ny tany manontolo. Nandefa izao fampitandremana izao izy: Mitady hamono ny natiora mihitsy ny olombelona. Tsy vitan’ny hoe rahonan’ny fandringanana noklehera fotsiny ny planeta, “fa rahonan’ny zava-manahirana ekolojika koa”, hoy ny filazan’ny gazety kanadiana iray (Calgary Herald). Araka ny filazan’io mpahay siansa io, isan-taona ny setroky ny fiarakodia sy ny lafaoron’ireo orinasa dia mamoaka karbonina telo arivo tapitrisa taonina eny amin’ny rivotra. Nanaporofo ny filazana avy amin’ny informatika fa na dia amin’ny fitomboana ara-toe-karena antonony aza, dia hitombo avo roa heny ny tahan’ny (taux) gaza karbônika hatramin’izao ka hatramin’ny 2075. “Isika no nitarika zava-manahirana teo amin’izao rehetra izao”, ary raha toa isika ka tsy mandray fepetra mba hiarovana ny tontolo iainana eo amin’ny ambaratonga maneran-tany, “dia hiharam-pahavoazana avy amin’izany isika”, hoy ny nanampin’i Kenneth Hare.
Feno fahendrena ny torohevitra nomen’io mpahay siansa io. Nefa moa ve azo antenaina ny hanorenan’ny olona indray andro any fitondram-panjakana iray manerana izao rehetra izao, izay afaka, ohatra, hifehy ny fitomboan’ny toe-karena sy hampivelatra ny loharanon’angôvo tsy mandoto ary handresy lahatra ny olombelona mba hanaja ny fandaharana maneran-tany ho fiarovana ny tontolo iainana?
Mety hampisalasala izany! Milaza mazava ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Andriamanitra no tokony hanome izany fitarihana izany. Amin’ny maha-“Andrian’ny fiadanana” azy, ny Zanany, Jesosy Kristy, dia hitarika fitondram-panjakana iray izay hampihatra fahefana manerana izao rehetra izao ka hitondra ny tany amin’ny rariny sy ny hitsiny. Eo ambany fitarihan’io fitondram-panjakana any an-danitra io, ny olona dia tsy hampidi-doza ny tontolo iainana intsony. — Isaia 9:5, 6; 11:9; Daniela 2:44.
Torohevitra tsy mahomby
Ratsy ve ny tsy fankatoavan’ny ankizy iray ny ray aman-dreniny? Tsy voatery ho izany, hoy ny filazan’i Leon Kuczynski, profesora amin’ny fandinihana toe-tsain’olona araka ny toetoetra nolovaina, ao amin’ny oniversiten’i Guelph (Canada). Raha ny marina dia milaza ny Toronto Star fa taorian’ny nandinihany reny 70 sy ny zazany dia nino i Leon Kuczynski fa “ny fahaizana ampiasain’ny ankizy iray mba tsy hankatoavana ny ray aman-dreniny dia mandray anjara lehibe amin’ny fivelarany ara-tsosialy”. Araka ilay lahatsoratra resahina, dia tsy tokony ho kivy ny ray aman-dreny raha toa ka tsy manao izay takiny izy ireo. Inona no antony? Satria araka ny filazan’io profesora io dia ara-dalàna izany fihetsika izany. Mihevitra koa izy fa “ny fandavan’ny ankizy iray ny hankatò ny ray aman-dreniny dia mety hahaforona mariky ny fahaleovantena sy fahamatorana”.
Kanefa dia tsy mariky ny fahamatorana ny fandavan’ny ankizy ny hankatò ny ray aman-dreniny, ny mifanohitra amin’izany aza no izy. Solomona mpanjaka hendry, dia nanoratra izao: “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana.” (Ohabolana 22:15). Tonga hatramin’ny fanamafisana ny sasany fa indraindray dia mitondra vokatra tsara ny tsy fankatoavan’ny ankizy; tsy izany koa anefa no lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Taonjato maro lasa izay dia nanome izao torohevitra izao ny apostoly Paoly: “Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.” (Kolosiana 3:20). Ireo ray aman-dreny malina dia manaiky ny fahefan’i Jehovah raha ny amin’ny fanabeazana ny ankizy. — Ohabolana 19:18; 29:15.