Ny horohorontany: fahoriana miampy fahoriana
“NAHATSIRAVINA. Very izahay. Tahaka ny ranomasina, ny ranomasina, nihetsiketsika ny zavatra rehetra.”
Ireo teny ireo dia nolazain’ny olona iray tsy maty tamin’ny anankiray amin’ireo horohorontany nahafaty indrindra voamarika. Nanozongozona an’i Shina tamin’ny 1976 izany fihovitrovitana nandrava izany; nandrava ny tanànan’i Tangshan izy io ary nifaoka ain’olona teo amin’ny 800 000. Mahagaga fa io olona tsy maty io dia afaka niala tsy nikiraro avy amin’ny sisan-javatra tamin’ny faharavan’ny hotely iray izay niara-nirodana tamin’ny toerana taza-maso dimampolo kilaometatra toradroa an-tanàn-dehibe.
Araka ny fantatra, ny horohorontany dia nahakasika olona betsaka kokoa tamin’izao androntsika izao tsy toy ny tamin’ny taonjato hafa rehetra, ka izany dia niteraka fahalianana ny amin’ny horohorontany, naneran-tany. Olona an-tapitrisany maro no niharam-pahavoazana ara-batana sy ara-panana, ary an-tapitrisany maro hafa no namoy aina. Manerana ny gilaoby, dia atao foto-dresaka ao amin’ireo gazety ny horohorontany. Ilay nahafaty olona 9 000 mahery tany Meksikô tamin’ny 1985 dia nahavery hevitra aoka izany izao tontolo izao, hany ka ireo firenena, voahetsiketsika vetivety, dia nandefa haingana dia haingana fanampiana tao amin’io tanàna io.
Nitatra ny fandinihana ara-tsiansa ny horohorontany ka nampiasa ny haitao amin’ny andro ankehitriny. Mandrakariva ny halehiben’ny horohorontany dia refesina amin’ny alalan’ny maridrefin’i Richter, ka eo ny marika ambony indrindra dia mampiseho famoahan-kery lehibe kokoa. Kanefa, raha azon’ny horohorontany ianao, heverinao ve fa ny hampanahy anao dia ny heriny araka ny maridrefin’i Richter? Azo inoana fa tsia. Ny hitana ny sainao dia ho ny mbola ho velona ihany. Na dia ho nahafantatra ny halehiben’ny fihovitrovitana araka ny maridrefin’i Richter aza ianao, dia tsy hiova noho izany izay hiainanao.
Ireo horohorontany ao amin’ny faminanian’ny Baiboly
Tao amin’ny faminaniana iray voaforon’ny lafin-javatra maromaro, dia nampidirin’i Jesosy ny horohorontany, tamin’ny filazana hoe: “Hisy (...) horohorontany amin’ny tany samy hafa.” Naminany koa izy hoe: “Ary hisy horohorontany lehibe.” Tsy hisy heviny manokana izany raha tsy ampiarahina amin’ny tapany hafa amin’io faminaniana io, ilazana fa ho avy ny taranaka iray ho voamariky ny fitambarana tokan’ny ady, mosary, areti-mandringana, tsy firaharahana lalàna, tahotra sy fahoriana amin’ny ambaratonga haneran-tany. Ny fahatanterahan’io faminaniana io dia hahaforona “ny famantarana” fa hotendrena ho Mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra Jesosy ary hanamarika ny fidiran’ny fandehan-javatra maneran-tany ao amin’ny andro farany. “Ny famantarana” mahafaoka ny horohorontany dia miharihary nanomboka tamin’ny 1914. — Matio 24:3, 7-12; Lioka 21:11, 25, 26, 31, 32.
Mpandinika horohorontany maro no mihevitra fa amin’izao andro izao ireo horohorontany dia tsy mitera-doza kokoa na matetika kokoa noho ny taloha. Mifamadika amin’izany, ny hafa kosa mihevitra fa nahita horohorontany betsaka kokoa noho ny teo aloha ny taranaka misy antsika. Raha ireo tarehi-marika ananantsika no jerena, dia tena mihoatra ny hafa ny taonjato faha-20, ary lasa lavitra amin’ny lafin’ny asan’ny horohorontany. Nanamarika izany imbetsaka ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower, tamin’ny fanasoritana ny hevitry ny horohorontany mitranga nanomboka tamin’ny 1914, araka ny Baibolya.
Tsy feno anefa ny rejisitr’ireo horohorontany talohan’ny 1914. Ambonin’izany, ireo taranaka taloha dia tsy afaka nampiasa, mba handrefesana izany, fomba ara-tsiansa izay hahatonga antsika ho afaka hampitaha tsy mety hisy fahadisoana, ny halehiben’ny horohorontany tamin’ny lasa sy ankehitriny. Milaza ve izany fa tsy azontsika atao ny hamantatra raha tanteraka ny faminanian’i Jesosy?
Tsy izany velively. Hita fa voalazan’i Jesosy mialoha fa ny Tantara dia tsy hanamarika ny horohorontany rehetra talohan’ny 1914 ary ireo taranaka taloha kokoa dia tsy hanana fiasana momba ny horohorontany hentitra, toy ny nilazany mialoha ny toe-piainana hanjaka amin’izao androntsika izao. Noho izany antony izany, ny nanononany ny faminaniany dia tsy tamin’ny fomba nilana, mba hamantarana ny fahatanterahany, hananana antontan-taratasy momba ireo horohorontany tao anatin’ireo taonjato teo aloha sy ireo filazana azo tamin’ny fiasana. Tsy nilaza akory i Jesosy hoe ny isan’ny horohorontany ao anatin’ny “andro farany” dia ho avo toy izao na izao noho ny tao anatin’ireo vanim-potoana teo aloha; tsy nanambara koa izy fa ho hitantsika ireo horohorontany lehibe indrindra mbola tsy nitranga mihitsy (II Timoty 3:1). Tsy niteny araka ny fomban’ny mpandinika horohorontany izy.
Nosoritan’i Jesosy izay hiainan’ny olombelona. Ny horohorontany dia ho anisan’ny “fiandohan’ny fahoriana”. (Matio 24:8.) Tsy amin’ny alalan’ny fiasana akory no hamantarana ny halehiben’ny fahoriana. Rehefa dinihina dia ilay fahoriana no manome fahafantarana ny halehiben’ny loza aman’antambo iray, anisan’izany ny horohorontany. Mba hahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy, dia tokony ho eo amin’ny fomba misy heviny ny fahoriana aterak’ireo horohorontany. Araka izany, dia fantatra ny lafiny amin’ny faminaniana toy ny horohorontany, tsy miankina amin’ny fiovaovan’ny zavatra marihin’olombelona na ny fandrefesana ara-tsiansa ny hery mivoaka. Ireo zavatra soratana ankehitriny momba ny horohorontany dia mampiseho an-tsary ny halehiben’ny fahorian’ny olombelona vokatry ny asan’ny horohorontany.
Nahoana no nitombo ny fahoriana vokatry ny horohorontany
Toa fantatr’i Jesosy fa “hihoa-pampana” ny isan’ny mponina maneran-tany ary noho ny hataony, dia hirona ho amin’ny ‘fanimbana ny tany’ ny olombelona. (Apokalypsy 11:18.) Raha ny marina, dia nila ho avo telo heny ny isan’ny mponina amin’ny gilaoby nanomboka tamin’ny 1914. Tao anatin’ireo taonjato lasa, ny horohorontany lehibe iray dia mandrakariva nahakasika olona vitsy kokoa noho ny amin’izao andro izao.
Hevero Tangshan. Vohitra madinika fotsiny izy io mandra-pahatongan’ireo taona 1870. Raha tamin’izay no nitranga ilay horohorontany tamin’ny 1976, dia tsy hihoatra ny isan’ny mponina vitsy ny isan’ny maty. Tamin’ny 1879, dia nanomboka nitatra tao ny fanaovan-taozavatra. Tao anatin’ireo taona 1970, ny mponina tao an-tanàna dia nihoatra ny iray tapitrisa, ka izany dia nanomana ny halehiben’ny ny loza aman’antambo nahery tamin’ny 1976.
Afa-tsy izany koa, ny fampitahana tsy miorina afa-tsy amin’ny maridrefin’i Richter dia mety hamitaka. Ohatra, ny horohorontany tamin’ny 1964 tany Alaska dia tsy nahafaty afa-tsy olona 115, kanefa ny refiny dia 8,5 araka ny maridrefin’i Richter. Ny an’i Tangshan dia notombanana ho 8,2 latsaka kely. Iza amin’ireo roa ireo no tena lehibe indrindra? Raha mifototra amin’ny isan’ny maty fa tsy amin’ny maridrefin’i Richter, dia miharihary fa ny horohorontany tany Tangshan no nanimba indrindra, nahery indrindra tao anatin’ny taonjato faha-20. Tsy afaka manombana ny halehiben’ny fahorian’ny olona ny fiasana.
Ny fanamaivanana amin’ny fahoriana rehetra
Tsy misy hafa amin’ny nilazan’i Jesosy azy mialoha, nanomboka tamin’ny 1914, dia miaina ao anatin’ny “fahoriana” ny olombelona, ka anisan’izany ny horohorontany. Nasehon’i Kristy tamin’izao teny izao ny dikan’izany: “Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany; dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” Hilaza inona ho an’ireo mpianatr’i Jesosy izany? “Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” — Lioka 21:28, 31, 32.
Rehefa afaka kelikely izao, dia tsy hitambesatra amin’ny olombelona intsony ny fahoriana, na dia izay ateraky ny horohorontany koa aza. Eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hofafana ho mandrakizay ny ranomaso rehetra. Izany no fahatsinjovan-javatra mivoha ho an’ny olona ao amin’ny taranaka misy antsika. Ary mety ho toy izany ny fanantenanao raha raisinao tsara ny fahatanterahan’ny tapany hafa iray amin’ny faminanian’i Jesosy, dia ny hafatra ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ankehitriny manao hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona ho an’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:14, MN; Apokalypsy 21:3, 4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo “Ny horohorontany — fanambarana ny farany ve?” ao amin’ny Ny Tilikambo tamin’ny 15 novambra 1983.