FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/6 p. 2-3
  • Mahità harena tsy hay tombanana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahità harena tsy hay tombanana!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy maintsy manao fiezahana
  • Manohiza mikatsaka harena nafenina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Inona Ireo Harena “Tsara Afina” ao Amin’i Kristy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Manana Harena Sarobidy Hozaraina Isika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • “Jehovah no Manome Fahendrena”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/6 p. 2-3

Mahità harena tsy hay tombanana!

“MISY ZAVATRA hitanao ve?” “Eny ... zava-mahagaga maro!” Ilay fanontaniana dia napetraky ny Anglisy mpanefohefo iray tamin’ny lehilahy iray mpanao fandinihana momba ny tantaran’i Egypta fahiny. Eo amin’ny taona 1922 isika izao, any Egypta, ao amin’ny Lohasahan’ireo Mpanjaka. Manomboka mandinika ny fasan’ny farao Toutankhamon i Howard Carter. Manome taratry ny fientanam-pony mirehitra ny teniny.

“Arakaraka ny naha-zatra ny masoko tamin’ny haizina dia nipoitra niadana avy tao amin’ny aloka ny antsipirian’ilay efitra: biby hafahafa, sary vato ary volamena, volamena mamirapiratra hatraiza hatraiza! Nandritra ny fotoana fohy, izay toa ela be erỳ ho an’ireo namako, dia tsy nahaloa-peo aho, nitolagaga (...). Na dia tao amin’ny nofy aza dia tsy nisaintsaina fasana tahaka izao velively izahay. Sahala amin’ny trano iray fitehirizana rakitry ny ela mihitsy.” Araka ny fieken’ny tenany, dia nifindran’ny “aretin’ (...) ny mpihaza harena” i Carter.

Niaraka tamin’izany fahitana izany dia navoaka ny harena mahagaga izay nitoetra niafina nandritra ny 3 000 taona mahery. Andriamanitra anefa dia manasa antsika hikaroka harena anankiray mbola sarobidy kokoa. Ny tomban’izany harena izany dia lehibe lavitra noho ny vatosoa rehetra misy eo amin’izao tontolo izao. Io harena io dia ny fahendrena avy amin’Andriamanitra, ary ny anankiray amin’ireo vatosoany tsara tarehy indrindra dia ny fiainana mandrakizay. — Jaona 17:3.

Tsy maintsy manao fiezahana

Fikarohana toerana iray misy ny sisan’ny rakitry ny ela, fizahana faritra iray tsy mahatamana na firobohana ao anaty rano mampidi-doza amin’ny fanantenana hahita harena nafenina na nalevina na voatelina ao, izany rehetra izany dia mitaky fiezahana be dia be. Kanefa dia vonona hisahirana toy izany ireo mpihaza harena fatratra. Miaritra fahoriana maro izy ireny matetika ary mandresy vato misakana toa tsy azo ihoarana. Nefa moa ve isika tsy tokony ho vonona ny hanao fiezahana mbola bebe kokoa noho izany mba hahazoana ny fahendrena avy amin’Andriamanitra?

Azontsika atao ny mahita harena tsy hay tombanana raha miezaka mianatra ny Baiboly sy ireo boky kristiana natao hanampiana antsika hahita ireo harem-pahendrena raketiny isika. Ilaintsika ny maharitra. Tsy afaka ny hanantena hahita harena iray isika raha mamela ny fikarohana ataontsika rehefa avy nikiky ny tany fotsiny. Dia ho tahaka izany no izy raha toa ka manomboka mikaroka harena ara-panahy isika kanefa tsy ela dia mandao ny asa satria toa sarotra loatra amintsika ny raharaha. Ho an’ireo izay vonona hanao fiezahana hahazo azy “ny fahendrena izay avy any ambony” (Jakoba 3:17). Tsy mendrika ny fiezahana rehetra avy amintsika ve io harena tsy hay tombanana io, dia ny fahendrena avy amin’Andriamanitra?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

Sary eo amin’ny fononony sy eo amin’ny pejy faha-3: K. Scholz/H. Armstrong Roberts

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara