Fisehoan-javatra iray tsy tokony hohadinoina
NY 14 Nisana taona 33, niara-nandray ny kapoakan-divay sy mofo tsy misy masirasira tamin’ireo apostoliny i Jesosy. Rehefa avy eo, dia hoy izy tamin’ireo: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” — Lioka 22:19, MN.
Maneran-tany àry ny Vavolombelon’i Jehovah dia mivory indray mandeha isan-taona mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy amin’ny fomba nandidiany tamin’ny takariva nanaovany an’io fanambarana io.
Amin’ny taona 1990, ny 14 Nisana dia hanomboka ny talata 10 aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Mangataha fanazavana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao mba hahafantarana ny ora sy ny toerana hentitra hanaovana io fivoriana io.