FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/2 p. 21-24
  • “Teny araka ny fanahy” ho fanoherana ny fikorontanan-tsaina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Teny araka ny fanahy” ho fanoherana ny fikorontanan-tsaina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Malady mihaino’
  • “Tsy mandatsa”
  • “Ny lelan’ny marina dia fanasitranana”
  • Ireo fivoriana sy ny fitoriana
  • Ny fanampiana ireo fianakaviana
  • Aoka isika tsy hivadika hatrany!
  • Ny kristiana eo anoloan’ny fikorontanan-tsaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Ny fomba hanampiana ireo ketraka hahita fifaliana indray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Afaka Mahita Fampiononana Ianao Amin’ny Fotoana Isian’ny Fahorian-tsaina Mafy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • ‘Antsoy ny Anti-panahy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/2 p. 21-24

“Teny araka ny fanahy” ho fanoherana ny fikorontanan-tsaina

METY ho azon’ny fikorontanan-tsaina na dia ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra aza. Amin’ny toe-javatra toy izany, ary na dia ilaina aza indraindray na hanatonana manam-pahaizana manokana, dia ho afaka hanampy sy hampahery ilay marary ny kongregasiona kristiana. Araka izany, taloha ireo kristiana tany Filipy dia nanarina mba hihevitra ny namany, Epafrodito nahatoky, izay ketraka mafy, ary ‘handray azy ao amin’ny Tompo amin’ny fifaliana indrindra’; tokony ‘hotiavin’izy ireo fatratra hatrany koa ny olona tahaka izany’. — Filipiana 2:25-29, MN.

Toy izany koa, amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana adidy ‘hifampionona hatrany’ sy ‘hanohana ny malemy’. (1 Tesaloniana 5:11, 14, MN.) Tokony hanome ohatra ireo loholona amin’izany lafiny izany. — Isaia 32:2.

Marina fa raha misy loholona tsy manana fahaizana ara-pitsaboana manao zavatra toy ny hoe mpahalala toe-javatra ka mampiasa fomba fitenin’ny mpitsabo aretin-tsaina, dia mety hampidi-doza ilay marary mihitsy aza izy ireny (Ohabolana 11:2). Toy ny nataon’ny apostoly Paoly, izy ireny dia tokony hiresaka, “tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olombelona, fa amin’izay ampianarin’ny fanahy, ka hampiaraka zavatra araka ny fanahy amin’ny teny araka ny fanahy”. (1 Korintiana 2:13.) Anisan’ireny “teny araka ny fanahy” ireny ireo hevitra sy ireo fotopoto-pitsipika voarakitra ao amin’ny Baiboly. Rehefa ampiasaina amim-pahalalana tanteraka ireo teny ireo dia ho afaka hampahery tokoa sy hanatanjaka ny olona ketraka. — 2 Timoty 3:16.

‘Malady mihaino’

Voalohany indrindra, dia tokony ‘halady hihaino, ho malai-miteny’ ireo loholona. (Jakoba 1:19.) “Izay mamaly teny mbola tsy re” dia tena mety hanome torohevitra ratsy (Ohabolana 18:13). Noho ny tsy fahafantarana ny karazam-pahaketrahana nahazo ny anankiray tamin’ireo namany tao amin’ny finoana, dia nisy loholona nihevitra fa osa teo amin’ny lafiny ara-panahy izy. “Mivavaha bebe kokoa!” hoy izy ireo taminy; sarotra tamin’izy io anefa ny nanao izany noho ny fahaketrahany.

Noho izany, alohan’ny hanomezana torohevitra, ireo loholona dia tokony hihaino amim-pitandremana ilay olona mahita fahoriana; angamba mila ny hamboraka ny ao am-pony fotsiny izy. Hanampy azy ireo ‘hanovo’ ao am-pony ny faharetana sy ny fahaiza-manavaka (Ohabolana 20:5). Raha tsapany fa sarotra aminy ny milaza ny fihetseham-pony, dia hotadidian’izy ireo ny fomba nitenenan’i Elkana tamin’ny vadiny nalahelo. Tamim-pahamoram-panahy no nanontaniany azy mazava hoe: “Ry Hana, nahoana no mitomany hianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina hianao? ary nahoana no malahelo fo hianao?” (1 Samoela 1:8). Ny fanontaniana lazaina amim-pahaiza-mandanjalanja sy fahalemem-panahy dia mety hanampy olona ketraka iray hahita ny mahatonga ny ‘alahelony’. (Ohabolana 12:25.) Tamin’izany fomba izany no nanjary nahafantaran’ny kristiana iray fa ny nahatonga ny fahaketrahana nampahory azy dia ny fahasahiranana ara-panambadiana.

“Tsy mandatsa”

Tsy hain’ny olona ketraka ny manazava izay tsapany. Hoy ny fitantaran’ny anankiray tamin’izy ireny: “Rehefa narary aho, dia tsy fantatro izay nahazo ahy; vitako hatramin’ny nanome tsiny an’i Jehovah.” Indraindray àry dia misy kristiana ketraka mitaraina tsy amin’ny antony fa entina amin’ny fomba ratsy na ailika ao amin’ny kongregasiona izy. Tokony hanao ahoana, amin’ny toe-javatra toy izany, ny fihetsik’ireo loholona?

Ohatra ho azy ireo Jehovah izay “manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa” (Jakoba 1:5). Noho izany, dia tsy hahatsapa ireo marary, noho ny fahadisoan’ireo namany, fa adala na tsy ampy saina izy. Tsy tokony hohadinoina fa na dia tsy ara-dalàna aza ny zavatra tsapany, dia heveriny ho tena izy. Tsy ny fitsarana azy ireny àry no ilaina, fa ny ‘fipetrahana eo amin’ny toerany’. (1 Petera 3:8, MN.) Tokony hitandrina koa ireo loholona mba tsy hampitombo ny fahorian’ilay marary amin’ny fiampangana azy ho nanao ratsy. Ketraka aoka izany i Joba marina ka nahavoaka teny toy izao: “Maharikoriko ahy ny aiko.” (Joba 10:1). Tsy nitondra fampiononana ho azy mihitsy anefa ireo namany telo. Izao aza no nolazain’ny anankiray taminy: “Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?” — Joba 22:5.

Indraindray anefa ny mahatonga ny fikorontanana ara-pihetseham-po, na ny manamafy izany fara faharatsiny, dia ny nanaovana fitondrantena ratsy. “Raha nangina aho [ny amin’ny fahadisoako], dia nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandrakariva”, hoy ny fihiakan’i Davida mpanao salamo (Salamo 32:3). Ny kristiana iray dia tao anatin’ny fitebitebena aoka izany, hany ka tsy afaka niasa intsony. Inona no anton’ny nahazo azy? Nanitsakitsa-bady izy ary nanafina ny fahadisoany. Noho izany, raha miahiahy ireo loholona fa nisy fahotana, dia afaka manao izay hahazoana fanazavana izy ireo, nefa amim-pahamoram-panahy, tsy misy fiampangana ilay marary na fandatsana azy.

“Ny lelan’ny marina dia fanasitranana”

Taorian’ny nanaovany izay rehetra azony natao mba hahafantarana ny mahazo ny olona iray, ireo loholona dia tokony hanao zavatra araka ny voalaza ao amin’ny Ohabolana 12:18: “Ny lelan’ny marina dia fanasitranana.” Marina fa tsy izy ireo akory ny hanafoana ny aretina, nefa kosa, amin’ny alalan’ny teny voafidy amim-pitandremana no hampitoneny ao amin’ilay marary, fitebitebena, fihenjanana tsy amin’ny antony. Azon’izy ireo atao voalohany indrindra ny mifantina lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! izay mamelabelatra ny amin’ny fikorontanan-tsaina, avy eo dia miara-mandinika izany amin’ilay marary. Izany dia mety hanampy azy hahafantatra tsara kokoa ny mahazo azy ary matetika no maivamaivana izy rehefa mahafantatra fa ny aretiny dia tsy avy amin’ny tsy fankasitrahan’i Jehovah, fa avy amin’ny tsy fahatanterahana.

Marina fa amin’ny olona sasany, dia tsy fantatra loatra izay tokony hatao, indrindra fa amin’ireo misamboaravoara mafy. Maneho fahendrena anefa ny loholona iray amin’ny fitadidiana fa “ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy”. (Ohabolana 15:1.) Amin’ny filazana hevitra “amin’ny fahasoavana” mandrakariva no hanalavirany ny fiharatsian’ny tarehin-javatra (Kolosiana 4:6). Araka izany, ny kristiana iray azon’ny fahaverezan-tsaina dia mety hino mafy fa mandre feoa. Afaka mihevitra ny tenin’ny dokotera Fuller Torrey ireo loholona amin’izay. ‘Amin’ny fanandramana mifanazava amin’ny very saina iray, dia ny mifanohitra amin’ny zava-kendrena tadiavina no atao: matetika no tsy fahatakarana hevitra sy fahatezerana fotsiny no vokatr’izany. Aza mitady izay hiovany hevitra, fa mianìna amin’ny filazana hoe tsy miray hevitra amin’izany ianao.’ Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia azon’ireo loholona atao ny manazava amim-paharetana amin’ilay marary fa, na dia ao aza ny toa tena fisian’ny feo reny, dia azo inoana fa ny sainy no mamitaka azy.

Mety ho azo koa ny vokatra tsara amin’ny fampiasana ny Baiboly amin’ny fomba mandaitra (Hebreo 4:12). Raha toa, noho ny fihetseham-po tsy misy fiheverana ka matahotra ny marary iray fa nafoin’Andriamanitra izy, dia asehoy aminy amim-pahamoram-panahy fa takatrao izay tsapany. Amin’izany, dia mahareta koa amin’ny fampahatsiahivana azy ny herin’ny avotra nalatsak’i Kristy; mba hanaovana izany, dia ho azonao atao ny hampiasa ireo teny voasoratra ao amin’ny Salamo 103:8-14 sy ao amin’ny 1 Jaona 2:1, 2. Angamba ny andinin-teny ao amin’ny 1 Petera 5:6, 7 sy Romana 8:26, 27 dia hanampy ilay marary hahita fa ‘miahy azy’ Andriamanitra ka na dia sarotra aminy aza ny milaza ny fihetseham-pony, dia reny ny vavaka ataony. Mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika hita ao amin’ny Jakoba 5:14, dia afaka miara-mivavaka amin’ilay ketraka amin’izay ireo loholona.

Ahoana no atao izao rehefa mihevitra zavatra tsinontsinona ho tena lehibe ny marary iray? Azo atao ny mampahatsiahy azy ny torohevitra araka ny Baiboly ilazana fa tsy mety ny ho “marina loatra”. (Mpitoriteny 7:16.) Ny marary hafa angamba dia handray soa amin’ny teny voarakitra ao amin’ny Filipiana 4:8, izay mampirisika ny handosirana ireo hevitra maloto. Ny anankiray koa, tsy mety manaiky fa voafetra ny heriny, dia kivy satria mampihena ny asa kristiana vitany ny aretiny. Azo atao amin’izay ny mampiasa andinin-teny toy ny hita ao amin’ny Matio 13:23 sy ao amin’ny Lioka 21:1-4 mba hanampiana azy hahatakatra fa na dia voafetra aza ny mety ho vitantsika, dia heverin’i Jehovah ho zava-dehibe ny fiezahantsika.

Eny, ny lelan’ireo loholona, nozarina hanao teny fampaherezana notsoahina avy ao amin’ny Baiboly, dia mety hanampy be dia be ireo kristiana ketraka. Nanambara toy izao ny anabavy iray voan’ny fikorontanan-tsaina: “Tena tiako izay voalazan’ny Isaia 32:2 momba ireo loholona ao amin’ny kongregasiona. Rehefa nila azy ireo aho, dia teo foana izy mba hanome ahy torohevitra azo ampiharina.”

Ireo fivoriana sy ny fitoriana

Tsy hoe satria voan’ny fikorontanan-tsaina ny olona iray dia hoe tsy mila zavatra ara-panahy intsony (Matio 5:3, MN ). Raha ny marina, dia ny fahatanjahana ara-panahy no mahatonga ny sasany ho afaka hifikitra amin’ny fiainana. Nahatsiaro izany Irène izay nijaly noho ny fahaverezan-tsainy nandritra ny 30 taona. “Very hevitra aho indraindray, hoy izy; nefa mbola tao amiko foana ny fahamarinana, tsy azo nongotana: izany no nisakana ahy tsy hamono tena!”

Noho izany, araka izay azo atao, dia tokony hampirisihina ilay marary handray anjara amin’ny fitoriana sy hanatrika ireo fivoriana, fa tsy ‘hitokana ho azy’. (Ohabolana 18:1.) Notantarain’ny vehivavy kristiana iray izay rehetra nitranga tao aminy tamin’ny fotoana nahavoan’ny fikorontanan-tsaina azy. ‘Nino mafy aho fa nanao fahotana tsy azo avela tamin’Andriamanitsika, Jehovah; noho izany, izay rehetra reko dia noraisiko ho hafa noho ny tiana holazaina niaraka tamin’izany. Nampihariko tamiko izay rehetra nety ho fanamelohana.’ Na dia izany aza, dia nanohy nanatrika ireo fivoriana izy, ary indray andro izy dia nandre lahateny izay nanampy azy handresy ny fahaverezan-tsainy nahatonga azy hirintondrintona: tamin’ny farany dia takany fa tsy nanary azy akory Andriamanitra.

Inona anefa no hatao raha misamboaravoara ny olona iray satria marary mafy ka manakorontana ireo fivorian’ny kongregasiona na ny asa fitoriana? Azo inoana fa tsy noho ny faharatsiana akory no anaovany izany ary ny aretiny dia avy amin’ny fisainany tsy ara-dalàna. Mety ho fisedrana ho an’izay rehetra mahita azy anefa izany tarehin-javatra izany. Raha tsy tena lehibe na matetika ny fanelingelenana aterak’izany, dia tsy isalasalana fa haneho fahari-po ny kongregasiona (Kolosiana 3:12, 13). Raha tsy izany no izy, dia hatao angamba izay hipetrahan’ilay marary any amin’ny toerana iray tsy hanabatabany loatra ny mpanatrika raha sendra misamboaravoara izy. Toy izany koa, ny fitiavana dia hanampy hanao fandaharana mba hanaovany ny asa fitoriana hatrany, angamba amin’ny fanaovana izay hiarahany mandrakariva amin’ny mpitory matotra sy mahira-tsaina iray, na amin’ny fanaovana izay hanatrehany fianarana Baiboly any an-tokantranon’olona afaka hahatakatra ny mahazo azy.

Mety hanana fitondrantena mahatafintohina anefa ny olona iray, mety hanome tsiny mafy na tsy hahafehy tena ka mety hampidi-doza. Angamba notapahiny ny fitsaboana azy; raha izany no izy, dia hanampy azy hanohy izany indray ny fampaherezana mafy. Raha tsy misy vokatra azo mihitsy izao ka mbola manohy miteraka fitabatabana ihany ilay marary, mba hitandroana ny filaminana, dia hilaina angamba ny hamerana ny fanatrehany ireo fivoriana sy ny fandraisany anjara amin’ny asa fitoriana (1 Korintiana 14:40). Amin-katsaram-po no hanazavan’ireo loholona amin’ilay marary fa tsy hoe miahiahy ny amin’ny fahatokiany akory izy ireo, fa voafetra fotsiny ny azony atao noho ny aretiny. ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny asany’, ary fantany izay azon’io olona io atao (Hebreo 6:10). Ny fitsidihan’ny mpiandry tsy tapaka dia hanampy ilay marary hitana ny fahatanjahany ara-panahy mandra-pihatsaran’ny fahasalamany.

Ny fanampiana ireo fianakaviana

Miteraka fandravana ao amin’ireo fianakaviana ny aretin-tsaina. “Mahatsiravina!” hoy ny fiaiken’ny kristiana iray nanana zanakalahy voa mafy. Nanohy toy izao ny vadiny: “Mandeha ny fotoana, nefa tsy misy fihatsarana. Misy akony eo amin’ny fiainanay mivady izany, satria mifanditra izahay indraindray.” Moa ve tsy mampanaintaina koa ny mahita ny vadin’ny tena voan’ny aretin-tsaina? Nanambara toy izao ny lehilahy kristiana iray: “Alahatra ho ‘marary saina mirintondrintona’ ny vadiko: mahare feo izy. Tsy mety mihinana ny fanafodiny izy satria mihevitra fa ‘hanapoizina’ azy izany. Ambonin’izany, dia tsy mino ahy ho vadiny izy, tsy mety mitory sy mankany amin’ireo fivoriana.” Ahoana no azo anampiana ireo fianakavian’ireny marary ireny?

Izao no nosoratan’i Paoly: “Omeo toky ny malemy saina [ny fanahy ketraka, 1 Tesaloniana 5:14, MN ].” Ho halozana àry ny hanalavirana na ny tsy hiheverana ireo namantsika kristiana izay sahirana mafy mikarakara havana voan’ny aretin-tsaina. “Mifandraisa hianareo”, hoy ny apostoly Paoly (Romana 15:7); mahatonga antsika ho afaka hanao izany amin-kafanana sy fitiavana ireo fivoriana kristiana, raha haintsika ny mamantatra ny fahamendrehan’ny olona izay ‘maneho toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony’. — 1 Timoty 5:4.

Rehefa mitsidika ondry ireo loholona, dia azony atao koa ny mampirisika ireny olona ory ireny hanohy hianatra ao anatin’ny fianakaviana, hanatrika ireo fivoriana sy harisika hatrany amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Kanefa, raha ny amin’izay ilain’izy ireny ara-nofo sy ny fanampiana azo entina ho azy eo amin’ny fampiharana, ny kongregasiona dia tokony hanao mihoatra noho ny filazana hoe: “Mamindroa, mivokisa.” (Jakoba 2:16). Angamba mila fanampiana ireny fianakaviana ireny mba hankanesana any amin’ireo fivoriana. Angamba ny rahalahy sasany afaka mitondra fanamaivanana ho an’ireo mahita fahasahiranana amin’ny fandoavana ny saram-pitsaboana mitombo hatrany (1 Jaona 3:17, 18). Ankasitrahana tokoa ny fitiavana aseho ao anatin’ireny toe-javatra ireny. Araka izany, ny vadin’ny vehivavy kristiana marary saina iray dia nilaza hoe: “Fantatry ny kongregasiona ny fahorianay ary asehony aminay amim-pitiavana tokoa fa miahy anay izy.”

Aoka isika tsy hivadika hatrany!

“Izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny”, hoy ny apostoly Paoly (Romana 8:22). Aoka ho takatsika àry fa ny fikorontanan-tsaina dia anankiray monja amin’ireo vokatry ny tsy fahatanterahana. Afaka mitondra fanamaivanana sasany ho an’ireo marary ny fitsaboana. Kanefa, maro be amin’ireo izay mametraka ny fitokisany aminy no iharan’izay nanjo ity vehivavy niaina tamin’ny andron’i Jesosy izay “efa niaritra zavatra be tamin’ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza”. — Marka 5:26.

Olona maro àry no tsy maintsy mianatra miaina miaraka amin’ny fisedrana azy, sady manankina ny fanantenany fanasitranana amin’izao tontolo izao vaovao nampanantenain’Andriamanitra (Apokalypsy 21:3, 4). “Misaora an’i Jehovah (...), Izay manasitrana ny aretinao rehetra”, hoy ny fihiakan’ny mpanao salamo (Salamo 103:2, 3). Eo am-piandrasana, ny zavatra tokony hahintsika voalohany indrindra dia tsy tokony ho ny hoe hanana fahasalamana ara-tsaina na ara-batana tonga lafatra, fa ny hanaporofo ny tsy fivadihantsika (Salamo 26:11; jereo koa 1 Korintiana 7:29-31). Marina fa tsy natao hampahamora ny asantsika akory ny fikorontanana amin’ny lafiny ara-tsaina, kanefa mpanompon’Andriamanitra maro, tahaka ny apostoly Paoly taloha, no miasa amim-pahatokiana na dia ao aza ny ‘tsilo amin’ny nofo’. (2 Korintiana 12:7.) Nilaza toy izao ny marary iray: “Nampahafantatra ahy ny fanandraman-javatra fa tsy misy mihitsy mpitsabo, na ireo rahalahiko aza, afaka manasitrana ahy; nefa nampianatra ahy hiantehitra amin’i Jehovah koa izany.” Afaka miantehitra amin’ny fitiavana sy ny faharetan’ireo rahalahiny sy anabaviny ao amin’ny finoana koa ireo kristiana azon’ny fikorontanan-tsaina, satria ireo mitondra fampaherezana sy fanohanana ho azy amin’ny “teny araka ny fanahy”.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ilay lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Ny kristiana eo anoloan’ny fikorontanan-tsaina” nivoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 janoary 1988 dia milazalaza ny dingana tokony hatao rehefa ahiahiana ho misy herin’ny demonia.

[Sary, pejy 21]

Mety hanampy be dia be ny olona ketraka ny “teny araka ny fanahy” ataon’ireo loholona feno fitiavana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara