FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/2 p. 25-29
  • Mpitory maharitra teny amoron’i Amazona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpitory maharitra teny amoron’i Amazona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Fomba fitory mandaitra
  • Zava-nitranga nahafaly
  • Voasakana ny fanoheran’ny klerjy
  • Naorina tany amin’ireo toerana mitokana ny Efitrano Fanjakana iray
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/2 p. 25-29

Mpitory maharitra teny amoron’i Amazona

NY ALA amazoniana! Iza no tsy nandre firesahana ny amin’izany? Vitsy kokoa anefa ireo nankany ka nahita maso azy mihitsy. Izany anefa no nataon’ny mpitory manontolo andro, na mpitory maharitra, vitsivitsy, tato anatin’izao folo taona faramparany izao. Ny mbola miavaka kokoa ihany, dia ny fikendreny hampahafantatra ny vaovao tsaran’ny Fanjakana tany. Niondrana tamin’ny El Refugio (Ilay Fialofana), sambon’ny Fikambanana Watch Tower, izy ireo ka namakivaky ny ala amazoniana teo amin’ny sampantsampan-drenirano any avaratra atsinanan’i Pérou.

Asa nahavariana re izany! Mitokotoko etsy sy eroa ny foko indiana maro ao amin’io faritany midadasika io. Ahitana chacras na toeram-piompiana kely any, manaraka ireo renirano sy hatrany amin’ireo faritra lavitra indrindra amin’ny ala mikitroka. Tsy tokony hahasakana ny mponina ao aminy tsy handre koa ny hafatra iankinan’ny aina ao amin’ny Baiboly anefa ny fitokanana. — Matio 24:14; 28:19, 20.

Tsy lavitra ny tanànan’i Iquitos, any anaty ala, no mihaona ireo renirano roa lehibe indrindra, Ucayali misosososo mafy sy mamitaka, sy Marañón, mba hahaforona ny Oniben’i Amazona mahery vaika. Misamboaravoara sy manonja tsy an-kijanona ireo sampan-drano miolakolaka ireo ka manimba ny morony ary mampianjera hazo goavana izay paohiny amin’ny ranony mahery rehefa avy eo. Indray andro monja, dia miforona ny antontam-pasika ary manova ny fandehan’ny renirano.

Nihitsoka tao amin’ireny fanambany avo ireny El Refugio indray andro raha nidina nanaraka an’i Ucayali. Nirona ireo mpandeha an-tsambo noho izany fihontsakontsanana tampoka izany, nefa soa ihany fa tsy tafavoaka rehefa nifikitra tamin’ny fefin’ny tokotanin-tsambo. Nihemotra ilay mpamily. Tsy nisy vokany anefa, nihitsoka ilay sambo. Nanao pataloa fohy ireo Vavolombelona enina teny an-tsambo, ka nitsambikina nankeo amin’ny antontam-pasika ary nanomboka namoaka baoritra feno boky teo amin’ny efapolo mba hanamaivanana ny sambo. Tamin’izay no nihiaka toy izao ny anankiray tamin’ny mpandeha: “Tandremo! Misy bibilava be (anaconda) mianika ny sambo iny!” Tsy diso fijery izy, teo am-piakarana tamin’ny fisosana teo amin’ny anankiray amin’ny vatan’ny sambo ny bibilava maitso makadiry iray eo amin’ny roa metatra ny halavany. Nampiverina azy tany an-drenirano anefa ny vely fivoy mafy vitsivitsy. Rehefa nihamaivana El Refugio dia tafavoaka haingana ka nitohy ny dia.

Fomba fitory mandaitra

Sambo antonontonony El Refugio ary tsy nandeha haingana velively. Niadana dia niadana aza ny fandehany rehefa tsy maintsy niakatra izy. Mba hanafainganana ny fitoriana teny an-tanety àry, dia nampiasa fomba iray ireo mpitory maharitra: talohan’ny hiaingana tao amin’ny foibem-piasany tao Iquitos, dia nanandrana nitady fanazavana ny amin’ny toerana nokasainy hitoriana izy ireo. Tamin’ny fanontaniana ireo olona avy ao amin’ilay faritra no nahafahany nanao sarintsarin-tanin’ireo vohitra sy chacras tao. Nomarihiny koa ireo ony kely sy ny fitodian-tsambo ho fitsinjovana ny dia hafa. Azon’izy ireo atao amin’izany ny mamela ny sambo eo amin’ny fitodiana, herinandro na tapa-bolana, raha maromaro ny vohitra ao amin’ilay faritra hotetezina. Mandrakariva, ny efatra amin’ireo mpitory maharitra enina dia mankany amin’ireo toeram-piompiana mitokana, fa miditra any anaty ala kosa ilay mpamily sy ny mpitory maharitra sisa. Manatratra ireo toerana tsy azon’ny sambo aleha izy amin’ny fandraisana ny fiaramanidin’ny mpitrandraka solitany mpivezivezy hatrany amin’ny fitobiana.

Ireny fitobiana ireny dia toerana malaladalaka any anaty ala, namboarina any amin’ny toerana mitokana anaovana fikarohana solitany. Olona eo amin’ny zato na mahery no afaka miasa any. Manao fandaharana ny Vavolombelona mba hiresahana amin’ireo mpiasa amin’ny sakafo hariva, aorian’ny ora fiasana. Tao amin’ny anankiray amin’ireny fitobiana ireny, ny trano bongo natao fisakafoana dia niova ho efitrano fanaovana lahateny tena nety. Nihaino ny famelabelarana ny mpihaino, rehefa avy eo dia nisy olona maromaro nanontany ny amin’ireo zava-manahirana ara-pitondrantena hitany rehefa monina lavitra ny fianakaviany toy izao. Izany dia fotoana tsara dia tsara fampahafantarana ny fiheveran’ny Baiboly ny amin’ny fahadiovam-pitondrantena. Taorian’io fiaraha-midinika io, dia lehilahy maro no nangataka Baiboly sy boky fianarana Baiboly. Nandray adiresy ireo mpitory maharitra, ka tatỳ aoriana izany dia nahatonga ho afaka hanomboka fianarana Baiboly tamin’ny sasany tamin’ireny olona ireny sy ny fianakaviany tany Iquitos. Fitobian’ny mpikaroka solitany efatra no nahazo tamin’izany ny fitsidihan’ny Vavolombelona: tratra tamin’ny alalan’ny fiaramanidina ny telo taminy, ary nahazo ny fitsidihan’ny El Refugio ny anankiray.

Rehefa tonga tsy lavitra ny caserio, na vohitra kely ilay sambo, ireo mpitory maharitra dia namatotra azy mafy tamin’izay nety ho hitany fa hahazaka azy indrindra. Nitsapa ny morondrano aloha ny anankiray tamin’ny mpandeha, talohan’ny hitsambikinana avy eny an-tsambo. Toa mafy ny ivelan’ny moron-drano voaforon’ny dilatra, nefa ahitana zavatra tsy ampoizina indraindray. Izay mitsambikina eo dia tena mety ho ao anaty fotaka hatreny amin’ny fehikibo!

Rehefa tonga soa aman-tsara an-tanety ireo mpitory maharitra dia nanavatsava lalana teo amin’ny ankizy maro be tia jerijery sy nitabataba izay nandray azy ireo mandrakariva, ka nitady ny filohan’ny vohitra. Nohazavain’izy ireo taminy ny anton’ny fitsidihany ary nangata-dalana taminy izy, mandrakariva dia nekena izany, hampiasa trano bongo natao sekoly na ny toeram-pivoriana tao an-tanàna, mba hanaovana lahateny araka ny Baiboly. Rehefa avy eo ny fanasana dia nampitapitain’ny ankizy izay niparitaka hatraiza hatraiza. Ny andro nialoha ilay lahateny dia natokana hitoriana isaky ny trano bongo. Sariaka sy tia mandray vahiny ny olona ka mora mandray boky momba ny Baiboly. Rehefa tsy manam-bola izy ireny, ny atao takalon’ny boky dia sokatra, rajako, akoho, boloky, voankazo na “orchidée” mahafinaritra iray koa aza.

Rehefa mamela hanao izany ny fotoana, dia ny tolakandro no anaovana ny fiverenana mitsidika. Angatahina ireo izay naneho fahalianana manokana mba hitondra mecheros na fanaovan-jiro sy “kérosène” (zavatra avy amin’ny solitany) ary lahinjiro ho fanazavana. Mandrakariva, amin’ny fito hariva, dia efa tafapetraka daholo izy rehetra, ny jiro eny amin’ny tanana iray, ary ny Baiboly eo amin’ny tanana anankiray. Velona ny fanontaniana aorian’ny lahateny: Mino ve ny Vavolombelon’i Jehovah fa misy ny afobe? Inona no tsy itovian’ny zavatra inoan’ny Vavolombelona amin’ny fampianarana katolika? Faly ny ankamaroan’ny mpanatrika mahita ny valin’ireo fanontaniana ireo ao amin’ny Baiboliny mihitsy.

Zava-nitranga nahafaly

Rehefa avy nihaino ny anankiray tamin’ireny lahateny ireny ny lehilahy iray sy ny vadiny dia tonga nanatona ny mpandahateny, latsa-dranomaso. “Ry rahalahy, hoy ilay lehilahy taminay, efa hatramin’ny ela be no niandrasanay teny tahaka ny renay tamin’ity takariva ity. Tianay ny taninay ary mahafinaritra anay ny mieritreritra hoe ho afaka hiaina mandrakizay eo amin’ny tany Paradisa. Nefa, mba lazao anay indray hoe, iza marina moa no tokony ho any an-danitra?” Toy inona moa ny fifaliana mahita, any amin’ny fara atin’ny ala amazoniana sy any amin’ny an’arivony kilaometatra maromaro lavitra ny “haifomba”, olona sahala amin’ny ondry!

Miezaka mametraka boky maromaro miaraka ireo mpitory maharitra, satria mety ho elaela vao tafaverina ao amin’ireo vohitra nitoriany izy ireo. Indray andro, tany Iquitos, ny mpivoy lakana iray dia nampijanona anankiray tamin’ireo Vavolombelona ka nangataka taminy raha mbola nanana fitambaram-boky valo hafa izy. Nankaiza ireo voalohany? Nasesiny nampindramina havana tonga nitsidika azy izany. Mahalana no ahitana zavatra hovakina any anaty ala mikitroka any. Tamin’izany no nielezan’ny boky kristiana tany amin’ny toerana mbola tsy nalehan’ny mpitory maharitra mihitsy. Tamin’ny alalan’ny fanahiny no nanaovan’i Jehovah izay hahatongavan’ireny boky ireny teo an-tanana tsara.

Rehefa tonga tao amin’ny vohitra kely iray, dia notapahina ny hevitra fa hijanona eny an-tsambo ny anankiroa amin’ireo rahalahy, fa ny hafa kosa hanaraka lalana tany mamakivaky ala. Teo ambonin’ireo mpandeha, dia nanakatona ny lanitra ny hazo goavana ka nanakona tapany lehibe tamin’ny fahazavan’ny andro. Re nanakoako tao anatin’ireo fitambaran-dravinkazo ny kiakiakan’ny vorona maro loko. Rehefa nandeha fahefatr’adiny ireo Vavolombelona dia tonga tao amin’ny faritra malaladalaka ihany tsy nisy hazo. Tao anatin’ny adiny iray no nitetezany ny trano bongo rehetra tao. Rehefa nivonona ny hiainga izy ireo, dia tonga niangavy azy mafy ny lehilahy iray mba handany ny alina, satria nanana fanontaniana maro be izy. Nijanona teo an-toerana àry ny anankiray tamin’ireo mpitory maharitra, fa niverina nankeny an-tsambo kosa ireo hafa.

Nanipy hevitra ny hanao lahateny momba ny Baiboly ilay mpitory maharitra tao anatin’io takariva io. Nirahina hanasa ny manodidina àry ireo ankizy ka tsy hita intsony tany amin’ireo lalankely tsy voamarik’ireo rahalahy. Teo am-piandrasana, dia nanomboka nitarika fianarana Baiboly tao amin’ny vohitra ilay mpitory maharitra tamin’ny fampiasana ireo toko amin’ilay boky hoe Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay izay namaly ireo fanontanian’io lehilahy tia nandray vahiny io. Rehefa nanomboka nampisava ny hafanana nitatao ny hatsiatsiaka takariva, tsitapitapitr’izay dia nanakoako tany anaty volotsangana ny tabataba. Sarivazo an-jatony maro no toa nanomboka niara-niresaka. Izany angamba no fomba fiarahabany ny hatsiatsiaka takariva...

Teo am-piandohan’ny takariva, dia olon-dehibe 20 sy ankizy maro no nitangorona nanodidina ilay mpandahateny. Marina fa nahatonga azy ho afaka hamaky teny mora foana ny fahazavana mahery avy amin’ny jiro mandeha amin’ny gaza iray, kanefa nanintona bibikely an-jatony maro tany an’ala koa izany, hany ka teo afovoan’ny lahateniny, dia nahatelina iray tamin’izany ilay mpandahateny. Taorian’ny fipehana mafy ny lamosina sy ny hehy be amam-pampaherezana, dia afaka nanohy sy namita ny famelabelarany izy. Nisava ny fanginana ka fifanakalozan-kevitra nafana no nanaraka izany.

Rehefa lasa ny mpiray tanàna farany, ilay lehilahy nanasa ilay mpitory maharitra handany ny alina dia nanangana aromoka teo ivelan’ny fonenany, teo amin’ny loha trano nisy tongony tokony ho iray metatra sy sasany avy eo amin’ny tany. Navelany hanangana ny aromokany ilay mpitory maharitra raha mbola nanangona an’ireo bibiny izy ka namatotra azy teo ambanin’ilay loha trano mba hiarovana azy amin’ny mpangalatra. Nandry ilay Vavolombelona ary, rehefa avy nisaotra an’i Jehovah noho ny fiarovany, dia voarotsirotsin’ny feo any an’ala ka tsy ela dia raiki-tory.

Toa zara raha vao fotoana fohy no lasa rehefa taitra tampoka tamin’ny torimasony ilay mpitory maharitra. Vao naneno ny akoholahy iray. Ho sahin’ilay mpitory ny hanantitrantitra fa tao ambany fandriany indrindra ilay vorona. Tsy diso ny fiheverany. Taorian’ny akoholahy, dia nanomboka nivovò ny alika, nikolokolo ny vorontsiloza ary nifaninana nibarareoka ny osy. Rehefa nandre izany ny vorona isan-karazany dia nanomboka nameno ny rivotra tamin’ny siotsiokany vao maraina. Nanomboka ny andro vaovao iray.

Rehefa avy nisakafo maraina tsara ilay mpitory maharitra dia nandray indray ny lalankely mba hihaona amin’ireo namany. Teny an-dalana izy dia nahatazana izay noheveriny ho hazo be nianjera nanapaka ny lalankely tamin’ny voalohany. Rehefa nijery akaiky kokoa anefa izy dia nahatsapa fa hay bibilava mpanery valo metatra raha kely indrindra io. Nihodidina azy tamim-pitandremana ilay mpitory maharitra ary dia tonga soa aman-tsara teny an-tsambo.

Voasakana ny fanoheran’ny klerjy

Toa tsy vonona ny hihaino ny hafatra toy izany ireo mponina teo amin’ny vohitra teo akaiky. Koa satria ilay sambo nizotra nankany amin’ny toerana iray hahafahany mitody, dia gaga ireo mpitory maharitra nahatsapa fa nisy antokon’olona maro nitangorona teo amoron-drano. Notarihin’ny pretra katolika iray ireo tantsaha ka nanosika ilay sambo tamin’ny fiantsoantsoana fa tsy nila boky momba ny Baiboly izy ireo. Nanapa-kevitra ny hanohy ny diany àry ireo rahalahy ka hitody tarỳ aorian’ilay vohitra indrindra.

Fotoana fohy taorian’izay, dia niala avy ao amin’ilay vohitra ny zahatra iray feno akondro. Koa satria nisosa nanaraka ny fandehan’ny rano fotsiny ilay izy, dia nangataka tamin’ireo lehilahy nivoy azy ireo Vavolombelona mba hanatona ny El Refugio. Nidina nankeo amin’ny zahatra tamin’izay ny telo tamin’ireo mpitory maharitra ka nanomboka nanao fanambarana. Tian’ny tompon’ilay zahatra ny hahafantatra hoe nahoana ilay pretra no tsy nanaiky ny hitodian’ireo Vavolombelona, ka novalian’ireo mpitory maharitra fa izy ireo koa aza mba tsy mahafantatra hoe nahoana ny pretra iray no nanohitra ny hahalalan’ny olona ny Baiboly. Afa-tsy izany koa, inona no maha-ratsy ny hamakiana boky iray toy ny Ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly? Rehefa avy namadibadika ilay boky ireo lehilahy, dia tsy naniry ny hamerina azy intsony.

Nahazo fitsidihan’ny lakanjila maromaro El Refugio ny ampitso. Nanaitra ny tao amin’ny vohitra Ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly. Nohazavaina tamin’ireo mpitory maharitra fa raha miditra an-tanety kokoa izy ireo dia ho tafiditra ao amin’ilay toerana amin’ny lalankely manalavitra. Tamin’izany no nahafahan’izy ireo nitory isan-trano, ka tamin’io indray mandeha io dia tsara lavitra ny fandraisana azy. Tantsaha maro no nandray fitambaram-boky feno, ka akory ny fahaverezan-kevitr’ilay pretra.

Naorina tany amin’ireo toerana mitokana ny Efitrano Fanjakana iray

Tamin’ny farany ireo mpitory maharitra be herim-po ireo dia tonga tao amin’ny faritr’i Amazona ihaonan’ny sisin’ny tany telo. Vohitra telo nifanakaiky no nahaforona foibem-barotra nalaza tao. Izany dia Caballococha, any Pérou, Leticia any Colombie, sy Tabatinga eo amin’ny lafiny breziliana. Mora ny nivezivezy teo anelanelan’ireo, satria anarany fotsiny ny fombafomba momba ny fadin-tseranana tao amin’ireo faritra lavitra be koa ny ala mikitroka ireo.

Tany Tabatinga, dia ren’ireo mpitory maharitra fa nisy anabavy breziliana mpitory maharitra roa nitory tao amin’ilay vohitra. Tao tokoa dia nisy antokon’olom-bitsy ho tia ny hivory, saingy tsy nahita trano. Niangavy mafy an’ireo mpitory maharitra hafa ireo anabavy roa mba hijanona eo an-toerana hanao lahateny ao amin’ilay faritra, ka neken’ireo an-tsitrapo izany. Tatỳ aoriana, dia fantatra fa ny fanomezan’ilay antokon’olona dia nahatonga ho afaka hanorina trano kely teo amin’ny tany nomen’olona. Efa nanamarika trano fanatsofan-kazo ireo anabavy mpitory maharitra teo ambonimbonin’ny ony. Nampanantena fa hanaiky vidin’ny hazo hanorenana mirary ny tompony, lehilahy liana ny fahamarinana. Nitatitra indroa ny hazo nilaina El Refugio. Tao anatin’ny tapa-bolana, dia nisy mpiasa an-tsitrapo nahavita Efitrano Fanjakana mahalany olona 80. Nitondra ny atril, na polipitra ny mpandeha an-tsambo, ary nitondra dabilio maromaro hipetrahan’ny antokon’olona nientanentana aoka izany. Faly aoka izany ny rehetra nanana ny toeram-pivoriany, rehefa ela ny ela!

Mbola be dia be ny faritany tokony hotetezina manaraka an’i Amazona sy ny sampantsampan-dreniranony. Mandray fitahiana be dia be ireo izay mamaly ny antso sahala amin’ny nataon’ilay lehilahy makedoniana ka tonga mba ‘hanambara ny vaovao tsara’ any amin’ireny faritra mitokana ireny (Asa. 16:9, 10). Amin’izao andro izao El Refugio dia manana antoko-pitory maharitra mpandeha vaovao. Matoky tanteraka koa izy ireo fa hitari-dalana azy Jehovah ary hiaro azy ireo eo amin’ny fanatontosana ny asany masina.

[Sarintany, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

KOLOMBIA

Leticia

PEROA

Iquitos

Amazona

Marañón

Ucayali

BRAZIL

Tabatinga

[Sary, pejy 26]

Mitondra ny fahamarinana mamelombelona eny amoron’i Amazona ireo mpitory maharitra miondrana amin’ny “El Refugio”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara