Heverintsika ho sarobidy ve ny zavatra masina?
“Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Ary mitandrema tsara (...) fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja izay masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.” — HEBREO 12:14-16.
1. Ahoana moa no ampisehoan’ny ankamaroan’olona ny tsy fahaizany mankasitraka? Amin’ny ahoana moa no hafa ny kristiana?
MALALA-TANANA aoka izany Jehovah Andriamanitsika. Omeny amim-pahalalahan-tanana ny zavatra noforoniny rehetra izay ilain’izy ireny. Ny ankamaroan’olona anefa dia tsy mieritreritra na ny hisaotra azy na ny hiaiky fa trosa be no tokony haloany aminy. Tsy mba miseho ho tsy mahay mankasitraka kosa anefa ny kristiana: tsapany izay ataon’i Jehovah ho azy ka manome voninahitra azy kosa izy ireo. Koa rehefa nahita ny fifikirany Jehovah dia nanankina taminy zavatra masina tsy andraman’ny olombelona hafa. Izany dia zavatra sarobidy, voatokana, masina, zavatra mahakasika ny fanompoam-pivavahana aminy. Fantatrao ve hoe inona izany zavatra masina izany? Moa ve ianao manana fihetseham-po lalina sy feno fahatsorana izay manosika anao hihevitra ho sarobidy ireny zavatra ireny? — Salamo 104:10-28; Matio 5:45; Apokalypsy 4:11.
2. Olona fahiny iza no tsy nihevitra ho sarobidy ny zavatra masina?
2 Na dia eo anivon’ny olon’Andriamanitra aza dia nisy olona tsy nihevitra ho sarobidy mihitsy ny zavatra masina. Toy izany, ohatra, no hita tamin’i Esao, zanak’i Isaka, resahin’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Rehefa avy nananatra ireny kristiana voahosotry ny fanahy ireny mba ‘hiezaka hitady fihavanana amin’ny olona rehetra’ ilay apostoly dia nanoro hevitra azy ireny mba hanao izay hahazoana antoka fa eo aminy dia tsy ahitana na “mpijangajanga na olona tsy manaja izay masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava”. — Hebreo 12:14-16.
3, 4. Inona moa ireo zo masina nananan’ny lahimatoa, namidin’i Esao ho takalon’ny laoka?
3 Inona moa izany fizokiana izany? Mba hahafantarana izany, dia tokony hotadidiantsika ny fampanantenana nomen’i Jehovah ny raiben’i Esao, Abrahama, dia fampanantenana nilazana fa ilay Taranaka nandrasana, ny Mesia (na Kristy) dia tokony ho tonga eo amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’i Abrahama sy ireo taranany. Noho io taranaka io, dia mety ho voatahy ny firenena rehetra, ka hafahana amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. — Genesisy 22:15-18; Galatiana 3:16.
4 Noho izy lahimatoan’i Isaka, dia nanana fahafahana ho anisan’ny hiavian’ilay Taranaka i Esao; izany, ankoatra ny zavatra hafa, no atao hoe fizokiany. Nitondra tena tamin’ny fomba nahamenatra anefa izy. “Izany no nanamavoan’i Esao ny fizokiany”, hoy ny Baiboly amintsika. Natakalony loaka voanemba sy mofo izany. Fanaovan-javatra tsy voahevitra re izany! Azo antoka fa tsy tiantsika ny hanahaka ny fahamaivanan-dohany, fa hamboly ny toe-tsain’ny rahalahiny, Jakoba, kosa. Raha ny amin’ny hahatongavana ho amin’ny fizokiana, dia nanarakaraka an’i Esao indrindra izy. Rehefa hitany niharihary ny tsy firaharahan’io izany fizokiana izany, dia novidiny taminy, ka tamin’izany no niahiany hampitana ny zo ho razamben’ilay Taranaka nampanantenaina tamin’ny alalan’ny lehilahy iray izay nihevitra ho sarobidy tokoa ny zavatra masina. — Genesisy 25:17-34.
5. Zavatra masina inona avy no hodinihintsika? Inona no tokony hataontsika mba tsy hanamaivanana mihitsy ireny zavatra masina ireny?
5 Eo anivon’ny kongregasiona kristiana, dia omen’i Jehovah antsika ny zavatra masina maro izay manampy antsika hatanjaka hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy sy manome fitaovana tsara ho antsika mba hanaovana ny Asany. Hodinihintsika ny sasantsasany amin’ireny zavatra masina ireny, ka izany dia hahatonga ny tsirairay avy amintsika ho afaka hisaintsaina izany sy hankamamy kokoa ihany ny hasarobidiny, mba tsy hanamaivanana izany mihitsy.
Ireo zavatra masina indrindra: ny anaran’i Jehovah sy ny avotra
6. Ahoana no azontsika ampisehoana fa heverintsika ho masina ny anaran’i Jehovah?
6 Ny voalohany amin’ireo zavatra masina dia ny anaran’i Jehovah. Moa ve io anarana io mitana toerana ambony ao an-tsaina sy ao am-pontsika? Moa ve tsy natombok’i Jesosy tamin’izao teny izao ny Rainay Izay any an-danitra: “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9). Afa-tsy izany koa, amin’ny alalan’ny batisa, dia manjary Vavolombelon’i Jehovah isika (Isaia 43:10, 11). Voninahitra re izany! Araka izany, rehefa miresaka ny amin’ny hatsaram-pon’i Jehovah sy ny fikasany mahatalanjona isika, dia mianatra mahafantatra azy amin’ny anarany ny olon-kafa ary maniry mba hanompo azy koa. Izay tsy miresaka ny amin’i Jehovah anefa na — ny mbola ratsiratsy kokoa — manao ratsy, dia manala baraka ny anaran’Andriamanitra, manimba ny lazany. Amin’ny teniny sy ny ataony, ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny maha-kristiana mahatoky azy, dia manao ny fiezahany rehetra mba hanamasina eo anatrehan’ny hafa ny anarana masin’ny Andriamaniny. — Levitikosy 22:31, 32; Deoteronomia 5:11.
7. Nahoana moa isika no tokony hampiseho fa heverintsika ho sarobidy ny sorom-panavotan’i Kristy?
7 Anisan’ireo zavatra masina indrindra ny sorom-panavotan’i Kristy. Heverintsika ho sarobidy ve izany? Aoka tsy hohadinointsika fa tsy mety ho voavela ny fahotantsika raha tsy maneho finoana tanteraka an’io sorona olombelona lavorary io isika (1 Jaona 2:1, 2). Paoly dia nilaza ny amin’ny kongregasionan’ny kristiana voahosotry ny fanahy fa Andriamanitra no ‘nividy Azy tamin’ny ran’ny Zanany”. (Asan’ny apostoly 20:28, MN; jereo 1 Petera 1:17-19). Mba hahafahantsika manana ny fiainana mandrakizay, Jesosy, Zanaka lahitokan’Andriamanitra, dia nandao ny toerana notanany tany an-danitra, tonga mba hiaina teto an-tany teo amin’ireo mpanota ary nanaiky hahita fahafatesana nahatsiravina teo amin’ny hazo fijaliana, nanolotra ny fiainany tamin’ny naha-olombelona tanteraka (Matio 20:28). Ho faran’izay fanehoana tsy fankasitrahana ny famelana handalo na dia andro iray monja aza tsy misy fampisehoana ny fiheverantsika ho zava-dehibe io fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra io. — Hebreo 10:28, 29; Joda 4, 5.
Ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy ny fandaminany
8. Manao ahoana ny fiheverantsika ny hasarobidin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah?
8 Zavatra hafa koa anisan’ny masina indrindra ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Noho izany dia tokony hankamamintsika ny fifankazarana mampiray antsika amin’ny Raintsika any an-danitra. Raha ‘manatona an’Andriamanitra isika, dia hanatona antsika izy’. (Jakoba 4:8.) Tia antsika aoka izany tokoa izy, ary maniry ny hitiavantsika azy amin’ny fontsika rehetra (Matio 22:37, 38; Jaona 3:16). Davida dia nanome ho an’i Solomona torohevitra feno fahendrena ny amin’ny fifandraisany tamin’i Jehovah; izao indrindra no nolazainy taminy: “Ary hianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy hianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa hianao, dia hariany mandrakizay.” (1 Tantara 28:9). Araka izany, dia ‘aoka isika hitahiry ny tenantsika ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindrampon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay’. — Joda 21.
9. Amin’ny fomba ahoana avy moa no azontsika ampisehoana fa tsy hamaivanintsika ny tombontsoa ho anisan’ny fandaminan’i Jehovah?
9 Moa ve isika mahatsapa ny tombontsoa masina asehon’ny maha-anisan’ny fandaminan’i Jehovah antsika? Aoka hotadidiantsika rehetra fa noho ny fankasitrahan’i Jehovah an’izay tsy mendrika akory no ananantsika izany. Izay tsy ho ampy fankasitrahana ka ho tonga mpanota tsy mibebaka dia hamoy izany tombontsoa izany. Nanome izao fampitandremana izao i Paoly: “Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” (1 Korintiana 10:6-12). Talohan’izay indrindra, ilay apostoly dia niresaka ny amin’ireo Isiraelita 23 000 izay ringana satria resin’ny fanompoan-tsampy sy ny fahalotoam-pitondrantena. Azontsika atao ny mampiseho fa heverintsika ho masina ny fandaminan’i Jehovah amin’ny fanaovana izay farany azontsika atao mba hiarovana azy amin’ny fahalotoana ara-batana, ara-pitondrantena na hafa, amin’ny varotra akana tombony be loatra, ny fitompoan-teny fantatra, ny avonavona sy ny fifandirana (2 Korintiana 7:1; 1 Petera 1:14-16). Azontsika atao koa ny miezaka mba hanamafy ireo fatoran’ny fitiavan-drahalahy, hanaja amim-pitandremana ny fandaharana teokratika sy hiara-hiasa amin’ireo izay mitondra ny kongregasiona. — 1 Tesaloniana 4:3-8; 5:12, 13.
Ny Teny, ireo lalàn’Andriamanitra, ary ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana
10. Ahoana no ampisehoantsika fa heverintsika ho sarobidy ny Soratra Masina?
10 Anisan’ny zavatra masina koa ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina. Izy io dia mirakitra ireo fanambarana, ireo toromarika, ireo torohevitra, ireo fampanantenana sy ireo filazan’Andriamanitra: izay rehetra ilaintsika mba ‘hahavononana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra’. (2 Timoty 3:16, 17.) Ahoana no azontsika ampisehoana fa mihevitra ho sarobidy an’io boky ara-tsindrimandry io isika? Voalohany indrindra, amin’ny fianarana azy sy amin’ny fampiharana eo amin’ny fiainantsika izay ianarantsika. Manaraka izany, amin’ny fandraisana — ka izany dia tokony ho hita eo amin’ny fitondrantenantsika — ny “sakafo” ara-panahy, miorina amin’ny Baiboly, izay omen’i Jehovah antsika “amin’ny fotoana” noho ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. (Matio 24:45.) Farany, ary eo amin’ny fampiharana, amin’ny fiahiana mba hanana Baiboly sy boky kristiana madio sy tsy misy loto rehefa mitory isika; raha mampiasa Baiboly tonta na maloto mihitsy aza isika, dia mety hanala baraka ny anaran’i Jehovah.
11. Nahoana no tsy tokony hataontsika tsinontsinona ireo lalàna masin’i Jehovah?
11 Hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo lalàna masin’i Jehovah. Heverintsika ho masina mandrakariva ve izany, sa nisy fotoana nanamaivanantsika izany? Eo amin’ny lalan’ny fiainana, ireo lalàn’i Jehovah dia toy ny takelaka manondro zavatra, toy ny fetra na fefy fiarovana. Raha manaraka ireny lalàna ireny isika, dia tsy hanana ahiahy amin’ny dia ataontsika ary ho tonga any amin’izay halehantsika, dia: izao tontolo izao vaovao nampanantenain’i Jehovah; fa raha hamaivanintsika kosa ireo didy sy fampahatsiahivan’i Jehovah, dia manatona ny loza isika. — Salamo 119:10, 11, 35, 101, 102; Ohabolana 3:1-4.
12. Inona moa no tokony hataontsika mba hahatonga ny fanantenantsika ilay Fanjakana ho zavatra masina ho antsika?
12 Ny Baiboly dia mahatonga antsika ho afaka hahafantatra zavatra masina hafa iray koa izay tokony ho mamin’ny fontsika: ny fanantenana momba ilay Fanjakana. Raha niresaka ny amin’i Abrahama nahatoky i Paoly, dia hoy izy ao amin’ny Hebreo 11:10: “Fa nanantena hahazo ny tanàna [ny fanjakan’Andriamanitra] misy fanorenana izy. Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.” Moa ve isika manana fanantenana mafy orina, tsy azo hozongozonina, ny Fanjakan’Andriamanitra koa? Moa ve ampy fahamafisana ny finoantsika ka tsy hisy fisalasalana mihitsy ao am-pontsika ary tsy hihena mihitsy ny zotom-pontsika raha mbola miandry ny fahatanterahan’ireo fikasan’Andriamanitra amin’ny fotoana voafetra isika? — Matio 24:20-22, 33, 34, 42.
Ireo fivoriana sy ireo tombontsoa masina
13. Nahoana moa isika no tsy tokony hihevitra ho zavatra tsy maintsy azo, ireo soa raisintsika ao amin’ny fivoriana kristiana?
13 ‘Aoka isika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara ka tsy hahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany’, hoy ny torohevitr’i Paoly. Asehon’ireo teny ireo fa ireo fivoriana kristiana dia fandaharana masina hafa koa tokony hoheverintsika tsara. Amin’ireo fivoriana no andraisantsika fianarana lehibe sy fiarahana mafana, samy zavatra ilaintsika tokoa. Azontsika atao koa ny manao “fanambarana ampahibemaso ny fanantenantsika” amin’ny firesahana eny amin’ny polipitra rehefa manana fahafahana hanao izany isika, na amin’ny fanomezana valin-teny tsy tapaka (Hebreo 10:23-25). Afa-tsy izany koa, noho ny Efitrano Fanjakana toerana anaovana ny ankamaroan’ireo fivoriantsika, dia afaka manontany tena isika raha mandray anjara tsy tapaka amin’izay hahavoakarakara azy tsara foana, amin’ny alalan’ny fanomezantsika sy ny asa mafy ataontsika. — Eksodosy 35:21.
14. Inona moa no hanampy antsika hahatakatra fa harena masina ny fanompoantsika kristiana?
14 Paoly dia nampitaha ny tombontsoa ananan’ny kristiana mitory ny vaovao tsara amin’ny ‘rakitra amin’ny vilany tany’. (2 Korintiana 4:1, 7.) Eny, zavatra masina heverintsika ho sarobidy koa ny fanompoana kristiana. Na dia tsy miraika aza ny ankamaroan’ny olona itoriantsika, dia tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa manana tombontsoa lehibe isika miresaka amin’ny namantsika ny amin’i Jehovah sy ny fikasany. Izany hevitra izany dia hanampy antsika hanatontosa ny asa nanirahana antsika, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanaovana mpianatra (Matio 24:14; 28:19, 20). Manana loharanom-pifaliana amboniny isika rehefa mahita ny fandrosoan’ireny mpianatra vaovao ireny (1 Tesaloniana 2:19, 20). Raha mihevitra ho zava-dehibe ny fanompoantsika isika, dia tsy ho tapatapaka na tsy hiasa, fa hanambara ny vaovao tsara amin-jotom-po.
15. Nahoana moa no tsy tokony hohamaivanintsika ireo tombontsoa ananantsika eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah?
15 Masina koa ireo tombontsoa ananantsika eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah: zavatra masina napetraka amintsika izany (jereo Asa. 20:28). Na raharaha fiandraiketana izany, na asa fiandrasana, fampianarana na izay rehetra mety ho asa hafa azontsika tanterahina ho an’ireo namantsika kristiana, dia tokony hotandremantsika fatratra izany. Na dia toa tsy dia manao ahoana aza ny asa iray, dia aoka tsy hohamaivanintsika izany, fa hotanterahintsika amim-paharisihana, tahaka ny ho an’i Jehovah. Aoka hotadidintsika fa “izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be”. — Lioka 16:10.
Ny fanambadiana sy ny fianakaviana
16. Ahoana moa no azontsika ampisehoana fa heverintsika ho zavatra masina ny fanambadiana sy ny fianakaviana?
16 Anisan’ny zavatra masina ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Marina fa tsy ny kristiana ihany akory no olona manambady; ny mampiavaka azy ireny anefa dia ny fiheverany ny fanambadiana ho masina sy mifamatotra amin’ny fanompoam-pivavahana atolony ho an’i Jehovah (jereo 1 Petera 3:1-7). Ahoana no ampisehoan’izy ireny ny fanajany an’io zavatra masina io? Lazain’ny Baiboly amintsika izany ao amin’ny Hebreo 13:4: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiaia, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” Nolazain’i Jesosy fa ny tsy fitsaharana mijery vehivavy iray ka mahatonga ho maimay ny aminy, dia sahala amin’ny mijangajanga ao am-pon’ny tena (Matio 5:27, 28, MN ). Noho izany, raha tapa-kevitra ny hanambady isika, dia aoka hanan-kaja ny fanambadiantsika; ary aoka isika tsy hihevitra fa tsy manana fiezahana tokony hatao intsony; mifanohitra amin’izany, dia ilaintsika ny tsy mitsahatra mamboly tena fitiavana sy fanajana lalina. Raha miteraka isika, dia aoka ‘hitaiza azy ireny amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazan-tsain’i Jehovah’. Amin’izany dia ho “masina” ny fianakaviantsika. — Efesiana 6:4, MN; 1 Korintiana 7:14.
Ny fanahy masin’i Jehovah sy ny vavaka
17. Nahoana moa no tokony hoheverintsika ho zava-dehibe ny fanahy masin’Andriamanitra?
17 Ilaintsika ny fandaharana rehetra nataon’i Jehovah; amin’izany dia zava-dehibe tokoa ny fanampian’ny fanahiny masina antsika (Jaona 14:26). Tsy fantatsika foana ny hoe amin’ny fomba ahoana no ampiasan’i Jehovah ny fanahiny masina ho fanohanana antsika, fa zavatra iray no azo antoka: mila dia mila izany isika. Ilaintsika ny mivavaka mba hanampian’ny fanahy masina antsika hahatakatra ireo fampianarana marina, hiaritra ireo fitsapana sy hamboly ireo vokatry ny fanahy (Galatiana 5:22, 23). Mampitandrina antsika ny Efesiana 4:30 mba tsy ‘hampalahelo’ ny fanahy masina amin’ny fanaovan-javatra izay hisakana antsika tsy handray izany amin’ny fomba feno. Aoka hoheverintsika ho zava-dehibe foana ny fanahy masin’i Jehovah.
18. Nahoana moa no tombontsoa masina ny vavaka?
18 Ny farany nefa tsy ny kely indrindra amin’ny zavatra masina horesahintsika dia ny vavaka. Endrey ny tombontsoa ananantsika afaka miresaka amin’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, dia Jehovah! Mazava ho azy fa amim-panajana sy fiondrehana fa tsy hoe tsy misy fiheverana no tokony hanatonantsika azy. Raha mifanaraka amin’ny sitrapony anefa ny vavaka ataontsika, dia mahazo matoky isika fa mandre sy mamaly izany izy. “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.” (Filipiana 4:6). Ny vavaka dia manampy antsika tsy hanadino ny maha-zava-dehibe ny zavatra masina.
19. Inona avy moa no fitahiana raisin’ny olona izay mihevitra ho sarobidy ny zavatra masina?
19 Vao avy nodinihintsika teo ny telo ambin’ny folo amin’ny zavatra masina maro tsy tokony hohamaivanintsika na oviana na oviana. Raha heverintsika ho sarobidy ireny zavatra ireny, dia hanana fifandraisana tsara hatrany amin’Andriamanitsika, Jehovah, isika, ka hahazo ny fitahiany. Mitondra fiadanan-tsaina mbamin’ny fieritreretana madio ho antsika ny fahazoana antoka ny amin’izany. Aoka àry isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hitanana izany fifandraisana sarobidy izany. Aoka isika ho tia an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra, ny saintsika rehetra, ny fanahintsika rehetra sy ny herintsika rehetra, dia ho tia antsika foana izy (1 Jaona 4:16). Ny fivadihantsika ihany no mety hanapaka izany fatoram-pitiavana izany. — Romana 8:38, 39.
20. Inona moa no tokony hatao mba hahazoana ny fiainana ao amin’izao tontolo izao vaovao nampanantenain’i Jehovah?
20 Aoka isika harisika hatrany koa eo amin’ny asan’ilay Fanjakana, hiantsoroka ny tombontsoantsika rehetra sy hihevitra ho zava-dehibe ny fandaharana ara-panahy rehetra ataon’i Jehovah. Amin’ny fo feno fankasitrahana mandrakariva, enga anie isika mba hihevitra ny lalàna rehetra sy ny fampahatsiahivana masin’i Jehovah rehetra, amin’ny tsy fanadinoana fa izany dia natao mba hitarihana antsika tsy hanana ahiahy tanteraka eo amin’ny lalan’ny fiainana. Raha manohy mandeha eo amin’io lalana ety izay mitarika ho amin’ny fiainana io isika, dia afaka manantena ny hiarovan’i Jehovah antsika mandritra ny fahoriana lehibe ary hanomezany antsika fitahiana mandrakizay ao amin’izao tontolo izao vaovao antomotra dia antomotra ankehitriny. Izany rehetra izany, dia satria isika ho nihevitra ho sarobidy ireo zavatra ara-panahy.
Ahoana no havalintsika?
◻ Inona no tokony hataontsika mba tsy hanamaivanana ny anaran’i Jehovah sy ny sorom-panavotan’i Kristy?
◻ Inona no mety hampiseho fa tsy mihevitra ho sarobidy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy ny fandaminany isika?
◻ Inona moa no sasantsasany amin’ireo zavatra mampiseho fa heverintsika ho sarobidy ny Teny sy ny lalàn’Andriamanitra, mbamin’ny fanantenana momba ilay Fanjakana?
◻ Ahoana no azontsika ampisehoana fa zava-dehibe ho antsika ireo fivoriana kristiana sy ireo tombontsoa teokratika?
◻ Inona moa no sasantsasany amin’ny zavatra hafa tokony hoheverintsika ho sarobidy?