FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/9 p. 8-9
  • Mikiry tsy hino ny Fariseo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mikiry tsy hino ny Fariseo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny finiavan’ireo Fariseo tsy hino
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Niady Hevitra Tamin’ilay Lehilahy Jamba Taloha ny Fariseo
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Nanasitrana Lehilahy Teraka Jamba i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Fanasitranana lehilahy iray teraka jamba
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/9 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Mikiry tsy hino ny Fariseo

REHEFA nampiantsoina teo anoloan’ny Fariseo ny ray aman-drenin’ilay mpangataka jamba teo aloha dia feno fanahiana tokoa. Fantany fa notapahina ny hevitra fa horoahina amin’ny synagoga izay rehetra maneho ny finoany an’i Jesosy. Mety faran’izay manahirana ny ho tapa-patorana amin’ny mpikambana hafa amin’ny fitambaran’olona indrindra ho an’ny fianakaviana mahantra iray. Izany no antony nisehoan’ireo ray aman-dreny ho malina.

“Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? hoy ny fanontanian’ny Fariseo. Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?”

“Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba, hoy ny fanamafisan’ireo ray aman-dreny; fa tsy fantatray izay nampahiratra ny masony.” Tsy isalasalana fa notantarain’ny zanany ny zava-niseho, nefa ny fara fahakeliny indrindra no tiany holazaina avy amin’izany: “Izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin’ny tenany.”

Nampiantso an’ilay lehilahy indray ary ny Fariseo sady tamin’ity indray mitoraka ity, dia nanandrana nampitahotra azy tamin’ny filazana taminy fa nahangona porofo ahitan’i Jesosy fahasahiranana izy ireo. “Omeo voninahitra Andriamanitra, hoy izy taminy; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.”

“Tsy fantatro na mpanota Izy na tsia”, hoy ny fanamarihany sady tsy mamaly ny fiampangan’izy ireo. Kanefa hoy ny nanampiny: “Zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.”

Nanandrana nitady tsininy tamin’ny fanambarany ny Fariseo, ka mbola nanontany azy hoe: “Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao”?

“Efa voalazako taminareo, hoy ilay lehilahy nisento, fa tsy nihaino hianareo. Nahoana no te-hihaino indray hianareo?” Sady naneso izy hoe: “Moa te-ho mpianany koa va hianareo?”

Nahatezitra ny Fariseo izany. “Ialahy no mpianany, hoy izy ireo niampanga azy, fa izahay mpianatr’i Mosesy. Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan’Andriamanitra; fa ny amin’izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.”

Sady tsy nanafina ny fahagagany ilay mpangataka nanetry tena no nihiaka hoe: “Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo izay nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.” Famaranan-kevitra inona no tokony hotsoahina? Nampahatsiaky fotopoto-pitsipika iray nekena ilay mpangataka: “Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota, fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny. Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’izay teraka jamba.” Miharihary àry ny valiny: “Raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.”

Tsy nahaloa-peo ny Fariseo teo anoloan’izany fanaporofoan-kevitra mirindra sy mazava sady tsy azo valiana izany. Tsy te-hiaiky ny fahamarinana izy ireo, ka niteny ratsy an-dralehilahy hoe: “Tena teraka tamin’ny ota ialahy, ka ialahy indray va no mampianatra anay?” Dia nandroaka azy tany ivelany izy tamin’izay, azo heverina fa tamin’ny fanilihana azy tsy ho ao amin’ny synagoga.

Rehefa nandre izay nataon’ireo Jesosy, dia lasa nitady ilay nositraniny, ka nanao taminy hoe: “Mino ny Zanak’Andriamanitra ve hianao?”

“Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoaka Azy?”

“Izay miresaka aminao izao no Izy”, hoy Jesosy namaly azy.

Avy hatrany dia niankohoka teo anoloan’i Jesosy ralehilahy ka nilaza hoe: “Tompoko, mino aho!”

Dia nanazava taminy Jesosy: “Ho fitsarana no nahatongavako amin’izao tontolo izao: mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.”

Ny Fariseo izay nandre dia nanao hoe: “Izahay koa va mba jamba?” Raha niaiky izy ireo fa jamba tao amin’ny sainy, dia ho nanana fialan-tsiny tamin’ny nanoherany an’i Jesosy. Izany no nolazain’i Jesosy taminy: “Raha jamba hianareo, dia tsy ho nanan-keloka.” Nanizingizina anefa izy ireo fa tsy jamba ka tsy nila fahazavana ara-panahy. Nanao izao fanamarihana izao àry Jesosy: “Hoy hianareo ankehitriny: ‘mahiratra izahay’. Dia tsy afaka ny helokareo.” Jaona 9:19-41.

◆ Nahoana no nanahy be ny ray aman-drenin’ilay mpangataka jamba taloha, rehefa nampiantsoina teo anoloan’ireo Fariseo izy ireo, ary, noho izany, nahoana no azo lazaina fa namaly tamim-pahamalinana izy?

◆ Ahoana no nataon’ny Fariseo mba hampitahorana an’ilay lehilahy izay tsy jamba intsony izao?

◆ Fanaporofoan-kevitra mirindra inona moa no naroson-dralehilahy izay nampahatezitra ireo Fariseo?

◆ Nahoana no tsy manana fialan-tsiny mihitsy ny Fariseo tamin’ny nanoherany an’i Jesosy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara