Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Mivelatra ny fahamarinan’ilay Fanjakana any Sri Lanka
IO nosy mahafinaritra io, mbola fantatry ny maro ihany amin’ny anarany fony izy zanatany hoe “Ceylan”, dia nandray indray ny anarany taloha hoe Sri Lanka, izay ny dikany dia hoe “tany mamirapiratra”. Ny toerana misy azy ao anatin’ny oseana Indiana dia nahatonga azy hahazo ny anaram-bositra hoe Ranomasin’i India. Indrisy anefa fa tsy hoe ranomasom-pifaliana ihany akory no arotsaka any, indrindra fa noho ny fifandonana ara-pirazanana mafy nolazain’ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena tato ho ato.
Na dia ao aza izany, dia mivelatra eto koa ny fahamarinan’ilay Fanjakana. Na Bodista na hindoa, na silamo na parsia sy mpikambana ao amin’ireo Fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia samy mahafantatra fa ny Fanjakan’i Jehovah tarihin’i Jesosy Kristy ihany no ho afaka hitondra fanafodiny maharitra amin’ireo ady ara-pirazanana sy ara-politika manimba ireo fitambaran’olona samy hafa. Ireto fitantarana zava-nitranga vitsivitsy ireto dia mampiseho fa mivelatra any amin’ny “tany mamirapiratra” ny fahamarinan’ilay Fanjakana.
◻ Hatramin’ny fahazazany, dia nampianarina an’i Salimoon fa ny Korana no Tenin’Andriamanitra. Tsy afaka nanaiky mihitsy anefa izy fa hoe ny Andriamanitra iray faran’izay mamindra fo dia ho afaka hampijaly olona ao amin’ny afobe mivaivay. Indray andro, dia nanasa azy ho any amin’ny fivoriana ny Vavolombelon’i Jehovah. Voavak’i Salimoon avy hatrany ny fahamarinana ary tsy niverina ilalana mihitsy izy. Faly izy izao miantsoroka ny andraikitry ny loholona eo anivon’ny kongregasiona iray.
◻ Harry, bodista hatramin’ny ela izay nanaporofo ny zotom-pony ara-pivavahana tamin’ny fandehanana teo ambony vainafo mirehitra, dia tsy naharaka ny lalana valo amin’ny fotopoto-pitsipi-pampianarana bodika, dia: 1) fomba fijery marina; 2) hevitra marina; 3) teny marina; 4) asa marina; 5) fomba fahavelomana marina; 6) fiezahana marina; 7) fitandremana marina; 8) fifantohan’ny saina marina, fotopoto-pitsipika valo tokony hifehy ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. Harry, izay nihevi-tena ho bodista tsara, dia nahita zava-manahirana ara-pianakaviana vitsivitsy noho izy nisotro, nifoka ary nanana fitondrantena tsy mendrika. Tapa-kevitra ny hianatra ny Baiboly izy tamin’ny farany. Tsy nahita olona hiara-mianatra aminy anefa izy. Rehefa reny fa ho tian’ny Vavolombelon’i Jehovah angamba ny hanampy azy, dia nankany amin’ny fivoriana iray tao amin’ny Efitrano Fanjakana izy ary nisy fandaharana natao mba hahafahany mianatra ny Baiboly. Vavolombelona silamo taloha no nanampy azy handray ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly. Ankehitriny, noho ny hery omen’i Jehovah, dia afaka manaraka amin’ny fomba feno ny lalan’ny fotopoto-pitsipika marina i Harry. Amim-pifaliana no iantsorohany ny andraikitry ny mpikarakara momba ny asa sy ikasany hanomboka ny asan’ny mpitory maharitra.
Araka izany, ny fahamarinan’ilay Fanjakana dia mivelatra any amin’io tany kanton’i Sri Lanka io izay ahitana Vavolombelona 1086. Noho ny fitomboana, dia mila trano lehibe kokoa ny sampana ary nisy fikarohana natao tamin’io lafiny io. Manorina Efitrano Fanjakana koa ny Vavolombelona. Tany Puttalam, ny kongregasiona iray voaforon’ny fianakaviana eo amin’ny folo dia nanapa-kevitra ny hanorina Efitrano Fanjakana malaladalaka hanaovana ireo fivoriamben’ny fizaran-tany. Vita ara-potoana ilay trano mba hanaovana ny fivoriambe izay nahavory olona 107. Efa ho avo roa heny izao ny kongregasiona ary olona 75 mahery no manatrika ireo fivoriana izay atao amin’ny teny “tamoul” sy “cinghalais”. Ary mbola ampy ho amin’ny fitomboana ny toerana.
Ireo faminaniana araka ny Baiboly efa tanteraka dia manaporofo fa, araka ny fampanantenany, tsy ho ela dia hamafa ny ranomason’alahelo rehetra Andriamanitra. Na dia ny fahatsiarovana ireo ady ara-pirazanana aza dia tsy ho tonga ao am-po intsony (Apokalypsy 21:4; Isaia 65:17). Raha mbola hanohy hifaly mandrakizay amin’ny vokatra milamin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny tsirairay avy, dia tsy hahita hikoriana afa-tsy ranomasom-pifaliana intsony io nosy mahafinaritra mibikana “ranomaso” io.