Mandray valin’ny nandrasany ny kilasin’i Gileada faha-84
HOY NY OHABOLANA 10:28: “Ny fanantenan’ny marina dia fifaliana.” Marina izany ny 6 martsa 1988 tany Jersey City, tao amin’ny Efitrano fanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fivoriambe. Afaka nahatsapa ny rehetra fa nitafotafo ny nantenaina teo amin’ireo olona 4360 tafavory.
Efa nanjaka sahady ny fifaliana sy ny fientanentana satria saika ny fianakavian’ny Betela manontolo, na ny tao Brooklyn na ny tany amin’ireo Toeram-piompian’ny Watchtower, dia samy tafahaona tao amin’io faritra mahafinaritra io. Na dia izany aza, ny rehetra dia niandry zavatra lehibe kokoa noho ny fivoriam-pianakaviana lehibe. Nifantoka tamin’ny fisehoan-javatra nomanina ny sain’izy ireo: ny fizarana diplaoman’ny kilasy faha-84 amin’i Gileada, Fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower.
Amin’izao andro izao, ao amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn (New York), dia naorina tamin’ny 1943 ny Sekolin’i Gileada mba hampandrosoana ny asa ‘fanaovana mpianatra’ araka ny sitrapon’Andriamanitra (Matio 28:19, 20). Rehefa tapitra ny dimy volana fianarana ny Baiboly, dia irahina maneran-tany ny mpianatra, tsy hoe mba hanao asa ahazoam-bola be, fa mba ho misionera (Matio 13:38). Takatra àry ny hoe nahoana izay rehetra nanana fahasambarana nanaraka ny fianaran’i Gileada no niandry zava-dehibe. — Jereo Lioka 12:48.
Namaly mazava izany nandrasana izany ireo lahateny natao nandritra ny andro. Ho fanombohana, George Gangas, anisan’ny Kolejy foibe, dia nanonona vavaka tami-kafanam-po. Nitari-draharaha i Carey Barber, anisan’ny Kolejy foibe koa. ‘Mandray anjara amin’ny fandaharam-pianarana lehibe indrindra teo amin’ny Tantara isika’, hoy izy. Avy amin’ny toko faha-6 amin’ny Isaia, dia nohazavainy fa matetika isika no tokony hitory ao anatin’ny toe-javatra ratsy. Sahala amin’ny tamin’ny andron’Isaia, dia angamba tsy hisy afa-tsy “ampahafolony” ara-panoharana, na “sisa”, no hihaino ny hafatra entintsika (Isaia 6:13; Romana 9:27). Na dia ao aza izany rehetra izany, dia tsy tokony hieritreritra mihitsy isika fa hoe very maina foana ny fitoriantsika!
Ireo fanamarihana mampahery ireo dia namoha ny fahalianan’ny mpihaino ho amin’ny tohin’ny fandaharana, dia fitohitohizan-dahateny fohy nefa mahery natao ho an’ireo nahazo diplaoma. Ny mpandahateny voalohany, Calvin Chyke, anisan’ny Komitin’ny fanontam-pirinty, dia nametraka izao fanontaniana izao: ‘Hiseho ho fitahiana ho an’ny hafa ve ianareo?’ Nandray fitahiana be dia be ireo nahazo diplaoma tao Gileada; anjaran’izy ireo kosa izao ny mba manome amin’izany, ny mampita ‘fanomezana ara-panahy’ ho an’olon-kafa (Romana 1:11, 12, MN ). Na dia rehefa mitranga aza ny fahasahiranana, ohatra ny tsy fahampiam-bola, dia tokony hanohy ‘hanome’ izy ireny eo amin’ny lafiny ara-panahy (Lioka 6:38). Amin’izay no ho tanteraka eo amin’izy ireo ny Salamo 84:6, MN hoe: “Eny, feno fitahiana ny mpampianatra.”
Nanarakaraka azy, David Olson, anisan’ny Komitin’ny asa fitoriana, dia nampahatsiahy an’ireo misionera fa mahaforona fianakaviana iray maneran-tany isika. Nandritra ny dimy volana izy ireo, dia nifaly tamin’ny fitiavana sy ny fanohanan’ireo mpiara-mianatra taminy, ary hatramin’izao dia hiely patra maneran-tany izy ireo. Nanome toky azy ireny ny rahalahy Olson fa ho hitany ny fahatanterahan’ny Marka 10:29, 30, izay mampanantena namana vaovao sy ‘fianakaviana’ vaovao.
Daniel Sydlik, izay anisan’ny Kolejy foibe, dia nampiseho fa mila ny ‘miandry zava-dehibe sy mahafinaritra’ ireo misionera. Namorona antsika hanana fahaizana miandry, manantena sy manonofinofy Jehovah. Raha izany no izy, moa ve ny misionera iray tsy tokony hiandry zavatra betsaka avy amin’ny tenany? ‘Mamera zava-kendrena ho an’ny tenanao, mitakia zavatra avy amin’ny tenanao! hoy izy tamin’ireo. Ianaro tsara ny fitenin’ny tany anirahana anao. Aza hadinoina ny mamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous! amin’ny fiteninao mba hitanana fahasalamana tsara. Rehefa mampianatra olona ianao, dia asaivo abaribariny ny zavatra antenainy. Ataovy izay hahatakarany fa antenaina ny hanatrehany ireo fivoriana sy ny hanomanany ny fianarany mialoha.’
Nanohy tamin’izany lalana izany ireo mpandahateny nanaraka. Nampahatsiahy ny mpianatra toy izao i Lyman Swingle, anisan’ny Kolejy foibe koa: ‘Ny maniraka anareo dia Jesosy Kristy. Ny tenany koa aza mba nirahina ho atỳ amin’ny faritany “hafa”, dia ny tany.’ Sahala amin’i Jesosy, ireo misionera dia tokony hihevitra ho zava-dehibe ny fanendrena azy, nefa tsy hihevi-tena ho zavatra loatra. ‘Mahaiza mihomehy noho ny fikaviavianao. Mampahatsiahy antsika ny Mpitoriteny 3:4 fa “ao ny andro ihomehezana”.’
Tonga ny fotoana hanaovan’ireo mpampianatra roa tao amin’ny sekoly ny hafatrafatra farany ho an’ireo mpianany. Izao no foto-kevitra novelabelarin’i Jack Redford: ‘Aza hadinoina na oviana na oviana ny asa nanirahana anareo!’ Tsy hita intsony ny hevitry ny teny hoe asa nanirahana ao amin’ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, izay matetika no nitsabaka tamin’ny politika. Nanatanteraka ny asa nanirahana azy, ny fitoriana, kosa i Jesosy, ka tsy nanaiky mihitsy ho voavilin’izay atolotr’izao tontolo izaon’i Satana. Noho izany, dia tokony hotadidian’ireo misionera mandrakariva ny antony nanirahana azy: mba hitondra ho an’ny olombelona ny sakafo ara-panahy tsy ampy be dia be eo aminy (jereo Matio 9:36). Noho izany, dia tokony handresy ny fandriky ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo sy ny fahalotoam-pitondrantena izy ireny. Raha mifantoka amin’ny asa fitoriana nanirahana azy izy ireo, dia manana fahatsinjovana ny handia fotoana mahafinaritra ao amin’ny faritaniny!
Nandray ny fitenenana rehefa avy eo i Ulysses Glass ka nampiasa rano iray vera sy vakana perla hatao fanoharana. Any amin’ny tany maro dia mety hampisalasala ny fahadiovan’ny rano iray vera, toy izany koa indraindray ny tsy fisian’ny hosokosoka amin’ny vakana perla. ‘Azo atao ve ny mino ny teny lazainao? Hoy ny fanontanian’ny rahalahy Glass. Noresahina fa ny tsy fisian’ny fahatsorana no fahavalo mikendry indrindra ny hanimba ny fifandraisan’olombelona.’ Inona no azon’ny misionera atao mba hinoana azy ireny tsy misy fisalasalana? ‘Lazao ny marina, hoy ny torohevitry ny rahalahy Glass, fa aza tsatsoina na aolana. Zava-dehibe izany, hino anao ny olona raha mahatoky ianao.’ — Efesiana 4:25.
Fotoan-dehibe tamin’ny maraina ny nanaovan’i Frederick Franz, prezidàn’ny Fikambanana Watchtower eo amin’ny faha-94 taonany, ny lahateny famaranana. Tamin’ny feo mbola mahatoky sy mafy ihany no nilazany indray ny tantaran’i Gileada. Tao anatin’ny ady lehibe faharoa, dia takatry ny Kolejy foibe fa ‘tsy hiafara amin’ny Haramagedona akory ny Ady Lehibe Faharoa. Hifarana izy io, ary dia harahin’ny vanim-potoam-pandriampahalemana.’ Naorina ny Sekolin’i Gileada mba hanararaotana araka izay farany azo atao ny fotoana sisa tavela — ary hatramin’izay dia nandeha tsara foana izy io! ‘Miaina amin’ny fotoana mety indrindra isika!’ hoy ny fihiakan’ny prezidàn’ny Fikambanana. Tamin’ny tehaka nirefodrefotra no nampisehoan’ny mpanatrika ny fankasitrahany ny fananaran’io lehilahy nanompo an’i Jehovah hatramin’ny ela be tokoa io.
Nisokatra tamin’izay ny ridao ka nampiseho, nipetraka terỳ an-damosin’ny lampihazo, ireo mpianatra 24 tao amin’ny kilasin’i Gileada faha-84. Na dia 31,6 aza ny antsalan’ny taonan’izy ireo, dia tsy mpitory vao nanomboka akory izy ireo, tsy izany velively! Porofon’izany, ny fitambaran’ny nitoriany ny filazantsara manontolo andro amin’ny antsalany dia 11,3 taona! Afa-tsy izany koa, izy ireo dia mahaforona antokon’olona tena avy amin’ny firenena samy hafa, avy any Pays-Bas, Aostralia, Finlande, Soeda, Alemaina sy Etazonia. Nampian’i Albert Schroeder, izay iray tamin’ireo mpampianatra voalohany tao Gileada, Carey Barber dia nizara ny diplaoma ary, ho fifalian’ny mpanatrika, dia notononina ny tany sivy izay handray an’ireo misionera: Philippines, Sierra Leone, Samoa andrefana, Taiwan, Tanzanie, Papouasie-Nouvelle-Guinée, Bolivie, Guam ary Colombie. Avy eo, tamin’ny anaran’ny kilasy manontolo no namakian’ny iray tamin’ny mpianatra taratasy tsara dia tsara ho fisaorana.
Nahatonga ho afaka hisakafo ny fiatoana kely, avy eo dia nivory indray ny rehetra hanao fianarana Ny Tilikambo Fiambenana nohafohezina, notarihin’i Robert Wallen, anisan’ny Komitin’ny Betela. Taorian’izany, dia nahena ny jiro ary nanao izao fanasana izao ny mpitari-draharaha tamin’ny fivoriana: ‘Afaka miala voly ianareo mba hanaraka amim-pahafinaretana izay nomanin’ny mpianatra ho anareo, dia ny fandaharan’ireo nahazo diplaoma amin’ny kilasy faha-84 mitondra ny lohateny hoe: “Hanome voninahitra ny fanompoany izahay”.’
Tamin’ny alalan’ny hira, fitantarana sy hatsikana, no nampisehoan’izy ireo tamin’ny ambagovangony ny fiainan’ny mpianatra, avy eo dia ny an’ny misionera. Nasehon’izy ireo, ohatra, ny fomba fampiasana ny faritany maro karazana ao New York mba hampiofanana ireo ho tonga misionera. Ny tantara mahatsikaiky avy amin’ny zavatra tena hitan’ny mpianatra, dia nanazava ny fomba azon’ny mpianatra ianarana manao fanambarana tampotampoka ao amin’ny “métro” (fiarandalamby mandeha any ambanin’ny tany). Toy izany koa, tamin’ny toa fampihomehezana, nefa marina, dia nasehon’ireo mpianatra ny fiezahana matetika mikaviavia nataon’ireo misionera mba hizarana amin’ny kolon-tsaina sy ny fomban’ny tany hafa.
Namintina ny fandaharana tamin’ny fomba nahafinaritra tamin’izao fehezanteny izao ny misionera vaovao iray: ‘Moa ve misy fomba tsaratsara kokoa fanomezam-boninahitra ny fanompoantsika toy ny fanampiana ny hafa hametraka ny fitokisany rehetra amin’ny Tenin’i Jehovah?’ Tsy azo lavina fa izay rehetra tonga teo dia voatosika hieritreritra ny amin’ny fomba ho azony anaovana misimisy kokoa eo amin’ny fitoriana. Ny famaranana dia fampisehoana tantara amin’ny andro ankehitriny nataon’ny mpianatra, izay nampiharihary ny ilàn’ny tsirairay avy amintsika hanaiky an’Andriamanitra. Nifarana toy izany indray ny andro nalaza, tamin’ny vavaka fisaorana nataon’i John Barr, anisan’ny kolejy foibe.
Tsy azo lavina fa araka ny nandrasana tokoa ny fizarana diplaoman’i Gileada. Fa raha ny amin’ny mpianatra mihitsy, dia mino mafy isika fa, sahala amin’ireo izay nialoha azy ireo, dia hanao mihoatra noho izay antenain’i Jehovah aminy, eny, izay takiny aminy, izy ireo: hanome voninahitra ny fanompoany any an-tany hafa!
[Sary, pejy 24]
Ireo nandray diplaoma tamin’ny kilasy faha-84 ao Gileada, Sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower
Ao amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana maridaharana avy atỳ aloha mankany aoriana ary ireo anarana dia tononina avy any ankavia miankavanana:
(1) C. Norberg; T. Holmes; J. Holland; B. Vehlen; D. Rector; K. Thomas 2) T. Rajalehto; T. Rajalehto; J. Hoefnagels; A. Moonen; C. Summers; H. Wahl 3) J. Holland; F. Holmes; H. Hoefnagels; V. Koivula; M. Moonen; B. Thomas 4) M. Wahl; W. Rector; G. Summers; P. Keighley; P. Vehlen; O. Norberg.