Manaporofo ny fahamarinan’ireo faminaniana ny vola tranainy iray
TSY mampahafantatra zavatra firy anao ireo vola madinika maneno ao am-paosinao na ny poketram-bolanao, afa-tsy ny hoe afaka mividy zavatra madinika vitsivitsy ianao. Misy vola madinika mitondra hafatra lehibe lavitra anefa.
Taloha kelin’ny hahafatesany, dia nambaran’i Jesosy ny fandravana mahatsiravina hahazo an’i Jerosalema, renivohitry ny firenen’Isiraely nivadika (Matio 23:37 ka hatramin’ny 24:2). Hoy izy: “Ary raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra, (...) fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.” — Lioka 21:20-22.
Tamin’izany fotoana izany ny Jiosy dia teo ambany fanapahana tsy mifaditrovan’ny Empira romana nahery. Ahoana no hanamarinana ny faminanian’i Jesosy? Voalohany indrindra, mba hampitsaharana fikomian’ny Jiosy tamin’ny 66 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nasain’i Cestius Gallus niakatra namely an’i Jerosalema ny tafika romana ary, araka ny nilazan’i Jesosy azy mialoha, dia voahodidina ilay tanàna. Rehefa avy eo, toa tsy hita izay antony, dia nihataka haingana ny Romana, ka faly aoka izany ireo mpikomy izay nihevitra izany fandresena izany ho toa fambara fanafahana rehefa ela ny ela. Nanefy vola madinika vaovao aza ny Jiosy, tahaka ilay hita eto akaiky (nomerao 1, 2).
Tsy nanaiky ho voafitaka velively anefa ireo mpianatr’i Kristy fa nanaraka ny baikony ‘handositra ho any an-tendrombohitra’ ary nandositra ny tranony tany Jodia. Niainga nanitsy an’i Jordana izy ireo ka nita azy, avy eo dia nanohy nianavaratra hatrany Pela, izay nanorenany fonenana. Nilaina anefa ve izany, rehefa fantatra fa nandritra ny taona vitsivitsy ireo Jiosy nijanona tany Jerosalema dia tsy nahita fanahiana? Na dia nanana vola vaovao aza ireo, tsy ho ela dia tsy ho afaka hividy na inona na inona amin’izany intsony izy ireo. Inona no antony?
Diniho ireo vola eo amin’ny sary nomerao 3 sy nomerao 4. Ireo dia sarin’i Vespasien jeneraly romana, izay notendrena ho mpandimby an’i Cestius Gallus. Araka ny filazan’ny Encyclopédie britannique, Vespasien dia tokony “hitarika ny ady tany Jodia, izay nandrahona ny hiteraka fikomian’ny ankapoben’olona nanerana ny Atsinanana, satria ny hevitra niely aoka izany tao amin’ireo faritra ireo dia ny hoe ho avy any Jodia ireo ho tompon’izao tontolo izao. Vespasien, lehilahy ninonino foana aoka izany, dia voatarika hino fa ho tanteraka amin’ny tenany izany zavatra nantenaina izany”. Nanao fitantarana araka ny tena izy ny amin’ireo ady nanaraka izany ilay mpanoratra tantara atao hoe Josèphe. Taorian’ny niakaran’i Vespasien teo amin’ny seza fiandrianan’ny emperora tamin’ny 69 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nanohy ny ady i Titus zanany ka tamin’ny farany dia nanao fahirano an’i Jerosalema. Namely an’ireo izay voahidy tao amin’ny mandan’ny tanàna ny mosary sy ny horohoro. Rehefa lavo Jerosalema, dia nirodana ny mandany ary rava ny tempoliny.
Firy no maty tamin’ireo tsy nety nihaino ny fampitandreman’i Jesosy? “Ho an’ireo olona efa ho fatin’ny hanoanana, ny Jiosy dia niaro ny manda fiarovana azy tamim-pikirizana mahagaga, ka namoizana ny ain’ny iray hetsy mahery tamin’izy ireo izany. Rehefa avy nahita maso ny nandoroana sy namaboana ny tempoliny masina sy ny nanafoanana azy tanteraka ny Jiosy nitovitovy isa tamin’izany, dia nentina ho any amin’ny fanandevozana, ary be dia be no noterena (...) hanao lalao nitarika ho amin’ny fahafatesana natao rembin’ny biby dia tamin’ny ‘lalao’ fampisehoana nalamin’i Titus nandresy.” — Ny vola tamin’ny andron’ny Baiboly (anglisy).
Ilay boky voatonona eo ambony dia manazava fa tamin’ny 71 amin’ny fanisan-taona iraisana ry Vespasien sy Titus dia nanao filaharam-pandresena tao amin’ireo araben’i Roma ho fankalazana ny fandreseny. Nefa “maharitra kokoa noho izay rehetra mety ho filaharana na fety, dia tafajanona ny vola madinika maro be nanamarika ny ‘fandresena’, indrindra fa io vola vita tamin’ny volamena io (nomerao 5) nataon’i Vespasien ho fahatsiarovana ny nanafihan’ny Romana an’i Jodia.
Nataon’ny Jiosy maro be fihomehezana angamba ny teny ara-paminanian’i Jesosy momba ny faran’ny fandehan-javatra, nefa tsy nahasakana ny fahatanterahany izany, ary porofon’izany ireo vola ireo. Misy fahatanterahany lehibe kokoa ny faminanian’i Jesosy amin’izao andro izao: izany dia fanambarana ny haharavan’ny fandehan-javatra ankehitriny. Miankina amin’ny safidinao ny fahafantarana hoe inona moa izany hafatra ho an’ny androntsika izany ary ahoana no ahafahanao mandositra an’io loza aman’antambo ho avy io.
[Efajoro/Sary, pejy 31]
1. Lafiny iray: Pruta (na prutah) vita amin’ny alimo natonta taorian’ny Fikomiana voalohany (66-70 am. fan. ir.), ahitana sarina karazan-tsiny misy tahony roa. Ny dikan’ireo soratra hebreo dia hoe “taona faharoa”, izany hoe 67 amin’ny fanisan-taona iraisana, taona faharoa nahazoan’ny Jiosy ny fahaleovantenany.
2. Ambadika: Ravim-boaloboka voahodidin’ny teny hoe “Fahafahan’i Ziona” na “Fanafahana an’i Ziona”.
3. Lafiny iray: Vola romana alimo natontan’i Vespasien emperora ho fahatsiarovana ny nandresena an’i Jodia. Ireo fanafohezan-teny latina manodidina ny sariny dia hoe IMP[erator] (Emperora) CAES[ar] VESPASIAN[us] AVG[ustus] P[ontifex] M[aximus] (mpisoronabe) TR[ibunicia] P[otestate] (mitana ny fahefan’ny mpiaro vahoaka) P[ater] P[atriae] (rain’ny tanindrazana) CO[n]S[u] III (amin’ny fanaovany ny ‘consulat’ fahatelo), ka izany dia manondro ilay vola ho tamin’ny 71 amin’ny fanisan-taona iraisana.
4. Ambadika: Eo ankavia, ny emperora Vespasien (na ny jeneraly Titus) manao fanamiana jobily, mitana lefona sy sabatra fohy, manitsaka satro-by. Eo ankavanana, vehivavy Jiosy iray eo ambany antrendry, mipetraka eo ambony fiarovan-tratra vy, mitomany sy misaona. Ny dikan’ny teny hoe IVDAEA CAPTA dia “Jodia babo”. Io vola io dia natonta S[enatus] C[onsulto], “neken’ny Antenimieran-doholona”.
5. Ambadika: Aureus (vola vita amin’ny volamena) tamin’ny andron’i Vespasien, mampiseho ny fampahoriana an’i Jodia.
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Tantara atsinanana-akaiky) Est.