Mijoro Tsara na dia Ao Aza ny Fanerena Toa Tsy ho Zakan’olombelona
Toy izany ve ny aminao?
Izany no hita amin’ny olona maro izay mahita fanampiana amin’ny fahafantarana ny fomba nisetran’ny hafa ny fahasahiranany. Ny Fikambanana Watchtower dia naharay sary avy any Greenville (Etazonia) nanazava izao: “Tiako aoka izany ny tantaram-piainan’ny kristiana izay nijaly mafy mba hitanana ny tsy fivadihana. Tsy indray mandeha aho no nitomany mafy rehefa namaky ireny fitantarana ireny: niharihary fa Jehovah irery ihany, ilay Andriamanitra marina, no nahafaka ireny olona ireny tamin’ny fitsapana nahazo azy. Mianatra fanetren-tena sy fankasitrahana aho rehefa mamaky izay nihatra tamin’izy ireny, ka izany dia manampy ahy tsy hieritreritra loatra ny tenako sy tsy ho tia tena.”
Ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1988 dia feno fitantaram-piainana kristiana niorina mafy tamin’ny fanohanana ny rariny nandritra ny ady tany Kore sy ireo taonan’ny fampihorohoroana tany Irlande. Lazain’ny Annuaire amin’ny ambangovangony koa ny tantaran’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Costa Rica, sy ny tabilao iray mampiseho ny asany maneran-tany.
Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisana ny zavatra, ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1988. Indro ampiarahiko amin’ity ny fandraisana anjara an-tsitrapo 600 FMG.