Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Mandray ireo olona tonga ho amin’ny fivoriambe “Ny fiadanan’Andriamanitra” i Guinée
VAO voalohany no nanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fivoriamben’ny distrika tao amin’ny Repoblikan’i Guinée (Afrika andrefana), ny 1 ka hatramin’ny 4 janoary 1987. Na dia tsy mbola ekena amin’ny fomba ofisialy aza ny asan’izy ireo ao amin’io tany io, izay saiky miozilimana ny mponina ao, ny Vavolombelona gineana dia fantatra ho olona mahafinaritra, tsara fanahy sady tsy mpila ady. Izany laza izany no nahatonga ny fandraisana mafana natokan’ny fitondram-panjakana ho an’ireo olona tonga mba hanatrika ny fivoriambe “Ny fiadanan’Andriamanitra”.
Anisan’izy ireny ny misionera 9 avy tany Freetown (Sierra Leone) nandeha tamin’ny kamiao kely sy moto roa. Rehefa tonga teo amin’ny sisin-tany izy ireo dia voatery nita renirano iray tamin’ny fampiasana baka voaforon’ny lakana telo voataingin’ny hazo fisaka napetraka nitsivalana. Rehefa tonga soa aman-tsara teny am-pita niaraka tamin’ny fiarany izy ireo dia nanontany ny saran’ny fiampitana. “Vavolombelon’i Jehovah ianareo, hoy ny navaly azy ireo, maimaimpoana izany ny anareo.”
Nefa inona no hitranga eo amin’ny ladoany sy ao amin’ny sampan-draharaha mikarakara ny fifindram-ponenana? “Aza manahy ianareo, hoy ny nolazaina taminy, efa voalamina ny zava-drehetra. Ento eny aminareo fotsiny ny marika famantarana (insigne) anareo.” Solontena an-jatony maro hafa no niaina tarehin-javatra mitovy amin’izany. Ny fitondram-panjakana gineana tokoa dia nanao fandaharana mba hahafahan’izay rehetra mitondra ny marika famantaran’ny fivoriambe “Ny fiadanan’Andriamanitra”, mita maimaimpoana ny renirano mampisaraka an’ny Guinée amin’i Sierra Leone sy Libéria ary mba hafahana amin’ny taratasy tokony hofenoina eo amin’ny ladoany sy ny fanaraha-maso ny amin’ny fifindra-monina izy ireny. Ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray avy tany Libéria dia nanao izao fanazavana izao: “Tsara lavitra noho ny pasipaoro ny marika famantarana.”
Ny manam-pahefana gineana dia nitondra ny fanampiany koa tamin’ny lafiny hafa. Nanome fiara manokana iray izy hiantohana ny fitaterana ireo Vavolombelona avy tao Conakry, renivohitra, ho any Guéckédou, tanàna hanaovana ny fivoriambe, izay mifanalavitra eo amin’ny 640 kilaometatra mahery. Nanome lalana ny fivarotan-dasantsy ho an’ireo fiara avy Freetown izy ireo ary nomeny toromarika ny trano fandraisam-bahiny akaiky indrindra ny toerana hanaovana ny fivoriambe mba hanokana ny efitranony rehetra ho an’ny Vavolombelona. Ankoatr’izany, dia namela ny hanaovana ny fivoriambe ao amin’ny trano malalaka monisipaly izay nampindramina maimaimpoana ho amin’ny tarehin-javatra niseho izy ireo.
Ny governoran’ilay faritra, mpiasam-panjakana ambony indrindra teo an-toerana, dia nampiantrano solontena 11 tao amin’ny fonenany manokana. Anisan’ny olona 1 132 nanatrika ny lahateny ampahibemaso natao ny alahady koa izy.
Azo antoka fa tsy hanadino ny fisehoan’ny hatsaram-po naseho tamin’ireo mpanompony tamin’io fotoana io Jehovah Andriamanitra. — Matio 10:42; 25:40.