Fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana tany India
TAMIN’NY 11 aogositra 1986, ny Fitsarana tampony tao New Delhi dia namoaka fanapahan-kevitra izay nanaitra olona an-tapitrisany maro. Tamin’ny fe-potoana iray nanindrahindram-pirenena tsy nisy toy izany, dia vitsy ny olona nanantena hahita ny hanajana ny fahalalahana ara-pivavahan’ny antokon’olom-bitsy izay mila tsy ho fantatra akory. Nefa taorian’ny fandinihana tamim-pitandremana ny zava-nisy, ny andrim-panjakana indiana ambony indrindra dia namoaka didy fa tsy azo atao ny manery ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah hiredona ny hiram-pirenena. Indro tapany amin’io didim-pitsarana manan-tantara io:
“Amin’io raharaha io dia ekenay fa ny fandroahana an’ireo ankizy telo tao an-tsekoly satria nanaja tamim-pieritreretana tsara ny finoany izy ireo, ka tsy nandray anjara tamin’ny firedonana ny hiram-pirenena natao isa-maraina, sady nijoro tamim-panajana nandritra io hira io, dia fandikana ny zo fototra ananan’izy ireo raha ny amin’ny ‘fahalalahana ara-pieritreretana sy ny fahafahana manaraka sy mampiely ny fivavahany’.”
Ny mpitsara O. Chinnappa Reddy sy M. Dutt ao amin’ny Fitsarana tampony any India no nanapa-kevitra tamin’io raharaha tonga nalaza mifandray amin’ny toeran’ny Vavolombelon’i Jehovah eo anatrehan’ny hiram-pirenena io.
Ny fiandohan’ny fifanolanana
Saika ny antsasaky ny Vavolombelon’i Jehovah indiana 8 000 no monina ao amin’ny Fanjakana kelin’i Kerala, any amin’ny farany atsimon’io firenena midadasika io. Ao amin’ny ankamaroan’ny sekoly ao amin’io Fanjakana io, dia hiraina isan’andro ny hiram-pirenena. Tao amin’ny sekolin’ireo ankizy telo resahina eto, dia fanaon’ny mpianatra rehetra ny miara-miredona ny hiram-pirenena. Kanefa ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah dia nijoro fotsiny raha mbola nihira ny hafa. Momba izany, dia izao no vakina ao amin’ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana tampony: “Tsy nisy olona nahita hokianina tamin’izany. Tsy nisy olona tafintohina. Tsy nisy olona nitsara io fihetsika io ho tsy ampy fanajana na tsy tia tanindrazana. Navela hanaraka malalaka ireo zavatra inoany ny ankizy.” Izany no tarehin-javatra hatramin’ny taona maro.
Tamin’ny jolay 1985 anefa, ny mpikambana iray tao amin’ny Antenimieran-dalàm-panjakana dia nanambara fa teo imasony dia tsy tia tanindrazana izay rehetra mandà ny hanao ny hiram-pirenena. Nisy ady hevitra taorian’izany, ary ny rapaoron’io ady hevitra io dia navoaka tao amin’ireo gazety maro mpamaky tao amin’ilay firenena.
Tao Kerala, ny tompon’andraikitra tao amin’ny ankamaroan’ireo sekoly, izay nampiseho hatsaram-panahy tamin’ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah hatreo, dia nanomboka natahotra noho ny fanoherana nitranga tao amin’ny Antenimieran-dalàna sy ny resa-be natao nanodidina io raharaha io. Ho vokatr’izany dia voaroaka avy tany an-tsekoly ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah.
Ankizy mifanandrina amin’ny Fanjakana
V. Emmanuel, izay nanana zanaka telo tsy ampy taona, Bijoe, Binu Mol ary Bindu, voaroaka avy tao an-tsekoliny, dia nitady vaha olana ara-pitsarana. Nino mafy izy fa nomba azy ny lalàna. Fantany fa araka ny laharana faha-25 (1) amin’ny Lalàm-panorenana any India “ny rehetra dia manana zo ho amin’ny fahalalahana ara-pieritreretana ary afaka malalaka manaraka sy mampiely ny fivavahany”.
Tamin’ny farany, dia nandinika ilay raharaha ny Vaomiera iray tao amin’ny Fitsarana Ambony ao Kerala nefa nolaviny ny fitarainana nataon’i V. Emmanuel. Nanaitra tokoa izany satria ny Lalàm-panorenana indiana dia tsy milaza fa tokony horedonina ny hiram-pirenena mba hampisehoana fa manaja izany ny tena. Milaza fotsiny izy fa ny olom-pirenena dia tokony “hanaiky ny Lalàm-panorenana ary hanaja ireo zava-kendreny sy ireo andrim-panjakany, ny sainam-pirenena sy ny hiram-pirenena”. Tsy misy lalàna hafa mihitsy mitaky ny hiredonan’ny olom-pirenena indiana rehetra ny hiram-pirenena.
Nentina teo amin’ny Fitsarana tampony tao India ilay raharaha. Ny didy navoakan’io fitsarana io, izay nanafoana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana ambony tao Kerala, dia nanambara izao manaraka izao: “Ny Fitsarana ambony dia tsy nahay namotopototra ilay raharaha ka diso hevitra. Nandinika tamim-pitandremana ny teny sy ny hevitra tsirairay tamin’ny hiram-pirenena izy ka nanao famaranan-kevitra fa tsy nisy na inona na inona tao amin’io hira io tokony hanohina ny fihetseham-po ara-pivavahan’iza na iza.” Nefa, araka ny nanamarihan’ny Fitsarana tampony azy ara-drariny, dia “tsy tamin’izany no nipetraka ny raharaha”.
Ilay raharaha tokoa dia ara-pivavahana; nikasika ny zon’ny isam-batan’olona hihazona ny fahalalahany ara-pivavahana izany. Raha ny marina, dia tsy miredona ny hiram-pirenen’ny tany na aiza na aiza ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireny hira ireny dia vavaka natao an-kira ka noho ny fieritreretany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandà ny fihirana azy ireny. “Laviny ny hampiray ny feony amin’io hira io, hoy ny fanazavana mazava nataon’ny Fitsarana tampony any India, satria ekeny mafy fa ny fivavahany dia tsy mamela azy ireo handray anjara amin’ny fombafomba na inona izany na inona, raha tsy ao anatin’ny faritry ny vavaka atolony ho an’i Jehovah Andriamanitra.”
Tsara homarihina fa ny Lalàm-panorenana indiana dia miantoka “ny fahalalahana ho amin’ny fiteny sy fanambarana hevitra”, izay mahafaoka ny fahalalahana mihazona fanginana. Izany no nataon’ireo ankizy Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny firedonana ny hira nalamina isa-maraina — nangina fotsiny izy ireo. Ny mpampianatra tao Kerala anefa, raha ny marina, dia nandrara ny fanginana. Noho izany, ny raharaha dia hoe mifanaraka amin’ny zo arovan’ny Lalàm-panorenana ve izany fandrarana izany.
Ny Fitsarana tampony dia tonga tamin’izao famaranan-kevitra izao: “Aoka hotsahivintsika indray mandeha fa tsy misy lalàna mandidy na iza na iza mihitsy hiredona ny hiram-pirenena. Tsy heverinay ho tsy fahampiam-panajana ny hiram-pirenena ny fijoroan’ny olona iray amim-panajana fotsiny tsy misy fandraisana anjara amin’izany mandritra ny firedonana an’io hira io.”
Araka ny voalazantsika tetsy ambony, araka ny Lalàm-panorenana, ny olom-pirenena rehetra dia ‘tokony hanaja hiram-pirenena’. Momba izany, ny didy iray navoaka tamin’ny 1971 mba hiarovana ny fitenenan-dratsy ny hajam-pirenena dia nilaza mialoha izao: “Izay olona rehetra manakana na manakorontana an-tsitrapo ny firedonana ny hiram-pirenena dia hohelohina ho amin’ny sazy an-tranomaizina mety ho hatramin’ny telo taona, na handoa sazy, na koa ho amin’izy roa.” Kanefa, ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy nanakana velively na iza na iza tsy hanao ny hiram-pirenena. Tsy nanakorontana mihitsy izay mety ho antokon’olona teo am-pihirana izany koa izy.
Fandrahonana ho an’ny firaisam-pirenena?
Anankiray amin’ireo fanaporofoan-kevitra naroson’ny Fanjakana dia ny hoe zava-dehibe ho an’ny firaisan-tsaina sy ny tsy fivadihan’ilay tany ny firedonana ny hiram-pirenena. Nefa, moa ve fanaovana izay hisian’ny firaisan-tsaina eo amin’ny firenena iray na ny hisian’ny tsy fivadihan’ny olom-pirenena eo aminy ny fanerena olona hiredona ny hiram-pirenena?
Ny hiram-pirenena indiana dia amin’ny fitenin’ny Fanjakana iray monja, noho izany dia tsy azon’ny ankamaroan’ny Indiana izay mihira azy. Araka izany, ho an’ny ankamaroany, ny fihirana izany dia tsy misy dikany marina ka mahaforona fombafomba iray tsy misy heviny. Tsy mandray anjara amin’izany karazana fombafomba izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mivavaka afa-tsy amin’i Jehovah Andriamaniny izy ireo.
Voalaza koa fa raha momba an’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny didim-pitsarana avoakan’ny Fitsarana tampony, dia hahatandindomin-doza ny filaminam-pirenena izany. Nefa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mahaforona afa-tsy ampahany kely indrindra any India, ary miisa ho 8 000 monja. Amin’ny fomba ahoana moa no mety handrahonan’io antoko kely io ny firenena iray misy mponina 800 tapitrisa mahery? Ankoatr’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra maneran-tany noho ny fahamarinany sy ny fanajany ny lalàna.
Izany no nahatonga ny mpahay lalàna nizeriana iray nilaza toy izao: ‘Ny Vavolombelona dia olom-pirenena mpanaja lalàna, izay mandoa ny hetrany. Izay Vavolombelona rehetra afaka ny ho marina amin’ny fivavahany ka manaraka izany hatramin’ny fahavononana hamoy tombotsoa sasantsasany mihitsy aza, dia ho marina koa amin’ny lafiny maro hafa. Ny antony handavany ny hangalatra amin’ny fitondram-panjakana, raha mbola miredona ny hiram-pirenena ny mpiara-miasa aminy taorian’ny nanodinkodinan’izy ireny vola, dia satria ny Baiboliny, izay mitaky aminy ny tsy hiredonany ny hiram-pirenena, no milaza aminy koa mba tsy hangalatra.’
Ny fehezan-teny farany tamin’ilay didim-pitsarana malaza navoakan’ny Fitsarana tampony dia miavaka. Toy izao izany; “Aoka isika hanampy izao manaraka izao fotsiny: ny fomban-drazantsika dia mampianatra ny fandeferana; ny filozofiantsika dia mampianatra ny fandeferana; ny Lalàm-panorenantsika dia miaro ny fandeferana; aoka isika tsy hampihem-bidy izany.” Hanaraka izany hevitra tsara izany ve ny fitondram-panjakana sy ny tompon’andraikitra? Hohajaina ve ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana tampony? Ny ho avy ihany no hilaza izany amintsika.
[Sary, pejy 23]
Izy telo dahy izay nandà tamim-panajana ny handray anjara tamin’ireo fombafomba fampisehoana fitiavan-tanindrazana.
Ny fianakaviana kristian’izy telo dahy.
Rehefa avy nanaraka ny fitsarana ireto mpianakavy ireto, dia nanaiky hianatra ny Baiboly ary natao batisa.