Ny fankatovana: mbola ara-damaody
“METY hieritreritra ny tena fa amin’izao andron’ny fahazavana sy fahalalana iainantsika izao dia tsy ilaina ny mampihem-bidy ny finoana miorina amin’ny majika sy ny finoanoam-poana.” Notsoahina avy amin’ny tatitra nosoniavin’ny manam-pahaizana malaza 186 io fanambarana io, ka 18 aminy no nahazo ny loka Nobel. Inona moa no anton’ny tatitr’izy ireo? Niompana tamin’ny fanandroana izany, endrika fatra-pielin’ny fankatovana amin’ny alalan’ny fandinihana ny kintana sy, araka ny hevitr’ireo manam-pahaizana ireo, “manenika ny fitambaran’olona amin’izao andro izao”. Ianao koa, mino karazam-panaovana fankatovana sasany ve ianao? Sa mihevitra ianao fa tsy takatry ny olombelona izay tena marina, ka mety hanohitra izany fanao izany mihitsy aza toy ireo manam-pahaizana ambony ireo? Zava-dehibe izay heverinao ny amin’io raharaha io. Andeha hoheverintsika hoe nahoana.
Tena fanao mahazatra be ny fankatovana. Araka ny mpitondra tenin’ny fivoriamben’ny mpahita natao tany Paris, “Frantsay 4 tapitrisa no manatona mpanao fankatovana isan’enim-bolana”. Any Etazonia, dia tombanana ho 175 000 ny mpanandro miasa tapa-potoana ary 10 000 no manontolo andro. Maro be koa izy ireo any Grande-Bretagne, toerana ananany sekoly manokana. Ary ny gazety frantsay Ça m’intéresse dia manao izao fanamarihana izao: Hatraiza hatraiza, ao anatin’izany ny fikambanana mandroso indrindra, dia ahitana tarehi-marika mitovy amin’izany. Satria ny fankatovana, amin’izao faran’ny taonjato faha-20 izao, dia asa iray mandroso tokoa.
Iza no manatona azy, ary nahoana?
Mety hieritreritra ny sasany fa ny olona kelikely fahalalana na avy amin’ny sosony ara-tsosialy ambany indrindra ihany no liana amin’ny “fahalalana” miankina amin’ny zava-miafina, ka ny fanandroana no azo antoka fa fatra-piely indrindra. Nefa Ramatoa Soleil, mpanandro frantsay malaza dia mitondra izao fanambarana izao: “Tonga avokoa ny rehetra, avy ankavanana toy ny avy ankavia, mpanao politika avy amin’ny sisiny rehetra, filoham-pirenena vahiny. Misy pretra mbamin’ny kaoministra mihitsy aza ao amiko.” Ao amin’ny laharan-kevitra mitovy amin’izany, rehefa maty ilay magy natao hoe Frédéric Dieudonné, ny lahatsoratra iray niseho tao amin’ny Le Figaro, gazety tsara iray mivoaka isan’andro, dia nampahatsiaro fa io lehilahy io dia nanintona “olona tena maro be tokoa, olona ambony pariziana, minisitra, mpiasam-panjakana ambony, mpanoratra, mpanao hatsikana”.
Manatona mpanandro ireo mpiloka mba hampidirana ny fanambiny. Ireo mpanao raharaham-barotra dia manontany azy izay hampiasana ny volany. Vonona hilaza aminao ny fotoana tokony handehananao amin’ny dia lavitra na izay tokony handrahoinao aza ireo mihambo ho mpilaza soa. Mbola nahatratra faritra hafa koa ny fankatovana. Ny sampan-draharahan’ny mpitandro filaminana amin’ny tany samy hafa dia mitady fanampiana amin’ny mpahita mba hikarohana mpanao heloka bevava na olona very. Ary araka ny Le Figaro-Magazine dia, “ampiasain’ny Pentagone (minisiteran’ny tafika any Etazonia) ny olona 34 manana fahitana faharoa mba hanome hevitra azy ny amin’izay mitranga ao amin’ny foibe ara-tafika miafin’i U.R.S.S.”. Io gazety io ihany koa no milaza fa araka an’i Charles Rose, mpikambana ao amin’ny Kongresy amerikana, ny Rosiana dia mampiasa koa ny fahefan’ny mpanao azy ho tsindrian-javatra.
Nahoana àry no mbola ara-damaody foana toy izany ny fanandroana? Fandanian’andro tsy mampidi-doza ve izany? Izany ve no fomba azo antoka indrindra hamantarana izay tehirizin’ny ho avy ho antsika, sa misy fomba hafa tsaratsara kokoa? Aoka hojerentsika raha mety hahitana valiny ireo fanontaniana ireo.