Ny ho avinao: ny fomba iray tsara indrindra hamantarana azy
TAMIN’NY 1962, dia naminany loza aman’antambo haneran-tany ny mpanandro karana “noho ny fifanandrifian’ny planeta valo amin’ny mari-bintana Capricorne tsy mba mateti-pitranga”. Kanefa, tsy nisy na inona na inona nitranga. Vao haingana kokoa, teo amin’ny faran’ny taona 1980, ny ankamaroan’ny mpanandro frantsay dia niray hevitra fa ny filoha miasa, Atoa. Giscard d’Estaing, dia ho lany indray amin’ny fitambaran-taom-piasana faharoa. Nefa ny mpifaninana taminy, Atao. François Mitterand, no nandresy tamin’ny fifidianana. Ireo fahadisoana karazan’izany no manome hevitra antsika fa tsy fomba azo antoka hamantarana ny ho avy ny fanandroana.
Misy hafa ve, raha izany? Ohatra, ny fiezahana ataon’ny manam-pahaizana mba hanambarana ny ho avy ve mba mety hamonjy anao? Izao no nambaran’ny fianarana ambony amerikana iray tamin’ny 1970 momba izay mety hiseho amin’ny 1980: “Fanafody mahasitrana ny homamiadana, fisidinana hipetraka eny amin’ny Mars sy Venus, foibe maharitra eny amin’ny volana, fiarakodia mandeha herim-baratra, fitaovana mpisaina (ordinateurs) fampiasa an-tokantrano natao ho an’ny maro, fisafidianana na ho lahy na ho vavy ny zanaka alohan’ny hahaterahana, sarimihetsika sy televiziona mivohitra.”
Tamin’ny 1970, no nanambara toy izao ireo mpikambana tao amin’izany fianarana izany: “Izany fandaharana [fanambarana mialoha] izany dia mikendry ny hampisongadina avy amin’ny fanatonana antokon’ny manam-pahalalana tombantombana iraisana azo ianteherana.” Nefa ny fanombantombanan’ireo manam-pahaizana ireo dia niharihary ho diso tamin’ireo lafiny ireo sy tamin’ny maro hafa koa, toy ny politika sy ny toe-karena.
Loharanom-panazavana azo antoka
Raha tsy afaka mahita mialoha amim-pahamarinana izay hitranga ny mpanandro sy ny manam-pahaizana, midika ve izany fa tsy ho azo atao ny hahazo fanazavana mendrika itokisana mahakasika ny ho avy? Alohan’ny handavana ny fikarohana rehetra, dia tokony hanopy maso kely amin’izay ambaran’ny Baiboly momba izany isika. Tsarovy tokoa fa Jehovah, mpanoratra io boky io, dia antsoina hoe “Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary manambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory”. — Isaia 46:10.
Mirakitra faminaniana maro be ny Tenin’Andriamanitra. Amin’ny ahoana moa izy ireny no samy hafa amin’ny fanambarana mialoha nataon’ireo mpanandro? Izao no valiny omen’ny boky iray mitondra ny lohateny hoe Ireo hevitra lehibe (anglisy): “Nefa raha ny momba ny fahalalana mialoha izay nomena ny olona mety maty, dia toa tsy manan-tsahala ireo mpaminany hebreo. Mifanohitra amin’ireo mpahita mpanompo sampy, (...) dia tsy mba voatery nanao izay hampiasana fitaka izy ireo mba hidirana ao amin’ny zava-miafin’Andriamanitra. (...) Ny ankamaroan’ny tenin’izy ireo ara-paminaniana, mifanohitra amin’ireo valin-tenin’ny sampy nanontaniana, dia tsy mba avy amin’ny fahaizana mampisalasala. Fara faharatsiny ny fikasany dia toa ny hampiharihary, fa tsy hanafina, ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ireo raharaha ireo, raha mbola irin’ny Tenany mihitsy ny hahazoan’ny olona vinany ny fizotry ny fitondran’Andriamanitra.”
Ohatra, fanazavana maro momba an’i Jesosy no voarakitra ao amin’ny Baiboly taonjato maro nialoha ny hahaterahany. Naminany ny Soratra Masina fa ho teraka ao Betlehema izy ary ho avy amin’ny taranak’i Jese, rain’i Davida mpanjaka (Mika 5:1 [5:2, MN ]; Isaia 11:1, 10). Nambarany koa fa ho faty eo amin’ny hazo izy, kanefa tsy hisy hotapahina ny taolany na dia iray aza, mifanohitra amin’izay takin’ny fanao amin’ny fanamelohana toy izany. Niharihary ho marina ireo antsipiriany ireo, ary tsy mahaforona afa-tsy sasantsasany amin’ny faminaniana tanteraka ny amin’i Jesosy, izay mahatratra 120 araka ny filazan’ny mpandinika ny Baiboly iray. — Salamo 22:16, 17; 34:20.
Faminaniana iray tanteraka amin’izao androntsika izao
Ankoatr’izany ny Baiboly dia mirakitra faminaniana mifandray amin’izao androntsika izao. Aoka hoheverintsika ny iray amin’ny lehibe indrindra amin’ireny. Manoritra fitohitohizana fitrangan-javatra tokony hanamarika ny vanim-potoana hialoha avy hatrany ny fisalovanana mampitolagagan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny raharahan’ny tany izy io. Anisan’izany fitrangan-javatra izany ireo ady lehibe, ny areti-mandringana, ny mosary sy ny fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna. Tsy asehon’ny vaovao maneran-tany ve fa mihamafy ireo loza ireo mandritra ny taonjato faha-20? — Matio 24:3, 7-14; Lioka 21:7, 10, 11; II Timoty 3:1-5.
Nohazavain’i Jesosy fa ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo dia hanambara ny fiavian’ny Fanjakany amin’ny fomba azo antoka toy ny hazo manaroka manambara fa akaiky ny lohataona. Nohantitranteriny mihitsy aza fa tokony ho tanteraka ao anatin’ny taranaka iray ihany ireo. Amin’izao ora ankehitriny izao, ny endriny rehetra amin’io famantarana io, anisan’izany ireo antsipiriany voalaza tetsy ambony, dia tanteraka eo imasontsika nanomboka tamin’ny 1914a. Afaka matoky tanteraka àry isika fa hanao zavatra tsy ho ela tokoa ilay Fanjakana. — Lioka 21:29-33.
Mbola nanambara koa ireo faminaniana fa izao androntsika izao dia hiavaka noho ny “fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra”. (Lioka 21:25.) Kanefa, nahoana ny fanandroana sy ny endri-pankatovana hafa no mbola tena maharenoka be amin’izao andro ankehitriny izao? Namaly ny Le Monde dimanche hoe: “Manoloana ny fahasahiranana mafy, dia tsara avokoa ny fomba rehetra hahazoan’ny tena toky. Ho setrin’ny fiezahana kely monja, ny fahalalana miankina amin’ny hery miafina dia nampiely fampaherezana lehibe. Ary rehefa manenika ny zavatra rehetra ny siansa ka mampitahotra ny zava-bita sasany — teo amin’ny sahan’asa noklehera na ny fanaovan-javatra momba ny fananahana —, dia alaim-panahy ny tena handositra any amin’ny tsy fantatra sy izay tsy mifanaraka amin’ny fandrindran-kevitra ara-drariny mba hahitana ny hevitry ny fiainana.” Ny fahalianana aseho amin’ny fanao miorina amin’ny asan’ny maizina toy ny fanandroana àry dia tsy tokony hahagaga antsika. Mahaforona iray amin’ny famantarana ny “fahoriana” tsapan’ny olona ankehitriny izy io, ho fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy.
“Asandrato ny lohanareo”
Inona no tokony hataon’ny kristiana raha mahita izany fitrangan-javatra rehetra izany? Tokony ho raiki-tahotra ve izy, sahala amin’ny olona manodidina azy? Nanome izao torohevitra manaraka izao i Jesosy: “Ary raha vao miandoha izany zavatra izany, dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” — Lioka 21:28.
Ho tianao ve ny hahalala antsipiriany bebe kokoa amin’ny ho avinao? Makà àry fotoana handinihana lalina ny Baiboly ary “izahao toetra ny teny ara-tsindrimandry, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia”. (I Jaona 4:1, MN ) Afaka mandroso amin’io fandinihana io ianao amin’ny fanampian’ny Ny Tilikambo Fiambenana, izay mamakafaka tsy tapaka ireo faminanian’ny Baiboly sy manazava ny fomba iharan’izy ireny amin’ny androntsika. Amin’izany, ianao koa dia ho afaka ‘hanandratra ny lohanao’ arakaraka ny hahazoanao fiaikena fa akaiky ny faran’izao tontolo izao mikorontana ankehitriny. Hianaranao koa izay tokony hatao mba hanararaotana ny tombontsoa hoentin’ny Fanjakana mesianika, izay hisalovana tsy ho ela amin’ny raharahan’izao tontolo izao ho tombontsoan’ny olona mahitsy fo rehetra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahalalana antsipiriany bebe kokoa momba ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo hatramin’ny 1914, jereo ny toko faha-7 amin’ny boky La paix et la sécurité véritables: comment est-ce possible?, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Efajoro, pejy 5]
“Na dia tanteraka aza ny famantarana”
‘Inona no maha-ratsy ny mandeha amin’ny mpahita iray na ny mamaky ny tombam-bintan’ny tena ao amin’ny gazety? Tsy kilalao tsy mampaninona fotsiny ve izany?’
Tsy mandray ny zavatra amim-pahamaivanana loatra toy izany ny Baiboly. Raha ny marina, dia mampitandrina antsika amin’ny mpahita sy ny mpanao fankatovana izy. Ao amin’ny bokin’ny Deoteronomia, no anomezan’i Jehovah izao fampitandremana manaraka izao: “Raha tàhiny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (...), na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao, dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany.” — Deoteronomia 13:2-4 [1-3, MN ].
Mariho fa ny Soratra Masina dia tsy mandà fa mety hiharihary ho marina ny sasany amin’ny fanambaran’ireo mpahita na mpanandro. Mampitandrina antsika kosa anefa ny Baiboly fa raha toa ireny fanambarana mialoha ireny miorina amin’ny famantarana eny amin’ny lanitra na amin’ny fomba hafa momba ny sikidy, izy ireny dia avy amin’ny demonia, feno fitaka izy ireny ary mety hampiala ny olona amin’Andriamanitra marina. — Jereo Asa 16:16-18.
Amin’ny fihainoana mpanandro na olona mihambo ho afaka manambara mialoha ny ho avy, dia misetra loza ny tena hifanehatra amin-java-manahirana ara-panahy lehibe sy ho tonga andevon’ireo “fanahy ratsy eny amin’ny rivotra”. (Efesiana 6:12.) Noho izany, dia heverin’Andriamanitra ho fahotana lehibe ny fanatonana izany karazan’olona izany; izay manao zavatra toy izany dia mendrika hankahalaina eo imasony ary tsy handova ny Fanjakany. — Apokalypsy 22:15.
Koa ho tombontsoantsika àry izany no ampitandreman’ny Baiboly antsika amin’ny fanandroana sy amin’ny endri-pankatovana hafa rehetra.
[Efajoro, pejy 6]
NAMBARAN’NY BAIBOLY FA:
◆ Ho teraka any Betlehema i Jesosy. — Mika 5:2.
◆ Hateraka ao amin’ny fianakavian’i Jese, rain’i Davida mpanjaka, izy. — Isaia 11:1, 10.
◆ Hovonoina eo amin’ny hazo izy. — Salamo 22:16, 17.
◆ Tsy hisy hotapahina ny taolany na dia iray aza. — Salamo 34:20.