Ireo fivoriamben’ny distrika “Ny fiadanan’Andriamanitra”: izay nilainay indrindra!
“IRENY fivoriambe ireny dia nanohina ny fonay sy nanova ny fomba fijerinay zavatra.” “Nanomana fanasana nisy sakafo fy maro ho anay Jehovah.” “Nivantana sy hentitra ireo lahateny.” “Tena ny nilainay indrindra ary AMIN’NY FOTOANA METY!” “Izany indrindra no nilainay!”
Izany, ankoatra ny zavatra hafa maro, no sasantsasany amin’ny fanamarihana mampiseho hafanam-po re taorian’ireo fivoriamben’ny distrika “Ny fiadanan’Andriamanitra” nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1986. Izany fanamarihana rehetra izany dia nampiharihary fa ireo mpanatrika dia nihevitra ity torohevitra sarobidy nomen’ny mpitari-draharaha tamin’ny lahateny fanokafana ity: “Mihainoa ka mahazoa ny hevitry ny teny.”
Koa satria misy firesahana matetika tokoa ny amin’ny fiadanana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra — in-300 mahery no ahitana an’io teny io ao —, dia tena nety tokoa ny nanaovantsika azy ho foto-kevitra tamin’ireo fivoriamben’ny distrika nataontsika tamin’ny 1986. Taratasy ara-tsindrimandry 18 tokoa, manomboka amin’ny taratasy ho an’ny Romana ka hatramin’ireo voasoratra ao amin’ny Apokalypsy, no mirakitra izao karazam-pampidiran-dresaka izao: “Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.” Tokony homarihina fa ao amin’ny Soratra hebreo, ny teny nadika hoe “fiadanana” dia shalôm izay milaza zavatra mihoatra noho ny tsy fisian’ny ady sy ny fisaratsarahana fotsiny, fa mampahatsiahy koa hevitra ny amin’ny fahasalamana, fanambinana sy fahasambarana. — I Petera 1:2.
Nasandratra imbetsaka ny fiadanana nandritra ny fandaharana. Araka ny nosoritan’ny mpandahateny izay nanonona ny lahateny fototra, Jehovah dia “Andriamanitry ny fiadanana” sy “Andriamanitra izay manome fiadanana”. Ny Zanany, ny “Andrian’ny fiadanana”, dia nampanantena fiadanana ho an’ireo mpianany (Filipiana 4:9; Romana 16:20; Isaia 9:5, [9:6, MN ]; Jaona 14:27; 16:33). Nasehon’ny mpandahateny fa tsy manam-paharoa ny fiadanana ananantsika Vavolombelon’i Jehovah satria tsy miankina amin’ny anton-javatra ivelany: izany dia miankina amin’ny fanajantsika ny fahefana. Izany no mahatonga izao tontolo izao tsy hahita fiadanana, noho izy tsy mamboly fanajana mihitsy an’ilay Fahefana lehibe indrindra, dia Jehovah Andriamanitra. Namintina tsara tokoa ny tarehin-javatra tamin’izao teny izao Isaia: “Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao.” — Isaia 48:18.
Anisan’ireo torohevitra azontsika mba hananana amin’ny fomba feno kokoa ny fiadanan’Andriamanitra, dia namporisihina isika mba hiezaka hitadidy isaky ny fivoriana, torohevitra iray azo ampiharina izay hanampy antsika hihatsara. Nasehon’io lahateny io fa mba hahazoana ny fiadanana dia tsy ampy ny ho tsy tia ady; tokony hiasa ho an’ny fiadanana isika, amin’ny fahavononana hahafoy zavatra ho tombontsoan’ny fiadanana.
Ny tongotra mikiraro ny fampitaovan’ny vaovao tsaran’ny fiadanana
Rariny ny iantsoana hoe “vaovao tsaran’ny fiadanana” ny hafatra ambarantsika. (Efesiana 6:15, MN.) Nahazo torohevitra sarobidy maro isika ny amin’ny fomba hitondrana izany vaovao tsaran’ny fiadanana izany ho an’ny mpiara-belona amintsika. Tamin’izany, dia nankasitrahantsika ny fanarahana foto-kevitra iray misy fizarana telo niorina tamin’ny fanompoana. Nasehon’ilay mpandahateny voalohany fa ny asantsika isan-trano dia tonga marika mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Koa satria tsy mora akory io asa io, amin’ny fandraisana anjara amin’izany dia asehontsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny olombelona. Mba tena hahitantsika vokatra, dia tokony ho tia miasa isika ary ho tia mitari-javatra, amin’ny fakana fitadidiana an-tsoratra hentitra sy amin’ny fiverenana any amin’ny olona amin’ny ora tsy mitovy, mba hahitana ny olona rehetra.
Nanazava ny mpandahateny manaraka fa mba hanaovana mpianatra, dia tokony hanohy hitsidika manokana ireo olona tsara fikasa isika, ary izany dia amin’ny fitanana toe-tsaina mijery ny lafitsaran-javatra. Tokony hihevitra manokana ireo izay hotsidihintsika isika, ka amin’izany dia hitandrina mba hanamarika, aorian’ny resaka ataontsika voalohany, izay mitana ny sain’izy ireo. Tokony hataontsika izay hianaran’ny olona iresahantsika zavatra isaky ny fitsidihana ataontsika.
Farany, ny mpandahateny fahatelo dia nanamafy ny amin’ny hoe hanampy ireo miara-mianatra amintsika ho tonga Vavolombelona isika raha manohina ny fony amin’ny fanontaniana azy izay heviny. Irintsika ny haneho fiheverana amim-pahatsorana azy amin’ny fampitodihana azy ho amin’ny fandaminan’Andriamanitra, amin’ny fanampiana azy ireny ho tonga ao amin’ireo fivoriana, amin’ny fankanesana any amin’izy ireny amin’ny toe-javatra hafa ankoatra ny fianarana ary amin’ny fanasana azy ireny ho ao an-tranontsika aza. Tao anatin’ireo 35 taona farany, dia nitombo avo folo heny ny isan’ny fampianarana Baiboly maneran-tany.
Taorian’io foto-dresaka io, dia namporisihina mafy isika hampahafantatra ny vaovao tsaran’ny fiadanana amim-pahadodonana na aiza na aiza azo anaovana izany ary na manao ahoana na manao ahoana toerantsika. Amin’izany, dia tsy vato misakana akory ny taona. Misy ankizy sy olona 90 taona mahery mitory tsy tapaka. Ny sasany mpitory maharitra na mpitory manontolo andro na dia jamba tanteraka aza. Ny hafa marenina na tsy afa-miala amin’ny seza mikorisa, ka izany dia tsy mahasakana azy ireny tsy ho mpitory maharitra. Ny mpivady kristiana iray, samy mpitory maharitra, dia manana zanaka madinika enina izay miaraka amin’izy ireo amin’ny fanompoana.
“Omeo ny tsara indrindra amin’ny tenanao amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa manontolo andro”: mbola torohevitra tena nety koa izany. Ny asa manontolo andro no fomba fiaina mahafa-po indrindra, ny mitondra fifaliana lehibe indrindra. Namporisihina ireo mpitory maharitra hanao izay rehetra azony atao mba haharetana amin’io asa io.
Toy ny tamin’ireo fivoriambe teo aloha, dia rentsika niteny ny mpitory hatramin’ny ela be, izay manompo an’i Jehovah hatramin’ny 30 taona na mahery, ka ny sasany manompo hatramin’ny 70 taona. Nasehon’izy ireny ny fifaliana tsapany amin’ny fanambarana ny vaovao tsara. Nampahery tokoa ny nandre azy ireny nitantara ny fomba nandreseny ireo vato nisakana mba hanohizana ny fanompoany. Ohatra, ny rahalahy iray dia tsy nitsahatra mihitsy nandray anjara tamin’ny fitoriana tao anatin’ny taom-piasana 43.
Torohevitra ho an’ireo fianakaviana
Nilaina indrindra ireo torohevitra tsara dia tsara natao ho an’ireo fianakaviana rehefa jerena ny fandrahonan’izao fandehan-javatra ratsy izao ny fianakaviana kristiana. “Irinao amin’ny fo rehetra ve ny handroso ara-panahy?” Izany no fanontaniana napetraka tamin’ny tanora. Be dia be amin’izao andro izao no manompo manontolo andro amin’ny maha-mpitory maharitra na ao amin’ireo Betela. Kanefa tsy afaka ny ho maromaro kokoa ve izy ireny ao amin’izany toe-javatra izany? Ny faniriana amin’ny fo rehetra handroso ara-panahy dia milaza fametrahana ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika. Izany koa dia milaza fananana fahazarana mianatra tsara, fandraisana anjara tsy tapaka amin’ireo asan’ny kongregasiona sy ny fitoriana, ary fitanana fifandraisana tsara amin’ny olona be taona kokoa. Farany, izany dia milaza tsy fahitana fahafinaretana amin’ireo zavatra melohin’Andriamanitra.
Ny foto-kevitra hafa iray misy fizarana telo dia nanomboka tamin’izao fanontaniana mampieritreritra izao: “Fialofana ialan-tsasatra sy iadanana ve ny tokantranonao?” Amin’ny fomba fihevitra toy izany, dia efa ilaina ny mifidy ho vady, Vavolombelon’i Jehovah izay mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana amin’ny toerana voalohany ary maneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Mba hahatonga ny tokantrano iray ho fialofana ialan-tsasatra sy iadanana, ny lehilahy dia tokony handray ny fitarihana amin’ny lafiny ara-panahy, ary tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany. Ny vehivavy kosa dia tokony hitondra ny fanohanany ny vadiny sy haneho fanajana lalina azy. Tena ilaina koa ny hiarahan’ny mpivady mivavaka sy ny tsy hamelany toerana ho an’ny Devoly. Afaka manao ny anjarany ny ankizy mba hahatonga ny tokantrano ho fialofam-piadanana sy fialan-tsasatra, amin’ny fankatoavana sy ny fiaraha-miasa. Mihamafy ny fatoram-pianakaviana rehefa miara-mianatra ny Baiboly sy ireo boky momba ny Baiboly ny fianakaviana manontolo. — Salamo 34:11.
Ny lahateny nanaraka, mitondra ny lohateny hoe “Mitarika ho amin’ny fiadanan’ny mpivady ve ny fisarahana?”, dia tena nilaina tokoa. Ny fisarahana àry ve no fanafodin’ireo zava-manahirana? Izany angamba no izy amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao, fa tsy ny Vavolombelona! Ho azy ireny, ny fisarahana akory tsy hoe famaranana tsy dia manao ahoana ny fanambadiana ratsy. Mazava ny misongadina amin’ny torohevitr’Andriamanitra momba ny fanambadiana; tokony ho tafaray hatrany ireo mpivady. Saika misy vokany ratsy foana eo amin’ny zanaka ny fisarahana, tsy isaina koa ny vokany mampalahelo hafa. Raha lazaina amin’ny teny mivantana, ny fisarahana dia fiaiken’ny anankiray amin’ireo mpivady — na izy ireo — fa tsy maneho ny vokatry ny fanahy izy. — Galatiana 5:22, 23.
Ireo kristiana mpitovo dia nahazo torohevitra tsara dia tsara tao amin’ilay lahateny hoe “Tokony hahatsiaro ho tsy feno ve ireo kristiana tsy manambady?” Tsia no valin’io fanontaniana io. Koa satria ny fanompoana no fototry ny zavatra imasoantsika eo amin’ny fiainana, dia afaka ny ho feno isika, na mpitovo na manambady. Raha ny marina, araka ny asehon’i Paoly, dia manana tombontsoa sasany ireo kristiana mpitovo. Amin’ny fambolena fianinana, izy ireny dia afaka mifaly amin’ny fahaizana hitoetra ho mpitovo ka handray soa indrindra avy amin’izany. — I Korintiana 7:32-34.
Torohevitra mahasoa momba ny fahadiovana
Ny rivo-piainana ara-pitondrantena eo amin’izao tontolo izao, miharatsy hatrany, dia nanimba kristiana maro izay nanarina, na noroahina mihitsy aza, noho ny fitondrantena ratsy. Tsy ilaina ny milaza fa noraisina tamin-kafaliana tokoa ireo torohevitra nivantana momba ny fitondrantena! Mba hananana ny fiadanan’Andriamanitra, dia tokony hitandrina ny fitondrantenantsika isika amin’ny fotoana rehetra. Izany, ohatra, no niharihary mazava tamin’ilay lahateny hoe “Halaviro ny fandrik’ireo fivoriana fialam-boly”. Mety hitondra fahafinaretana be dia be ireo fivorian’ny mpisakaiza, kanefa raha tsy mitandrina isika, dia mety hisalovana mora foana amin’ireo asantsika teokratika izany ka hitarika ho amin’ny fahalotoana. Ny fon’olombelona tsy tanteraka dia mamitaka sy vonona ny hanararaotra ny fahafahana rehetra mba hilalaovana amin’ny fahalotoana. Ireo fivoriana lehibe fialam-boly indrindra no misy loza lehibe, toy izany koa ny mozika mampietry. — I Korintiana 15:33.
Mba hitanana izany fiadanana omen’Andriamanitra antsika izany, dia tokony ‘hanary ny “rivotra” mahafatin’izao tontolo izao ankehitriny’ isika. Toy ny itomboantsika ao anatin’ny rivotra fohintsika, dia miroboka ao anatin’ny toe-tsaina tia tena sy mikomin’izao tontolo izao isika. Ilay lahateny nitondra an’io lohateny io dia namelabelatra endriny sivy tamin’io rivotra mahafaty io, ohatra, ny fironana hilalao amin’izay maloto ara-pitondrantena, ny fanaovan-javatra mihoa-pampana amin’ny fomba fitafy sy ny taovolo, ny tsy fahalalana onony amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, ny firehetana amin’ny fanatanjahan-tena sy ny fireharehana ara-pirazanana. Manohiza mifoka izany rivotra izany, dia ho tonga ny fahafatesanao ara-panahy.
Mbola nohalalinina kokoa ihany io foto-kevitra io tamin’ny alalan’ilay lahateny nitondra ny lahateny hoe “Mitoetra ho madio amin’ny lafiny rehetra ve ianao?” Raha tsy mitandrina isika, dia mety ho tonga meloka noho ny fihatsarambelatsihy. Mba hananana fieritreretana tsara, dia tokony hadio hatrany isika eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-pitondrantena sy ara-panahy. Amin’izany, dia tokony ‘hankahala ny ratsy’ isika, anisan’izany ny fampielezan-kevitry ny mpivadi-pinoana. — Salamo 97:10; Romana 12:9.
Momba izany, ilay lahateny tsara dia tsara hoe “Mitondra vokatra feno fiadanana ny fifehezan’i Jehovah” dia tena tamin’ny nilana azy tokoa. Jehovah no Loharanon’ny fifehezana lehibe indrindra, ary mifehy antsika izy satria tia antsika. Tsy misy na dia iray monja amintsika aza afaka ny tsy hila fifehezana. Ny Zanak’Andriamanitra koa aza tsy afaka tamin’izany (Hebreo 5:8)! Rehefa fotorana tokoa, ny fifehezana dia fampiofanana fa tsy fanasaziana foana akory, ka mba handraisan-tsoa avy amin’ny fomba maro ampiharan’i Jehovah izany, dia tokony ho marina amin’ny tenantsika isika — ka hanetry tena hatrany!
“Aoka isika hanohy hifampandroso.” Io famelabelarana io dia nanome torohevitra tsara momba ny resaka ataontsika. Tsy azontsika alaina sary an-tsaina ny ratsy mety ho vitantsika amin’ny teny tsy voahevitra, ny fanakianana na ny fitarainana. Tsy azo lavina fa sarotra fehezina ny lela. Ara-drariny àry ny nampahatsiarovana antsika fa tsy tokony ‘hifanaratsy’ intsony isika. (Jakoba 4:11.) Ny fitiavan-drahalahy dia hanosika antsika hitandrina ny resaka ataontsika. Ary izany dia hanosika antsika hanontany tena toy izao, alohan’ny handraisana ny fitenenana: “Marina ve izay holazaiko?” “Tokony hiresaka ny amin’izany ve aho?” “Mampandroso ve izany?”
Ny fomba handraisan-tsoa amin’ireo faminaniana
Nisesy nanovo tao amin’ireo faminaniana ireo lahateny mba hanatsoahana fampahatsiahivana sy fianarana avy amin’izany. Ohatra, ilay nitondra ny lohateny hoe “Tsy mahafaly izao tontolo izao ny fitsaran’Andriamanitra” dia nanipika fa tsy vitan’ny hoe tokony hitory vaovao tsara momba ny paradisa isika, fa sahala amin’i Jeremia koa, dia hanambara ireo didim-pitsarana hotononin’Andriamanitra tsy ho ela (Jeremia toko faha-6 sy 7). Anarina isika mba hanahaka an’i Jeremia izay nanala sarona tamin-kerim-po ireo fampianarana lainga sy ireo fanao ratsin’ny filoha ara-pivavahana tamin’ny androny.
Ilay lahateny hoe “Vanim-potoam-pitsarana sy fanasivanana” dia nilaza tamin’ny andinindininy ny fampiharana amin’ny andro ankehitriny ny Malakia 3:1-3. Ny olon’i Jehovah dia tena nodiovina tokoa tamin’ireo fanao ratsy sy fampianaran-dison’i Babylona. Ankoatra ny hevitra manorina nasongadiny, dia nanazava ny mpandahateny hoe ahoana no nanorenana ny fandaharana teokratika sy nahatakarana fa zava-dehibe tokoa ny fanompoana isan-trano.
Narahintsika tamim-pahalianana koa ny famakafakana ny toko faha-11 sy 12 amin’ny bokin’i Daniela, eo ambanin’ny lohateny hoe “fanantenam-piadanana azo antoka noho ny fanambarana ny tsiambaratelo masina”. Manakorontana izao tontolo izao ny fifandrafian’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo. Miharihary amin’ny faminanian’i Daniela fa tsy hahalamina mihitsy ny tsy fifanarahany ireo mpanjaka roa ireo. Mikaela ihany no afaka mitondra fiadanana maharitra.
“Filaminana hatraiza hatraiza eo ambany Fiandrianan’ilay ‘andrian’ny fiadanana’.” Izany no lohatenin’ny lahateny hafa iray nalaina avy ao amin’ireo faminaniana ara-tsindrimandry. Izany dia fanazavana ny andinin-teny ao amin’ny Isaia 9:5, 6 sy ny teny manodidina azy, izay nampiseho fa nahatanteraka an’io faminaniana io indrindra i Jesosy Kristy. Namarana ny teniny tamin’izao teny izao ny mpandahateny: “[Ny] fandresen’i [Mikaela] ao Hara-Magedona dia hamita ny raharahany mamirapiratra, ka hiverimberina tsy hisy farany ny akon’ny horakoraka momba azy. (...) Ry Vavolombelon’i Jehovah, aoka hitombo hatrany ny lazantsika tsara! Aoka isika hatoky tanteraka an’Andriamanitra sy ilay Mpanjaka nandray fiandrianana, ilay ‘Andrian’ny fiadanana’. Aoka isika tsy hatahotra mihitsy eo anoloan’ny firaisan-tetiky ny fandehan-javatra ankehitriny. (...) Hampiasaina ho famantarana sy fahagagana isika ho voninahitr’i Jehovah.” Io lahateny io dia tena anankiray amin’ireo nahavariana mihitsy tamin’ny fivoriambe.
Aoka isika hankasitraka ireo izay mitondra antsika
Ny foto-dresaka iray misy fizarana roa mitondra ny lohateny hoe “Mpiandraikitra mitondra fiadanana” dia tena nanampy antsika hihevitra amim-pankasitrahana ireo mitondra antsika. Nohazavain’ilay mpandahateny voalohany ny anjara asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany ary nasehony hoe nahoana izy ireny no mendrika tanteraka voninahitra roa sosona rehefa heverina ny andraikiny maro. Ohatra, tokony hanao lahateny izy ireny, hanampy handamina zava-manahirana, hampiofana ireo rahalahy ao amin’ny asa fanambarana sy hitsidika an’ireo izay marary ara-batana na ara-panahy. Tsy azo lavina fa ny mpiandraikitra mpitety faritany rehetra dia mendrika ny hiarahantsika miasa akaiky sy ny handraisantsika azy ireny toy ny nataon’i Lydia. — Asan’ny apostoly 16:15.
Ny mpandahateny faharoa dia nitanisa ireo andraikitra iantsorohan’ny loholona, avy eo dia nanazava ny anjara raisiny mba hitomboan’ny fiadanan’ny kongregasiona. Afaka manatontosa izany adidy izany izy amin’ny fiomanana ho amin’ireo fivoriana sy amin’ny fitarihana izany, amin’ny fitsidihana ny ondry, amin’ny fikarakarana raharaha ara-pitsarana, amin’ny fanomezana ohatra ao amin’ny fitoriana sady manana fitondrantena sy fiainam-pianakaviana faka tahaka. Azo antoka fa tsy hohadinointsika ny hampiseho fa mankasitraka ireo loholona voatendry isika amin’ny fankatoavana sy ny fanekena, araka ny anoroany hevitra antsika ao amin’ny Hebreo 13:17.
“Aoka isika hiezaka hahazo laharana tsara.” Io lahateny io dia nampahafantatra antsika fa eo anoloan’ny fitomboan’ny isan’ny Vavolombelona aoka izany, dia tsapa fa ilaina ny loholona mahay. Nohazavainy tamin’ny rahalahy vita fanoloran-tena ho an’Andriamanitra rehetra izay azony natao mba hahazoana tombontsoa lehibe kokoa. Io foto-dresaka io dia namporisika indrindra ireo izay manana ny toetra takina — kanefa tsy mihevitra fa ilaina ny hanompoana betsaka kokoa — hanontany tena hoe: Inona no mitana ahy tsy hanao bebe kokoa?
Lafiny hafa koa tamin’ilay fanasana ara-panahy
Tamim-pahafinaretana no nihainoantsika ny foto-kevitra hoe “Afa-po amin’ireo fandaharana ara-panahy ataon’i Jehovah ve ianao?” Notononina tamintsika ny ohatra araka ny Baiboly ny amin’ny olona nahay nankasitraka ireo fandaharana ara-panahy nataon’i Jehovah sy hafa tsy nankasitraka izany. Raha mahatsapa izay ilaintsika ara-panahy isika, dia ho afa-po amin’ireo fandaharan’i Jehovah ka hampiseho izany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanararaotana ny fotoana mba hianarana manokana ny Baiboly sy amin’ny fifehezana ny tenantsika amin’ireo fivoriana mba handraisana faran’izay betsaka avy amin’izany.
Ny lahateny hoe “Lalina ve ny vavaka ataonao?” dia nanazava izay zava-tsarotra tsy maintsy resena hafa koa mba hahasalama antsika ara-panahy. Namporisihina isika mba hanontany tena hoe: Namela ny vavaka ataoko hanjary famerimberenan-teny, vita lasitra na atao maimaika ve aho, toy ny hoe sahirana loatra aho ka tsy afaka hanome voninahitra rehefa miresaka amin’Andriamanitra? Amin’ny vavaka isika dia miteny amin’ilay Lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao. Mba hahatonga ny vavaka ataontsika ho lalina, dia tokony hihevitra an’Andriamanitra ho tena misy tokoa isika. Tokony ho avy amin’ny fo, hentitra sy atao amim-piheverana ny vavaka ataontsika.
Tao koa ilay foto-kevitra hoe “Mitondra fiadanana ny fanoloran-tena sy ny batisa”. Nasehon’ilay namelabelatra izany fa ny batisantsika dia fisehoan-javatra sady tena lehibe no mahafaly indrindra. Amin’izany fomba izany, dia mahazo fihavanana amin’Andriamanitra isika ary voatokana ho minisitra Vavolombelon’i Jehovah. Afa-tsy izany koa, ny fanolorana ny tenantsika ho an’Andriamanitra dia tsy fanekena toy ny hafa; afaka manao fanekena maro miaraka tokoa isika. Rehefa manolo-tena ho an’Andriamanitra kosa anefa isika, izany dia milaza fa tsy mifikitra afa-tsy amin’i Jehovah Andriamanitra ihany isika.
Ireo fampisehoana tantara araka ny Baiboly roa dia fotoana niavaka tamin’ireo fivoriambe. Ny voalohany, Famonjena ny aina amin’ny fotoan’ny mosary, dia nanipika ny tantaran’i Josefa sy ireo rahalahiny nampihetsi-po ary tsy vitsy no latsa-dranomaso. Josefa, lehilahy be fangoraham-po izay nahay namela heloka, dia namela ho antsika rehetra ohatra tsara dia tsara harahina. Misy vidiny ara-paminaniana koa ny fitantarana ny fiainany. Avy amin’ilay tantara faharoa hoe Tadiavo ny fahamarinan’Andriamanitra mba hahatafita velona, no nanatsoahana torohevitra mavesa-danja ny amin’ireo zava-manahirana hitan’ny tanora kristiana. Io tantara io dia nanipika ny ilàna hitandrina ny fitondrantenantsika, ny hametrahana ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany ary tsy halaky hitsara ny antony manosika ny hafa.
Ny lahateny ampahibemaso dia nifanaraka indrindra tamin’ny foto-kevitry ny fivoriambe; ny lohateniny dia hoe “Ny fiadanana, rehefa ela ny ela, — araka ny baikon’Andriamanitra”. Nanomboka nanazava izy fa ny fanamboarana ny fiadiana noklehera rehetra dia mampiseho hadalana ary ny tarehin-javatra eo amin’izao tontolo izay dia tsy azo ivoahana raha araka ny fiheveran’olombelona. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no manolotra ny tena fanantenana. Inona no dikan’ny hoe mihaino rehefa miteny Andriamanitra? Izany dia milaza, tsy fihainoana amim-pitandremana fotsiny sy fitadiavana hahazo izay lazain’Andriamanitra, fa fanaovan-javatra mifanaraka amin’izany koa. Amin’izany isika dia tsy ho voafitaky ny antsoantso mamitaka hoe “Fiadanana sy filaminana!”
Taorian’ny lahateny famaranana hoe “Manome fitaovana antsika ilay Andriamanitry ny fiadanana mba hanaovana ny sitrapony”, ny mpanatrika rehetra dia nody tany an-tranony, ny fo safononoka noho io fanasana ara-panahy naroso nandritra ny efatra andro io. Tsy mbola nisy toy izany mihitsy, io fivoriambe io dia tena nanome fitaovana antsika tokoa mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Noho izany, “tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika? Handroso amin’ny asa lehibe fanambarana ilay Fanjakana, ka ho tia tokoa ny fiadanan’Andriamanitra ananantsika sy ny heviny rehetra ho antsika”!
Tany Etazonia, dia nisy fivoriambe 135 natao tany amin’ny toerana 65 samy hafa sy tamin’ny fiteny 11. Ny tampon’isan’ny mpanatrika dia 1 276 578, izay natao batisa ny 12 603. Ireo fivoriambe telo natao tany amin’ny Yankee Stadium any New York dia nahavory mpanatrika betsaka indrindra 95 091, izay natao batisa ny 1 110. Tany Soisa, dia nisy fivoriambe dimy izay nahavory mpanatrika be indrindra 20 092, ka 218 no natao batisa.
[Efajoro, pejy 30]
Boky navoaka tao amin’ny fivoriambe “Ny fiadanan’Andriamanitra”
Ny boky voalohany nambara tamintsika dia fanontana fanitsiana ilay bokikely hoe “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra” (frantsay), tamin’ny faran’ny lahateny iray nitovy lohateny tamin’io. Io fanontana io dia bokikely miloko efatra, voatonta amin’ny sora-baventy ary vao nanampy ny fizarana sasany. Hety tanteraka izy io mba hanombohana fianarana ny Baiboly any an-tokantrano.
Ny Vavolombelon’i Jehovah — Tafaray mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny tany manontolo (frantsay), bokikely iray misy loko efatra koa, mitovy velarana amin’ity gazety ity, dia naseho nanaraka izany. Fiasana sarobidy izy io mba hanampiana ireo izay mifanehatra amintsika hifankazatra amin’ny asantsika samihafa, ary izany dia manome fanazavana ara-tantara maro momba ny Vavolombelon’i Jehovah.
Ny navoaka fahatelo nambara dia boky fianarana ny Baiboly iray 192 pejy natao hianarana voalohany indrindra ao amin’ireo fianarana ny bokin’ny kongregasiona. Ny lohateniny dia hoe Filaminana hatraiza hatraiza eo ambany Fiandrianan’ilay “Andrian’ny fiadanana” (frantsay).
Ny fanambarana fahefatra dia nahakasika famoahana ny “cassette” Mélodies du Royaume no 7, nahafahan’ny mpihaino rehetra, falifaly, nandre tapany taminy.
Farany, dia faly isika nandre famoahana amin’ny teny frantsay ny boky IV amin’ny Auxilliaire pour une meilleure intelligence de la Bible. Endrey ny fitahiana ho an’izay rehetra tia mianatra ny Baiboly!
[Sary, pejy 31]
1. Josefa namidin’ireo rahalahiny, tao amin’ilay tantara naseho tamin’ny fotoam-pivoriana koreana tany Etazonia.
2. Ny Rahalahy F. Franz, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, manao lahateny ao amin’ny anankiray amin’ireo fivoriambe.
3. Fahitana ireo mpanatrika nihaino tsara tafavory tany amin’ny Yankee Stadium any New York.
4. Mpamonjy fivoriambe an’arivony maro no natao batisa ho mariky ny fanolorana ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra.