FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/4 p. 32
  • Mahafantatra ny fihetseham-pon’ny tena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahafantatra ny fihetseham-pon’ny tena
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/4 p. 32

Mahafantatra ny fihetseham-pon’ny tena

Tena zava-tsarotra tokoa ny hahatongavana amin’ny fahafantarana ny fihetseham-pon’ny tena. Mitantara izay niainany ny zazavavy iray: “Sambatra aho, ary vetivety taorian’izany dia nahatsiaro ho ketraka aoka izany. Indraindray, dia tsy fantatro akory izay tsapako. Nahatsiaro ho very tanteraka tao amin’ny maizina aho. Tsy nahay nanambara na nilazalaza izay tsapako aho, na iza na iza olona nitenenako, na dia ny tenako ihany aza. Toa tsy nihevitra ahy ny manodidina ahy, indrindra fa ireo mpiara-mianatra tamiko, satria tsy mba tsara tarehy aho. Nanimba ahy tamin’ny farany izany fihetseham-po izany, ka nanomboka nankahala ny tenako aho, dia izaho sy ny toetrako.”

Nahazo boky Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti, io zazavavy io. “Nahavariana tanteraka izy io, hoy ny nosoratany, hany ka tiako ny hamaky ny toko hoe ‘Rehefa tonga vehivavy ny zazavavy kely iray’. Saika tsy nino izay hitako aho, satria io toko io dia nilazalaza indrindra izay tsapako tsy ela izay ary nanazava izany. Nampahery tokoa ny nahafantatra fa tsy hoe tsy ara-dalàna akory izany fihetseham-po izany! Ilaiko fotsiny ny mianatra ny fomba tsara iaretana izany.”

Ankoatra ny fanampiany ny tanora hahafantatra ny fihetseham-pon’ny tenany, io boky io dia mivaofy foto-kevitra toy ny “masturbation” ary mamaly fanontaniana karazan’izao: Tsara amin’ny tanora ve ny fisotroana zavatra misy alikaola? Tokony hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana ve izy ireny? Ataovy izay hanananao anankiray amin’io boky io amin’ny famenoana sy amin’ny fandefasana ity tapakila ity.

Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky mifono baoritra 192 pejy, mitondra ny anarana hoe Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara