FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/4 p. 23
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Hevi-dratsy”
  • “Hamtsana ao amin’ny evaolisiona”
  • Atao ratsy fitondra ny olona be taona
  • Famonjena ny aina amin’ny alalan’ny ra — Amin’ny fomba ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ho fanehoana fiheverana an’Andriamanitra dia aoka isika hanaja ny aina sy ny ra
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ny Fampidiran-dra — Tsy Mampidi-doza Ve?
    Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fampidiran-dra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/4 p. 23

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

“Hevi-dratsy”

Ny fitomboan’ny fanahiana ateraky ny loza entin’ny ra voaloto dia manery an’ireo fikambanana ara-pitsaboana hiady hevitra indray raha ara-dalàna ny fampidiran-dra. Nanamarika ny dokotera Soloway, lehiben’ny mpanoratra ao amin’ny revio Pathologist fa tojo fahasahiranana foana ny fampidiran-dra. “Tamin’ny voalohany, hoy ny nosoratany, ny fampidirana ra voaloto tamin’ny fotoana nanangonana na nitehirizana azy (...) dia niteraka fahafatesan’olona maro noho ny “septicémie” [fidiran’ny otrikaretina] sy noho ny “choc endotoxique” [fanapoizinana]. Ny fifindran’ny “hépatite B” (karazana aretin’aty) amin’ny alalan’ny ra sy zavatra avy aminy dia niteraka fahafatesan’olona maro nandritra ny Ady Lehibe Voalohany.” Na dia ao aza ny fisehoan’ny fandaharana ara-teknika natao hiantohana ny famatsiana ra azo lazaina hoe “salama”, dia mbola mitohy ihany ny aretina toy ny SIDA.

Misy zavatra ahina vaovao mitranga ankehitriny. Izany dia mahakasika ny mbola hahavelona ihany any aoriana, olona voan’ny homamiadana nampidiran-dra tamin’ny fandidiana. Hoy ny nambaran’i Soloway: “Eo anoloan’ny hoe mbola hahavelona ihany, dia misy fahavoazana lehibe rehefa (...) atao ny fampidiran-dra amin’ireo marary nodidiana noho ny homamiadana amin’ny avokavoka, ny nono na ny tsinaibe.” Misy zavatra hafa azo atao ve ao anatin’izany toe-javatra izany? Niaiky toy izao i Soloway: “Nanantitrantitra foana ny Vavolombelon’i Jehovah (...) fa hevi-dratsy ny fampidiran-dra. Ho voaporofo angamba fa tsy marina ny voalazany, indray andro any, eo am-piandrasana anefa, ary na dia manohitra ny tsy toy izany aza ireo fitehirizan-dra, dia porofo maro no manohana ny hevitr’izy ireo.”

Raha ny marina, dia ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra no niaro ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fahavoazana maro nateraky ny fampidiran-dra. Manambara toy izao ny Levitikosy 17:14: “Aza mihinana ny ran’ny nofo [ny karaza-nofo rehetra, MN ]; fa ny rany no ain’ny nofo rehetra.” Afa-tsy izany koa, ny kristiana dia nahazo baiko ‘hifady ny ra’. (Asan’ny apostoly 15:28, 29.) Mazava àry fa Andriamanitra dia mihevitra ny fandraisan-dra na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona ho “hevi-dratsy”.

“Hamtsana ao amin’ny evaolisiona”

“Ny elatry ny bibikely dia tsy nivoatra avy amin’ny tendrony na ny toerana hafa. Tamin’ny voalohany izany dia zavatra nivohitra bitika nitsangana teo an-damosiny.” Izany no azo novakina tao amin’ny gazety soedoa iray mivoaka isan’andro atao hoe Svenska Dagbladet momba ny fikarohana vao haingana ny amin’ny fisehoan’ny elatra eo amin’ny bibikely. Milaza mazava io gazety mivoaka isan’andro io fa “misy tsangan-kevitra ilazana fa nety ho azony natao ny nampiasa ireo ho tonga elany ho toy ny karazana fikapohana kely mba hisamborana bibikely hafa, mandra-pahatsikariny indray andro fa afaka nanidina koa izy tamin’ny fiaingana avy eo amin’ny tany na tamin’ny fiantorahana avy eny amin’ny hazo”.

Araka ny filazan’io gazety mivoaka isan’andro io ihany, ireo biolojista dia miady hevitra ny amin’ny hoe ireo ‘ho tonga elatra’, na dia kely loatra aza raha anidinana, dia angamba nampiasaina ho fandraisana ny herin’ny masoandro nitondra ho an’ny tena, hafanana sy hery. Ahoana no nahatongavany amin’ny halehibeny ara-dalàna ilay izy bitika iny? Ekena fa eo dia misy hantsana ao amin’ny evaolisiona izay sarotra hazavaina”.

Asehon’ny Baiboly mazava anefa hoe avy aiza ny elatry ny bibikely. “Ary Andriamanitra nahary ny voromanidina [zavaboary manidina manana elatra, MN ] rehetra samy araka ny karazany avy”, hoy ny ambaran’ny Genesisy 1:21. Raha tsy niafara afa-tsy tamin’ny fiheverana fotsiny sy ny “hantsana (...) sarotra hazavaina” ny taona maro nanaovana fikarohana ara-tsiansa, ny fitantarana ao amin’ny Baiboly kosa dia mifanaraka amin’ny zava-misy fantatsika. Ny famoronana sy ny asa mahatalanjon’ny elatry ny bibikely dia manome voninahitra, tsy ny evaolisiona jamba, fa Mpamorona manan-tsaina iray.

Atao ratsy fitondra ny olona be taona

Mihamaro ny olona be taona iharam-pahavoazana noho ny fitondrana ratsy ary tsy ampy fikarakarana. Fandre amin’izao andro izao ny filazana fa misy olona be taona natao ratsy fitondra, nangalarana, nokapohina na novonoina, ary izany dia ao amin’ireo tany niheverana azy ireny tokoa hatreo. Tao amin’ny tany iray any Azia, hoy ny fitantaran’ny revio Asiaweek, dia “manamarika ny mpikambana iray ao amin’ny sampan-draharaha ara-tsosialy ny amin’ny vehivavy be taona iray nogadrain’ny fianakaviany nandritra ny efatra ambin’ny folo taona ary tsy nomen-dalana handro afa-tsy isan-tapa-bolana”. Manampy teny io revio io fa, any amin’ny tany hafa iray any Azia, ny vehivavy iray enimpolo taona “dia maty vao haingana tao amin’ny trano fitokanana, kanefa tsy mba tonga tany aminy mihitsy ny zanany lahy na ny vinantony vavy”. Tsy hoe tsara kokoa akory ny tarehin-javatra any amin’ireo tany any Andrefana. “Any Etazonia, dia olona be taona eo amin’ny iray amin’ny dimy amby roapolo no ariana na atao ratsy fitondra, na ao an-tranony, na ao amin’ny fikambanana iray”, hoy ny revio U.S. News and World Report. “Ny tsy firaharahana no karazam-pitondrana ratsy miely indrindra (...), kanefa mitombo ny fanaovana an-keriny na ara-batana na eo amin’ny lahy sy ny vavy.”

Ireo mponina teo amin’ny Isiraely fahiny mbamin’ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona kristiana voalohany dia anarina mba haneho fanajana sy fiheverana ary voninahitra ny olona be taona (Eksodosy 20:12; Levitikosy 19:32; Efesiana 6:1, 2; I Timoty 5:1, 2). Nilaza mialoha anefa ny apostoly Paoly fa amin’ny andro farany isika dia hiditra ao amin’ny “andro mahory”, ka hanalavitra hatrany ny fitarihan’Andriamanitra ny olona (II Timoty 3:1). Ny anankiray amin’ny toetra hampiavaka nosoritan’i Paoly dia ny hoe “tsy hanam-pitiavana [tsy hanana firaiketam-po araka ny natiora]” ny olona. (II Timoty 3:2, 3.) Iza no afaka misalasala ny amin’ny fahamarinan’ireo teny ireo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara