Ambarao ny fahafahana!
TAMIN’NY 7 jolay 1986 no toa hoe teraka ny fahadimy lavitrisan’ny mponina amin’ny tany. Ho avy manao ahoana moa no voatery hatrehin’io zaza io, ary raha ny marina, ny olombelona rehetra? Mba misy fanantenana ihany ve ny hifalian’ny olombelona rehetra indray andro any amin’ny fahafahana marina? Amim-pitokiana no anambarantsika hoe eny. Kanefa, inona no tiana hambara amin’ny hoe “fahafahana”? Moa ve izany fahazoan-dalana hanao izay rehetra tiantsika? Tsia. Charles Kingsley, mpanoratra tantara anglisy tamin’ny taonjato faha-19, dia nanoratra tokoa hoe: “Misy roa ny fahafahana: ny sandoka, izay ahazoana manao izay tiana, ary ny tena izy, izay ahazoana malalaka manao izay tokony hatao.”
Tsy hahazo ny fahafahana marina ny olona raha tsy manao ‘izay tokony hatao’. Ary inona no tokony hataony? Fony teto an-tany Jesosy, dia nilaza fotsiny izy fa misy didy roa lehibe: ny voalohany, dia ny ho tia an’Andriamanitra amin’ny fo rehetra, sy ny fanahy rehetra sy ny saina rehetra ary ny hery rehetra; ny faharoa, dia ny ho tia ny namana tahaka ny tena (Marka 12:29-31). Ireo izay maneho marina fitiavana amim-pahatsorana toy izany ihany, fitiavana an’Andriamanitra sy ny olombelona hafa, no afaka ho tonga amin’ny fahafahana marina. — Jaona 8:31, 32.
Mampiseho izany karazam-pitiavana izany ve izao tontolo izao ankehitriny? Mampalahelo fa tsia. Nefa, raha tsy misy fitiavana, dia mandresy ny fahafahana sandoka. Mampiseho toe-tsaina tia tena sy tsy miankina izy. Mitaky na hanaovana izay tiana izy, tsy misy fiahiana an’Andriamanitra na ny namana. Ankoatra ny olona tsirairay, io toe-tsaina dia mahazo ny fitambaran’olona, ny firazanana, ny firenena. Raha mbola manjaka koa ny toe-tsain’ny izaho aloha, ny fototra rehetra apetraka hanorenana ny fahafahana, ny fiadanana na ny fahasambarana eto an-tany dia tsy maintsy voahozongozona. Tsarovy fa nanambara toy izao i Jesosy: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Tena ilaina ny ho tia ny namana amin’izany fomba izany mba hifaliana amin’ny fahafahana marina.
Ny Fandaminan’ny Firenena mikambana dia natao mba hanafaka ny olombelona, amin’ny fanoloana ny loza ateraky ny ady amin’ny “fiadanana sy ny filaminana”. Tamin’ny fitsingerenan’ny faha-40 taonany, ny O.N.U. no nanambara ny 1986 ho Taona iraisam-pirenen’ny fiadanana. Kanefa moa ve izany fitarihan-kevitra izany niafara tamin’ny fanambarana fahafahana niaraka tamin’ny fiantohana fiadanana azo antoka? Moa ve izany nampihena ny fandaniana maharaiki-tahotra amin’ny fitaovam-piadiana (izay miakatra ho maherin’ny 1 000 lavitrisa dôlara ankehitriny [6500 lavitrisa ariary] isan-taona? Nihena ve ny fampihorohoroana? Nihavitsy kokoa ve ny fiarakodia napoaka? Nihamalefaka ve ny famonoana ara-pivavahana any Irlanda avaratra, any Atsinanana Afovoany sy any Azia? Mitsabaka amin’ny politika ireo filoha ara-pivavahana ary miresaka betsaka ny amin’ny fiadanana. Kanefa ilay voromailalan’ny fiadanana marina dia toa nanidina lavitra ny fahatakaran’ny Firenena mikambana sy ireo fivavahan’izao tontolo izao.
Moa ve ankehitriny misy antokon’olona nandao ny fitondrantena mahery setra sy tia tena an’izao tontolo izao? Eny tokoa! Ny “Andrian’ny fiadanana” nambara, Jesosy Kristy, dia naka ny olona tia fiadanana ‘avy tamin’ny fokom-pirenena, sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra’ ary nanangona azy ireny (Isaia 2:3, 4; 9:6 [9:6, 7, MN ]; Apokalypsy 5:9; 7:9). Faly izy ireo satria ny Fanjakan’Andriamanitra, tarihin’i Kristy, dia madiva hanaisotra ny faharatsiana rehetra ary hanorina paradisam-piadanana hatrany amin’ny faran’ny tany izay hanjakan’ny fahafahana marina. Fantatra amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo (Daniela 2:31-35, 44; Isaia 43:10, 12; 65:17-25). Tafaray ireny kristiana ireny ka mandray anjara amin’ny fanambarana mahafaly nasehon’ny endriny sasany tamin’ny Jobily teo amin’ny Isiraely fahiny. Any amin’ny tany maherin’ny 200 eo amin’izao tontolo izao, no aneken’izy ireo amim-pifaliana ny baikon’Andriamanitra hoe: ‘Miantsoa fanafahana [ambarao ny fahafahana, MN ] amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy!’ (Lévitikosy 25:10). Nandre izany antsoantsom-pifaliana izany ve ianao ary nasianao fiheverana ve izany?